IREO FINOANOAM-POANA MOMBA NY ALA FADITRA
Famahana olana no antom-pisian’ny ala faditra.
Misy kosa ny mandoto an’ity ala faditra ity amin’ny alalan’ny fihetsika manohitra an’izany.
Eo mantsy ny fiheverana fa mahery vintana na manoto vintana ny zaza teraka tamin’ny volana ara-panandroana sasany, ny teraka Alakaosy moa no matetika lasibatra amin’izany.
Dia lazaina fa alàna faditra ilay zaza, nefa fihetsika mampidi-doza no atao aminy.
Dia mivoaka ny didy tsy nasiam-pandinihana lalina, tsy nisy fihainoana ny voampanga akory, fa hasaina hodikain’ny omby ilay zaza.
Izany hoe atao eo ambaravaran’ny valan’omby ny zaza, tairina hivoaka ny omby, handalo eo, ka raha tsy maninona izy avy eo dia tsara vintana ; raha misy manjo azy eo kosa dia vita ho azy, tsy misy arakaraka fa an’ny vintana ny tsiny.
Fanaon’ny olona tsy mahalala, tany aloha io, izay tsy ny toerana rehetra no nahitana azy.
Nisy moa ny an’ny sasany nanapahana ny rantsan-tanany, sao manoto hono, anisan’ny niharan’izany ingahy Rainilairivony, praiminisitr’ieo mpanjakavavy 3 nanjaka farany sady vadiny.
Samy vintana Alakaosy, hono, izy sy Ranavalona I, ka natahorana hanoto vintana ny mpanjakavavy ny lehilahy, hany ka notapahina ny rantsan-tanany iray.
Tantara moa izany, mitsara izy izao hoe mety ve ilay natao tamin’izany ?
Tsia ny valiny, tsy izany ny fanalam-paditra, famonoana sy fampijaliana izany.
Tsy mahagaga raha misy mihevitra fa habibiana ny atao hoe ala faditra, fotoana vitsy lasa izay raha nanandrana nijery ny dikan’ny teny hoe ala faditra, dia « sauvagerie » na habibiana no hevitra nomen’ireo vahiny sy Malagasy hafa nandika azy.
Azonao andramana fa izay no hitanao ao amin’ny Google Traduction, raha tsy mbola novany.
Mbola misy koa ny fampijaliana sy famonoana hafa fanao tao anatin’ity ala fady na ala faditra ity fa any amin’ny fady no hiresahantsika ny momba azy.
Mazava ho azy moa fa tsy fomba fanaon-dRazana tany aloha izany fa noforonina taty aoriana, porofon’izany nahoana Andrianampoinimerina no tsy natao tahak’izany ? Nefa tsy nisy nahomby tahaka an’ity mpanjaka iray ity tamin’izay rehetra nitondra teto Madagasikara.
Ho an’izay tsy mahalala moa, midim-bolan’ny alahamady no nahaterahan’Andrianampoinimerina, ratsy vintana izany, nefa tsy nampandalovina an’ireo sedra feno habibiana ireo izy.
Afaka manohana an’izao asa fikarohana izao ianao
Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609
Tsy ferana izay harotsakao na be na kely, ny erikerika, hono, ahatondra-drano.
Mety hahasoa olona maro ity pejy ity, mila aparitaka arak’izay tratra.
Mila fatsarana ihany koa ity tranonkala ity.
Tsodrano ho anao ny fandraisana anjara amin’izany.
Itony koa azonao andraisana anjara
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 5000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’nio mozika manome hery sy mitondra fitoniana io, 80 mn ny faharetany.
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 3000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io sarimiaina amin’ny teny malagasy io, 60 mn ny faharetany.