Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

19 juillet, 2019

Ny avelo sy ny ambiroa

Classé dans : — cyrius @ 12:55
Sommeil

Ianao sy ny ambiroanao raha matory

LAMOKAM-PATY NY TORIMASO

Io fotsifotsy io ny ambiroanao, toy izao no fahitana anao rehefa manomboka matory, lasa ny ambiroa. 

Mankaiza ?

Mankany amin’ny fotoana hafa, toeran-kafa, mety ho eto, mety ho any amin’ny tontolo hafa.

Ny fotoana aty tsy fotoana any.
Ny anio aty tsy anio any.
Ary io olona  hitanao amin’ny nofy io, izay heverinao ho ilay olona eritreretinao io tsy voatery ho izy fa hafa.
Toy ny amin’ny fitiavana ihany e, io ve ilay olona eritreretinao ho manana an’ireo toetra sy fiainana eritreretinao momba azy ? Tsia matetika, olon-kafa io anananao sary an’eritreritra io ary vatana hafa ilay tiavinao.
Toy izany ny any amin’ny tontolon’ny nofy. Misy fetra nefa ny nofinofy fa tsy maintsy hiverina aty amin’ny tena tontolon’ny nofy ianao, hifoha. Ary hahalala fa nofy ihany ilay teo, mety ho nofy ratsy, mety ho nofy tsara.

AZO SOLOINA NY LAMBA IRAKOFANA RAHA MATORY

Misy mieritreritra, fa raha soloina ny lamba rakofanao raha matory, metsy hiverina ny ambiroanao, Tsy marina izany, impiry moa ianao no manipa-damba? Hafa ny lokon’ilay nakipakao, dia hafa no tavela irakofanao eo ? Impiry ianao no efa natory tsy nirako-damba, dia nisy nandrakotra lamba avy eo ? Mifoha ihany nefa ianao avy eo, satria ianao ihany ianao fa tsy miova na hisolo lamba injato inarivo aza. Na te hanohy an’ilay nofy mahafinaritra anao aza ianao tafaverina ety amin’ny tontolon’ny nofo ihany e.

avelo na aina mandao ny nofo

Ny aina na double étherique lasa avelo, mandao ny vatana

NY OLONA MATY SY NY FANAHINY

Toy izao kosa ireo nodimandry, io ny avelo na ny aina, miloko fotsy, handeha izy ary tsy hipody. Faly izy io handeha, ary faly handray azy koa ny any amin’ny tontolon’ny maty. Fantany ny azy. Tsy misy any ny hoe miverena fa sendra anarana mitovy, tsia. Ny anaranao aty tsy anaranao any, anarana nomen’olombelona ny anaranao aty, hanamora ny fifandraisan’ny samy olombelona. Mijanona eto ny anaranao.
Tsy misy endrika, tsy misy fela-tanana sy « fela-tongotra«  ? araka ny « vidéo » etsy ambany,  ary io endriny io ihany no hahitana azy any amin’ny tontolon’ny maty.
 Tsy hisy ho fantatrao akory hoe iza amin’ireo fanahy ao no havanao, mitovy avokoa izy rehetra. Rantsam-batana 5 avokoa, tsy hita izay lahy na vavy. Tsy vatana nofo io ka hisy famantarana ny maha lahy na maha vavy. Io ilay aina nentinao izay lasa avelo rehefa tafasaraka tanteraka amin’ny vatana. Zavona sy aloka sisa io. Ary mbola mety ho levona koa amin’ny fotoana iray. Azonao jerena ao amin’ny salamo nosoratan’i Davida izany. Tsy ny nofo sy  io aina io ihany nefa no vatanao, misy vatana hafa koa, izany hoe fanahy hafa, anisan’ireo fanahy 7 mahafehy trano mbola ho tavela ary mbola hiverina hitafy nofo, ho teraka indray. Io ilay tena atao hoe fahaterahana indray na réincarnation.
Ny tenako Cyrius ohatra tsy hafa fa ilay Davida mpanjakan’Israely izay voalazako eo ambony io ihany. Afaka mankany ianao, mijery toa an’izay efa tany koa, ary azoko antoka fa efa tany ianao, nefa mety ho voafafan’ny fiainana sy ny tsy fahaiza-manavaka ny tadidinao.

TSY MANDRE MARARY NY AVELO

enfer

Esory ao an-tsainao iy sary ity  Tsy misy afo any amin’ny amin’ny tontolon’ny maty, atao inona any afo ?

Tsy misy hahandro sakafo na hitanina afo any.
Ny hakitroky ny afo dia efa tsy hahafahany miditra any.
Tsy misy olona dorana izany koa any, fa tsy mahalala maharary ireo.
Tsy manana hozatra handre marary izy ireo, fa ilay vatana afaka mandre marary matory tsy mandre na inona na inona intsony any am-pasana. Tsy marina arak’izany ilay hoe misy fanahy lasa any amin’ny afobe.
Misy biby maintibe koa io amin’ny sary io, toy izao no fakantsika sary an-tsaina ny demony.
Ny demony izay tsy misy, ary izaho tsy mbola nahita, ianao koa, Ny mpandainga sy ny mpamitaka no misy, izay samy isika olombelona ihany.

Vakio ilay pejy hoe NY FANAHY NO OLONA ato dia ho azonao hoe nahoana ianao no azon’ny fakam-panahy hanao zavatra iray.

TSY MISY VALINY VE IZANY NY ATAO

Na izany aza, misy valiny izay rehetra atao, ny asa rehetra mendrika karama, io ilay atao hoe KARMA na tody. Ny atao rehetra tsy maintsy miverina aminao, anio, mety ho rahampitso, mety ho fotoana hafa. Raha tsy izany amin’ny fiverenanao eto indray any aorianan’izao ianao izao.

NY ANARANAO SY NY ANY ANKOATRA

Voasoratra eo ambony moa fa tsy misy ilàna ny anaranao any, tsy misy Andriamanitra hangataka ny sonianao koa. Tsy haka alalana avy aminao izy na hanao inona na hanao inona, ary tsy mila an’izay hevitrao, voasoratra ao amin’ny baiboly izany. Izay fantany fa mety dia tanterahiny, asainy tanterahin’ny irany, tsy olombelona no hakany hevitra. Ny taratasy ataon’ny samy olombelona no mila asiana sonia. Ny mpamitaka moa misy eny ihany hitantara lainga hahazoany an’izay tadiaviny. Fa ianao kosa manan-tsaina ary manana ny baiboly ho tari-dalana, manana an’ity tranonkala ity ihany koa.
Fikarohana nataon’ny mpanoratra manokana ity, nahazo ny « coup de coeur du jury » niaraka tamin’ny boky  mitondra ny lohateny hoe : « Ny fanahy no olona » tamin’ny « Concours REL 2021 » nokarakarain’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, niaraka tamin’ny UNESCO ity vidéo manaraka ity  : 

Ny avelo sy ny ambiroa

Image de prévisualisation YouTube

TSY TOKONY HANDALA NY FAHAMARINANA VE SATRIA TSY MISY NY AFOBE ?

Ny olona tompon’andraikitra tsy tokony hampitahorina vao hanitsy ny lalany.
Fa efa voasoratra hoe : « Izay tianao atao aminao, no mba ataovy amin’ny hafa koa ». « Tsongoy fon-tena, tsongoy fon’olona ».
Tandremo fa misy ny Karma na ny lalàn’ny tody, karama araky ny anarany ihany, ka izay ataonao, mbola hiverina aminao, trosa misy zanany io, tsy maintsy mitombo.
Mety hivaly amin’ny taranakao koa izay ataonao amin’ny hafa, na ny ratsy na ny tsara : « Fa izaho dia Andriamanitra saro-piaro…mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka ».

Tsy vitsy ihany ny olona tonga any no manenina ny amin’izay nataony tety ambonin’ny tany, tahaka ny fanenenana misy eto koa rehefa mandeha ny fotoana.
Misy moa tena ailik’ireo fanahy hafa any rehefa tonga ny anjarany.
Misy ihany koa ireo voalatsan’ireo ambiroa ireo, ary voasoratra ao amin’ny baiboly izany.

Ny ataonao ety metsy ho vitsy no mahita, fa rehefa tonga any ankoatra ianao, tsy misy na inona na inona azo afenina any, miharihary avokoa ny zava-drehetra.

Na tsy misy afo mandoro aza any, ilaina ny fahamarinana, matoa misy antokon’olona nosinganina mihitsy hoe nanenina mafy tamin’ny fiainana tao anatin’ny fahalovana fahavelony.
Tandremo fa ny seoly voatantara ao amin’ny baiboly, tsy ny fiainana any ankoatra ihany.
Hanamarina an’ireo voalaza ireo no nisafidianako manokana an’ireto andini-teny avy ao amin’ny bokin’ny Fahendrena 5 ireto.
Mety hilaza angamba ianao hoe andian’olona fantatra tsara amin’izao fahavelony ireto voatantara ho nanao heloka sy manenina ireto, saingy efa diso aoriana loatra :

« 1 Amin’izay hitsangana amim-pitokiana lehibe ny marina, eo anoloan’izay nanenjika azy, sy nanamavo ny fisasarany.

Raha hahita izany izy ireo dia hihavatravatra amim-pivadiham-po mahatsiravina; ho hana foana amin’ny fanehoana ny famonjena:

hifampiteny izy sady henika ny nenina sy hitoloko amim-pangitaham-po mafy hanao hoe : Indro ilay nataontsika fihomehezantsika fahiny, sy izay nokendren’ny fandatsantsika !

Adala isika nanao ny toe-piainany ho hadalana, sy ny hiafarany ho fahafaham-baraka !

Kanjo indro, ny tenany eo amin’ny zanak’Andriamanitra, ary ny anjarany eo amin’ny olo-masina !

Koa naniasia isika lavitry ny làlan’ny fahamarinana; tsy namirapiratra tamintsika ny fahazavan’ny fahamarinana; ary tsy niposaka tamintsika ny masoandro.

Niala liana teny amin’ny làlan’ny tsy fahamarinana amam-pahaverezana isika, nizotra tamin’ny tany efitra tsy misy làlana isika, ka tsy nahalala ny làlan’ny Tompo.

Nahasoa antsika inona ny avonavona ? Inona no soa azontsika tamin’ny harena aman-draharaha ?

Ireny zavatra rehetra ireny dia nandalo toy ny aloka, toy ny hahohaho lasa nihelina ;

10 toy ny sambo mamaky rano manonja, ka tsy mety ho hita akory izay dian’ny nalehany, na ny mariky ny montsifany ao afovoan’ny rano ;

11 na toy ny voromanidina mamakivaky ny rivotra, ka tsy misy hita akory izay dian’ny nalehany,  fa mikopak’elatra mamely ny rivotra maivana izy, manao an’ezaka mafy mamaky azy, manori-dalana eo izy manakopaka ny elany, nony inona dia tsy hita velively izay dian’ny nolalovany.

12 Na tahaka ny zana-tsipìka efa nalefa amin’izay kendrena, ka miverina amin’izay nisy azy teo indray ny rivotra nalehany: dia tsy hita intsony ny toerana nolalovany.

13 Toy izany koa isika, fa teraka isika ary izao tapitra ny aintsika. Tsy mba manana mariky ny hatsaram-panahy haseho akory isika, ary mbola ao anatin’ny tsy fahamarinantsika isika dia efa voaesotra. 

14 Marina izany fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy dia tahaka ny volo malemy entin’ny rivotra, tahaka ny fanala maivana aelin’ny ranonoram-baratra, tahaka ny setroka ahahaky ny tsio-drivotra, tahaka ny fahatsiarovana ny vahiny indray andro mihelina. »

Hanohana an’izao fikarohana izao ? : 0342387779 ; Airtel Money 0332324609

Rohy hafa : Ny fanahy no olona : http://cyrius.unblog.fr/?p=35
Paix au prince lien : http://cyrius.unblog.fr/?p=4182
Ny herin’ny fanahy na hasina : http://cyrius.unblog.fr/?p=1672
Résumé de la future constitution de Madagascar : http://cyrius.unblog.fr/?p=4319
Le Messie ou roi promis : http://cyrius.unblog.fr/?p=500
Azo avily ny rivo-doza : http://cyrius.unblog.fr/?p=4344

Laisser un commentaire

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava