Teny masina mitsabo sy mampitony
Manana hery miafina ny hira
Teny no namoronan’Andriamanitra an’izao tontolo izao.
Tenin’Andriamanitra na tenin’ny anjely ny mantra.
NY MANTRA
Raha natao hialana voly sy andihizana ary hampitana hafatra any an-tsofin’ny olona ny hira fandre isan’andro matetika.
Ny mantra kosa mampita hery sy mampifandray ny tena amin’ny hery tsy hita maso sy mamoha herim-panahy ao anatinao.
Manampy anao hahavita zavatra mihoatra an’aizay vita andavanandro ity vavaka an-kira ity.
Mora vidy noho ny fanafody mitsabo sy mampahatanjaka nefa tsy hainao hazavaina amin’ny kajy matematika mahazatra ny fahefana amam-pahasoavana atolony.
Tenin’Andriamanitra ny mantra, ka ny arakaraky ny gadona ihirana azy no manova ny heriny.
Natao hampitony ny mantra na hira masina, mitsabo koa izy ary mitondra hery.
Arakaraky ny fahaizanao ny hery hery afein’ny litera hebreo tsirairay koa no ahafehezanao azy kokoa.
Manana ny isa tokony anononana azy ny mantra tsirairay, mba hahafeno ny heriny.
Ny mantra hé, in-5 ; ny mantra El, na la na Lam, in 30 ; ny mantra Aum, in 40 ; ny mantra Hum, in-6, ny mantra Sin in-300 ; ny mantra Iod (i), impolo.
Eo am-panaovana méditation matetika ireny no ampiasaina.
Saika ao anatin’ity MP3 omena anao ity avokoa ireo Mantra ireo.
MANTRA MALAZA
Ny mpitondra fivavahana amin’ny fiangonana sasany koa misy mampiasa hira fohy eo am-pitoriana teny, mantra ihany ireny.
Mantra malaza fampiasan’ny mpanao hatsarana malagasy koa ohatra ny teny hoe : foha, foha, foha.
Fanombohan’ny Ray aman-dRenintsika ny resany amin’ny zava-boaary rehefa tsy misy tranga tsy ilaina iny ny hoe ouououhouoo…
Vao tsy ela akory izay fa mbola fampiana’ny besinimaro io tany amin’ny amin’ny vanim-potoanan’ny Repoblika voalohany.
Mantra amin’ny teny Hebreo no tena fandre, fa tsy heverintsika ho mantra, ireto misy ohatra : Aleloia ; Amen.
Misy mantra amin’ny fiteny sanskrity koa rentsika amin’ny film, na ampisain’ny mpanao yoga matetika, di any Aum.
TANTARAN’NY MANTRA
Tenin’ny olombelona voalohany ny Mantra, talohan’ny nanorokoroana ny tenin’ny olombelona, 12000 taona lasa eo ho eo izay.
Ny Mantra no hira voalohany, ary izy no namoronan’ny Zanahary an’izao rehetra izao, jereo anyamin’ny Jaona 1,1 : « Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny teny dia tao amin’andriamanitra, ary Andriamanitra ny teny ».
Ny Anaran’Andriamanitra koa dia Mantra, ankoatr’iay anaran’Andriamanitra tsy azo tononina, dia saika anaran’Andriamanitra avokoa ny Mantra fantatra.
Fampiasa teto Madagasikara hatrany ny Mantra tamin’ny andro fahiny, nibakoana sy nifehezana ny hrin’ny zavaboaary.
Ny tenako moa efa nitsabo olona tamin’ny Mantra, ary nisy vokany haingana izany, izay tsy iza fa ity mantra omeko anao ity, rehefa avy mandoa fandraisana anjara kely ianao (Ar 5000).
NY ILANA NY MANTRA
Herin’i Jehovah na Iaveh ny Mantra.
Noho izany, ampiasaina izy rehefa mila ny herin’Andriamanitra isika.
Ilaina izy ifampiresahana amin’ny hery rehetra misy, na herin’ny zavaboaary, na ny herin’ny tena.
Herin’Andriamanitra ihany ireny rehetra ireny.
Azo itsaboana ny Mantra, ho an’ny olona mahay azy.
I Davida efa nitsabo an’i Saoly tamin’ny Mantra.
Mantra ilay mozika tendren’i Davida, nitsaboany sy nampitoniany ny aretin-tsain’i Saoly.
Afaka miady amin’ny herin’ny maizina koa ny mantra ary mamaha olana.
Azo lazaina ho sorona koa ny mantra ka notononin’ireo mpisorona fahiny.
Malaza ankehitriny ny fitsaboana amin’ny alalan’ny mozika ny musicothéraphie.
Efa nisy hatry ny ela ireny fa : « Tsy misy zava-baovao eto ambany masoandro ».
Midika izany fa zava-dehibe ho an’ny fahasalamana ny Mantra, fa sady mitsabo no misoroka.
Mampitony ny saina sy ny fo koa ny Mantra.
Misy mpanakanto, raha vao mahare ny hirany ianao, dia miala avokoa ny sorisorin-tsaina rehetra.
Midika izany fa misy mantra ao amin’ny Mozikany, mety ho fantany na tsy fantany izany, fa ny herin’ireo zavamaneno sy ny fomba fihirany aloha nisy fokany tamin’ny mpihaino azy.
Zavakanto ahazoana fahafinaretana koa ny Mantra, na teny hery, nefa tsy izay ihany.
Azo ampiasaina hamohazana ny hery miafina ao anatin’ny tena ny Mantra.
Maro amintsika ny maniry hanidina sy hanana hery miafina hafa.
Na tsy hampanantena an’izany ho anao aza aho, dia ho aho hoe andramo ity, di aho hitanao.
Mpandalina ny siansa momba ny zava-miafina aho, fa tsy mpivarotra, ka hanao dokambarotra.
Apetrako amin’ny safidinao ny fanapahan-kevitra.
NY MAMPIAVAKA AN’ITY MANTRA YOGA ITY
Mantra teny sanskrity ihany matetika no renao.
Ity kosa nefa sady sanskrity no hebreo, fa iray ihany ny fototr’ireo, samy lova avy amin’ny Atlanta sy avy eto Madagasikara.
Tsy voatery hanisa intsony ianao eo am-panaovana méditation, na eo am-pivavahana sy famerenan-desona, eo am-panaovana fanatanjahantena sns… fa efa miverimberina ho azy arakaraky ny isa sahaza ho azy ny mantra tsirairay ato.
Nampitoviana ny naoty, « Anti-graviton » io, ho an’izay mahalala ny Teknolojia Atlanta, io no mahalaza kokoa ny sany noho ny hoe « anti-gravité ».
NY MANTRA SY NY FOTOANA
Misy fotoana voatokana ho azy avokoa ny zavatra rehetra.
Ny Mantra tsirairay koa manana ny fotoana mampahatanjaka azy.
Na izany aza nefa, tsy mifidy fotoana manokana izy fa sady sorona no ala faditra.
Sady manadio ny fanahy na Aura izy no mampitombo ny herinao.
Alefaso amiko ny hafatra misy ny mailaka na kaonty handraisako azy, amin’ny alàlan’ny mailaka: shivatanguy@gmail.com ; na amin’ny alalan’ny kaonty Facebook.
SARIMIAINA TENY MALAGASY
Mpamorona sarimiaina koa aho, « Planetan’ny dinaozaoro », tantara mampihomehy no vokatra voalohany, 62 mn no faharetany ary efa azo jifaina, afa-po ireo efa nanjifa. Manorata aty amiko raha hanjifa : mail shivatanguy @gmail.com ; tél : 0344485763
TOY IZAO NY FAMINTINANA FOHY NY TANTARA
Indray hono, nisy fanjakana iray tany amina planeta iray lavitra be, dinaozaoro no mponina tao, miteny ireo, saingy tsy mba avy ao am-bavany no mivoaka ny feony. Nanjakazaka tao koa ny fanamparam-pahefana sy ny COVID 69. Tifirina avokoa izay marary rehetra, tifirina koa izay tsy manao arovava.
Tsindrio io rohy youtube eo ambany io raha hijery ny ampahany.
Monsieur RAKOTOSON Sediarifara Tanguy Parfait
Mail : shivatanguy@gmail.com
Facebook : https://www.facebook.com/sediarifaratanguyparfait.rakotoson
LinkedIn : www.linkedin.com/in/tanguy-rakotoson-498b6613b
Fanampiana teny Malagasy
Afaka manohana an’izao asa fikarohana izao ianao
Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609
Tsy ferana izay harotsakao na be na kely, ny erikerika, hono, ahatondra-drano.
Mety hahasoa olona maro ity pejy ity, mila aparitaka arak’izay tratra.
Mila fatsarana ihany koa ity tranonkala ity.
