Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

  • Accueil
  • > ILAY ANARAN’ANDRIAMANITRA TSY AZO TONONINA

11 juillet, 2016

ILAY ANARAN’ANDRIAMANITRA TSY AZO TONONINA

Classé dans : — cyrius @ 10:37

Ilay anaran’Andriamanitra, Teny manan-jina, Mantra, Ny fanononana azy, Ireo efa nampiasa ny anaran’Andriamanitra, ny asany, ny ilana ny anaran’Andriamanitra, Ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra, Mila mahazo alalana vao  mampiasa ny anaran’Andriamanitra. Ny kintan’i Davida.

Kintana enin-drantsana

Ilay anaran’Andriamanitra tsy azo tononina ve io ? Tsia

Aza manonom-poana ny anaran’Andriamanitra

Iza moa Andriamanitra ?
Andriamanitra dia fanahy, ilay hazavana lehibe indrindra, tompon’ny hery rehetra.
tenin’Andriamanitra no namoronany ny misy rehetra, ny hita sy ny tsy hita.
Tsy mitafy nofo Andriamanitra, misy izy fa tsy tsapa.
Ny baiboly sy ny boky masina rehetra no mampahafantatra ny momba an’Andriamanitra.
Finoana maro isan-karazany no manompo azy, ary fomban-drazana maro no mangata-pitahiana aminy.
Ilay anaran’Andriamanitra

Maro ny anarana iantoana an’Andriamanitra, anisan’izany ny hoe Jehovah na Iaveh, Zanahary na Allah, Tompo koa.
Ny teny hoe Andriamanitra moa dia avy amin’ny teny sanskrity hoe Adi sy Mantra, tsy diso koa ny hoe Adi Atma.

Tsy ireo anarana mahazatra antsika isan’andro ireo no horesahina eto, fa ilay  anaran’Andriamanitra tsy fantatsika, tsy azo tononina ka tsy mbola rentsika.
Tsy mety soratana amin’ny soratra latina izy aloha ary tsy mety adika.
Tsy litera 4 ihany koa no fanoratra azy.

Teny manan-jina ny anaran’Andriamanitra

Mantra na teny manan-jina no azo ilazana an’ity anaran’Andriamanitra tsy azo tononina  ity, Anaran’Andriamanitra amin’ny fitenin’ny olombelona voalohany teto an-tany, talohan’ny safo-drano.
Matetika no lazaina fa teny Hebreo tranainy ireny teny ireny, tsy diso izany nefa tsy marina tanteraka.
Teny ampiasaintsika matetika io hoy aho
Tsy teny Hebreo irery izany ny Anaran’Andriamanitra, hita ao amin’ny tenintsika koa izany fa tsy fantatsika ary tsy ireo tononintsika andavanandro.

Ny fanononana ny anaran’Andriamanitra

Tsy tahaka ny fampiasantsika ny teny rehetra isan’andro no fanononana an’io anaran’andriamanitra io, misy milaza fa tsy misy fitenin’Olombelona ahafahana manonona ny anaran’Andriamanitra.
Efa fantatra kosa nefa ireo feo fanononana ny anaran’Andriamanitra ireo.
Olona madio ara-panahy ihany nefa no tokony hanonona sy handreny anaran’Andriamanitra.
Raha ny tantara fantatra hatreto aloha dia ny mpisoronabe ihany ho an’ny Jiosy no nanonona sy nandre an’io anaran’Andriamanitra io, (tsy manana porofo aloha i Cyrius milaza hoe mahalala an’io anaran’Andriamanitra io ny mpisoronabe)
Tsy nandre ny anaran’Andriamanitra kosa ary tsy nanonona ny anaran’Andriamanitra ny mpivavaka rehetra tao amin’ny tempoly.

Ireo efa nampiasa ny anaran’Andriamanitra

i Toth, anisan’ny loharano voalohany nipoiran’ny baiboly sy ny fivavahana Ejipsiana no olona fantatra anarana voalohany ho mahalala ny anaran’Andriamanitra, hitantsika izany ao amin’ny « Table d’Éméraude de Toth ».
Io anaran’Andriamanitra io no nahavonjy azy sy ireo niaraka tamin’ny safo-drano nanjo an’i Atlantide, 12000 taona teo hoe eo izay.
Teo koa i Davida mpanjaka mpisoron’Israely (vakio : 1 Samoela 17 : 45),
Ary ny farany, ny mpanoratra, izay tsy iza fa ny zanak’i Davida ilay mpanjaka mesia nampanantenain’ny baiboly.

Ny asan’ny anaran’Andriamanitra

Raha mamaky a’io andinin-teny voasoratra eo ambony isika, hahita avy hatrany fa miaro amin’ny fahavalo ity anaran’Andriamanitra ity, na toy inona habeny, na toy ny ahoana ny heriny, na firy na firy ny isany.
Indro omena anao eo @  » commentaire  » ny tenin’i Davida tamin’i Goliata izay ho resiny tokoa avy eo :

Fantatsika ny tohin’ny tantara fa tsy mbola resy an’ady na oviana na oviana i Davida sy izay niaraka taminy, na sendra ny be no ho vitsy aza matetika.
Tsy nila ny fanampian’ireo niaraka taminy akory izy dia ho afaka namono nahafaty an’ i Saoly izay nanenjika azy, nombana miaramila maro an’isa kokoa noho ny azy.

Tsy mifanohitra amin’izay voasoratra eo ambony koa ny voalazan’ny salamo 91, fa andininy vitsivitsy ihany no hosoratana eto.

« 14 Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy 15 Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho. 16 Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko. »

Ity anaran’Andriamanitra ity ilay anarana tokana voalazan’ny baiboly hahazoana vonjy eto ambany masoandro.

Ny ilana azy

Samy mahalala ny zava-niseho tamin’ny 26 jona 2016 isika, nisy indray ny fanaovana sorona ain’olombelona, nahafatesana sy nandratrana olona maro.
Eo ihany koa ny fampihorohoroana sy ny hafa : club satanique, ambalavelona, etc.
Anisan’ny tena ilana an’io anaran’Andriamanitra io ny fisehoan-javatra tahaka ireny.
Raha manonona na mitondra an’io anaran’Andriamanitra io amin’ny fotoana tahaka ireny, dia tsy maintsy hieren-doza, tsy maintsy hisy hirika hahafahanao na tsy manam-po na inona na inona aza ny tena.

Raha firenena moa no mananaan’ity anaran’Andriamanitra ity dia ho voaaro amin’ny fanafihana mety hataon’ny firenen-kafa.
Izany hoe raha mpitondra firenena no manana an’ity anaran’Andriamanitra tsy azo tononina ity,
Azo antoka tanteraka moa fa tsy manana an’ity anaran’Andriamanitra tsy azo tononina ity ny mpitondra.
Ny Mesia, voatendrin’Andriamanitra ihany no nomenyan’io anaran’Andriamanitra tsy azo tononina, izy no itokisany.

Ny fampiasana azy

Azo tononina ny  anaran’Andriamanitra, raha hainao ny manonona azy,
Azo soratana ny  anaran’Andriamanitra tsy azo tononina saingy mila fitandremana be,
Azo atao sary ity anaran’Andriamanitra tsy azo tononina ity,
Azo entina manaraka ny tena na atao ao an-trano sy amin’ny fitaovana maro samihafa koa ny anaran’Andriamanitra tsy azo tononina.
Samy ananan’ny mpanoratra sy hainy avokoa ireo.

Ny Fepetra ahafahana mampiasa azy

Fahamendrehana dia ampy raha te hampiasa ny anaran’Andriamanitra,
Na manana toerana ambony ao amin’ny fiangonana misy anao ianao na tsy manana,
Na manana fiangonana ianao na tsy manana,
Na mpitondra fivavahana ianao na olon-tsotra, tahaka ny mpanoratra,
Na inona na inona asanao na kilasy misy anao,
Tsy miankina amina rà na saranga ihany koa,
Tsotra ny tiana ambara, afaka manana ny anaran’Andriamanitra izay rehetra te handeha amin’ny fahamarinana sy mangetaheta hiaina ao anaty fandriampahalemana.

Mila mahazo alalana vao  mampiasa anaran’Andriamanitra

Marihina eto aloha fa na nahazo alalana tamin’ny tompon’io anarana io ny tena hamoaka sy hizara azy amin’ny hafa,
ary izay hahazo azy dia tsy hisy hahalala afa-tsy izy tenanay ihany, ary tsy afaka manaparitaka azy.
Tsy azo amitahana ary tsy azo vazivazina ity anarana ity ka tsy maintsy malina.
Mijanona ao an-dohan’ny mpanoratra izy aloha hatreto.

2 réponses à “ILAY ANARAN’ANDRIAMANITRA TSY AZO TONONINA”

  1. cyrius dit :

    Indro entina aminao feno ny Salamo 91
    Ny fahatokian’ny olo-marina an’Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany

    1 Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.
    2 Izaho hilaza an’i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
    3 Fa Izy no hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. 4 Ny volon’elany no anaronany anao, Ary ao ambanin’ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. 5 Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro, 6 Na ny areti-mandringana mandeha amin’ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana. 7 Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany 8 Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
    9 Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, 10 Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao. 11 Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’izay rehetra halehanao. 12 Eny an-tànany no hitondran’ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. 13 Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
    14 Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy 15 Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho. 16 Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.

  2. cyrius dit :

    1 Samoela 17 : 45)
    « 45Fa hoy kosa Davida tamin’ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. 46 Anio no hanoloran’i Jehovah anao amin’ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao,…»

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava