Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

26 août, 2019

BIBY MITENY KOA NY GANA

Classé dans : — cyrius @ 10:44

 Tiako ny fiompiana gana

Mpiompy gana aho teo aloha , miteny ny ganako

Ho an’ireo toeram-pikarohana raiso hiasa ao aminareo ny tenanay dia ho voaporofonao mivantana ity.

Miteny koa ny gana, fa tsy ny boloky ihany no vorona afaka miteny.
Raha ny mahazatra hatramin’izay, mamoaka feo fotsiny ny gana toy ny hoe gaka gaka gaka, fa izao miteny mihitsy ireny biby ireny.
Mpiompy gana ny tenako hatramin’ny 2017, ary ny atodiny no antony impiako azy.
Tsy izay ihany nefa ny vokatra hitako, fa raha nozariko hobaikoana ireo biby ireo, tsy ny baiko fotsiny no narahiny, fa mamerimberina teny maro tenenin’ny olombelona koa izy, ary hainy ny mandrafitra azy sy ny mampiasa azy araka ny fotoana sy ny « situation ».
Zatra resahina toy ny olona moa ireo biby ireo, ka izay no hitako fa antony ahaizany mamerina ny teny sasany, ary mahay mamaly amin’ny teny ireo no sady miteny mifampiresaka amin’izy samy izy.
Misy basy vava mihitsy amin’ireo gana ireo.

Na ny gana vaovao vao novidiako iray volana lasa aza efa manomboka miteny toa an’ireo namany

OHATRA AMIN’IREO TENY HAINY LAZAINA

Miakatra : hainy tsara ny manonona an’io fa fiantsoako azy rehefa hibaiko azy hiakatra hisakafo na hody.
Miteny aho, dia mamerina ny iray amin’ireo tranainy indrindra tamin’ireo gana ireo hoe : miakatra, miantso ny namany hiakatra.
Kaly : hainy koa ny miteny an’io fa rehefa aantsoina hisakafo ireo, dia laaiko mihitsy hoe : hikaly e.
Voky : dokotra lahy izay no mpiteny an’io amin’ny namany rehefa avy sesehiko, efa namidy moa izy io.
Vary : Mahay miteny vary koa izy rehefa hitady vary, raha tsy misy vary ny sakafo omekoa azy, toy izany koa ny katsaka.
Mahay mandrafitra fehezanteny tsara ireo ary mahay fitenina iolahim-boto mihitsy aza.
Na izany aza, mahay manao azafady ireo raha misy biby hafa manakana ny lalany.
Mifindra moa io fahaizana miteny io, fa miteny koa na ny gana vao avy novidiako iray volana lasa aza.
Misy basivava mihitsy moa amin’ireo gana ireo.
Ny gana rehetra ompiako tsy maintsy miteny.
Nahay ny teny rehetra azon’ny olona tononina ireo biby ireo, na ireo teny vahiny ataontsika fiteny vary amin’anana aza, ary mifanaraka amin’izany ny fihetsiny sy ny ataony.

Mety ho efa niteny ve ny gana taloha ela be ? na ny vorona mihitsy aza. Manomboka mieritreritra aho izao hoe izany angamba no nahatonga an’ilay « langue des oiseaux »

Reharehako sady fifaliako ny fahitana an’ireo miteny.

Tsy tiako hamidy na  hovonoina insony ny iray amin’ireo gana ireo, raha tsy ho an’izay liana te hanohy hitaiza an’izany fahaizany miteny izany, tsy nanan-tsafidy nefa aho, va voatery namidy tamin’ny vidin’ny gana tsotra ireo satria nila vola aho.

Dingana lehibe sady miavaka teo amin’ny tantaran’ny olombelona izao, saingy ny zavatra tsy dia misy dingana loatra, toa misy mahamaika olona maro ny mamatsy vola azy, fa ny zava-dehibe tahaka an’izao vitako izao, toy ny hoe zavatra efa mahazatra, tsy dia mahataitra.
Tsarovy nefa fa matoa miverina miteny ny biby amin’izao fotoana izao, mety ho « dernière ligne droite » eo amin’ny tantaran’ny olombelona sy ny zava-boahary izany…

Trano namboariko ho an'ireo gana miteny

Tranon’ny Mesia, sy tranon’ireo gana miteny.

 

 

 

Commentaires désactivés.

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava