Mila fanampiana ny tsy an’asa
Mila fanohanana ireo tsy an’asa mandray andraikitra
Anisan’ny mizaka ny vokatry ny fihibohana indroa miantoana sy ny olana hafa izahay tsy an’asa
Nahazo famatsiam-bola tsy averina ny sokajin’olona hafa, raha tsy hilaza afa-tsy ny tantsaha ; ny fianakaviana sahirana ; ireo mpiasan’ny orinasa very asa, eny fa na ireo amperin’asa aza.
Nisy ny tosika miarina tamin’ny fihibohana andiany faharoa, tsy nahazo ny tena nefa olona tsy an’asa, mila mihinana sy mitafy, misy olona marefo sy tsy salama ao an-trano, Ray aman-dReny, mila fitsaboana, mila fanampiana avy amin’ny tena.
Nisy koa ny tosika fameno ho an’ireo lasibatry ny rivo-doza sy ny tondra-drano, tsy nahazo izahay. Anosibe Ambohibarikely no misy ny tena, ambany tanàna, tafiditra tao an-trano ny rano, ary simba mihiitsy ny simenitra amin’ny trano.
Ambany maso tsy hita izany izahay.
Tsy anisan’ny tafiditra amina fepetra hisitrahana fanampiana tsy averina mihitsy izahay tsy an’asa nefa tsy misy banky hampisambotra anay koa. Afaka mindrana ny mpiasa; ny tantsaha sy ny orinasa fa manana antoka hamerenana.Izahay tsy an’asa, nefa, tena mila fanampiana mba hiarenana.
Ireny fanampiana tsy averina ireny no tena andrandrainay.
Tsy mitsahatra mitady asa ny tena nefa ilàna vola koa izany, aiza no hahita ? Misy ny fifaninanana famorononana tetik’asa, nefa raha tsy natao ho an’ny vehivavy ireny, natao ho ana orinasa efa mitsangana ; natao ho an’olo-maro, na natao ho ana sokajin’olona izay voafetra ny taonany, matetika ho an’ny 18 – 35 taona.Ary ny tsy ao anatin’io fetran-taona io, tsy natao hihary ve ?
Nefa eo indrindra no fotoana ananany traikefa ampy kokoa amin’ny fitantanana sy ny asa.
Tsy afaka manao lobbying etsy sy eroa izahay, mba hahazoana ny anjara masoandro, tsy manana solontena hitety haino aman-jery sy biraom-panjakana hiaro ny tombontsoanay.
Tokony tsinjovina manokana ireo tsy an’asa miezaka mamokatra sy mitondra ny dian-tanany eo amin’ny fiainam-pierenena. Raha any tena manokana moa, mampiasa ny talenta sy ny fahaiza-manao ihany amoronana asa, fa rehefa tsy ampy ny hoenti-manana anaparitahana ny asa vita, dia mikatso. Ampahany amin’ireo vokatra vitan’ny tena ireto :
Momba ny Média
-Sarimiaina vita Malagasy, maharitra 61 mn, mitondra ny lohateny hoe : Ilay planetan’ny dinaozaoro (bande-annonce) :
- Mamokatra sarimiaina manara-penitra koa izao ny tena, mihoatry ny 360 isa ny vidéo efa vita vary ny bakin-tsary Shuttersctock.com.
Mila faharetana ny asa eo anatrehan’ny fifaninanana, ny fahavononana koa misy.
-Mantra,
Musique de relaxation (bande-annonce)

Asa tanana sy recyclage :
-Asa tanana noforonina avy amina fitaovana fitaovana tsy ilaina, kofehy sy tapa-damba no nanaovana an’ireo sary mivaingana azo ahetsika sy aforitra, hitanao ato amin’ity pejy ity. -Nahavita namorona couveuse éléctrique avy amina fitaovana tsy ilaina koa ny tena, ary nahomby izany rehefa nanakotrehana atodin-gana.
Asa soratra sy fanabeazam-bahoaka
Nahazo ny prix «coup de cœur du jury » ny boky nosoratako, mitondra ny lohateny hoe : « Ny fanahy no olona », nandritry ny fifaninana REL 2021 nokarakarain’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, niaraka tamin’ny UNESCO.
Fampiroboroana ny demokrasia sy fanomanana ny ho avin’i Madagasikara
Tsy ny latsa-bato ihany no demokrasia, adidinao ny mahalala dieny mialoha ny lalàmpanorenana volavolaina sy mandray anjara amin’izany, alohan’ny anolorana azy amin’ny fifidianana, izany no antom-pisian’ny tranonkala E-référendum.
Efa navoaka ho boky ny vontoatin’io tranonkala io mitondra ny lohateny hoe : La Constitution Démocratique Mesianique, Digne de Madagascar, fiaraha-miasa amin’ny Édition Universitaire Européenne, ity ny rohiny :
Hevi-diso
Mihevitra angamba ianao, eo am-pahitana ireo vokatra ireo hoe mahazo vola be aho.
Tsia nefa, faharetana no azoko tamin’ireo asa ireo, fa tsy vola.
Tsy dia afaka nanao fampahafantarana sy dokam-barotra betsaka arak’izay ilaina mantsy aho (Marketing).
Ilàna vola izany, nefa io indrindra no tsy eo am-pelatanako.
Raha mahita fomba ahafahana mampiroborobo ny varotra, tsy mila fampiasam-bola ianao, atoroy, aho.
Tokony hihetsika ny fanjakana, fa tsy hody fanina amin’izao zava-misy iainan’ny tena izao.
Tsy misy olona afaka milaza ho tsy mahalala an’izao olana ara-bola sedraiko izao, na malagasy na vahiny, na olon-tsotra na manampahefana.
Raha tsy mila ny fanampian’ny Raiko ianareo, na manohitra an’Andriamanitra, dia aza mieritreritra ny hanohana ny Mesia.
Afaka manohana an’izao asa fikarohana izao ianao
Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609
Tsy ferana izay harotsakao na be na kely, ny erikerika, hono, ahatondra-drano.
Mety hahasoa olona maro ity pejy ity, mila aparitaka arak’izay tratra.
Mila fatsarana ihany koa ity tranonkala ity.
Tsodrano ho anao ny fandraisana anjara amin’izany.
Itony koa azonao andraisana anjara
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 5000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’nio mozika manome hery sy mitondra fitoniana io, 80 mn ny faharetany.
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 3000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io sarimiaina amin’ny teny malagasy io, 60 mn ny faharetany.