HO VOAARO AMIN’NY RIVO-DOZA I MADAGASIKARA SY NY FIRENENA HAFA
Efa azo avily lalana tsy hiditra an-tanety izao ny rivo-doza, nomen’Andriamanitra fahefana ahafahana manao an’izany asa izany ny tenako Mesia..
Azo natao izany, nanomboka tamin’ny fahavaratra 2022.
IREO FOTOANA MIAVAKA MITANTANA NY FIZARAN-TAONA SY NY TOETR’ANDRO
Tsiahivina aloha, fa ny 03 oktobra 2024 amin’ny 10 ora latsaka 11 minitra alina no hifarana ny ririnina, ary manomboka amin’io daty io kosa ny fiantombohan’ny lohataona.
Tsara ho fantara ary, fa ny 18 0ktobra vao tokony hilatsaka ny orana voajanahary, izay antsoina hoe orana manasara-taona, raha tsy misy ny orana latsaka vokatra avy amin’ny fomba siantifika na orana artifisialy.
Mifarana eo mantsy ny volana faha-7 ara-panandroana, ary hanomboka ny volana faha-8. vao hanomboka ny fotoam-pahavaratra.
Ny 01 novambra 2024 amin’ny 03 ora latsaka 13 minitra kosa indray no hanomboka ny fotoam-pahavaratra.
Ireo orana avy tamin’ity volana septambra ity dia orana natao tanana na artifisialy fotsiny ihany.
VAOVAO MAHAFALY MOMBA NY RIVO-DOZA
Tsy efa voasoratra ao amin’ny baiboly va, arak’izay hita ao amin’ny Joela 2, 20 fa hoafahana amin’i Leviatana na ny rivo-doza ny vahoaka Malagasy ?
« Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin’ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin’ny ranomasina atsinanana » Joela 2 : 20
Tsy ny Malagasy irery ihany nefa no azon’Andriamanitra ampanalavirina ny rivo-doza, arak’io voasoratra io, fa ny firenena hafa rehetra.
Ny azo antoka aloha dia tsy nandalo teto Analamanga sy ny manodidina azy intsony i Leviatana, na ny rivo-doza, nanomboka ny taona 2022.
Mahagaga ny fitondran’Andriamanitra, fa tsy omby maty, tsy akoholahy no tapahi-tenda, dia efa azo baikoina tsy ho tafiditra teto amin’ny manodidina ny faritanin’Antananarivo ny rivo-doza.
Ialako tsiny amin’ny faritra hafa nefa, fa ny rivo-doza no afaka mivezivezy tsy mandoa saran-dalana sy hofana hotely, fa tsy ny tenako.
Mesia ny tenako, fa ny fahefana, hamily lalana ny rivo-doza, na hanakana azy tsy ho tafiditra ao amin’ny faritra iray aloha no anjarako hatreto.
Raha ny vola, azon’ny fanjakana, na fikambanana, na orinasa na ny tsirairay mitambatambatra omena izany fa ny erikerika, hono, mahatondra-drano.
Tsy ampoizinao, raha ny 1000 ariary saika hihinananao lasopy, na hisotroana kely no hahavonjy anao sy ny ankohonana, ny havanao, na ireo olon-tianao.
Tsoriko izany, fa tsipaipaika no andrasana aminao, ahafahana manaraka ny rivo-doza hatrany amin’ny sisin-tany rehetra mandra-pahazoana antoka, fa tafavily tanteraka, tsy ho tafiditra eto Madagasikara intsony ny loza.
Aza miandry ny hafa raha vonona handray ny famonjena efa nomen’Andriamanitra.
Mahazo tsiny hatrany mantsy Andriamanitra, isak’izay misy voina mahazo ny tsirairay, azoko antoka fa betsaka ny fitarainana tonga tany aminy, nefa ny famonjena efa nomeny, fa tsy nasiana lanjany loatra.
Ny fanjakana moa no anisan’ny tompon’Andraikitra voalohany, ka entanina izy hiara-hiasa amin’Andriamanitra.
« Antsoy aho, dia hovaliako ianao » ; « Tadiavo, fa mora hita aho »
Mino aho, fa misy ny olona vonona hifanome tanana amiko, satria izao fahafahana mamily ny lalan’ny rivo-doza izao moa no tanteraka, dia vokatry ny fanazavana nomena manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny fizahana ny toetr’andro momba ny toetry ny rivo-doza sy ny fifindrany.
Tamin’izany no nahalalan’ny tena, fa ny rivo-doza dia voasariky ny hamandoana, ka ny rahona matevina miangona eny amin’ny habakabaka no misarika azy ka mahatonga azy hanatona ny toerana iray sy hatanjaka kokoa.
Izany hoe raha miparitaka io rahona na andian-drahona mahasarika azy io, dia tsy maintsy hivily lalana i Leviatana na ny rivo-doza.
Fahefana efa nananan’ny tena nandrity ny taona maro nefa izany, fa teo aho no nanapa-kevitra hampiasa azy io voalohany indrindra hanaparitahana ny rahona mba hamiliana lalana ny rivo-doza.
Rivo-doza efa hitan’ny mpamantatra ny toetry ny andro fa tsy maintsy handalo teto Analamanga, tamin’ny taona 2022, no nisantarana an’izany.
Teo am-baravaran’ny lava-piringa moa ny tenako tamin’izay, fa Andriamanitra, eo amin’ny toerana rehetra, Andriamanitra, dia fahazavana, ny fahazavana mandresy ny aizina, ka izay rahona mainty foana ve ?
Ny fanahy no fahazavan’ny olona, ny maso no jiron’ny tena, ary ny fahazavan-tsaina no anisan’ny manamora ny fanomezan’Andriamanitra hery azo ampiasaina hamonjena ny vahoaka.
Raha tsiahivina moa dia nahatratra 300 tapitrisa dolara ny fatiantoka navelan’ny rivo-doza tamin’ny fahavaratra 2024 teo.
Tsy mila mandany ampahazaton’io vola io kosa nefa isika, raha ny Mesia, ny tenako no idodododoan’ny fanjakana hisoroka ny fiakaran’izany rivo-doza izany an-tanety.
Tsy misy tsy mahita tombontsoa amin’nizany nefa raha mbola olona miaina, na mpandraharaha, na mpiasa, na mpikarakara tokantrano.
Andefasana antso koa ianao na antoko politika mpanohitra na vondrona hafa, fa ho antsika ity, fiarovana ny aim-bahoaka sy ny fananany, ka sao ny fiaraha-msantsika no tsy hahavaha olana, ba tsy hihasarotra no ny amin’izao fotoana indray ny fiainam-bahoaka.
Tsy misy sehatr’asa tsy voakasiky ny vokatry ny rivo-doza
Malahelo aho aloha milaza aminao, fa hitombo iray volana ny faharetan’ny fahavaratra 2024 – 2025.
Handroa mantsy ny volana fahafolo ara-panandroana, dia ny Capricorne izany, izany hoe haharitra roa volana izany ny volana na vintana Capricorne.
Mbola hisy telo volana ao aorian’izay roa volana izay nefa vao hifarana ny fahavaratra, ka hiantomboka ny fararano.
Haharitra enim-bolana tsy miato izany ny vanim-potoana fahavaratra amin’ity fotoana ity.
Ka raha hampian’ny rivo-doza ny oraa efa hilatsaka sy ny rano ho tondraka, dia asa foana, ry vahoaka tian’Andriamanaitra hovonjena.
Ho tamana amin’ny fijaliana ve ianao, sa mba hanararaotra ny famonjena ?
Tadidio, fa manaraka ny safidinao ny fiainana.
Raha hihetsika, dia aza miandry ny hafa.
Raha ny mahazatra moa isan-taona dia lazaiko mialoha eto hatrany ny momba an’izay ho tanjaky ny rivo-doza sy ny manodidina azy.
Tsy ataontsika mahamaika intsony izany amin’ity taona ity, satria, efa azoko avily lalana tsy hiakatra an-tanety ny rivo-doza, araky ny fahefana ara-panahy ananako .
Ny hasin’ny tena, ahafahana mifehy ny zavaboaary , ary anisan’ny azo fehezina ny herin’ny rivo-doza na i Leviatana
NY FIOMPIANA SY NY FAHASALAMANA ARY NY TOETR’ANDRO ARA-PANANDROANA
Manodidina an’ireo daty sy ora ireo moa no hiseho indray ireo aretina vokatry ny tsifahazakana ny fivan’ny toetr’andro.
Hiharan’izany koa ny biby fiompy.
Izay tsara fiomanana tsy hotapohin’ny loza.
Manana tombony kosa ianao mamaky sahady an’ity pejy ity.
HO AFAKA MIFEHY NY LOZA KOKOA ISIKA AMIN’NY FOTOAM-PAHAVARATRA
Tsiahivina aloha, fa ny 13 novambra 2023, vao hanomboka ny fotoam-pahavaratra.
Mety tsy ho maro indray angamba ny olona tsy mahalala ka himenomenona hoe taraiky be ny orana.
Na izany aza.
Raha ny mahazatra moa isan-taona dia lazaiko mialoha eto hatrany ny momba an’izay ho tanjaky ny rivo-doza sy ny manodidina azy.
Tsy ataontsika mahamaika intsony izany amin’ity taona ity, satria,
Faly aho hilaza aminao fa ananako ny fahafahana manova ny lalan’ny rivodoza.
Ny rivo-doza dia loza voajanahary izay mety hiteraka fahasimbana goavana ary mety hampidi-doza ny fiainan’ny olona maro. Matetika izy ireo no miforona ao anaty ranomasimbe ary azo vinavinaina ny lalàny.
Afaka avily nefa izany lalany izany, noho ny fahefana ara-panahy ananako dia afaka miditra an-tsehatra sy manakana azy tsy hiditra ao amina firenena iray aho, anisan’izany i Madagasikara.
Ahoana no hahatanterahan’izany, manontany ahy ianao?
Ny hasin’ny tena, ahafahana mifehy ny zavaboaary , ary anisan’ny azo fehezina ny herin’ny rivo-doza. Ny tangoron-drahona eo ambonin’ny faritra iray no mahasarika ny rivo-doza hanatona an’io toerana io.
Rehefa voaparitaka io tangoron-drahona io, dia tsy hisy hery hanintona azy ho eo intsony, fa mivily lalana tsikelikely izy.
Tsy ny rahona sasany eto Antananarivo ihany nefa no tokony haparitaka, fa ny any amin’ny faritra koa, noho izany mila manatona any ny tena raha mbola azo aleha.
Ny hazavan’ny maso ihany dia ahafahan’ny tenako mibaiko an’ireny tafio-drivotra ireny.
Mijanona ny fibaikoana azy rehefa hita fa tsy ho tafiditra aty an-tanety intsony ilay rivo-doza.
Ny fiantraikan’io hery io dia tsy voafetra amin’ny fampiviliana fotsiny ny rivodoza iray amin’ny lalany voalohany, fa afaka mampitony azy ihany koa, ka mampihena ny heriny ary mampihena ny mety ho fahasimbana.
Afaka mamonjy aina sy miaro ireo vondrom-piarahamonina marefo amin’ny faharavana ateraky ny rivo-mahery isika amin’izany.
Hihena ihany koa ny fahsimbana vokatry ny tondra-drano ateraky ny oram-be mikija, noho izany.
Tiako ny hiara-hiasa akaiky amin’ireo manam-pahefana sy fikambanana misehatra manodidina ny fisorohana voina sy ny fiarovana ny ain’olombelona sy ny fananany.
Efa natao moa izany tamin’ny taona 2022 sy ny taona 2023 ka nahatonga ny rivo-doza, tsy nandalo teto Analamanga, na dia efa vitan’ny kajy siantifika aza, fa handalo eto ny rivo-doza.
Raha ny rivo-doza teto Madagasikara, dia azonao jerena ny tahirin-kevitra anananao, fa nivily hatrany ny rivo-doza (imbetaka fa tsy nanaraka ny faritra efa voafaritra mialoha fa halehany.
Ny fahaizan’ny tena nanakana azy no antony.
Tiako ny mampiasa an’io fahasoavana io ho tombontsoan’ny olombelona sy hiarovana ny firenena, izay manolo-tanana ho enti-miady amin’ny faharavana ateraky ny tafio-drivotra mandravarava. Afaka mitondra fiovana sy mamonjy aina isika miaraka.
Ho an’i Madagasikara manokana, raha misy fanjakana vonona hiaro ny aim-bahoaka sy ny fananany hijoro eto, dia hitady fiaraha-miasa amiko izy.
Efa nataoko ao anatina volavoan-dalàm-panorenana moa ny fiarovana ny Malagasy amin’ny loza voajanahary amin’ny alalan’ny Hasina.
Tsy voatery hiandry an’izany nefa isika vao handray andraikitra hiaro ny tena sy ny olona tianao ary ny marefo sy ny fananana.
Ny erikerika mahatondra-drano.
Arovy ny asa sy ny fidiram-bolanao.
Raha tsapanao fa mila sorohina marina ny loza ka mila famonjena marina ianao, ny famonjena efa vonona, fa ianao sisa no andrasana, raha vonona.
Tsipaipaika dia ahafahana miaro aina maro sy fananana mitentina amina miliara.
Ataovy toy ny sorona omenao ho fanavotana anao sy ireo tianao rehetra izany.
Ary mandrotsaha dieny izao.
Mvola : 0341491738
« Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko izaho sy ianareo. » Hoy Andrianampinimerina Ireto avy no ahafahanao mifandray amiko :
Téléphone : 0341491738/0332324609
Email : shivatanguy@gmail.com
Facebook : https://www.facebook.com/sediarifaratanguyparfait.rakotoson
LinkedIn : www.linkedin.com/in/tanguy-rakotoson-498b6613b
Fan Facebook : Tanguy Production
Sites web : https://cyrius.unblog.fr et http://constitutionfantome.e-monsite.com
SOROHINA IHANY KOA NY FAMPIAKARANA VIDIN’ENTANA TSY AN-DRARINY
Nolazaiko farany ity fa ny amisavisana ny ratsy, hono hiavian’ny soa, fa raha sanatria (averiko in-1000 ny sanatria), mamely ny rivo-doza dia vahoaka maro indray no hisedra olana.
Ny olana ateraky ny fitsokan’ny rivotra sy ny hafa ho eo, ny rano koa hiakatra.
Ny aina atahorana, ny fananana koa, ho voaaro ve ?
Mba hampihenana ny voina, aoka tsy ny vokatra misy eto an-toerana no hakana anampiana ny ho tra-boina, afaka manafatra PPN sy vokatra hafa ny tompon’andraikitra dieny izao.
Raha tsy izany dia vola no omenareo an’ireo izay ho lasibatra eo.
Mbola aretina mikiky iaretan’ny malagasy maro fahoriana mantsy ny fanararaotana ataon’ny sasany, ka hampiakarin’ny mpanaraoratra ny vidin’izay ambim-bokatra tsy novidinareo ambongadiny.
Andraisana lesona ny lasa.
Teny atsipy amin’ny manam-panahy, « Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko, izaho sy ianareo ».
Safidy nefa ity, tsy voatery handray ny famonjena ianao, tsy voatery hiantso ahy hamonjy ny vahoaka amin’ny rivo-doza ny fanjakana, na fnjakana malagasy io na vahiny, nefa hisy fanadinana izany, fa zava-dehibe amin’ny tompony ny tsirairay sy ny fananany ary ny zony hiaina lavitry ny ahiahy, arak’izay azo atao.
Matoa, atolotra ny famonjena, dia satria fantatra fa ilaina izy izao, ary vahaolana tokana io.
Izay voasoratra moa, dia voasoratra, ary tsy maintsy hitady ny Mesia ny firenena, arak’izay vosaoratra ao amin’ny Hosea 3 : 5 :
« Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak’Isiraely ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an’i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any amparany. »
ROHY HAFA TOKONY HOTSIDIHINA
Paix au prince lien : http://cyrius.unblog.fr/?p=4182
Ny fanahy no olona : http://cyrius.unblog.fr/?p=35
Ny herin’ny fanahy na hasina : http://cyrius.unblog.fr/?p=1672
Résumé de la future constitution de Madagascar : http://cyrius.unblog.fr/?p=4319
Le Messie ou roi promis : http://cyrius.unblog.fr/?p=500