Dieu ; l'Homme et la lumière

22 janvier, 2015

Fampihavanana an’iza ?

Classé dans : — cyrius @ 12:57

49:1 « Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra;YHWH efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; hatry ny fony aho tao an-kibon’ ineny no efa nanononany ny anarako. » (Isaia 49 : 1)

Tsy fampihavanampirenena io tarihin’ny FFKM io.
Ka tsy azo ampiharina ireo fehinkevitra tapahin’izy ao amin’ny miafina ao.
Tsotra ny vahaolana raha fampihavanana tokoa no hatao eto :

Iza aloha no hampihavanina.
Ny mila ampihavanina eto dia ny mpanao politika sy ny vahoaka ; ny mpanao politika no fototry ny olana, ny vahoaka kosa lasibatra. Eo koa ny mpitondra fivavahana sy ny vahoaka ; ny mpitondra fivavahana mamitaka sy mivarotra ny ondriny amin’ny mpanao politika, ny vahoaka lasibatra ihany.

Porofon’izany ,Krizy hatrany no vokatry ny fitsabahan’ny mpitondra fivavahana @ raharaham-pirenena ; hitantsika ohatra ny tamin’ny 2009, nitondra krizy naharitra 4 taona, saika nitarina indray izany tamin’ny 2012, ary natao mihitsy izay tsy hahatanteraka ny fifidianana mba ho tonga any amin’ny tanjony ilay lazaina ho fampihavanana. Krizy lavalava kokoa io tanjona io.

Na iza na iza miaraka aminy ao anatin’io « fampihavanam-pirenena io, hita taratra ihany fa mpitondra fivavahana iray no tompon’ny atidoha ao antin’io, ary hita soritra amin’ireo fehin-kevitra notapahin’izy sivy lahy tao izany.
Manaporofo izany moa ny fisian’ilay tolodalaàna mamohehatra izay fantatra fa izy no nanolotra azy.

 

Anisan’ny endrika famoretana ny tsy famelana ny vahoaka hahalala ny vaovao mety hahakasika azy sy ny fivavahany fantatry ny any ivelany.
Tena ilain’ny vahoaka ny mahalala an’ireo vaovao VATILEAKS na SCANDALE DU VATICAN.
Misy ifandraisany amin’izany ny fisisihan’ny mpitondra fivavahana iray amin’izao fampihanana hiteraka krizy izao.

Tsarovy fa anisan’ny mampandroso an’ireo firenena matanjaka ankehitriny ny tsy fahafahan’io fiangonana iray io mitsabaka amin’ny raharaham-pireneny ; jereo ohatra i Etazonia, Sina, Japana, Angletera.
Tsy mahagaga koa raha anisan’ny mandry fahalemana indrindra eran-tany i Norvège …

Ny vahoaka frantsay moa nikaikaika tamin’ny fotoan’androny satria tsy nahita ny anjara masoandrony teo ambany vahohon’ireo mpitondra fivavahana ao amin’io Eglizy io ka nahataonga ny fanonganam-panjakana tamin’ny 1791.
Hitantsika koa fa tratra farany ireo firenena mbola eo ziogany toa an’i Madagasikara, Filipina sy ny firenena afrikana maro hafa.
Hajao ny Laïcité de l’Etat.

Hita miharihary aloha fa tsy fampihavanana izao atao izao fa fanodikodinana saim-bahoaka, ka tsy hiady fo hitarika an’io i Cyrius ;
Ny tena fampihavanana dia ny famelana ny tsirairay hanana ny anjara masoandrony eto amin’ny firenena, mba hisongadina amin’ny fari-piainana’ny tsirairay fa tany manankarena tokoa i Madagasikara.

 

Tandremo, fa mitranga sy hitranga eto amintsika tokoa, tahaka ny maro efa voasoratra eo ambony,  ny ao amin’ny Salamo sy ny bokin’Isaia ity manaraka ity.

 

9:14 « Ka dia hofongoran’ i YHWH amin’ ny Isiraely indray andro monja ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro,
9:15 « Ny loholona sy ny manankaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo;

9:16 Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, ary izay tarihiny dia ringana. » (Isaia 9 : 41 – 16)


contact

MBA VALIO KELY AZAFADY

Tokony hijoro ho mpampihavana ve ny antokon’olona mahatsiaro tena ho resy raha manjaka ny Fahamarinana ?
Hampihavana an’iza marina ireo mampianatra ny fankahalana sy ny fialonana ?
Olom-pirenena iza avy moa no nakanareo hevitra hoentina @ ity lazaina fa fampihavanam-pirenena ity ?
Ny hevitr’Andriamanitra moa mazava fa manohitra anareo.

Fiangonana iray ilay babilona lehibe voalazan’ny apokapsysy ny boky hafa ao @ baiboly.
Izay manan-tsaina aoka handinika.

Efa mihatra io, indrindra eto amintsika, ary hanamafisana an’izany fahefan’ny bibidia izany sy ahafahana manenjika ny olo-marina no iadiany fo itsabahana amin’ny raharaham-pirenena.

Diniho ity andinin-teny kely ity :

« Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin’ny tànany ankavanana na eo amin’ny handriny avokoa,
17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ny bibi-dia, na ny isan’ny anarany ».
(Apokalypsy 13 : 16, 17)

 

Créer un blog gratuitement sur Unblog.fr

Oops ! Une erreur est survenue.

L'accès au blog est momentanément impossible,
veuillez nous excuser et ré-essayer dans quelques instants.

Retour ou Écrivez-nous si le problème persiste.