Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

22 janvier, 2015

Fampihavanana an’iza ?

Classé dans : — cyrius @ 12:57

49:1 « Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra;YHWH efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; hatry ny fony aho tao an-kibon’ ineny no efa nanononany ny anarako. » (Isaia 49 : 1)

Tsy fampihavanampirenena io tarihin’ny FFKM io.
Ka tsy azo ampiharina ireo fehinkevitra tapahin’izy ao amin’ny miafina ao.
Tsotra ny vahaolana raha fampihavanana tokoa no hatao eto :

Iza aloha no hampihavanina.
Ny mila ampihavanina eto dia ny mpanao politika sy ny vahoaka ; ny mpanao politika no fototry ny olana, ny vahoaka kosa lasibatra. Eo koa ny mpitondra fivavahana sy ny vahoaka ; ny mpitondra fivavahana mamitaka sy mivarotra ny ondriny amin’ny mpanao politika, ny vahoaka lasibatra ihany.

Porofon’izany ,Krizy hatrany no vokatry ny fitsabahan’ny mpitondra fivavahana @ raharaham-pirenena ; hitantsika ohatra ny tamin’ny 2009, nitondra krizy naharitra 4 taona, saika nitarina indray izany tamin’ny 2012, ary natao mihitsy izay tsy hahatanteraka ny fifidianana mba ho tonga any amin’ny tanjony ilay lazaina ho fampihavanana. Krizy lavalava kokoa io tanjona io.

Na iza na iza miaraka aminy ao anatin’io « fampihavanam-pirenena io, hita taratra ihany fa mpitondra fivavahana iray no tompon’ny atidoha ao antin’io, ary hita soritra amin’ireo fehin-kevitra notapahin’izy sivy lahy tao izany.
Manaporofo izany moa ny fisian’ilay tolodalaàna mamohehatra izay fantatra fa izy no nanolotra azy.

 

Anisan’ny endrika famoretana ny tsy famelana ny vahoaka hahalala ny vaovao mety hahakasika azy sy ny fivavahany fantatry ny any ivelany.
Tena ilain’ny vahoaka ny mahalala an’ireo vaovao VATILEAKS na SCANDALE DU VATICAN.
Misy ifandraisany amin’izany ny fisisihan’ny mpitondra fivavahana iray amin’izao fampihanana hiteraka krizy izao.

Tsarovy fa anisan’ny mampandroso an’ireo firenena matanjaka ankehitriny ny tsy fahafahan’io fiangonana iray io mitsabaka amin’ny raharaham-pireneny ; jereo ohatra i Etazonia, Sina, Japana, Angletera.
Tsy mahagaga koa raha anisan’ny mandry fahalemana indrindra eran-tany i Norvège …

Ny vahoaka frantsay moa nikaikaika tamin’ny fotoan’androny satria tsy nahita ny anjara masoandrony teo ambany vahohon’ireo mpitondra fivavahana ao amin’io Eglizy io ka nahataonga ny fanonganam-panjakana tamin’ny 1791.
Hitantsika koa fa tratra farany ireo firenena mbola eo ziogany toa an’i Madagasikara, Filipina sy ny firenena afrikana maro hafa.
Hajao ny Laïcité de l’Etat.

Hita miharihary aloha fa tsy fampihavanana izao atao izao fa fanodikodinana saim-bahoaka, ka tsy hiady fo hitarika an’io i Cyrius ;
Ny tena fampihavanana dia ny famelana ny tsirairay hanana ny anjara masoandrony eto amin’ny firenena, mba hisongadina amin’ny fari-piainana’ny tsirairay fa tany manankarena tokoa i Madagasikara.

 

Tandremo, fa mitranga sy hitranga eto amintsika tokoa, tahaka ny maro efa voasoratra eo ambony,  ny ao amin’ny Salamo sy ny bokin’Isaia ity manaraka ity.

 

9:14 « Ka dia hofongoran’ i YHWH amin’ ny Isiraely indray andro monja ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro,
9:15 « Ny loholona sy ny manankaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo;

9:16 Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, ary izay tarihiny dia ringana. » (Isaia 9 : 41 – 16)


contact

MBA VALIO KELY AZAFADY

Tokony hijoro ho mpampihavana ve ny antokon’olona mahatsiaro tena ho resy raha manjaka ny Fahamarinana ?
Hampihavana an’iza marina ireo mampianatra ny fankahalana sy ny fialonana ?
Olom-pirenena iza avy moa no nakanareo hevitra hoentina @ ity lazaina fa fampihavanam-pirenena ity ?
Ny hevitr’Andriamanitra moa mazava fa manohitra anareo.

Fiangonana iray ilay babilona lehibe voalazan’ny apokapsysy ny boky hafa ao @ baiboly.
Izay manan-tsaina aoka handinika.

Efa mihatra io, indrindra eto amintsika, ary hanamafisana an’izany fahefan’ny bibidia izany sy ahafahana manenjika ny olo-marina no iadiany fo itsabahana amin’ny raharaham-pirenena.

Diniho ity andinin-teny kely ity :

« Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin’ny tànany ankavanana na eo amin’ny handriny avokoa,
17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ny bibi-dia, na ny isan’ny anarany ».
(Apokalypsy 13 : 16, 17)

 

2 réponses à “Fampihavanana an’iza ?”

  1. cyrius dit :

    Io  » Fampihavanana  » voalaza eo ambony io moa nalaina tahaka tamin’ny Réconciliation an-dry zareo Frantsay tany amin’ny 200 taona lasa (1814).
    Na ny « devise » nitondrana azy aza nadika be fahatany koa :  » Pardon, oublie ».
    Ny itovizany aloha samy tsy nahomby izy roa,
    Tsy nahazo ny fitokisan’ny vahoaka i Louis XVIII izay mpanjaka napetraky ny Réconciliation, nialan’ny tafika ka voatery nandositra 1 taona monja taorian’ny nandraisany ny fahefana noho ny fiverenana’i Napoléon.  » Le mécontentement des Français et les ambitions irrésolues de Napoléon favorisent le retour de celui-ci. Le 1er mars 1815, il débarque à Golfe-Juan et, le 20, arrive triomphalement à Paris alors que Louis XVIII, abandonné par l’armée, doit s’enfuir une fois de plus à l’étranger (tiré sur lelephant-larevue.fr)  »
    Ny mahasamihafa azy kosa, fikatsahana ny metimety kokoa ho an’ny firenena no nanosika an’ireo nanomana azy izay ahitana ny fahefana mpanao lalàna ho an’i Frantsa, fikendrena tombontsoan’olom-bitsy sy fandetehana ny firenena ho amin’ny lalina kokoa no hita nisongadina tao amin’ilay fampihavanam-pirenena nokononkononina olona 5 monja teto Madagasikara.
    Hitady Tsy hilamina intsony isika, mety hisara-bazana tanteraka raha ampiharina eto iny fehin-kevitra tapak’izy 5 lahy tamin’ny 2015 iny, ary hitady fampihavanana hatrany hatrany. Izany hoe hametraka olana tsy manam-pahataperana iny fehin-kevitra iny, ankoatry ny olana hafa.
    Izay ny olana fa hiresaka ny vahaolana indray isika.
    VAHAOLANA
    Andriamanitra no vahaolana sy mpamaha olana fa tsy ny mpitondra fivavahana,
    Mila mihavana amin’Andriamanitra aloha isika, ary ary voalohany amin’izany ny fanomezana ny fitondrana ho an’ny olona notendren’Andriamanitra, araka izay voasoratra ao amin’ny faminan’i Isaia 9 : 5-6 « Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay Andrian’ny fiadanana. 6Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.  »
    Marihiko fa ny mpanoratra ihany ity Davida voalaza eto ity, fa i Davida mpanjakan’i Israely ihany izy no niverina, tsy ditrany na haitraitrany fa noho ny tendrin’Andriamanitra tsy azony lavina.
    Mitovy amin’izany koa ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny salamo izay nanoratany sahady tany amin’ny 3000 taona lasa an’izao fiainana diaviny ankehitriny izao,diavin’ny mpanoratra raha hazavaina kokoa.
    Mazava ny voalazany ao amin,ny salamo 2 : 6 « Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin’i Ziona, tendrombohitro masina. », Ampahany nalaina avy amin’ireto andinin-teny ireto :
     » 1Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina hevi-poana foana ny firenena? 2Ireo mpitondran »ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: 3″Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany. »
    4Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. 5 Dia hiteny azy amin’ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ny fahatezerany hoe: 6″Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin’i Ziona, tendrombohitro masina.  »
    Maro loatra ny teny milaza an’izany voasoratra ao amin’ny baiboly, ka tsy ho voatanisa vetivety eto.
    Fa efa maka tahaka ny frantsay ihany isika, hiresaka restauration ?
    Azo ekena ny fampihavanana raha ny tenanay manoratra no ho Louis XVIII, omeo an’i Louis XVIII aloha ny fahefana, izany hoe miala ny mpitondra fa tsy nahomby, dia horaisiny an-tanana sy ara-dalàna ny fitondrana ny firenena sy ny fampihavanana,
    Tsy misy Napoléon atahorana ka hampandositra ihany koa, fa izy tenany efa Napoléon, tsy taranak’ireo mpamoritra sy mpanavakavaka firazanana teto amin’ny firenena, zanak’Andriamanitra tahaka ny mpiray tanindrazana aminy.
    Ary tsara toerana kokoa ny tenako raha fampihavanana no horesahina.
    Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala

  2. cyrius dit :

    Tsy mpikambana amina antoko politika,
    Azo antoka fa tsy hitongilana,
    Tsy mpikambana amina antokom-pinoana,
    Ho voahaja arak’izany ny laïcité de l’Etat,
    hitovy ny fitondrana ny fiangonana sy ny fironam-pinoana tsirairay, na fiangonan-dehibe, na fiangonana zandriny, na finoana kristiana na tsy kristiana, na mpandala ny fomban-drazana na tsia.
    Ka tsy ho entam-barotra sy ho tohatra fiakarana intsony ny mpino sy ny fiangonana.
    Finiavana no hahavitana an’izany, ary indrindra ny fitantan’Andriamanitra, na tsy hanana fahefana mivantana ao amin’ny fahefana mpanatanteraka aza,
    Hanana ny teny farany kosa hampanajana an’izany araka ny lalàna sy ny sitrapon’ny ao Ambony.

Laisser un commentaire

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava