Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

  • Accueil
  • > IZA NO MAHAZO TOMBONTSOA AMIN’NY FISIAN’ NY « AMBALAVELONA » ?

29 février, 2016

IZA NO MAHAZO TOMBONTSOA AMIN’NY FISIAN’ NY « AMBALAVELONA » ?

Classé dans : — cyrius @ 11:16

Toa zary resabe tato ho ato ity resaka ambalavelona ity, ny valala moa misy, ny mpilaza mahay.
Variana ihany ny tena nahita mpitondra fivavahana nilaza tamin’ny fahitalavitra tafiditra amin’ny tranonkalan-tserasera isan-karazany ity  » ambalavelona  » ity ary mifindra avy @ tranonkala ireny.
Ka mba azon’ireo mpitondra fivavahana ireo valiana ve ireto fanontaniako ireto azafady ?
1 – Omeo kely hoe ny script -n’izany ambalavelona izany ?, code html no anontaniako raha misy tsy mahazo.
2 – Iza no nampiditra azy tamin’ny solosaina ?mody atao hoe Satana ve sa misy olona ivelan’ny valan’ondrinareo tiana henjehina indray amin’ity raharaha ity
3 – Firy ny adresse IP -n’io solosaina nandefasan’i Satana an’io Ambalavelona io ?
4 – Taiza ny toerana nandefasany azy ?
Satria moa toa tena havanana amin’ny fampifangaroana ny siansa sy ny finoana ireo mpitondra fivavahana voakasik’ity lahatsoratra ity, dia ho voavaliny soa aman-tsara miaraka amin’ny porofo mivaingana ireo fanontaniana ireo.
Mbola zaza ve ny malagasy ? sa bado loatra ? Tsy mahay manavaka ny mino an’Andriamanitra sy ny mino mpitondra fivavahana, tsy mahay manavaka ny hoe mamaeno fiangonana sy ny manaraka ny sitrapon’Andriamanitra dia atao kilalao.
Mbola hametraka fanontaniana 3 mila fanazavana i Cyrius
5 – Aiza ho aiza ao amin’ny baiboly ary didy fahafiry no milaza fa afaka manao  » affirmation gratuite  » ny mpitondra fivavahana ?
6 – Iza no mpahazo tombontsoa amin’ity  » ambalavelona  » ity ?

L'AURA DANS l'ESOTERISME MALGACHE ET BIBLIQUE l’Auteur

Commentaires désactivés.

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava