Lasa ilay mpampihavana
Miala tsiny raha manoratra eto, tsy hiarahaba tratry ny taona akory.
Misy olona akaiky ahy, tiako ho tratry taona rehetra mifandimby mantsy, nafoy tamin’ny 31 desambra 2021 tamin’ny 05 ora hariva teo ho eo.
Ny Raiko RAKOTOSON Noël io.
Niriko dia niriko ny mbola hahazoany 74 taona fanampiny, hiainana am-piadanana sy am-pifaliana teto amin’ity tany ity, saingy tsy ny sitrapoko no tanteraka.
Satriko dia satriko mba ho izaho no lasa hisolo toerana azy any ankoatra, raha izany no ilaina hitohizan’ny fahavelomany sy hahasitrana azy.
Tsy tana nefa ny ainy na dia efa nitadiavana vahaolana tsy ankijanona mandra-pahatapitry ny fofon’ainy aiza.
Tampoka ny fandaozana, satria tsy izay no nandrasana, na efa nomena fotoana maro sy vitsy ihany aza, hitsaboana.
Olombelona moa, marary ny fo, toa manome tsiny an’ilay Andriamanitra naniraka ahy aho angamba, tsy namerina tao an-tsaiko ny vahaolana nahafahana ho namonjy azy indray tsy ho azon’ny fahafatesana.
Izy moa mahita ny ao an-doha, ka tsy azo anafenana.
Hany mampahery ahy, tsy maty tsy niala-nenina ianao ry Dada ; tsy maty tsy natrehin-kavana, fa na mafy aza ny nanatrika ny fandehananao, teo aho, teo koa i Mama, izay tsy nanaiky hiala sasatra mihitsy na nasainao naka aina aza, nanatrika an’izany fotoana farany izany. I
Ary fantatro, fa ho valin’ny soa vitanao ; ny fandeferanao diso be loatra ; sy ny andraikitra lehibe nankinin’ny Tompo taminao, ry raiko, ho teraka indray ianao ary hiaina fiainana ao anatina fepetra tsara kokoa, rehefa avy miseho am-pireharehana eo anatrehan’ilay tompon’izao rehetra izao milaza hoe : « Efa niady ny ady tsara aho » ; « Nahavita ny anjara fihazakazahako aho ».
Lehibe ny valisoa ho azonao, fa misy valiny avokoa ny atao rehetra, ary fantatro fa mbola nanankinana asa lehibe indray ianao any.
Ianao moa mahalala, fa ny fahatesana, fidirana amin’ny fiainana hafa fotsiny ihany, ka tsy nampatahotra anao ny fodiamandry.
Mino maty aho fa avy nandevina.
Tsy nampitondra kafe aho, fa hoy ianao hoe : » Amboary sy karakarao ity trano ity, fa izay no fanomezana tena iriko ». Hotohizana izay efa natao, fa matokia.
Tsy hilaza aho hoe : » veloma mandrakizay », fa mbola hihaona isika, ary mbola hitafy nofo vaovao indray ianao any aoriana any.
Mandra-pihaona ry Dada, mandria am-piadanana
FISAORANA
Eto kosa dia manolotra fisaorana an’ireo rehetra tsy nandao azy tao anatin’ny aretiny aho ; ireo izay nandray anjara tamin’ny fitsaboana ; ireo nidododo namangy azy matetika ; ireo nanoro hevitra sns.
Tolorana fisaorana koa ianareo nanotrona sy namita ny adidy farany taminy taorian’ny fiainany. Ilay mahay manavaka ny fo sy ny voa anie hamaly soa anareo arak’izay tandrify azy avy.
Isaorana koa ianareo nampahery tao anatin’ireny fotoan-tsarotra ireny, fa na nila ho vaky aza ny fo, nahay nitony ihany noho ny fankaherezanareo.
« Ao anatin’ny andro manjombona no ahitana ny tena sakaiza »
Miala tsiny ho an’ireo tsy tratra antso, noho hafenoan’ny rano be loatra