Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

  • Accueil
  • > I Madagasikara dia i Eofrata miampy an’i Atlantida

9 novembre, 2020

I Madagasikara dia i Eofrata miampy an’i Atlantida

Classé dans : — cyrius @ 10:46
Tanguy, kabalista ; mpikaroka

Ny andrian’ny fiadanana, havanana amin’ny fandikana ny kabbale, mpikaroka momba ny fanandroana sy ny kolontsaina malagasy

Tantaran’i Madagasikara fahagola nadika avy ao amin’ny baiboly : Bande annonce Nanatontosa horonam-peo fanadihadiana amin’ny teny Malagasy ny tenananay mikasika an’ilay rambon-tany tian’i Madagasikara hangatahina, ary tena an’i Madagasikara io raha ny tantarany fahagola no halalinina. Maharitra 1h20 mn eo  ity documentaire ity ary ny Baiboly ; ny Kabbale Hebreo sy  Malagasy no fitaovana nampiasaina hikarohana tao. Fantatra koa fa i Madagasikara ilay Eofrata sy tany nampanantenaina voalazan’ny baiboly ho Siona, tanana Masina, Jerosalema vaovao … izay hoentin’ny Mesia sy efa misy azy izao. Voalaza sy voaporofo ao fa teto amintsika, ao ambanin’i Vakinankaratra ao i Sodoma sy i Gaomora. Hita koa ny toerana nisy an’i Atlantida izay tsy nisy afaka namaritra hatramin’izay, ary ao ambanin’ny tapany atsimon’i Madagasikara ny ampahany aminy, misy porofo izany. Voamarin’ity voka-pikarohana ity hoe ho an’i Madagasikara ireo fampanantenana voalazan’ny bokin’ny faminaniana raha tsy hilaza afa-tsy ny Isaia 60 ; 61 ; 62. Ary avy eto Madagasikara no miainga ny hazavana vao miparitaka eran-tany. Loharanon-kevitra fanampiny io ho an’izay hanao ny fandresen-dahatra amin’ny ho fahazoantsika an’ilay rambon-tany tiantsika ho azo, ary « piste » fanampiny koa ho an’ny mpikaroka  momba ny tantaran’ny olombelona sy i Madagasikara tsindrio ity bande annonce ity :  :Image de prévisualisation YouTube Raha hanampy ny tenanay amin’ny fanoratana azy ho boky sy ny panapariahana azy ianao, Mvola na Airtel Money : 0341491738/0332324609 Marihina fa mikasa hitsidika an’ireo toerana voakasik’ity fikarohana momba ny tantaran’i Madagasikara fahagola ity ny tena. Voninahitra sy reharehan’ny Malagaysy ny mahalala ny tena tantarany. Fantatrao ve hoe iza marina no tena Razamben’ny Malagasy, ary avy aiza marina ry zareo jiosy ? Ao anatin’ity asa fikarohana ity ny valiny. MOMBA NY MPANORATRA Mpikaroka ara-kolontsaina sy mpandalina ny siansa momba ny zava-miafina. Niananatra ny Yoga sy ny fanandroana ary ny kabbale nanomboka ny taona 2000 ny tenanay. Ny bokiko mitondra ny lohateny hoe ny Fanahy no olona moa nahazo ny loka « Prix coup de coeur du Jury tamin’ny concours REL 2021 nokarakarain’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, fiaraha-miasany tamin’ny UNESCO. Mpamorona dessins animées mampihomehy koa ka misy ny efa tontosa, ny voalohany amin’izany izay mitondra ny lohateny hoe: Planetan’ny Dinaozaoro. Mpamorona video manara-penitra, azon’ny rehetra ampiasaina, mihoatry ny 370 isa izao no efa vita, hatramin’ny niandohan’ny volana novambra 2021 ary amidy ao amin’ny tranonkala suttherstock.com. Tsy ho vita indray mandeha ny hitanisa ny zava-bita rehetra, fa tsidiho iro pejy hafa misoratra eo amin’ny sisiny.

Commentaires désactivés.

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava