Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

22 novembre, 2019

KOLIKOLY REVOLISIONERA

Classé dans : — cyrius @ 13:38
Moi

Mpanatontosa sarimiaina, eo am-pitadiavana famatsiam-bola. ora 2 no ilaiko ahavitana sarimiaina maharitra 1mn. 

 Tantara noforonina ity, raha misy amin’ireo mpandray anjara ato mitovy amin’ny olom-pantatrao, na vadinao, na 2ème bureau-nao, tsarovy tsara izao ; kisendrasendra fotsiny no anton’io fitoviana io.

TALE

  • Fa inona ity manjo anao ramatoa Misitra a, mihisitrisitra be tsy misy toa izany ianao eo ambonin’ny sezanao, lanin’ny parasy angaha izato ianao sa voatsindron’ny tsilo.
    Sa tsy mahatamana ity seza ka tsy mampahazo aina ?
    Tsy mahazo aina inona, mitady ny sezako angahy ity koa hoe tsy mahazo aina ah tsy mahazo aina.

    Tsy fantatr’ity fa Misitry ny fampisehoana sy ny Kolokoly aho ?
    Hampiseho an’ity an’ireto taratasy fandraisan’anjara ireto no mampihetsiketsika ahy eto.
    Mahazo mijery itena raha hahita tsilo na parasy eo.
    Rehefa vita izany dia jereo ireo antontan-taratasy ireo, misy manampahaizana be tena mihoatra noho ireo kalaza sy fanta-daza any ivelany ao.

    Ho sahirana ity amin’ireo, inona no hatao ?
    TALE
  • Inona no olana amin’ity Ramatoa Misitra a, tsy misy olana ity, tsy mahazo io dia izay, mbola tsy nanomboka ny fifaninanana dia efa vita lisitra ato ireo hahazo. Hitanao, ireo izao ny sasany ireo efa miandry eo ambody rindrina ireo sahady, ireo ambodin’ny biraon-dry zareo misahana ny fifaninanana e.

MISITRA
Dia atao ahoana ireto ?

TALE
Tsy mampiasa saina izany e, tsy fantatrao angaha fa izaho no talen’ny kolokoly ato amin’ny misteranao ? Mpikolokolo an’ireo kolokolon’olona mpanao kolikoly. Havanana amin’ny fikolokoloana ny kolikoly revolisionera.

  • Raha izay ireto antontan-taratasy ireto ve, tsy miteny ireo.
    Izay Ramatoa Misitra fa efa samy nahazo ny anjarany isika, handeha aho aloha.
    MISITRA
    Ka raha tonga aty izany ireo ekipan’ny mpiady amin’ny kolikoly dia ahoana ?
    TALE
    Ireny ve, tsy mahita ny lalana mankaty ireny, raha vao hitako eny an-dalana dia hasaiko miverina.
    Sady mivoaka ny birao ihany ingahy tale.
    Nony nivaly ny fifaninanana Posy Kara dia nifanena tamina mpandray anjara matotra tsara ingahy tale, mpanatontosa sarimiaina ranamana
  • INGAHY MPANATONTOSA
    Ah Andriamatoa Talen’ny Kolokoly, soa fa nahita anao, fa ahoana rangahy ity no tsy nahazo tamin’iny fifaninanana iny aho a, nefa na ry Walt Disney aza tsy maharaka ahy amin’ity taranja ity. Ianao ve sahy milaza fa ireo mpanao mozika nahazo ireo, misy lafiny andresen’ireo an’ i Mickael Jackson ? Misy lafiny andresen-dry zalahy mpanao sarimiaina nataonao nahazo ireo an’ireo andrarezina any ivelany ve ?
    TALE
  • F’angaha nisy nilaza tamin’ise hoe hahazo amin’iny ise ? Efa hitan’ise tsara ireo olona voaomana hoe hahazo, sa tsy hitan’ise ireny ? Ilay nitobitoby teo amin’ny ilan’ny atsinanan’ny birao misahana ny fifaninanana ireny ?
    Vao nifarana ny fandraisana ny antotan-taratasy dia efa hitan’ise tsy niala teo ireny nanomboka ny maraina ka mandrapaharivan’ny andro, isan’andro, sa tsy izany ?
    Tsy ny mahay rangahy ity no mahazo a, raha nahay ireny tsy nanao kolikoly.
    INGAHY MPANATONTOSA

- Voamariko tsara ireny fa ny tsy nampoiziko dia ny hoe marina ny eritreritro hoe mpanao tsolotra ireny, efa nomanina hahazo mialohan’ny hanombohan’ny fitsarana..

TALE

  • Ka inona no mahagaga amin’izany r’ise a, tsy fantatr’ise angaha aho ? Izaho no talen’ny kolokoly , mpikolokolo an’ireo kolokolon’olona mpanao kolikoly. Havanana amin’ny fikolokoloana ny kolikoly revolisionera.
    INGAHY MPANATONTOSA
  • Tsy ara-dalàna anie izany andriamatoa Tale e, f’angaha tsy fanavaozana sy fivoarana sy fampivoarana no tanjona amin’iny fifaninana iny e.
    TALE
    Ka raha tsy ara-dalàna, mampaniry volo ny manara-dalàna sa mahamainty volo ?
    Manaraha lalàna fa ny volom-bavan’ise foana no hitombo eo. Fanavaozana sy fampivoarana ny Kolikoly no tianay hambara e, tsy soratana fotsiny mba tsy ho fantatry ny lavamaso vahiny.
    Kolikoly izao no pasipaoro.
    Tsy misy iraharahianay an’izay lalàna rangahy ity a.
    Tsy fantatr’ise angaha izahay ? Izahay anie malaza e, malaza be izahay sy ramatoa misitra, mahay mandihy iny ramatoa misitra iny a, hitan’ise ilay tamin’ny fampielezan-kevitra indray mandeha iny ?
    Nangovitra ny sehatra, saiky ho tapaka hatramin’ilay hazo fisaka tao ambany lampihazo nandihizany.
    Faly mihitsy izy natrehin’ny mason’ireo mpanatrika maro hoe malaza e, malaza.
    Ka hanao inona ise fa izahay malaza, na malaza amin’ny kolikoly izahay na malaza amin’ ny fanenjehana parasy, tsy raharahanay izany, Malaza izahay dia izay, izay tianay io.
    Izahay izao no eto,
  • INGAHY MPANATONTOSA
    Tsy mampatahotra anareo ve ny fanaraha-mason’ ny birao miady amin’ny kolikoly andriamatoa Tale ?
  • TALE
    Izay fanaraha-maso ve r’ise, hivoaka atsy aho izao dia efa firy ny olona manara-maso ahy ao ?
    Dia mitohitohy izany mandra-pahatongako any an-trano, efa hoe malaza ho’aho izahay.
    Sady henjana be raha resaka fampisehoana koa, kaominina maro izao no nisaotra anay hoe vitanay ny asa tokony ho nataony.
    INGAHY MPANATONTOSA
    Nefa tena manampy anareo amin’ny fanatrarana tanjona lehibe ho an’ny firenena anie ity tetikasako ity e ? Fanampiana lehibe ho anareo izany sady mba mahavelona anay e.
  • TALE
    Misy ohatrinona any amin’ise, dia eo hoe hojereko ity anaran’ise ?…
    Tsy anaran’ny fianakavianay io, tsy fianakavianay ise, tsy fianakavian-dRamatoa Misitra, tsy misy tompon’andraikitra hamaky ny antontan-taratasin’ise ao.
    Izay any ampaosin’ise no asa.
    INGAHY MPANATONTOSA
  • Efa lany natobako tamin’ny fanatontosana ny fandraisako anjara tamin’ity ny ny volako rehetra, hatramin’ny taim-paosiko, tsy manana intsony aho andriamatoa Tale.
    Natoky loatra ny fahadiovan’ny fitsarana aho dia izao, aotra ariary no ato am-paosiko, tsy misy na ny hivelomana aza.
    TALE
  • Angaha ise izao maty ? Ka hoe hivelomana amin’ny inona ?
    Tokony niteny efa ela ingahy hoe tsy manam-bola, izao lany teto ny fotoanako, veloma ise, azafady r’ise a, avereno aty indray ny velomako, tsy tokony hatao veloma ise fa mandany ny fotoanako fotsiny.
    Mandehana amin’izay manolotra tetikasa any amina fifaninanana madio any, fa raha izahay aloha tsy hahavita izany e, raha mbola eto koa izahay.
    Hosivaninay ny teti-kasa amin’ny taona ho avy tsy hahafahan’ise mitady fifaninana madio io handray anjara.
  • MPANATONTOSA
    Tsy matahotra an’Andriamanitra ianao Andriamatoa Tale, ary ny lehibenao sy ny lehiben-dRamatoa Misitra, hanao ahoana eo anatrehan’izao kolikoly miharihary toy ny vay an-kandrina izao ?

TALE

Inona rangahy ity no atahoranay eo a,
Izahay anie manam-bava e, taim-bava no miasa.
Mandehana ise ao amin-dRamatoa Misitra ao raha tsy mahazo taim-bava be.
Sady ireny angaha sahin’ny lehibeny esorina na manao tsolotra aza.
Ny taim-bavany dia ampy hitazonany ny toerany rangahy ity a.
Miampy ny fampisehoana ataony, adray.
Maromaroa ny toy izao r’ise, izahay aloha dieny eto, hanangona izahay.

E e e, ise koa dia tazoniko eto fotsiny, mandehana aloha mitady vola.
Hanaovana kolikoly.

MPANATONTOSA
Aza manao an’izany rangahy ity ah, Mba matahora ianareo an’Andriamanitra,
Sahinareo ve ny miteny an’ireny hoe tetikasa mendrika nefa tetikasa natao nahazo fotsiny, noho ny kolikoly ?
Sao lahy ka itony tetikasako itony no hahitan’ny zanaka aman-jafinareo ny anjara masoandrony any aoriana any.
TALE
Sao hataoko hoe adala ise ka ho tezitra, asa inona ? Any amin’ise ve ?
Ise olona tsy manao kolikoly koa ahoana ny zanakay no hiasa any amin’ise.
Ny anay anie kolikoly fotsiny ireny dia mahazo asa.
Tambazotra efa am-perinasa sady ifandovanay mianakavy anie leisy itony kolikoly itony e.
Mamoaka am-paosy vola kelikely, omena ny mpandray kolikoly, dia voakolokolo ny ho avin’ny asanao sy ny tetikasanao.
Izaho anie Talen’ny Kolokoly e, sao hadinon’ise ?
MPANATONTOSA
Dia ahoana ianareo tarihin-dRamatoa Misitra hanadio lalana sy tatatra ity, toa hoe manao asa soa hono ?
TALE
Ise ve mitapy e, zavatra misy volaa mihodinkodina be ao rangahy ity ah, ianareo no jamba.
Ny anay anie vola e, vola foana, ho avy koa izao ny tetikasanay hikarohanay mpanao tsolotra vaovao.
Dia efa ilazao an’izany ny havana e, ilay misimisy patsa ireny.

MPANATONTOSA

Amin’izao andro mazava be izao ve mbola misy manao tsolotra tsy tahotra tsy henatra toa anareo izao ihany ? Fa atao inona ny lalàna.
TALE

Ny afindrafindrao r’ise a, tsy azo avela.
Ny lalàna indray, hodikaina no ilàna an’io.
Sao tsy misy saran-dalana hodiana koa ise aloha rehefa avy eto.
Fiara tsy mitondra mpandeha ny ahy ity à, sady ise koa tsy handeha amin’ity.
Izay r’ise a, handeha hitety an’ireo havan-tetezina rehetra indray aloha, ilay havana raha misy patsa ireny fa mitady mpanao tsolotra vaovao indray izahay koa.

Azo atao Script ana sarimihetsika na sarimiaina ity tantara fohy momba ny kolikoly ity.
Mpanatontosa sarimiaina ny tenako ary ity ny vokatra voalohany (bande-annonce).
Maharitra ora iray y io ary efa vita, azo jifaina (Mvola : 0341491738 na Airtel Money : 0332324609)
Image de prévisualisation YouTube

Afaka manohana an’izao asa fikarohana izao ianao

NY MAHAZAVA-DEHIBE AN’IZAO ASA SORATRA IZAO
Ilain’ny vahoaka izao asa izao, sady mampialavoly no mitondra hevi-baovao.
Azo ampiasaina amin’ny asa ihany koa.
Misy zava-miafina fonosiny itony asa soratra itony.
Ilaina ny mizara.
Fanandratana ny asa soratra sy famoronana ary ny kolontsaina malagasy koa izao.
Ady amin’ny kolikoly no vontoatin’ity tantara ity.
Misy lesona azo tsoahina tsara.
Mahafinaritra koa nefa.
Fanomezan-danja sy fitahirizana ny teny malagasy izao.
Misakafo avokoa ny olona, fa tsy fantany ny lanjan’izay haniny ankoatr’ireo hery entiny.

Mpanoratra ny tena ary mizara ny kolontsaina sy fahendrena ary ny fomban-drazana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena koa.
Ilana fanohanana avy aminao ny asa toy izao.
Boky nosoratako, vao nivoaka tamin’ny 30 aogositra 2022 teo teo amin’ny tsena iraisam-pirenena ohatra ity lazaina aminao etsy ambany ity ny momba azy.

LA LOI  DE NUTRITION ASTROLOGIQUE ET HOROSCOPES DES SAISONS

NY ILANA AZY
Miaina ny tsirairay isan’andro, fa ny fahafantarany ny hery entin’ny andro,tsirairay, hanova ny fiainany.
Fantatry ny rehetra fa misy ny fizaran-taona, fa tsy hainy ny mamaritra mazava hoe manomboka aiza dia miafara aiza (daty mazava) ny fizaran-taona iray.
Voalazan’io boky io koa ny zava-hitranga mandritry ny fizaran-taona tsirairay sy ny ho fiantraikan’ny rivo-doza eto Madagasikara.
Vahaolana ho an’ireo voalaza rehetra ireo ity boky ity.
Tsy misy olona tsy mila an’izao voka-pikarohana ara-kolontsaina sy fomban-drazana malagasy ary siantifika izao.
An’hetsiny no efa nandray fahendrena teto ary an-jatony no efa nahazo fahalalana avy amin’ity pejy ity nandritr’izay volana vitsivitsy izay.
Kendreko haparitaka kokoa ho azon’ny Malagasy izaitratra (ny rehetra raha azo atao) ary ity boky misy azy ity, amin’ny alalany tambazotra sosialy.
Efa mivoaka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izy izao.
Karapaondron’ny ny boky

Lohateny : « LA LOI DE NUTRITION ASTROLOGIQUE ET HOROSCOPES DES SAISONS »
Rohy ahitana azy : https://www.morebooks.shop/bookprice_offer_6e3cd0f4307712e6a96c8d756c9829d9fc1736d7?locale=fr&currency=EUR

Teny nanoratana ny boky : malagasy sy frantsay
Ny manaparitaka azy : ny Édition Universitaire Européenne

Ny mpanoratra : ny tenako Rakotoson Sediarifara Tanguy Parfait

NY ANDRAIKITRA ANDRASAKO AMINAO
Azonao atao ny mandray anjara mamatsy vola an’izao tetikasa fanandratana sy fizarana ny kolontsaina malagasy ianao.
Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609
Tsy ferana izay harotsakao na be na kely, ny erikerika, hono, ahatondra-drano.
Mila fanatsarana ihany koa ity tranonkala ity.
Mitondra fahasoavana ho anao ny fandraisana anjara amin’izany.
Ny fandraisana anjara amin’ny fividianana an’itony vokatra « numérique » itony koa azonao andraisana anjara.
Image de prévisualisation YouTube
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 5000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io mozika manome hery sy mitondra fitoniana io, 80 mn ny faharetany.
Image de prévisualisation YouTube
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 3000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohy ahafahana mi-téléchargé an’io sarimiaina amin’ny teny malagasy io, 60 mn ny faharetany.

IREO BOKY HAFA EFA NIVOAKA

Nahazo ny  « Prix coup de coeur du jury » ny bokiko iray, NY FANAHY NO OLONA  no lohateniny, tamin’ny fifaninanana REL 2021, nokarakarain’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, fiaraha-miasany tamin’ny UNESCO.
Nivoaka teo amin’ny tsena iraisam-pirenena koa ny boky nosoratako momba ny volavolan-dalampanorenana ilaina hahasoa an’i Madagasikara.
« La constitution Démocratique Messianique, digne de Madagascar » no lohateniny, ary ny Édition Universitaire Européenne no manaparitaka azy.
Ity rohy ahitanao an’io boky io :

http://www.morebooks.shop/bookprice_offer_e8bd40eb42eab2dd74fedf8cba051a1ad2d3981f?locale=fr&currency=EUR

Fanampiana lehibe avy aminao koa ny fizaranao an’ity pejy ity.

« Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko izaho sy ianareo », hoy Andrianampoinimerina

Mety hahaliana anao koa ireto : Ny mesia : http://cyrius.unblog.fr/?p=2306 –   Le messie : http://cyrius.unblog.fr/ , Ary maro mpitsidika ireto pejy momba ny fahendrena Malagasy ireto ireto : (Ny herin’ny fanahy na ny hasina) http://cyrius.unblog.fr/?p=1672 – (tantara miafin’i Madagasikara) http://cyrius.unblog.fr/?p=2281 – (Ny fanahy no olona) http://cyrius.unblog.fr/?p=35, ary ao anatin’io pejy io ihany (Ny fanahy faha-7, Zanahary na Aura Atmique) http://cyrius.unblog.fr/?p=1876 – (Iza no tompon’ny fanandroana Malagasy ?) http://cyrius.unblog.fr/?p=2022 – (Leviatana na rivo-doza) http://cyrius.unblog.fr/?p=1589 – (Andrianampoinimerina sy ny vintany) http://cyrius.unblog.fr/?p=1994 Ary tsy azo adino ity pejy iray ity : Le prince de la paix http://cyrius.unblog.fr/?p=1808 . Teny vahiny koa ity pejy ity nefa Fahendrentsika ka araho tsara http://cyrius.unblog.fr/?p=37

Laisser un commentaire

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava