Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

  • Accueil
  • > COUVEUSE (Incubateur) MIKOTRIKA AKOHO SY VORONA

22 mai, 2019

COUVEUSE (Incubateur) MIKOTRIKA AKOHO SY VORONA

Classé dans : — cyrius @ 12:24

 

Fikarohana momba ny couveuse

Couveuse éléctrique mitsitsy

Couveuse électrique mitsitsy, Ahafahana manotrika atodin’akoho amam-borona miisa 10 ka hatramin’ny 210.
Misy ireo ary afaka mamorona hafa koa raha mila izany ianao.
Izy tsotra nefa mitsitsy herinaratra no mampiavaka azy.

NY TOERANA MISY AHY
M. Tanguy, eo akaikin’ny sekoly Ahitantsoa Anosibe Ambohibarikely, trano biriky misy rihana 1, tsy miloko sady tsy milalotra, misy tranom-borona vita amin’ny tôle eo anoloany.
Ilàina ny couveuse arak’ireto lahatsoratra eto ambany ireto.

FANAKOTREHANA GANA

Maro atody ny gana, sady lehibe ny atodiny no tsara, fa tsy tia mikotrika. Aleon’ny gana mandany fotoana hiarahany milalao amin’ny namany, toy izay hipetraka hikotrika. Vahaolana hanakotrehana ny atodin-gana izany ny fampiasana incubateur (couveuse). 

FANAKOTREHANA AKOHO

Tsara ny fanakotrehana akoho, satria tia mikotrika koa ny akoho. Kotrehiny avokoa, na atodin-gana, na atodim-borontsiloza, na atodin’akoho, na atodin-dokotra. Fa afaka manatody matetika sy maromaro kokoa nefa izy raha tsy ampikotrehina. Avelao ny akoho hitohy hanatody maro kokoa sy matetika kokoa. Mampiasà incubateur (couveuse) hikotrika ny atodin-gana ; ny atodin’akoho, ny atodin-gisa, ny atodim-borontsiloza, ny atodin-dokotra, ny atodina papelika koa.
Izany no antony anolorako anao an’ireto karazana couveuse ireto

NY VORINTSILOZA MPIKOTRIKA

Mikotrika ny vorontsiloza, na ny vorontsiloza lahy, na ny vorontsiloza vavy. Ary mahazaka mikotrika atody maro mihitsy, ny vorontsiloza iray mikotrika atody 60 no ho mihoatra, raha atodin-gana, na atodin’akoho, na atodin-dokotra na atodin-gisa. Afaka mikotrika ny atodiny koa nefa ny vorontsiloza. Afaka manatody mihoatry ny 100 nefa ny vorontsiloza mandritry ny taona iray raha tsy ampikotrehina. Raha ampikotrehinao ny vorontsiloza, sady mihamahia izy avy eo no tsy afaka mitohy manatody, raha tsy fotoana lava aorian’ny fikotrehany indray. Avelao hitohy hanatody ny vorontsiloza, couveuse (incubateur) ampiasaina hikotrika ny atodin-gana, ny atodin’akoho, ny atodin-gisa, ny atodim-borontsiloza, ny atodin-dokotra, ny atodina papelika koa. Afaka mamorona couveuse (Incubateur) ho anao ny tenako avy amina fitaovana recyclés toy ny plastika sy hazo.

NY ARETINA ; NY AKOHO SY VORONA MIKOTRIKA

In-4 isan-taona no miova ny toetr’andro. Avy manaraka an’izay koa ny areti-mifindra maro mpahazo ny akoho amam-borona. Ary mety ho tratrany hatramin’ny amam-borona mikotrika na tokony hikotrika. Efa hitanao angamba ny akoho amam-borona maty eo am-pikotrehana. Efa hitanao angamba ny akoho amam-borona maty nefa ny atodiny miandry hokotrehany. Misy koa ny akoho tsy mahafoy afa-tsy atody vitsy monja ka mamono antoka. Aza maika ny handevin-tsotrobe nefa, na manta aza ny vary, mety indray , indroa, tsy maninona, misy ny vahaolana. couveuse (incubateur) ampiasaina hikotrika ny atodin-gana, ny atodin’akoho, ny atodin-gisa, ny atodim-borontsiloza, ny atodin-dokotra, ny atodina papelika koa. Afaka mamorona couveuse (Incubateur) électrique ho anao ny tenako avy amina fitaovana recyclés toy ny plastika sy hazo ny tenako Cyrius, amin’ny vidiny mirary, sady tsy mandany.

MISY AMIDY VE ITY COUVEUSE ITY ?

Eny, misy couveuse mahazaka atodim-borona na akoho eo amin’ny 30 isa eo, atodina papelika 100 na atodim-boromailala 50 namboariko ho anao.
Afaka mamorona hafa koa.
Antsoy ny laharana etsy ambany na manatona an’i M. Tanguy, eo akaikin’ny sekoly Ahitantsoa Anosibe Ambohibarikely Antananarivo.

MOMBA AN’ITY COUVEUSE ITY

Couveuse électrique, mannuelle, vita amin »ny fitaovana tsy ampiasaina intsony toy ny hazo, plastika, vy.
Personnalisable izy.
Mora vidy indrindra. ary manana ny mampiavaka azy.

Afaka manohana an’izao asa fikarohana izao ianao

Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609
Tsy ferana izay harotsakao na be na kely, ny erikerika, hono, ahatondra-drano.
Mety hahasoa olona maro ity pejy ity, mila aparitaka arak’izay tratra.
Mila fatsarana ihany koa ity tranonkala ity.
Tsodrano ho anao ny fandraisana anjara amin’izany.
Itony koa azonao andraisana anjara
Image de prévisualisation YouTube
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 5000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’nio mozika manome hery sy mitondra fitoniana io, 80 mn ny faharetany.
Image de prévisualisation YouTube
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 3000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io sarimiaina amin’ny teny malagasy io, 60 mn ny faharetany.
Tiako havoaka boky na vadika ho horonantsary ihany koa ity fikarohana momba ny tantaran’i Madagasikara fahiny hita tao amin’ny baiboly itony, mila fanohanana avy aminao izany, fa ilaina ny mizara azy amin’ny Malagasy sy izao tontolo izao.

Image de prévisualisation YouTube

Afaka mitoroka an’itony karazana herisetra itony
Image de prévisualisation YouTube

 

Laisser un commentaire

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava