Ny tranga hisy amin’ny lohataona sy ny fahavaratra 2023 – 2024
Efa azo avily izao ny rivo-doza ; ny daty sy ny seho amin’ny lohataona sy fahavaratra indray no entina aminao eto, tahaka ny mahazatra, isan-taona entna mamaritra ny fizaran-taona ara-panandroana ; eo ihany koa .
Ny 13 oktobrabra 2023 no hifarana tanteraka ny ririrnina.
Hanomboka min’io fotoana io izany ny lohataona, izay haharitra 1 volana monja.
Manomboka ny 29 oktobra 2023 manomboka amin’ny 00 h 24 mn kosa vao hilatsaka ny orana manasara-taona, raha tsy misy ny orana artifisialy ataon’ny fanjakana, tahaka ny tamin’ny taon-dasa. Ao anatin’ny 15 andro ihany no ilatsahan’ny orana manasara-taona.
Matetika moa, andro vitsy ao anatin’izay ihany nefa no ho avy ny orana.
Ny 13 novambra 2023 kosa no hanomboka ny fahavaratra 2023- 2024.
Ny hoe fiantombohan’ny fahavaratra aloha, tsy midika akory hoe tsy maintsy avy ny orana amin’io andro voatondro io, fa efa afaka avy izy manomboka amin’io fe-potoana io.
Afaka manararaotra ny fahalalàna mialoha an’ireo fotoana manokana ireo izay manao asa mifandraika amin’ny toetr’andro.
NY FIOMPIANA SY NY FAHASALAMANA ARY NY TOETR’ANDRO ARA-PANANDROANA
Manodidina an’ireo daty ireo moa no hiseho indray ireo aretina vokatry ny tsifahazakana ny fivan’ny toetr’andro.
Hiharan’izany koa ny biby fiompy.
Hisy ny fotoana sy hampitombo 1 volana ny fahavaratra, izany hoe hihalava ny fahavaratra, satria hiampy iray volana.
Rahoviana izany ?
Azonao apetraka amiko izany fanontaniana izay, fa hamaly aho.
Mandra-piandry an’izany hiresaka ny amin’ny fahavaratra sy ny rivo-doza isika
HO AFAKA MIFEHY NY LOZA KOKOA ISIKA AMIN’NY FOTOAM-PAHAVARATRA
Tsiahivina aloha, fa ny 13 novambra 2023, vao hanomboka ny fotoam-pahavaratra.
Mety tsy ho maro indray angamba ny olona tsy mahalala ka himenomenona hoe taraiky be ny orana.
Na izany aza.
Raha ny mahazatra moa isan-taona dia lazaiko mialoha eto hatrany ny momba an’izay ho tanjaky ny rivo-doza sy ny manodidina azy.
Tsy ataontsika mahamaika intsony izany amin’ity taona ity, satria,
Faly aho hilaza aminao fa ananako ny fahafahana manova ny lalan’ny rivodoza.
Ny rivo-doza dia loza voajanahary izay mety hiteraka fahasimbana goavana ary mety hampidi-doza ny fiainan’ny olona maro. Matetika izy ireo no miforona ao anaty ranomasimbe ary azo vinavinaina ny lalàny.
Afaka avily nefa izany lalany izany, noho ny fahefana ara-panahy ananako dia afaka miditra an-tsehatra sy manakana azy tsy hiditra ao amina firenena iray aho, anisan’izany i Madagasikara.
Ahoana no hahatanterahan’izany, manontany ahy ianao?
Ny hasin’ny tena, ahafahana mifehy ny zavaboaary , ary anisan’ny azo fehezina ny herin’ny rivo-doza. Ny tangoron-drahona eo ambonin’ny faritra iray no mahasarika ny rivo-doza hanatona an’io toerana io.
Rehefa voaparitaka io tangoron-drahona io, dia tsy hisy hery hanintona azy ho eo intsony, fa mivily lalana tsikelikely izy.
Tsy ny rahona sasany eto Antananarivo ihany nefa no tokony haparitaka, fa ny any amin’ny faritra koa, noho izany mila manatona any ny tena raha mbola azo aleha.
Ny hazavan’ny maso ihany dia ahafahan’ny tenako mibaiko an’ireny tafio-drivotra ireny.
Mijanona ny fibaikoana azy rehefa hita fa tsy ho tafiditra aty an-tanety intsony ilay rivo-doza.
Ny fiantraikan’io hery io dia tsy voafetra amin’ny fampiviliana fotsiny ny rivodoza iray amin’ny lalany voalohany, fa afaka mampitony azy ihany koa, ka mampihena ny heriny ary mampihena ny mety ho fahasimbana.
Afaka mamonjy aina sy miaro ireo vondrom-piarahamonina marefo amin’ny faharavana ateraky ny rivo-mahery isika amin’izany.
Hihena ihany koa ny fahsimbana vokatry ny tondra-drano ateraky ny oram-be mikija, noho izany.
Tiako ny hiara-hiasa akaiky amin’ireo manam-pahefana sy fikambanana misehatra manodidina ny fisorohana voina sy ny fiarovana ny ain’olombelona sy ny fananany.
Efa natao moa izany tamin’ny taona 2022 sy ny taona 2023 ka nahatonga ny rivo-doza, tsy nandalo teto Analamanga, na dia efa vitan’ny kajy siantifika aza, fa handalo eto ny rivo-doza.
Raha ny rivo-doza teto Madagasikara, dia azonao jerena ny tahirin-kevitra anananao, fa nivily hatrany ny rivo-doza (imbetaka fa tsy nanaraka ny faritra efa voafaritra mialoha fa halehany.
Ny fahaizan’ny tena nanakana azy no antony.
Tiako ny mampiasa an’io fahasoavana io ho tombontsoan’ny olombelona sy hiarovana ny firenena izay manolo-tanana ho enti-miady amin’ny faharavana ateraky ny tafio-drivotra mandravarava. Afaka mitondra fiovana sy mamonjy aina isika miaraka.
Ho an’i Madagasikara manokana, raha misy fanjakana vonona hiaro ny aim-bahoaka sy ny fananany hijoro eto, dia hitady fiaraha-miasa amiko izy.
Efa nataoko ao anatina volavoan-dalàm-panorenana moa ny fiarovana ny Malagasy amin’ny loza voajanahary amin’ny alalan’ny Hasina.
Tsy voatery hiandry an’izany nefa isika vao handray andraikitra hiaro ny tena sy ny olona tianao ary ny marefo sy ny fananana.
Ny erikerika mahatondra-drano.
Tsy misy sehatr’asa tsy voakasiky ny vokatry ny rivo-doza sy ny toetr’andro koa. Arovy ny asa sy ny fidiram-bolanao.
Raha tsapanao fa mila sorohina marina ny loza ka mila famonjena marina ianao, ny famonjena efa vonona, fa ianao sisa no andrasana, raha vonona.
Tsipaipaika dia ahafahana miaro aina maro sy fananana mitentina amina miliara.
Ataovy toy ny sorona omenao ho fanavotana anao sy ireo tianao rehetra izany.
Ary mandrotsaha dieny izao.
NY ROTSAK’ORANA SY NY FAHAVARATRA
Raha ny sarin-danitra hitan’ny fanandroana aloha dia mampiseho, fa ho be ny rano amin’ity fotoam-pahavaratra 2023 – 2024 ity.
Ny sary hitanao ery ambany, dia mampiseho fa mavesatra ny vintana rano, midika izany fa hihoatra noho ny tokony ho izy ny rano.
Ny Scorpion izay mifehy ny orana sy ny rano miandrona, misy planeta ; ary ny alohotsy mifehy ny ranomasina, misy planeta 2.
4 izany, izany hoe mila ho ny antsasaky ny planeta, mitangorona ao anatin’ny efitrano misy vintana rano avokoa.
Ka raha hiampy ny rano hateraky ny rivo-doza izany, dia asa fotsiny.
Mety hisy horohorontany mihoatry ny 5 Richter ihany koa ve amin’io daty io ?
Asa aloha, fa tsy aompako amin’iny sehatra iny aloha ity pejy ity, mila fanampiana ara-bola isika, vao afaka mifantoka amin’ireny fikarohana ireny, efa misy mangirana rahateo.
Ny manam-pahaizana momba ny filazana ny toetr’andro moa nilaza ny mifanohitra amin’izany, saingy izay ilay fahaizan’olombalona, misy fetra ihany.
Midika izany fa ilaina ny miara-miasa amin’ny tenanay, izay havanana manokana momba ny toetr’andro ara-panandroana.
Fifamenoana ny fiainana, fa izany no ahafahana mampandroso ny firenena.
Efa ireo ambany ireo moa ny fomba ahafahana mifandray amin’ny tena.
Mvola : 0341491738
« Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko izaho sy ianareo. » Hoy Andrianampinimerina Ireto avy no ahafahanao mifandray amiko :
Téléphone : 0341491738/0332324609
Email : shivatanguy@gmail.com
Facebook : https://www.facebook.com/sediarifaratanguyparfait.rakotoson
LinkedIn : www.linkedin.com/in/tanguy-rakotoson-498b6613b
Fan Facebook : Tanguy Production
Sites web : https://cyrius.unblog.fr et http://constitutionfantome.e-monsite.com
SOROHINA IHANY KOA NY FAMPIAKARANA VIDIN’ENTANA TSY AN-DRARINY

Tsinam-bolana ny 14 novambra 2023.
Nahitsy ny daty, fa tsy nampifanarahina tamin’izay hita amin’ny éphéméride.
Nolazaiko farany ity fa ny amisavisana ny ratsy, hono hiavian’ny soa, fa raha sanatria (averiko in-1000 ny sanatria), mamely ny rivo-doza dia vahoaka maro indray no hisedra olana.
Ny olana ateraky ny fitsokan’ny rivotra sy ny hafa ho eo, ny rano koa hiakatra.
Ny aina atahorana, ny fananana koa, ho voaaro ve ?
Mba hampihenana ny voina, aoka tsy ny vokatra misy eto an-toerana no hakana anampiana ny ho tra-boina, afaka manafatra PPN sy vokatra hafa ny tompon’andraikitra dieny izao.
Raha tsy izany dia vola no omenareo an’ireo izay ho lasibatra eo.
Mbola aretina mikiky iaretan’ny malagasy maro fahoriana mantsy ny fanararaotana ataon’ny sasany, ka hampiakarin’ny mpanaraoratra ny vidin’izay ambim-bokatra tsy novidinareo ambongadiny.
Andraisana lesona ny lasa.
Teny atsipy amin’ny manam-panahy, « Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko, izaho sy ianareo ».