Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

  • Accueil
  • > Archives pour le Lundi 27 février 2023

27 février, 2023

AROVY AMIN’NY AVC NY VATANAO

Classé dans : religion — cyrius @ 11:00

Ny AVC no mamono olona aretina mamono olana ara-pahasalamana mamono olona betsaka indrindra eran-tany.
INONA NY AVC
Accident vasculaire cerebral no fanalavana azy.
Ny fahatsentsenana lalan-drà ao amin’ny atidoha na fahatapahana lalan-dra ao amin’ny atidoha no antony mahatonga ny AVC.
Tampoka ny fitrangan’ny AVC.
Tsy mifidy olona ny AVC fa mety hisehoan’ity tranga ity avokoa na ny lahy na ny vavy, na ny ankizy aza.
FISEHON’AVC
Miseho amin’ny endrika maro ny AVC, toy ny hoe tsy fahatsapana na tsy fahafahana mibaiko ny ampahany amin’ny vatana na ny ratsam-batana; fahalemena amin’ny faritra sasany ; fahasarotana amin’ny fitenenana na fitadidiana, sns.
VOKATRY NY AVC
Mety hiteraka voka-dratsy goavana eo amin’ny vatan’olombelona ny AVC, arakaraky ny karazany sy ny faritra voaksiky ny AVC ao amin’ny atidoha.
Tsy mitovy ny vokatry ny aretina AVC eo amin’ny olona tsirairay.
Mafimafy kokoa ny vokatry ny AVC eo amin’ny vehivavy.
Miteraka deformation na fahasembana ara-batana mandala na maharitra mihitsy moa ny AVC indraindray.
NY AVC no aretina mahatonga fahafatesana betsaka indindra eran-tany ankehitriny.
NY ANTONY MAHATONGA NY ARETIN’NY FO SY NY AVC
Ny fikorontanan-tsaina misy fiantraikany amin’ny fo.
Avy amin’ny aretin’ny fo matetika no mahatonga ny trangan’ny AVC.
Eo koa ny fandraisana zava-mahadomelina, ny sigara ohatra.
Ny fiakaran’ny tosi-drà koa dia anisan’ny manomana ny ho fitrangan’ny AVC.
Tsy azo lavina na tsy matetika aza, fa anisan’ny mampisy ny AVC koa ny fidinanan’ny tosi-drà.
Ny diabeta sy ny karazo avy amin’ireo Ray aman-dReny teo aloha moa manaraka eny ihany.
Tsy ho voatanisa eto avokoa ireo antony rehetra mahatonga ny AVC fa maro izy ireo.
Ny fisorohana no iezaho mafy.
FISOROHANA AVC SY NY OLAN’NY FO ARY NY TOSI-DRÀ
Fifehezana ny fo, izany no anisan’ny tadiavina ao anatin’ny fandalinana ny siansa momba ny zava-miafina.
Fitoniana no anisan’ny azonao rehefa mizatra manao meditation isan’andro ianao.
Mahaleo tena sady afaka manampy anao ao anatin’ny meditation, ho fifehezana sy fampitoniana ny fo ny fihainoana mantra.
Ny mantra atolotro anao eto, na dia maharitra ora iray mahery aza, dia mitovy avokoa ny naoty nihirana azy.
Midika izany fa misy tanjona voafaritra tsar any namoronana azy.
Mantra no nitsaboan’i David any fikorontanan-tsain’I Saoly mpanjakan’Israely.
Andramo ary ity mantra atolotro anao ity.
Ampahany ihany ity fa azoko omena anao izy rehetra rehefa avy mandoa fandraisana anjara kely ianao (Mailaka : shivatanguy@gmail.com).
Fa izay tsy mahafoy vola kely isorohany ny olana ara-pahasalama anio, dia ho voatery hamoy volabe noho ny aretiny amin’ny fotoana tsy ampoizina.

Image de prévisualisation YouTube[/youtube]

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava