Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

23 juin, 2016

Mpitondra firenena ? Manana an’ireto toetra ireto ve ?

Classé dans : psychologie — cyrius @ 13:52

Olona mendrika ho fitaratra ho an’ny vahoaka no ilaina apetraka hitondra an’ity Firenena ity, olona manam-panahy sy tena tia tanindrazana fa tsy saribakoly ampiasain’ny vahiny hanamafy fototra ny fanjanahana @ lafiny maro
-tsy olona tompon’antoka @ fandrobana sy fandorana fananam-bahoaka toy ny t@ ireny 26-01-2009 ireny izay tokony hiatrika fitsarana hosaziana mba tsy hiverina intsony ny toy ireny, ny mahavariana nefa toa ampanginginina ireny raharaha ireny tsy natao tahaka ny raharaha 07-02-2009. Tsy ampy ny fanonerana ny simba fa manan-jo hotsaraina tahaka ny rehetra ny tompon’antoka tamin’ireny raharaha ireny, avoahy ho fanta-bahoaka fa zony ny mahalala ny marina.
Tsy afaka hampandroso firenena ny mpandrava efa sy ny mpiray petsapetsa aminy, tsy hahay hitsinjo ny mpiara-belona ny olona manao sorona ny ain’ny mpiray tanindrazana aminy noho ny tombontsoany manokana.
- Tsy ilaina ihany koa olona tsy matotra sy mivadi-bolana isak’izay mihetsika, be ranomaso tahaka ny tahaka ny zaza amam-behivavy ; tsy mahavaha olana raha sendra ny sarotra, be taraina sy miala tsiny lava.
- Tsy olona mpamoritra vahoaka sy tsy mamela ny hevi-bahoaka hivoaka.
- Tsy olona mampanantena ny zavatra tsy hataony toy ny hoe vary 500ar ny kg…
- Tsy mpanao tsolotra sy manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.
Iza ireo mpanondrana bois de rose ; ny atidoha mpikotrika ny halatra taolam-paty ?
Matoa tsy voasazy sy tsy enjehin’ny fanjakana ireny dia satria olona na vondrona fantany mazava.
Manamafy ny efa voalaza ery ambony ireo zava-boalaza faramparany ireo ary manamafy fa tsy ny zaza navelan’ny 2009 no vahaolana ho an’ity Firenena ity.
- tsy olona manamafy ny fahefany @ alalan’ny famoretana sy ny famotehana ny saim-bahoaka.
- Olona manam-pahendrena, manam-panahy no ilaina hitondra ny firenena raha tiantsika ny hivahan’izao olana izao, olana ara-politika, sosialy, ara-moraly ihany koa.
- Mpitondra tsy hikatsaka izay ho tombontsoany manokana fa hametraka ho laharam-pahamehana ny tombontsoam-bahoaka sy ny Firenena.
- Mpitondra manana hazon-damosiny fa tsy baikoin’ny mpanao politika manodidina azy sy entina @ sangany.

- Olona tsy manaiky faneriterena na avy @ iza na avy @ iza, vonona hijoro sy handresy an’ireo tambajotrana MAFIA fototry ny tsolotra sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny fananan’ny vahoaka madinika.
Ho famenon’ireo fepetra ireo sy ny famaritana hafa efa voalaza t@ ireo mpahita hatr@ izay na ao @ baiboly (bokin’ i IZAIA ohatra) na avy Razantsika fahiny sy izay hitan’ireo mpikaroka ankehitriny koa ny « Hafatry ny Ombiasy iray tamin’ny zanany » izay mahomby hatrany amin’ny vanim-potoana rehetra.
Mpitondra hamolavola
- Vahoaka mahatsiaro tena, mahatsapa ny vokatry ny ataony eo @ fiainam-pirenena ka tsy azo rebirebena sy ambakaina intsony, tsy azo tambazana vola handoro trano sy handroba …ho an’ny tombontsoan’olom-bitsy, izany hoe tompon’andraikitra tanteraka sy mandray andraikitra fa izany no tena demokrasia.
- Vahoaka hametraka sy hanana mpitondra hitarika sy ho fitaratra @ ataony rehetra.
Raha tanteraka ireo fepetra vitsivitsy ireo dia hivaha ny Krizy @ endriny rehetra hisy ny fandriampahalemana ary ho afaka hamokatra tsy amin’ahiahy ny rehetra.
Tsy ho tanteraka nef izany raha tsy iainantsika ny FANAHY NO OLONA, izany hoe apetraky ny tsirairay ho fitsipi-pitondran-tena.
Ilaintsika ary aloha ny mamantatra izay atao hoe FANAHY izany izay soatoavina Malagasy sy fototry ny fahendrena.
Tsy ny fisehoana ivelany sy ny fahaiza-mandahan-teny mantsy no tena fototry ny maha-Malagasy, fomafomba sy fisehoana ivelany fotsiny ireny fa ny fototra dia avy anaty ary ampiharina @ fiainana sy ny atao rehetra fa tsy atao « théorie » fotsiny.
Inona ary ny hoe FANAHY?
Valiny ara-tsiantifika (Science spirituelle) no omena anao.

 

Commentaires désactivés.

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava