MANKAFY
Ny onjanao ry feo mozika
Sarotsarotra adika
Mamapanembona aoka izany
Ny ambiroany aza, lasana any
Ny feonao manao mozika
Izato maso mibaliaka
Ny rantsana, mitendry, mitsoriaka
Ny akony aza, re any am-pita
Izy mihirahira foana
Ny mpihainony aza, lasa moana
Tsy mahasoka-bava akory
Amin’ny alina ireo, tsy matory
Izy moa mandihy foana
Tsy Ireo mpijery no himaona
Mientanenatana ny fony
Tsy misy te hipetraka intsony
Tsy misy mijoro, nefa ireo
Mitangolingolika, moa mitoreo ?
Mibanaka mibaniaka
Mihomehy sy mivaniaka.