FISARAHANA
Ny fifandaozana no tantara fahita indrindra eo amin’ny fiainan’ny mpifankatia.
Samy manana ny antony mahatonga azy izany fisarahana izany.
Ny an’any sasany, noho ny tsy fifanarahana na noho ny fisian’ny olona fahatelo tafiditra tao anatin’ilay fiainan’ny olo-droa.
Ny an’ny hafa, dia ny fifanalavitan’ny toerana misy ny roa tonta.
Izany indrindra no namoronana tantara iray miavaka ao anatin’ireny rehetra ireny, ao anatin’ity tononkalo ity.
Na izany aza nefa, natao ho tsara fiafara ihany ny tantara.
Azo avadika ho hira koa.
SCENARIO 1
Réf : F’ilay talohan’ise
Lasan-davitra be
Nanohy ny fiainany manokana
Hianatra sy hiofana
(Voaantso any am-pita
Tamàna any fa tafita)
(Nanohy ny fiainany am-pita
Tsy nanoratra, tsy hita)
Faly aho Malala
Fa ise no anjara
Ka ilay fitiavantsika
Haharitra, tsy ho ritra.
Réf :
Mibitaka aho ry tiana
Fa to izay nirina
Fa azoko ise
Ilay sipa manjabe
Réf :
Ise izao ry Lalaina
No hany tokin’aina
Ry voninkazon’ity fo
Ho namana tokoa
Réf :
Lasa aho
Veloma ry Malala
Ilay nahatara, nahadala
Fa lasana aho handeha
Mba manorata ise.
FITENY TSY MAHAZATRA
Izay ilay tantara, niniako tsy nampiasaina ny teny hoe : “ianao”, fa efa fampiasan’ny 99%n’ny mpanakanto.
Manankarena ny teny Malagasy ka nosoloina ny “ise” izy eto, ankoatry ny fampiasana an’ireo anaran’angola nomena endrika anaran-tsamirery.
FIFANDRAISANA
Facebook : https://www.facebook.com/sediarifaratanguyparfait.rakotoson
LinkedIn : www.linkedin.com/in/tanguy-rakotoson-498b6613b
Fan Facebook : Tanguy Production