Midim-bolana izao, tsy fitokanan-javatra

Kapok’Andriamanitra noho ny fanomezam-pahefana ivelan’ny Lalàna angamba izao loza voajanahary mandrava izao.
Eto am-piandohana, apetrako mazava fa adidiko ny milaza amin’ny vahoaka sy ny mpitondra ankehitriny ny tsy mety ahafahantsika mifanitsy sy mampianatra sahady ny atao hoe fisoronana.
Mptoriteny III : « 1Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra;
misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra aty ambany masoandro:
………………….
4Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana;
fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.
……………..
6Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana,
fotoana hitehirizana, ary fotoana hanariana. »
Efa nalefa any amin’ny tomponandraikitra mahefa eto amin’ny firenena moa ity ary antenaina fa voaray ny hafatra.
Tontosa tsy nisy sampona omaly ny fitsenana ny tataron’ny satro-boninahitry ny mpanjaka Ranavalona III ary voatokana ny rova.
Zava-dehibe aloha ny tsy nanasana an’ireo nisoloky ho ampanjaka sy mpiandry tranobe izay sata tsy nisy teto Imerina, na nisy ihany aza tao.
Tsy midika nefa izany hoe nety ny zava-drehetra.
Nisy zava-dehibe adino tao,
NY HADISOANA NISY SY VAHAOLANA
Voalohany midim-bolana izao tsy fanaovana lanonana, tsy fandraisan-javatra.
Tsy mamorona aho fa lalàn’ny fisoronana sy lalam-panandroana izany.
Raha mijery ny baiboly ianao, lasa boka ilay mpanompon’i Elisa rehefa nandray zavatra tamin’ilay kapiteny nositranin’i Elisa, satria tsy fotoana fandraisan-javatra izao hoy i Elisa.
Tao aorian’ny hadalana lehibe fanindroany nataon’ireo misoloky ho mpahay fomba sy ho taranak’andriana tamin’iny volana lasa iny dia ity no hadisoana faharoa ary ny fitondrana no nanao azy.
Ny momba iry voalohany moa ny sady nanaovana ala faditra no nanaovana fety sy « sorona » fa hoe taom-baovao.
Andro miaka-bolana iny, tsy fanaovana ala faditra, ary olona azo lazaina fa manohitra an’Andriamanitra no nitoky an’ilay omby voalaza hatao sorona, ary tsy tokony hisy solontenam-panjakana hanatrika iny nefa nisy teny ary sata tsy misy eto Imerina ihany koa no nandokoana azy, raha tsy hilaza afa-tsy ny filohan’ny HCC.
Tsy misy eto Imerina, Andriamatoa ny atao hoe Raiamandreny ara-dRazana.
Efa nanao hadalana tahaka izao ireto andian’olona ireto tamin’ny taon-dasa ary efa nahitsy teto amin’ity tranonkala ity sady nalefa tao amin’ny facebook fa nankalaza taom-baovao tamin’ny midim-bolana no sady nanao sorona sy nizara hena.
Avy eo tapaka ny vatolahy saika hatsangana.
Mazava ho azy, misy tohiny ratsy ho an’ny firenena ireny, indrindra raha atrehina solontenam-panjakana, indrindra raha ho anisan’ny iray tamin’ireny ny tenako izay mpanjaka mpisorona.
Tsy afaka hilaza isika hoe tsy anisan’ny antony nahasahirana antsika nampiparitaka ny coronavirus ireny.
Ny faharoa dia ity nataon’ny fitondrana ity.
Tsy fitokanana na inona na inona izao fa fanalana faditra, mandrapahatsinan’ny volana amin’ny fiandohan’ny fahavaratra, ny 17 novambra 2020.
Azo antoka fa hitera-doza ho an’ny firenena indray ireo zavatra roa loha nitranga ireo.
Raha nijery ny carte du ciel sy ny éphéméride moa ny tenanay dia manamafy an’izany ny filaharan’ireo planeta ao anatin’ny antokon-kintana tsirairay ao.
Mety hilaza angamba ny fitondrana hoe ka izahay tsy mpanandro.
Eny tsy mpanandro ianareo sady tsy mpisorona.
Fa napetrak’Andriamanitra hatao inona eto amin’ity tany ity ny tenako, izay Mesia, mpanjaka mpisorona ?
Voalohany tokony hasaina ny tenanay amin’ny lanonana toy ireny ary tokony hakana hevitra aloha na mety izao na tsia.
Tsy midika izany hoe mitovy hevitra amin’ireo misora-tena ho taranak’andriana midongy ny tsy azy ny tenanay, fa amin’ny sisa, akao hevitra aho, izay Mesia voafidin’Andriamanitra hitondra an’ity firenena ity, fa raha misy loza mitranga eto, mahavoa firenen-kafa koa.
Noho izany tsy maintsy halàm-paditra ny Rova, sy iny tataron’ny satro-boninahitry ny mpanjaka Ranavalona III iny, ary akao hevitra ny tenanay ny amin’ny fotoana heverin’ny fitondrana hanaovana an’izany, ary aza atao ela, fa fiainam-pirenena ity.
Asao ny tenanay ary Prince de Madagascar ny tenanay arak’izay efa voasoratra mialoha : Isaia 9 : 5-7 sy salamo 2 : 6 etc…
Izay voatendrin’Andriamanitra no izy arak’io salamo io sy ny bokin’ny faminaniana rehetra fa hadisoana ny fiantsoana olon-kafa ho printsy na printsesy, fa tsy ny rà no mitondra ny hasina fa ny fanahy.
Antsoy amin’ny sata natokan’Andriamanitra ho ahy sy hahafahany hitahy ny firenena aho, mety izany olon-kafa tsy izy aza antsoin’ny sasany amin’ireo teny ho printsesy (mahafolaka an-datony nefa izany ka tandemo).
Hadisoana efa nataon’ny tena tamin’ny fiainana tany aloha moa izao (nanomboka fanisam-bahoaka tamin’ny fotoana midim-bolana), fony aho Davida mpanjakan’i Israely ka fantatro ny lanjany ary novidian’ny fireneko lafo. Tsy nanaiky ho resy nefa aho fa niroso tamin’ny fanalam-paditra ka dia voavonjy tamin’ny pesta ny vahoaka.
Tsiahiviko eto fa ireo nanaraka ny daty voalazako ho fiandohan’ny fahavaratra, afa-po tamin’ny vokatry ny famboleny, izay tsy nahalala moa manandrakandrana eny ihany ka tsy dia misy ny tena azo antoka.
Tsy nisy niloa ihany koa ny filazako mialoha ny momba ny tsy hahatongavan’ny rivo-doza an-tanety tamin’ity fahavartra 2019-2020 ity sy hahalevona azy an-tanety raha sanatria ho nisy.
NY ANDRAIKITRA SASANY EFA NORAISINA
Faharoa manaraka an’izany, ny tenanay tsy faly manakiana fotsiny fa olona mpandray andray andraikitra.
Anisan’ny antony nahatratrarantsika haingana ny pic ny amin’ny fiparitahan’ny COVID19 ny mantra notononiko, ka ny 09 aogositra dia tratra izany raha noheverina ho ny 31 aout.
Tsy azo odian-tsy hita ny blog fanabeazako vahoaka izay hosoratako ery ambany.
Ary raha sanatria ho tsy nisy io blog io, dia miampita ihany ny fanabeazana sy fampianaram-bahoaka ataon’ny tena noho ny fahefana nomen’Andriamantra, ka andrenesana ahy na aiza na aiza, eny hatrany amin’ny tontolon’ny maty aza. « Mihainoa ahy ry Nosy, ry firenena lavitra » Isaia 49.
Tsy mionona amin’izany isika fa ity misy vaovao mafana be :
Nanatontosa fanadihadiana amin’ny teny Malagasy ny tenananay mikasika an’ilay rambon-tany tian’i Madagasikara hangatahina, ary tena an’i Madagasikara io raha ny tantarany fahagola no halalinina.
Maharitra 1h 09 mn ity documentaire audio (MP3 sy wave no version misy) ity ary ny Baiboly sy ny Kabbale Hebreo sy Malagasy no fitaovana nampiasaina hikarohana tao.
Hita ao koa fa i Madagasikara ilay Eofrata sy tany nampanantenaina voalazan’ny baiboly ho Siona, tanana Masina, Jerosalema vaovao …
izay hoentin’ny Mesia sy efa misy azy izao.
Voalaza sy voaporofo ao koa fa teto amintsika, ao ambanin’i Vakinankaratra ao i Sodoma sy i Gomora.
Hita koa ny toerana nisy an’i Atlantida izay tsy nisy afaka namaritra hatramin’izay,ary ao ambanin’ny tapany atsimon’i Madagasikara ny ampahany aminy, misy porofo izany.
Voamarina ao koa fa ho an’i Madagasikara ireo fampanantenana voalazan’ny bokin’ny faminaniana raha tsy hilaza afa-tsy ny Isaia 60 ; 61 ; 62.
Ary avy eto Madagasikara no miainga ny hazavana vao miparitaka eran-tany.
Fanampiana izany ho an’ireo manampahaizana hanao fandresen-dahatra mba hahazoantsika an’io rambon-tany io.
Raha mila ianareo ity ny findaiko misy Mvola : 0344485763
Nosoratana tamin’ny volana novambra 2020 ireo ambony ireo.
Voatery hanoratra ny tohiny aho izao 2022 izao, satria mafy loha tsy azo tenenina ny ao amin’ny fitondrana, voakapoka mafy izao ny firenena ka na nadro ratsy aza mandrava tahaka ny rivo-doza matanjaka be.
Inona ny antony ?
Tsy asana filoha sy ny governemanta eo ambany fifehezany ny mamorona olona hantsoina hoe « printsesy » sy ny karazany, aiza ho ao anaty lalàmpanorenana no manome alalana an’izany ?
Fanjakana repoblikana izao ary tsy nifidy olona antsoina hoe printsesy izany izahay, aiza ny HCC.
Vokany, sasa-miarina ny firenena, sa-miarina ny vahoaka, fa voadika ny lalampanorenana repoblikana, voadika koa ny baikon’Andriamanitra momba ny olona efa voafidiny, kilalaon-jaza ve izy ity sa fiainam-bahoaka miisa 25 tapitrisa ?
Aiza ny HCC ? Mandrimandry va ny antenimieram-pirenena ? Miasa hoan’antoko sa ho an’ny vahoaka nifidy azy ?