FAMPANDRIAN-TANY ANY CENTRAFRIQUE
Ilaina ve ny mampandry tany any Afrika Afovoany ?
Manana tombontsoa arovana any ve isika ?
Ny fampandrian-tany any ivelany ve no mahamaika sa eto an-toerana ?
Be loatra ve ny mpitandro ny filaminana eto amintsika ka hanalana 140 halefa any Afrika afovoany ?
I Lafrantsa izay manana tombontsoa arovana any aza nihemotra @ fikasany hampandry tany any satria simba tsy azo ampiasaina ny antsasaky ny fitaovana eo am-pelatananany : ny fiara mifono vy ohatra.
Na ireo antsasany mbola azony ampiasaina aza nefa, mbola betsaka noho izay ananantsika.
Ny hoenti-manana hamatsiana ny mpampandry taniny ihany koa isika izy.
Raha tsorina dia fatiantoka ihany no andrasana @ io fampandrian-tany any Centrafrique io.
Mbola ao anaty krizy isika, ny famoronana asa angamba sy ny fanohanana ny tetikasa mitondra fahombiazana ho an’ny Firenena no tokony handaniam-bola be sy atao laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao.
Anisan’ny miantoka ny fandriampahalemana ho an’ny eto an-toerana koa ny famoronana asa.
Asa tena izy fa tsy fisehoana fotsiny hoe mamorona asa an-tselika @ « HIMO »
Anisan’ny mendrika an’izany ity tranonkala ity.
Manoratra ihany i Cyrius na tsy hotanterahin’ny Fitondrana aza izay voasoratra eto.
Tsy hainy rahateo izany miasa hanasoa vahoaka izany ary tsy hataony.
Manao sarimihetsika @ » dahalo niova fo » izao no heveriny ho vahaolana sy hampaharitra azy eo @ fitondrana.
Ny mampalahelo @ ity sarimihetsika ity dia ny famoizana ain’olona ; olon-tsotra sy mpitandro ny filaminana, faharavam-pananana.
Tsy nisy mpanao politika namoy ny ainy na very fananana.
Nijanona ho mpamorona sy mpanaparitaka ihany izy ireo.