Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

25 juillet, 2019

LEVIATANA NA RIVO-DOZA

Classé dans : — cyrius @ 11:06
Rivo-doza na leviatana

Ity ilay rivo-doza, ilay leviatana lazain’ny baiboly ho bibilava miforiporitra. Is 27,1

Fanoharana voalaza matetika ao amin’ny baiboly, ao amin’ny testamenta taloha i Leviatana. Zava-manana aina ve izy ? Araho ny voka-pikarohana ara-panandroana ; ny fanazavana araky ny kabbale sy ny fampitoviana azy amin’ny ao amin’ny soratra masina. Ary farany ny kajy ara-panandroana fanaoko momba ny toetr’andro.

Rivo-doza i leviatana fa tsy biby ; joba 40 : 25-32 ; ISAIA 27 : 1
Ireto avy ny teny manaporofo an’izany ato amin’ireto andininy ireto :
Bibilava mioloikolika :
Tsy toy ny bibilava miolikolika ve ny rivo-doza raha jerena amin’ny sary ? Tsy miolikolika toy ny bibilava ny voay.
FANAZAVANA ARA-PANANDROANA : Raha atambatra ny andininy rehetra ato amin’ity andininy ity sy ny andininy hafa milaza fa fetsy ny bibilava ; bibilava no namitaka an’i Eva, dia ahafahantsika manaporofo fa ny rivo-doza tokoa ity miolikolika toy ny bibilava voalaza eto ity.
Ny antony, mifandray amin’ny efitranom-bintana 11 izay ny adalo ny olikolika sy ny hafetsena, izay manondro tokoa ny saina sy ny rivo-doza.

FANAZAVANA KABBALISTIKA : Miolikolika toy ny spiral ny endriky ny rivo-doza, toy ny bibilava tokoa.
Olikolika koa ny sary fanehoana ny antokom-bintana adalo na verseau, izay manondro ny rivo-doza, eto.
Tsy mitovy ny spiral sy ny olikolika toy amalona an-drano fanehoana an-tsary ny verseau na adalo, fa iray ihany nefa ireo.
Raha jerena amin’ny hyéroglyphe hébreu, dia ny litera faha 4, Daleth no mampifandray an’ireo : olikolika, spiral, toy ny bibilava.
Ny daleth izay milaza fiaraha-miasa, ny verseau koa toy izany.
Tsy bibilava nefa izy eto na verseau aza ny bibilava, rivo-doza izy eto, hafetsena no anisan’ny porofo fanampiny mampifandray azy amin’ny verseau na adalo, izay ahafahantsika manondro avy hatrany ny rivo-doza.
Misy andininy hafa ao amin’ny baiboly mameno an’ity manao hoe   » ao amin’ny masony no misy ny heriny », ary dia ny rivo-doza tokoa izany.
Na tsy hohadihadintsika aza ny ambiny rehetra, ampy ireo porofo ireo. Nefa ny saina tsy mety afa-po, ka omeko indray ny hafa, fa ataoko kabarin-drainisalama e, ny sisa manaraka ihany.

FILAZANA AZY AVY AO AMIN’NY BAIBOLY

ISAIA 27, 1 :

« 1 Amin’ izany andro izany ny sabatr’ i Jehovah,
izay mafy sady lehibe no mahery,
no ho entiny mamaly an’i leviatana, dia ilay menarana mandositra,
dia ilay menarana miforiporitra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina. »

joba 40, 25-32 :

« 25Mahasarika an’i Leviatana amin’ny farango va hianao,
sy mahageja ny lelany amin’ny mahazaka?
26Sa mahatsofoka zozoro amin’ny vavorony,
sy mahaboroaka ny valanoranony amin’ny masom-by?
27Hifon-jato amin’arivo aminao va izy,
hanao teny malefaka aminao?
28Hanao fanekena aminao va izy;
ka halainao ho mpanompo mandrakizay?
29Hilalao azy toy ny filalao fody va hianao,
sy hamatotra azy holalaovin’ny zanakao vavy?
30Ataon’ny mpiara-manjono varotra va izy,
ka tsinjaranjarainy amin’ny mpandranto?
31Mahaloadoaka ny hodiny amin’ny zana-tsipika va hianao,
na mahatrobaka ny lohany amin’ny firombaka?
32Andramo ny hisambotra azy,
ka tsarovy ny ady, fa tsy hanindroa intsony hianao. »

Tsy voaibe izany i leviatana, ny porofo tsotra, tsy ny voay no mafy indrindra amin’ny zava-boahary,
Efa mihavitsy ary izao ny voay noho ny fihazana azy.
Tsy hainao angaha ilay ohabolana manao hoe « Izaho ve no namono ny voay ka hafa no hiravaka ny vanginy ? « 
Mbola hozaraintsika eto koa fa volkano i Behemota fa tsy lalomena.

Ho anareo mpanoratra sy mpandika baiboly, aza manova na inona na inona ao anatin’ilay andinin-teny,
avelao amin’izao dia toerana hafa anehoana ny hevitrao.
Raha misy manana ny baiboly teny tranainy indrindra amin’ny teny malagasy, zarao fa iny no mora ahalalana ny zava-miafina indrindra ao anatiny.

NY KAJY ARA-PANANDROANA FANAO KO MOMBA AN’I LEVIATANA

Sehatra ananan’ny tena traik’efa tsara moa ny momba ny rivo-doza sy ny kajy ara-panadroana momba ny toetr’andro. Efa nahazatra tato anatin’ny taona vitsy ny filazako mialoha momba an’ireny ary voaporofo hatrany ny fahamarinany.
Ity ny nozaraiko farany izay hitanao tsara ny porofon’ny fahamarinany : Ny rivo-doza sy ny fahavaratra 2021-2022 ; ireto koa : oviana no nanomboka ny fahavaratra ny 2019-2020 ? ; midim-bolana izao, tsy fitokanan-javatra.

NY MAHAZAVA-DEHIBE AN’IZAO ASA FIKAROHANA IZAO

Mpikaroka momba ny siansa ara-panahy ny tena, ny yoga sy ny fanandroana, ary ny baiboly no isan’ny fototra voalohany nentiko niainga.
Fampifandraisana ny kabbale sy ny fanandroana ary ny baiboly kosa no nahafahana namoaka an’izao voka-pikarohana izao.
« Fa ny fahalalana no manafaka anareo ».
An’hrtsiny ny olona manaraka an’izao tranonkala izao.
Midika izany fa misy olona maro noho izany mila fahalalana.
Tsy hitanao afa-tsy eto kosa izao fanazavana tsy manilika finoana sy ao anatin’ny fahalalahan-tsaina izao.
Kolontsaina malagsy sy vahiny miampy ny baiboly

Misarika anao hikaroka fa tsy handray fotsiny ity pejy ity, maka ambony maka ambany.
Manome fanazavana mahitsy koa, momba ny tena dikanteny avy ao amin’ny baiboly.

Manaparitaka ny vokatry ny fikarohako aho, ary mila fanampiana avy any aminao izao fanandratana ny kolontsaina sy ny fomba malagasy izany.
Mpanoratara ko aho ary ny roa amin’ireto aloha ny boky efa naparitaka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Lohateny : « LA LOI DE NUTRITION ASTROLOGIQUE ET HOROSCOPES DES SAISONS »
Rohy ahitana azy : https://www.morebooks.shop/bookprice_offer_6e3cd0f4307712e6a96c8d756c9829d9fc1736d7?locale=fr&currency=EUR

- Nahazo ny  « Prix coup de coeur du jury » ny bokiko iray, NY FANAHY NO OLONA  no lohateniny, tamin’ny fifaninanana REL 2021, nokarakarain’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, fiaraha-miasany tamin’ny UNESCO.

- Nivoaka teo amin’ny tsena iraisam-pirenena koa ny boky roa nosoratako, ny iray momba ny volavolan-dalampanorenana ilaina hahasoa an’i Madagasikara.
« La constitution Démocratique Messianique, digne de Madagascar » no lohateniny, ary ny Édition Universitaire Européenne no manaparitaka azy.
Ity rohy ahitanao an’io boky io :

http://www.morebooks.shop/bookprice_offer_e8bd40eb42eab2dd74fedf8cba051a1ad2d3981f?locale=fr&currency=EUR

Teny nanoratana ny boky : malagasy sy frantsay

Ny manaparitaka azy : ny Édition Universitaire Européenne

Ny mpanoratra : ny tenako Rakotoson Sediarifara Tanguy Parfait

NY ANDRAIKITRA ANDRASAKO AMINAO
Azonao atao ny mandray anjara mamatsy vola an’izao tetikasa fanandratana sy fizarana ny kolontsaina malagasy ianao.
Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609
Tsy ferana izay harotsakao na be na kely, ny erikerika, hono, ahatondra-drano.
Mila fatsarana ihany koa ity tranonkala ity.
Mitondra fahasoavana ho anao ny fandraisana anjara amin’izany.
Ny fandraisana anjara amin’ny fividianana an’itony vokatra « numérique » itony koa azonao andraisana anjara.
Image de prévisualisation YouTube
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 5000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io mozika manome hery sy mitondra fitoniana io, 80 mn ny faharetany.
Image de prévisualisation YouTube
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 3000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io sarimiaina amin’ny teny malagasy io, 60 mn ny faharetany.

Fanampiana lehibe avy aminao koa ny fizaranao an’ity pejy ity.

« Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko izaho sy ianareo », hoy Andrianampoinimerina

 

Commentaires désactivés.

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava