Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

  • Accueil
  • > IZA NO TOMPON’NY FANANDROANA MALAGASY ?

29 avril, 2019

IZA NO TOMPON’NY FANANDROANA MALAGASY ?

Classé dans : — cyrius @ 10:46
Andrianampoinimerina sy ny vintany

Nahafahana nikaroka ny daty marina nahaterahan’Andrianmpoinimerina ny fanandroana.

Taitra ihany ny tena raha nahare fa hametraka daty iray hankalazana ny taom-baovao malagasy ny ministeran’ny kolontsaina.
Nahoana ?
Harena ny fahasamihafana, ary tsy azo terena hitovy izay tsy mitovy.
Ny vahoaka no mila beazina aloha hahalalany ny atao hoe taom-baovao ara-panandroana malagasy.
Avelao ireo tsy mitovy hevitra samy hanazava ny azy, ho azon’ny vahoaka ihany izy mety sy tsy mety any aoriana any, raha tsy izany, ho voasolo zavatra hafa tsy izy ilay kolontsaina.
Nianatra sy nandalina ny fomba malagasy sy ny hafa ny tenanay, anisan’izany ny fanandroana.
Tsy homba ny atsy aho na ny aroa.
Fa izao no hevitro.
Siansa ny fanandroana fa tsy finoana.
Ka asaivo samy hilaza an’izay zavatra hitranga amin’ity taona ity aloha ireo mpifanandrina dia ho hita eo ny tohiny. Miankina amin’ny datin’ny taom-baovao mantsy izay hitranga mandritry ny taona, miteny koa ny ora.
Fomba fanaon-dRadama io, ary tsy misy maharatsy azy, nanao toy izany koa Andrianampoinimerina.
Ireto izao holazaiko ary tsy azon’izy ireo haverina raha mpikaroka tokoa izy.
Mifarana ny 03 jiona fa tsy ny 07 mey na 07 jiona arak’izay voasoratro teo aloha ny fahavaratra raha izay tondroin’ny kintana no arahina.
Hanomboka ny27 novambra izao ny fahavaratra manaraka.
Tsy isika malagasy irery no ahitana tsy fitovian-kevitra eo amin’ny resaka daty, fa misy « logiciel » mandiso kajy koa amin’ity sehatra ity.
Tsy azo tefitefena foana nefa ny daty ara-panandroana satria iankinan’ny fiainana rehetra, na ny fiainam-pirenena na ny fianan’ny tsirairay sy ny fihariany.
Ny 27 novambra vao hanomboka ny fahavaratra, tara iray volana eo ho eo raha oharina tamin’ny fiantombohan’ity fahavaratra ity.
Tsy tokony hisy oram-pahavaratra alohan’io daty io, raha tsy hilaza fitrangana loza voajanahary.
Hitantsika amin’izany fa raha mamafy vary aloha, zatra ny daty mitovy amin’ilay teo ny tantsaha, ho be ny vary simba.
Ka izay no ilazako hoe aza maika hamaritra daty iraisana ny amin’ny datin’ny taom-baovao malagasy.
Tsy hahomby avokoa ny fitapitaka rehetra manomboka amin’ity taona ity, ka mila mitandrina ireo zatra manao laln-dririnina.
Asio fanitsiana koa ireo sokajin’olona hasaina sao handonto an’ilay kolontsaina.
Tsara tsidihana kely ity pejy ity alohan’izay : Ny herin’ny fanahy na hasina
Ny herin’ny fanahy na hasina

RIRININ-DASA TSAROANA ; FAHAVARATRA LASA, TADIDY

Fahavaratra sy ririnin-dasa tsaroana
Samy mahatsiaro isika, fa efa nolazaiko mialoha fa ny 07 novambra 2018 no hiantomboka ity fahavaratra ity, ary izay koa no hitan’ny météo nony avy eo.
Efa nilaza mialoha koa ny tenako, na tsy teto aza, fa tsy hisy rivo-doza handalo eto amin’ity fahavaratra madiva ho tapitra ity fa ny tondra-drano no hisy.
Miara-mahita isika fa tsy nisy niditra teto ny rivo-doza, ary maro koa ny faritra tondra-drano na tsy maro aza ny isan’ny orana latsaka.
Ny rivo-doza tamin’ny taon-dasa moa, efa nolazaiko mialoha, na tsy nosoratako aza, fa hanara-tsisiny ary hivoaka avy eo.
Nanaraka ny sisin-tany tokoa ilay rivo-doza niditra avy any amin’ny ranomasimbe indiana ary nivoaka tany amin’ny ranomasimbe indiana ihany.
Tsy maintsy avoaka ny marina, raha tsy izany, mpisoloky hatrany no hamitaka vahoaka,
Tsaroantsika koa ny Cyclone Enawo tamin’ny 2017, nampoizina tokoa ny fandalovany teto Antananarivo ny andron’ny 08 marsa.
Rehefa nasain’i Cyrius nitony izy, tampoka tokoa ny fivoahany, ary nahita lalam-poza handehanana any Antsirabe, ary nandeha haingana namonjy ny morondranomasina nony avy eo, ary lasa, tsy nimpody.
Tsaroantsika tsara ilay horohorontany tamin’ny 12 janvier 2017.
Nihorohoro tokoa ny tany, ary nivonona ny handrava zavatra betsaka tokoa, saika hitatra hatrany amin’ny fipoahana volkano aza angamba izy iny, fa rehefa nasain’ny tenanay nijanona izy, nijanona.
Tsy misy afaka milaza ho tsy mahalala an’izany izay nifoha tamin’iny alina iny, na ny marenina aza, raha tsy efa vonona hanohitra fotsiny befahatany.
Ny antony hilazako an’ireo, satria voafehiko tsara ny fahalalana ara-panahy, ary Zanak’Andriamanitra aho, lahimatoa ary ato amiko ny hasina, eny ny tena, Cyrius ilay mpanjaka mpisorona voalazan’ny baiboly, izay tsy iza fa i Davida mpanjakan’Israely ihany no niverina.
Tsy azo afenina ny marina, ary tsy azo lalovam-potsiny ny tena, raha raharaham-pirenena no resahina.

Ataoko, fa voahitsin’ireo, izay mieritreritre zavatra tsy mifanaraka amin’izay voatendrin’Andriamanitra, ho an’izay hikiribiby, moa, ..

Hitantsika tokoa ary fa mbola fahavaratra isika izao, ireny fa nilatsaka indray ny orana ny 20 sy 21 mey 2019 teo.
Cyrius moa tsy afaka mandainga, tsy maintsy voamarina amin’ny lafiny rehetra, na ara-baiboly na ara-tsiansa, indrindra ara-kajy vao avoaka eto.
Ny olona manan-kasina tsy mamitaka, fa ny fahamarinana no heriny.
Hoy i Molière hoe : « La Vertu est le premier titre de Noblesse »
.
Vita ihany koa ny fikarohana momba ny tena vintan’Andrianampoinimerina.
Hita ao koa ny tena antony nahafaty azy.

Mbola ho avy eto koa ny an-dRadama I izay teraka tamin’ny 02 novambra 1791 tamin’ny 10 ora 15 mn alina.

Afaka manohana an’izao asa fikarohana izao ianao

Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609

Tsy ferana izay harotsakao na be na kely, ny erikerika, hono, ahatondra-drano.

Mety hahasoa olona maro ity pejy ity, mila aparitaka arak’izay tratra.

Mila fatsarana ihany koa ity tranonkala ity.

Tsodrano ho anao ny fandraisana anjara amin’izany.

Itony koa azonao andraisana anjara

Image de prévisualisation YouTube

Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 5000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’nio mozika manome hery sy mitondra fitoniana io, 80 mn ny faharetany.

Image de prévisualisation YouTube

Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 3000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io sarimiaina amin’ny teny malagasy io, 60 mn ny faharetany.

Ny avelo sy ny ambiroa

[https://youtu.be/5H5_UR1b-z8]

Afaka manohana an’izao asa fikarohana izao ianaoMvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609Tsy ferana izay harotsakao na be na kely, ny erikerika, hono, ahatondra-drano.Mety hahasoa olona maro ity pejy ity, mila aparitaka arak’izay tratra.Mila fatsarana ihany koa ity tranonkala ity.Tsodrano ho anao ny fandraisana anjara amin’izany.Itony koa azonao andraisana anjara

Image de prévisualisation YouTube

Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 5000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’nio mozika manome hery sy mitondra fitoniana io, 80 mn ny faharetany.

Image de prévisualisation YouTube

Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 3000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io sarimiaina amin’ny teny malagasy io, 60 mn ny faharetany.

Rohy hafa :

Ny fanahy no olona : http://cyrius.unblog.fr/?p=35
Paix au prince lien : http://cyrius.unblog.fr/?p=4182
Ny herin’ny fanahy na hasina : http://cyrius.unblog.fr/?p=1672
Résumé de la future constitution de Madagascar : http://cyrius.unblog.fr/?p=4319
Le Messie ou roi promis : http://cyrius.unblog.fr/?p=500

Une réponse à “IZA NO TOMPON’NY FANANDROANA MALAGASY ?”

  1. cyrius dit :

    Mety hilaza daty alohan’ireo ny météo, ho fiafaran’ny fahavaratra sy ho fiantombohany amin’ity taona ity, satria raha ny éphémérides vahiny no arahina, efa gémeaux izao, nanomboka tamin’ny 05 mai teo, ary volana novambra no hanomboka ny sagitaire.
    Tokony hifanaraka amin’izany koa ny antsika, saingy niampy iray volana ny fahavaratra tamin’ity taona ity, izany hoe mihemotra iray volana avokoa ny daty ara-panandroana aorian’izay.
    Raha ny baiboly koa no arahina satria manandro koa ny jiosy, mbola fahavaratra ity volana ity satria fararano.
    Hitanao ao amin’ny baiboly ohatra ny hoe « …Izy no mandrotsaka ny oram-pararano ».
    Ry zalahy mpijery ny toetr’andro moa géophysicien, izany hoe miompana bebe kokoa amin’ny astronomie fa tsy amin’ny astrologie, na mifandray aza ireo, izany hoe mety hirona amin’ny kajy vitan’ny tandrefana, satria fitaovana avy any, tsy maintsy mifanaraka amin’ny kajy sy praograma avy any.
    Ity taona ity ihany moa no hafa ny antsika sy ny an’ny vahiny, fa ho hitanao fa mifarana miaraka amin’ny volana taureau hatrany ny fahavaratra ary miantomboka indray izy amin’ny fiantombohan’ny sagitaire.
    Hamafisiko ihany nefa fa 03 jiona vao mifarana ny fahavaratra, tsy vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro io, fa raha tsy izay, dia vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro tokoa.
    Afaka miomana ny amin’izay ho setrin’izany isika.
    Averiko ihany fa tsara ny manaraka an’ity pejy ity, alohan’ny fandraisana ny fanapahan-kevitra rehetra, raha fomban-drazana sy kolontsaina no resahina : [url=http://cyrius.unblog.fr/?p=1672]ny herin’ny fanahy na hasina[/url]
    [url=http://cyrius.unblog.fr/?p=1672]ny herin’ny fanahy na hasina[/url]
    Iniako tsy ampiasaina ny voambolana malagasy tsy hilazan’ny sasany hoe manaraka ny atsy aho na ny aroa.
    [url=http://cyrius.unblog.fr/?p=1672]ny herin’ny fanahy na hasina[/url]
    [url=http://cyrius.unblog.fr/?p=1672]ny herin’ny fanahy na hasina[/url]

Laisser un commentaire

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava