MANATSARA FITADIDIANA
Azonao vidiana ao amin’ny shutterstock.com ny video fanehoana azy
Fanjaitra majika, Manatsara ny fitadidiana, misoroka sahady ny aretina alzheimer.
Ampirisihana ny mpianatra sy ny mpiasa mampiasa saina hampiasa azy.
(Facebook : Sediarifara Tanguy Paarfait Rakotoson, LinkedIn : RAKOTOSON Tanguy, mail : shivatanguy@gmail.com)
NY MOMBA AN’ITY FANJAITRA MAJIKA ITY
Tsy toy ny mahazatra ity fanjaitra ity, fa sary miovaova loko : » gif animé » .
Nataona mpahay sary (Infographiste) sady mpanao yoga mba hahatsotra ny fampiasana azy no nanaovana azy an-tsary.
Ny fiovaovan’ny lokony moa natao hanamora ny fifantohana ho an’ny rehetra.
FAMPIASANA NY FANJAITRA MAJIKA
Ny maso ihany no miasa eto ka :
1 – Sokafy ny sary
2 – Makà toerana eo amin’izay ahazoanao aina tsara ka ahafahanao mahita azy tanteraka miaraka amin’ny fiovaovan’ny lokony.
3 – Afantohy eo amin’ny sary ny masonao, jereo tsara ny fiovaovan’ny lokony mandritry ny minitra vitsy.
4 – Ny famerimberenanao ny fanazarantena isan’andro no hahazoanao vokatra haingana sy maharitra kokoa.
NY FANJAITRA MAJIKA METY AMINAO MANOKANA
Natao ho an’ny daholobe io fanjaitra majika hitantsika eto io, raha ny lokony.
Hanafaingana kokoa ny fahazoanao vokatra amin’ny fanatsarana ny fitadidianao nefa ny fanjaitra majika :
a – amin’ny lokony izay tianao
b – amin’ny loko manambina anao
c – amin’ny lokony mifanaraka amin’ny ora sy ny daty nahaterahanao.
Misy fandraisana anjara kely kosa nefa ity tolotra farany ity.
NAHOANA NO MANANA FAHEFANA NY FAHEFANA NY FANJAITRA MAJIKA ?
Manana fahefana izy, satria misy fiantraikany eo amin’ny atidoha izay rehetra jinerin’ny tena.
Raha mahita faty mahatsiravina matetika ianao, ohatra, tsy hitovy ny fiantraikan’izany amin’ny atidohanao, sy ny hoe ianao zatra mahita voninkazo matetika.
Mibahan-toerana eto ny loko izay manana ny fahefany tokoa, tsy haka lavitra isika fa misy tokoa ny loko manambina sy tsy manambina, manana ny heriny izany ny loko, ary manaiky an’izany ny mpahay siansa, manaiky izany ny » astrologue « , manaiky izany koa ny biby, ary ianao ?
Tsy azo tsinontsinoavina ihany koa ny fahefan’ny endrika, izay anisan’ny trandrahin’ny kabalista, manana hery azony omena anao koa izany ity fanjaitra majika ity.
Ho an’ny alchimiste moa, ao amin’ny hazavana no misy ny fahefana matanjaka indrindra.
Aoka ary ho fantatrao fa hazavana ny loko.
Natambatra ao amin’ny fanjaitra majika ny hery hampatanjaka ny fitadidiana sy hiaro anao amin’ny aretina alzheimer.
Nofafa