Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

  • Accueil
  • > MOMBA NY MPANORATRA CYRIUS

15 mars, 2023

MOMBA NY MPANORATRA CYRIUS

Classé dans : — cyrius @ 13:51

Ny lalana nizoran’ny Mesia teo amin’ny fandalinana ny siansa momba ny zava-miafina ; y fiainana ara-panahin’ny zanak’Andriamanitra talohan’ny nahterahany ; Mifandray ny fiainana ara-k’asa sy ara-panahin’ny tenako izay voahosotr’ilay Nahary ; inona no vokatra arak’asa efa navoakan’ny Mpamonjy ? Tetikaza fizarana fampianarana masina.

- NY LALANA NIZORAN’NY MESIA CYRIUS TEO AMIN’NY SIANSA  ARA-PANAHY

Nianatra yoga sy ny fanandroana ary ny sikidy(2001)  aho nanomboka tamin’ny taona 2000. Nandalina ny kolontsaina Malagasy sy nanomboka nandray ny kabbale.
Nanohy ny fikarohana nataoko aho hatramin’izao ary ny vontoatin’ity tranokala dia vokatry ny fikarohana nataoko.
Tsy ampoizina ny fampianarana avoaka eto satria manana fahalalana nolovaina tamin’ny fiainako talohan’ny fahafatesana aho.

- NY TANTARA ARA-PANAHY TAMIN’NY FIAINAKO TALOHAN’NY FAHATERAHAKO

Izaho dia tsy iza fa i Davida, Mpanjakan’ Isiraely ihany no niverina mba hanatanteraka ny asa nanirahana ahy amin’ny maha-Mesia (Mpitondra; mpanabe; mpisorona).
Mora amiko ny mandika ny Baiboly sy ny fiteny maty sasany, amin’ny fampiasana Kabbale, satria tenin-dRazako ireo. Nahoana ? Satria ireo fiteny ireo dia sampana avy amina fototra iray nolovaina avy amin’ny tamin’ny Atlanteanina.
Taniko koa i Atlantida fony aho Mosesy (…).
Ilaina ny fanabeazana ny vahoaka, indrindra ny ara-panahy sy ara-kolontsaina. Izany no antony namoronako an’ity tranokala ity.

- FIFANDRAISANA EO AMIN’NY FIAINANA ARAK’ASA  SY ARA-PANAHIN’ILAY ZANAK’ANDRIAMANITRA

Ny antom-pisiako dia hiaro ny vahoaka malagasy sy I Madagasikara tanindrazako.
Tafiditra ao anatin’izany koa ny fiarovana ny kolontsaina malagasy.
Izaho, zanak’Andriamanitra, no mifehy zavaboary sy ny Univers.
Afaka manalefaka ny herin’ny rivo-doza aho ary mampivily ny lalany, amin’ny herin’ny fanahiko.
Fantatry ny rehetra izany. ( Isaia 49:1 ). Izany no nahatonga an’i Batsiray (tamin’ny 2022) tsy nandalo teto Analamanga araka ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro.
Tsy nanaraka ny lalana nofaritan’ny manapahaizana momba ny toetr’andro ihany koa i Freddy, niova isan’andro ny lalany, ary tsy mahazatra izany.
Ny nahatonga dia noho ny asa andraikitra noraisiko. Ny fahazavan’ny fanahy, dia ampy nibaikoana an’ireo rivo-doza ireo.
Azoko atao ny mampanalavitra ny rivo-doza an’i Madagasikara, raha mangataka an’izany amiko ara-potoana ny Fanjakana, ka ho voaaro ny ain’ny vahoaka sy ny fananany , ho voatsitsy kokoa ny volam-bahoaka satria ho kely kokoa ny fanampiana tsy maintsy ilaina.
Iza anefa no te hiaro ny tombontsoan’ny olom-pirenena? Raha misy, aoka izy hiantso ahy amim-panetren-tena, amin’ny fotoana ilàna an’izany.
Ary tsy izay ihany fa miankina amin’ny fambolena ny fiainan’ny ankamaroan’ny Malagasy, ary tena ilaina tokoa ny fanomezana ny daty voafaritra tsara momba ny fizaran-taona avy amiko, mba hanatsarana ny vokatra sy hisorohana ny fatiantoky ny tantsaha, noho ny tsy fahafantarana ny daty marina isaky ny vanim-potoana ara-toetrandro.
Ny tenako no  Andrian’ny fiadanana (Isaia 9 : 5) notendren’ny Mpahary, ny zavatra rehetra tsapako sy izay ataoko dia misy fiantraikany amin’ny vahoaka avokoa (tsy amin’ny Malagasy ihany), ary ny tenako izay Mesia, mpanjaka mpisorona no mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny vahoaka. Izaho, izay lahimatoa amin’ireo andriamanjaka eto an-tany, dia tokony hahazo famatsiam-bola avy amin’ny Fanjakana, amin’ny fotoana rehetra, tahaka an’ireo printsy sy mpanjaka any ivelany,ary ny toerana tokony hisy ahy dia ao amin’ny antenimieran-doholona, ​​farafahakeliny, eo am-piandrasana ny fandraisako ny seza fiandrianana ara-dalàna.
Anisan’ny lalana mitondra ho amin’izany ny volavolan-dalàmpanorenana tena demokratika, manaja ny sitrapon’Andriamanitra, izay efa nosoratako mba hanomanana ny fametrahana ny Mesia ho Emperora sy mpisoronabe, araka ny voasoratra hoe : « Ary ny nosy hiandry ny lalàny (Madagasikara) ». Isaia 42 : 6.
Tokony hanampy ahy amin’ny zava-drehetra ny fanjakana, ary tokony hampiany koa aho ain’ny fikarakarana ny tranoko fa misy tanatram-pirenena sy tantaran’izao tontolo izao izany trano nahabe sy ipetrahan’ny Mesia izany.

- VOKATRA ARAK’ASA AN’ILAY IRAK’ANDRIAMANITRA

Satria tsy mahazo famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana ny tena hatreto, dia tsy maintsy mitady toy ny olon-kafa.
Tsy hiresaka an’izay asa tany amina orinasa aho angamba.
Na fantatro aza nefa fa izay rehetra ataoko, mitondra soa ho an’ny hafa sy izao tontolo izao avokoa, eny fa na torimasoko aza. dia mizara ny voka-pikarohako sy ny talentako ihany aho. Ka ny Ebook sy ny famoronana sarimiaina no sehatra amokarako amin’izany.
Manam-pahaizana manokana amin’ny  siansa momba ny zava-miafina I Cyrius, ary manoratra boky mikasika an’izany, araky ny asa voatendrin’ny Ray hataoko, dia boky mampifandray ny fanandroana sy ny sakafo ary toetr’andro ny iray, ary ny hafa volavolan-dalàm-panorenana manome lanja ny baikon’Andriamanitra sy ny kolontsaina Malagasy, nefa koa mandala ny demokrasia.

Ireto ny rohin’ireo vokatra ireo: http://www.morebooks.shop/bookprice_offer_e8bd40eb42eab2dd74fedf8cba051a1ad2d3981f?locale=fr&currency=EUR ary https://www.morebooks.shop/bookprice_offer_6e3cd0f4c48e=2d9f4c6e=2d9f4c6e=2d9f4c6e=2d9f4c6e=2d9f4c6e=2d9f4c6e9e=2d9f4c6e=6e3cd0f4c6e=6e3cd0f4c6e=6e3cd0f4c6e=6e3cd0f4c6e=6e3cd0f4c6e=6e3cd0f4c6e=6e3cd0f4c6e

Misy ihany koa ny vokatry ny fikarohana momba ny tantara ara-kolontsainan’ireo firenena tatsinanana; amin’ireo firenena nanjavona sy an’i Madagasikara (MP3) izay maharitra 140mn, izany hoe ora roa mahery.
Tsy adino ny mantra amin’ny endrika MP3 izay maharitra adiny iray mahery sy ny  sarimiaina fialamboly mitondra ny lohateny hoe: Ilay planetan’ny dinaozaoro, 60 minitra ny faharetany.

 - IREO TETIKASA ARA-PIFANDRAISANA MOMBA NY POLITIKA; NY KOLONTSAINA SY ARA-PANAHY  HATAON’I CYRIUS MIARAKA AMIN’IZAY TSARA SITRAPO

Ilaina ny fizarana ny votoatin’ity tranonkala ity, amin’ny alàlan’ny boost ; amin’ny radio; fahitalavitra sy ny gazety, mba hanomezana fahalalana ara-kolontsaina sy ara-panahy ho an’ny ankamaroan’ny olona. Ny tombony amin’ity tetikasa ity dia ny fahalalana azon’ny vahoaka.
Tsy maintsy aparitaka ihany koa ny tolo-kevitra momba ny lalàm-panorenana demokratika sady fanjakan’amperora izay nosoratan’ny zanak’Andriamanitra, araky ny voasoratra hoe : «Ary ny Nosy (Madagasikara) hiandry ny lalàny ». Isaia 46,6
Asaina hanampy amin’ny fanoratana ny andininy tsirairay ny olom-pirenena tsirairay. Izany no demokrasia tena idealy.
Entanina ihany koa ny antoko politika sy ny fikambanana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana mba hanolotra izany lalàm-panorenana amin’ireo andrim-panjakana mahefa sy mandritra ny fakan-kevitra sy fivoriana ahafahana manolotra azy.
Miandry fanampiana ara-materialy aho vao tonga afaka mahavita an’ireo asa ireo.
Raha misy orinasan-tserasera resy lahatra ny amin’izany dia afaka manoratra amiko.
Raha misy Samaritana tsara fanahy dia  aoka hanampy fa ilaina ireo fahalalàna atolotra eto ary tokony horaisina sy aparitaka  haingana.
Azonao atao koa ny mangataka fanampiana amin’ny anarako ao amin’ny tranonkala Leetchi.com, raha mahafeno ny fepetra ianao, ohatra hoe Frantsay ianao na mizaka ny zom-pirenena frantsay.
Efa manao izay rehetra azoko atao aho, fa miandry anao handray anjara koa.

« Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko izaho sy ianareo » Andrianampoinimerina

FIFANDRAISANA

Téléphone : 0341491738/0332324609
Email : shivatanguy@gmail.com
Facebook : https://www.facebook.com/sediarifaratanguyparfait.rakotoson
LinkedIn : www.linkedin.com/in/tanguy-rakotoson-498b6613b

Commentaires désactivés.

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava