NY FANAHY NO OLONA
INONA ARY NY ATAO HOE FANAHY?
ARAHO NY FANAZAVANA
Mba hanamora ny fanazavana, iniana tsy ampiasaina ny dikanteny fampiasantsika andavananadro mandika azy ity ho « esprit » na « âme ». Ny teny vahiny mahadika ny hoe FANAHY mantsy dia ny hoe » AURA » izay lazaina ihany koa hoe « corps énérgetique ».
Vatana tsy hita maso mandrafitra ny tenantsika olombelona, ankoatry ny vatana hita hita sy tsapa « corps physique », izay itovizantsika @ biby ny Fanahy, izy araka izany no mampiavaka antsika amin’ny biby biby ka nahatonga ny Fitenin-dRazantsika hoe « ny Fanahy no olona ».
Tsy namela fitantarana an-tsoratra toy ny baiboly ho an’ny jiosy, na ny bhagavad gita, ny védas sy ny Mahabharata hoa’ny Indiana ny Razantsika momba an’ireny fahalalana ara-panahy nananany ireny. Tsy very nefa izany fa voatahiry ao @ angano tahaka sy ny oha-pitenenana maro. Anisan’ny sarin-teny ilazana an’ity Fanahy 7 mahafehy trano ity ohatra ny izay voalaza ao @ angano iray “Ifaralahy diso fangataka”,Anganon’ny Ntaolo “…nohaingoiny avokoa ny vavahady 7 sosona rehetra….” : fanadiovany ny Fanahiny no tian-kambara eto.
Manana ny fomba fiasany ihany koa ny mpikaroka @ itony siansa ara-panahy itony ka ahafahana mahalala na izay tsy navelan’ny soratra aza, izay mifototra @ fampiasana an’ity Fanahy ity ihany.
INONA NO ASAN’NY AURA (FANAHY)?
Toy ny asan’ny atmosphere izay miaro ny tany sy ny mponina ao aminy @ taratra manimba avy @ masoandro, no asan’ny Fanahy amintsika olombelona, sady miaro @ hery hafa ivelan’ny tenantsika (attaque extérieur) izy no mandray ihany koa ny hery ivelan’ ny tena ka ilaintsika ihany koa (Enérgie vitale). Sady miaro antsika no mandray sy manivana ny hery raisintsika izany fanahy.
Izy no
- ahafahantsika mifandray @ tontolo tsy hita maso (tontolo ara-panahy na ny any ankoatra araka ny fiteninintsika andavanandro).
- Mamantatra @ alalan’ny onja ny olona hifandraisantsika, hiarahana sy hifankatiavana, ao aminy izany ilay “hery miafina” mampifanintona mahatonga ny fifankatiavana @ endriny rehetra.
Ao aminy avokoa ny hery rehetra rehetra ilaintsika hamitana ny andraikitra rehetra nankinina amintsika mandritry ny fiainana, anjarantsika kosa ny mamantatra sy mampiasa azy.
Ireo ilay fahasoavana anananan’ny tsirairay
“Ampy ho anao ny fahasoavako”
Ny tsy fahalalana an’izany no mampivily antsika araka izay nahim-pontsika avy mankany lalana tsy tokony haleha na mania.
Ny fahatsapana an’izany no ahavaky vava ny Razantsika manao hoe “Atra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro fa ny olombelona no be siasia”
TOETRANY @ ANKAPOBENY
Vatana maivana (corps subtils) ny Fanahy, madio dia madio izy noho izany ho an’ny olona tsy manan-tsiny.
Miovaova ny fisehony sy ny lokony, arakaraky ny toetran’ny olona, ny fahasalamany, ny lentam-pivoarany ara-panahy (degré d’évolution spirituel). Fa @ ankapobeny dia miseho hoy toy ny hazavana izay samy manana ny lokony izy na koa toy ny “champs éléctromagnetique”.
MANAM-PANAHY SY TSY MANAM-PANAHY
Ny hoe manana sy tsy manam -panahy: teny fampisan’ny Malagasy ilazana hoe manana be, lasa lavitra, sy ny hoe manana ihany fa kely, na tsy lasa lavitra, toy ny hoe manna-pahaizana izay ilazana olona nandia fianarana lavitra, manam-bola na mpanam-bola, ilazana ny hoe be vola., ary tsy manana no ilazany ny mifanohitra @ izany.
Ny hoe manam-panahy araka izany no ilazany ny olona lasa lavitra @ ara-panahy, miankina @ fivoaran’ny tsirairay ara-panahy mantsy ny habe (“dimension”) n’ny soson’ny aura (“couches auriques) na fanahy tsirairay. Lehibe kokoa izy manomboka @ vatana ambony indrindra « aura divin», na «aura Christique »izay vatana faha7, kely kokoa ny vatana faha6 “aura boddhique”…….ary ny “auras du corps physique”e izay antsoina hoe “double étherique na vatana aina no manify indrindra ho an’ny olona mivoatra ara-panahy (“évolué spirituellement”). MIfanohitra @ izany kosa raha variana @ fankafizana ny fiainana ara-nofo sy voagejan’ireo fahalemena maro toy ny (filana ara-batana tafahoatra, hasiahana, fialonana, fitsiriritana, saina maloto isan-karazany…….) ilay olona.
Mihena eto ny haben’ireo Vatana Fanahy ireo ka mitombo ny hakitrony (densité). Ny ambony indrindra no mihanify indrindra ary ny ambany indrindra izay itovizantsika @ biby no mihamatevina indrindra.
Arak’izany, mety tsy ho hita intsony ireo fanahy 6 hafa izay mampiavaka antsika @ biby ka mahatonga ny filazana isan-karazany manao hoe : « mifanahim-biby, tsy manam-panahy ».
Rehefa mihamatevina vokatr’ireo voalaza farany ireo ireo Fanahy, dia voaelingelina ny fikorianan’ny hery, ary voasakantsakana ny fandraisantsika ny hery avy @tra, ka mahatonga antsika hahatsapa fahoriana sy fijaliana, ny olana maro, mahatonga ny aretina isan-karazany…ny fahafatesana.
AZO DIOVINA VE NY FANAHY ?
Eny, maro ny fomba fanao hanadiovana azy io, eo ny haiady maro isan-karazany izay very anarana @ io fiteny azy io (tsy ho voatanisa eto), saingy tsy ady kosa no tena tanjona niforonan’izy ireny fa famolahan-tena, sy fitaizana ara-panahy, eo koa ny yoga izay efa maro ny fikambanana mitrandraka azy eto amintsika na any ivelany.
Tsy ny vokatry ny natao nefa no azo diovina arak’ireo voalaza etsy ambony ireo fa ny tranga tsy niniana natao toy ny fandikana ny lamina voajanahary mifehy ny tontolo ihany.
Ohatra amin’izany ny fandikana ny fady, ny fikasihana zavatra mitondra hery maloto toy ny faty, ny hery maloto entin’ny aretina sy ny fifampikasohana @ marary, ny hery manimba vokatry ny fifampikasohana sy ny fifandraisana amin’ny hafa, amina zavatra sy amina toerana…
— ALA FADITRA no ilazantsika Malagasy ny fanadiovana ny fanahy —
Raha hazavaina kokoa ny tiana ambara, hazavana ny fanahy, ka misy fiantraikany aminy ny hazavana rehetra na voajanahary na tsia, ny hazavan’ny masoandro ohatra, ny hazavana avy amin’ny lokon’akanjon’ny tena, ny hazavana alefan’ny lokon’ny tontolo manodidina sy ny trano onenana ary ny toeram-piasana, ny hazavana avy amin’ny jiro ao an-trano na any amin’ny toeran-kafa lalovanao, ny hazavana avy amin’ny fanahin’ny olon-kafa mifandray aminao ; manodidina aminao, mifanerasera eny amin’ny toerana isan-karazany toy ny lalana ohatra.
Izany indrindra no nahatonga ny mpanoratra iray ao amin’ny baiboly hilaza hoe : » Lazao ahy ny namanao, dia holazaiko anao ny toetranao » ; hoy koa ny ohabolana Malagasy : » Izay miaraka amin’ny amboalambo dia amboalambo « , lazainy tokoa ilay hoe : » Izay miaraka amin’ny mpanihika, maimbo lanin-trondro »
Sarotra nefa ny miala amin’ireo amin’ireo zava-boalaza ireo, fa mandia tany moa ka solafaka, miloloha lanitra ka lena, toy ny tora-bato avy any an-danitra izy ireny ka na mahay miala aza manao toy ny akoho, mahay mandeha ihany fa solafaka raha mandeha eo ambony sahafa.
Ny vokatry ny natao kosa dia ny lalàn’ny tody ihany ihany no afaka mamaha azy, izany hoe manonitra ianao, ary manitsy ny dia. tsy misy afaka miala amin’io lalàna voajanahary io.
Ampiasao koa ny baibolinao na boky masina hafa fa betsaka ny tari-dalana ao. Ohatra
“Diovy ny fonao dia hadio ho anao ny zavatra rehetra”
Rehefa miala tsiny ny Malagasy dia miafara foana @ hoe “….ny fanaovana ny marina no manalala ny tsiny…..” (hitohy)
FANAHY 7 MAHAFEHY TRANO
Misy (sosona) couches 7 izy io , izany no niantson’ny Ntaolo azy hoe “fanahy 7 mahafehy trano”, ary ny sosona tsirairay dia vatana samy manana ny maha izy azy avy; anisan’ireo ilay mandehandeha rehefa matory isika ka mahatonga antsika hanofy, izay mety ho ilay Vatana aina “double éthérique” io izay nahatonga ny fiteny manao hoe “lamokam-paty ny torimaso”, mety ho ny ambiroa izay ny “corps émotionnel” sy ny “corps astral” Ao ihany koa ny saina “corps mental”…. .
Mifampiankina ny toetran’ny tsirairay sy ny fivelaran’io Fanahy maha-Olona io ao aminy: izany hoe, misy fiantraikany @ fiainana andavanandro ny toetran’ny Fanahy.
Miankina @ herin’io FANAHY “Auras” io mantsy ny toetra sy ny fitondran-tena, ny fahasalamana, ny hery sy ny tanjaka anananan’ny tsirairay. Miantraika @ io Fanahy io koa izay ataontsika @ andavanandrom-piainana, ka mety hamapadio na handoto azy.
Ireto avy ireo sososna 7n’ny FANAHY
-Le double éthérique (Vatana Aina ou Vie)
-le corps émotionnel
-le corps astral
-le corps mental
-le corps causal
- le corps bouddhique
-l’Aura christique ou Aura atmique
NY VATANA AINA “DOUBLE ÉTHÉRIQUE”
Izy no ahafahan’ny vatana (corps physique) mifandray @ ireo vatana 6 hafa ambony noho izy @ alalan’ireo chakras (masom-panahy) 7 izay ao aminy.
Izy no mampita ny hery ao @ vatana ara-nofo sy mamelona azy ka ahafahany miaina eto @ tontolo ara-nofo.
Maina ny vatana raha tsy eo izy, vovoka ka mody vovoka (maty).
Izy no mitahiry (mémoire) ny fahazarana ananantsika ary mbola tohizany iainana izany aorian’ny fahafatesan’ilay olona.
Izy no ahatsapantsika ny fisiana ara-nofo, andrenesana ny asan’nireo fandrenesana 5 (5 organes de sens).
Manana azy ity koa ny biby sy ny zavamaniry ka mahatonga azy ho velona.
Avy aminy ny fitadidiana, ka mandritry ny fahazazana no tena misongadina ny maha-izy azy.
Manaraka ny olona hatrany izay rehetra iainany sy raisiny mandritry ny fahazazany, raha mbola ao aminy ny ainy, ka nahatonga ny manoratra baiboly hanoro ny mpamaky mba hanome fanabeazana tsara ny ankizy, hanazava ny lalany eo amin’ny fiainany, hoy indindra izy ao amin’ny Ohabolana 22, 6 : « Zaro amin’ny lalana tokony halehany ny zaza, fa tsy hiala amin’izany izy na dia efa antitra aza »
CORPS EMOTIONNEL
no misy ny hafanam-po, ny fientanam-po,ny ahiahy sy tebiteby ny tahotra sy fahasahiana, ny hatezerana, ny hafaliana.
Ity vatana ity fototry ny fironana sy ny famoronana ara-java-kanto : mozika, literatiora, ….
NY VATAM-PANIRIANA “CORPS ASTRAL” no manaraka a zy.
Ny vatam-paniriana na corps astral araka ny anarany no misy ny faniriana, ny finoana sy ny finoanoam-poana, ny fitsiriritana, ny fialonana, ao ihany koa no misy an’ilay fitiavana iainan’ny besinimaro ankehitriny. Ny fihetseham-po isan-karazany izany no foronin’ity vatana ity.
Avy aminy ilay hery mampifanintona ny olon-droa hifankatia sy hiaraka.
Ireo vatana 2 voalaza farany eo ambony ireo no ilay antsoina hoe AMBIROA.
NY SAINA “CORPS MENTAL”
Izy no mandray ny hery avy @ ireo vatana atao hoe auras spirituels izay ambony kokoa noho izy ary mampita izany @ ireo vatana hafa ambaniny dia ireo hitantsika eo ambony ireo.
Izy ihany koa ipoiran’ny hevitra sy tetika, ny hafetsena @ endriny rehetra, ny fandalinana sy ny fikarohana sy ny asa famoronana. Tsy mipetraka intsony eto ny finoana fa miankina @ hoe nahoana, @ fomba ahoana ny faharesen-dahatra @ ny zavatra rehetra. Mitady porofo hatrany tahaka an’i Thomas. Izy no manosika antsika hikaroka sy hanadihady.
Mandeha avokoa ny kajikajy rehetra @ tombontsoa sy fantiantoka @ izay kasaina hatao.
Ny saina izay mifandray amin’ny kundalini, ahitana an’ireo fantson-kery 3 (nadis) : Ida ; pingala ary shushuma, izay matetika asehon’ny mpandalina ny siansa ara-panahy amina kisarina bibilava.
Tsy mahagaga izany, fa izy ihany ilay bibilava namitaka an’i Eva.
Ny saina izay mampiasa hakingan-tsaina lalina ihany ilay bibilava miolikolika atao hoe leviatana.
Rivo-doza ihany koa i Leviatana, arak’izay voalaza’ny baiboly sy hita ao amin’ny Kabbale hebreo.
Ny mpahay fanandroana (astrologue) moa mahalala tsara ny vintana adalo izay vintan’ny rivo-doza.
Ny adalo izay vintan’ny fahaizana sy ny hakingan-taina rahateo ihany koa.
Raha aravina, ny saina no nahitan’ny Razambentsika ny hevitra mahomby sy tay mahomby maro, tahaka an’ireo vahaolana 10 000 tsy mahomby ( » 10.000 solutions qui ne marchent pas » ) an’ingahy Thomas Edison.
Ireo vatana efatra ireo izay mbola vatana manana ny fahalemeny avokoa dia samy mety maty, saingy tsy miara-maty @ vatana ara-nofo, samy manohy ny fiainany any @ tontolo sahaza azy avy mandra-pahatonga ny anjarany avy.
Ny vatana aina “double éthérique” ohatra mbola mitahiry ny fahazaran’ilay olona maty ka manohy izany hatrany. Matetika isika no mandre olona mitantara ny fisehoan’ny havan’ny efa maty mitady ny zavatra sasany tsy foiny ka tsy nampanarahina azy t@ fandevenana, na mahita azy manao asa tahaka ny fanaony andavanandro. Tsy ilay maty akory iny nitsangana iny ary tsy demony araka ny fiheveran’ny sasany azy koa iny fa ilay vatana aina “double éthérique”.Izany no mahatonga ny fomba fanao handefasana ny zavatra mahazatra azy na tsy foiny manaraka an’ilay maty any am-pandevenana (toaka, vola, fitafiana…)
Ireto manaraka ireto kosa no antsoin’ny mpikaroka hoe auras spirituels
Ambonin’ny saina ilay atay atao hoe
ERITRA “CORPS CAUSAL” na Fanahin’ny fahamarinana.
Lalan’ny tody (loi du karma), fahaterahana indray (réincarnation), tsifahafatesana mandrakizay (immortalité), fahatanterahana indray, fahafahana, fahatanterahana, fandavan-tena.
Hitantsika eto ny fototeny hoe cause izay midika hoe antony. Araka izany mahalala ny antom-pisiantsika sy ny anton’ny olana sy ny sedra rehetra atrehintsika @ fiainana izy.
Vatana madio, “purs” avokoa manomboka eo @ eritra izay afaka mitsara avy hatrany ny zavatra ataontsika na sainintsika . Avy aminy ilay atao hoe feon’ny fieritreretana (conscience morale) izay mitsara ny atao sy sainina.
“Aleo enjehin’ny omby masiaka toy izay enjehin’ny eritreritra”
Tsy misy intsony eto ny kajikajy izay mety ho tombontsoa (interêt), na valiny (contrepartie) avy amin’izay atao. Fitiavana tsisy fetra, tsisy fefy no mibaiko araka ny tenin’ny baiboly manao hoe “izay rehetra ataonareo dia ataovy @ fitiavana”, “aza miandry valiny,araka izay voasoratra ihany koa ao @ Bhagavad Gita (Boky Masina Indiana izay misy dikany @ teny Malagasy nadikan’Atoa Rakotonirainy Joseph:
” Le Seigneur Bienheureux dit: Abandonner les fruits de toute actes”
Miasa fa tsy miandry valiny.
Tsy mipetraka intsony ny tahotra @ endriny rehetra, fa ny rariny sy ny hitsiny no mitsara.
Mitaky ary mitondra fandavan-tena tanteraka ny fivelaran’io vatana io. @maha-FANAHIN’NY FAHAMARINANA AZY dia izydia izy no manampy antsika hahalala ny marina sy handala ny fahamarina izay mitondra fahafahana tanteraka ho antsika, arak’izay voalazan’i Kristy manao hoe “….Ary ny marina no manafaka anareo”
Tsy ho voafatopatotry ny fahalemena rehetra,
Tsy ho voafatotry ny lalan’ny tody,
Tsy mety maty ity eritra ity , izy no mitahiry ny fiainana rehetra nodiavin’ny olona iray nandritra ny fisiany rehetra (fiainana mifandimby) “incarnation et reincarnation”.
Izy ihany koa no ahalalana izay miandry antsika, ny andrasana amintsika (ny andraikitra ankinin’Atra aminao) @ ity fiainana ity.
Neken’ny Mesia arak’izany ny handray andarikitra hamonjy ny olombelona na efa nampoiziny aza ny fa hisy zava-tsarotra tsy maintsy hovahany, izay efa fantany mialoha ary izy mihitsy aza no efa nanoratra an’izany mialoha ao amin’ny bokin’ny salamo.
Manan-tsafidy hatrany nefa isika eo @ fiainana ary azony nialana ireny zava-tsarotra ireny.
Fitiavana kosa no nanekeny azy mba hanomezana modely ho antsika, hanaraka ny lalan’ny fahamarinana na inona na inona mety hofahasarotany sy ho vokany.
Nekeny ny hamaha ny ola sarotra iainan’ny olombelona sy miandry azy ireo na eo aza ireo fahavalon’ny fahamarinana hanasarotra ny diany.
Tsarovy fa vary mangatsiaka miandry anao hatrany ny andraikitra tsy tanterahinao, izay tsy vita @ ity fiainana ity, hitambesatra aminao @ fiainana manaraka “reincarnation” ary mampitombo ny olana hatrehinao.
Tokony ho kivy ary ve isika raha miatrika olana?
Tsia , manamaivana anao ny fiatrehana an’ireny olana mihatra @ntsika ireny.
Tsy misy manery antsika hiatrika an’ireny nefa, safidy ireny, vokatry ny nataontsika tany aloha, tamin’ny fiainana talohan’izao fiainana izao “vie antérieure” sy t@ ity fiainana ity. Safidy ny ho faty sy ho teraka indray, vokatry ny fahalotoan’ny Fanahy, ny adidy sy andraikitra tsy vita sy tsy natao, izay mitambatra ho trosa tsy maintsy haloantsika mandra-pahaloantsika ny variraiventsy farany ka hampadio antsika tanteraka.Io ilay “LALAN’NY TODY “LOI DU KARMA”.
“Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina”.
Mety ho fisedrana fotsiny koa nefa ireny, tsy maintsy sedraina ny volamena, mba iavahany amin’ny hosoka.
Mety ho ireny lalana sarotra, feno sakantsakana ; fidinana sy fiakarana ireny ihany koa no lala-manitsy akaiky indrindra mitondra ny tena any tanjona tian’Andriamanitra hahatongavana. Tody any amin’ny tanjona isika avy eo, mbola lalan’ny tody izany, lalan’ny tody koa ity manaraka ity.
Misy @ntsika ny mihevitra fa mitovy ihany hono ny mangalatra omby iray sy ny mangalatra fanjaitra iray. Marina @ ampahany kely ihany satria samy mandoto ny fanahinao, tsy maintsy manefa kosa nefa ianao, ka ny mangalatra omby iray, manefa omby iray, ny mangalatra fanjaitra iray manefa fanjaitra iray, trosa tsy maintsy haloa izany, mba hampadio antsika avy eo.
Ny mampitovy azy koa dia raha fanjaitra iray no hany fananan’ny olona iray, na omby iray no hany fananan’ny olona iray nefa nangalarinao, na miliara iray no fananany ka nangalarinao, dia nangalatra ny fananany rehetra ihany ianao.
Tsy fanjaitra tsotra fotsiny io fa io no fananana rehetra ho azy, toy izany koa ny omby sy ny miliara iray.
Hotsaraina ianao ny amin’izany ary tsy ho fanjaitra iray no hefainao na omby iray na miliara iray.
Fianarana ny fiainana ka ny fimonomononana sy fanomezana tsiny ny mpahary antsika noho ny zava-mitranga eo @ fiainana dia midika fa tsy mbola ampy traik’efa sy fahalalana ny atao hoe fiainana sy ny tontolony isika, ka tsy maintsy maka traik’efa eto mandrapaha ampy fahalalana antsika, rehefa tsy ampy hahatongavana @ izany ny fiainana rehetra nodiavintsika dia tsy maintsy mbola hateraka indray, haka nofo vaovao hatrany aorian’ny fahatesana (Réincarnation).
Raha fintinina dia ny fahalalana ny anto-pisiantsika, ny fanatanterahana ny adidy aman’andraikitra ary ny fahadiovan’ny Fanahy no mitondra antsika @ FAHATANTERAHANA na “REALISATION”.
Izany ihany koa no manafaka antsika @ LALAN’ NY TODY (“LOI DU KARMA” ) sy mitondra ho @ TSIFAHAFATESANA (“immortalité”) na FIAINANA MANDRAKIZAY (vie eternelle).
Mety hanampy anao ity andinin-teny iray ity izay nalaina tao @ Bhagavad Gita :
Le Seigneur Bienheureux dit: Absence de crainte, purification de l’existence, développement du savoir spirituel, charité, maîtrise de soi, accomplissement des sacrifices, étude des Vedas, austérité et simplicité, non-violence, véracité, absence de colère, renoncement, sérénité, aversion pour la critique, compassion, absence de convoitise, douceur, modestie et ferme détermination, vigueur, pardon, force moral, pureté, absence d’envie et de pureté des honneurs, – telles sont, ô descendant de Bharata, les qualités spirituelles des hommes de vertu, des hommes nés de la nature divine.
Lavinao ve ny fisian’ny lalàn’ny tody sy ny reincarnation?
Moa tsy nandrasan’ny jiosy ve ny fiverenan’I Elia?
Moa tsy voalaza ve fa mbola hiverina ilay olona malaza indrindra ao @ testamenta vaovao ?
Voalazan’ny Baiboly ihany koa fa hahita azy avokoa ny maso rehetra @ fiverenan’ny mesia amin’izao fotoana izao, eny fa na ireo nandefona azy aza, fantantsika nefa fa efa tsy misy tavela intsony @ izy ireo fa tantara sisa.
Koa @ fomba ahoana no hahitany azy hiverina indray an’arivony taona aty aoriana? Mazava ho azy fa @ alalan’ny fahaterahana indray.
Ny fanahy no maka nofo vaovao fa tsy ilay nofo lasa vovoka akory no mitsangana.
Ny fiverenana eto @ ity tontolo ara-nofo ity dia mitaky fitafiana nofo, fakana nofo vaovao, izany hoe “tsy maintsy hateraka indray”
MANASAZY ARY VE ATRA?
Tsia avy hatrany, ny ny ataontsika ihany no miverina amintsika, ny vesatra entin’ny fanahintsika no mametraka olana amintsika.
Tari-dalana hanoroana antsika ny lalana tokony hizorantsika ny ankoatr’izay.
(Eo ihany koa ny fandikana ny lalàna mifehy ny Univers ohatra hoe mitokan-javatra amin’ny fotoana midim-bolana, tahaka an’izay nitranga tamin’ny 04 septambre 2021 sy ny tamin’ny taon-dasa, manao fanadiovana na ala faditra amin’ny fotoana miaka-bolana, nisy koa izany tany avratra ny tapaky ny volana aout 2021).
Ny lalàna no napetraka hotandremantsika dia ny mba tsy hananantsika olana eo amin’ny fiainana sy ny hahamora ny fiainantsika.
Rehefa tsy arahinao ny lalàna mifehy ny Univers sy ny fiainana dia toy ny olona mandeha any amin’ny lalana tsy fantatra ianao, inona no hitranga any ?
Andriamanitra dia fitiavana ; tsy mety tezitra, any @ fivoarana ara-panahy anisan’ny ambany kokoa kokoa no misy ny hatezerana sy ny valifaty, ka tsy mety ho toetran’Atra velively izany.
Afaka tsidihinao ity rohy ity hahalalànao bebe kokoa : Izaho mpanjaka mpisorona sy ny asako : http://cyrius.unblog.fr/?p=2624
TOKONY HIFONA VE REHEFA MAHATSAPA FA MELOKA
Hifona @ iza?
Raha diso t@ namanao ianao, mifona aminy hahafaka ny alahelony aminao fa “loza ho an’izay niavian’ny fanafintohinana”ary “ny heloka ibabohana mody rariny”
Dia aza mamerina intsony “mandehana ka aza manota intsony”
Tsarovy fa ny fanahinao no maloto isaky ny misy tsy mety ataonao, andraikitrao tanteraka izany, ka anjaranao ny manadio azy.
Ho an’ireo mihevitra fa mifona @ Andriamanitra fotsiny dia afaka, tsy marina izany, tsy Andriamanitra no mitana anao @ izay nataonao, raha tsy izany dia nadio tsy nisy pentina avokoa ny olona rehetra satria mifona isan’andro na mety ho isan’alahady, tsy ho nisy intsony izany ny aretina sy ny fahafatesana.
MIHEVITRA VE IANAO FA VOAFAFAN’NY RAN’I KRISTY TOKOA NY HADISOANAO?
Ezaka avy aminao no manadio ny fanahinao, tsy nisy olona nofantsihana tamin’ny hazofijaliana hamafa ny fahotan’ny tsirairay izany, raha nisy izany , ho nadio avokoa ny olombelona, tsy nisy intsony ny narary, tsy nisy koa ny maty, ary olo-masina avokoa isika niaina taoriany. Izany ve nefa ny zava-misy ?
Tsarovy ireto teny ireto
“diovy ny fonao, dia hadio ho anao ny zavatra rehetra”, “mandehana ka aza manota intsony”…
Tsy ho lany izay azo ambara @ io fa ho tohizantsika ny fanazavana.
Ny vatana faha-6 ilay antsoina hoe
CORPS BOUDDHIQUE
Eto dia ieto eny ireto zavatra vitsivitsy ireto no misongadina :
- Fahendrena, bouddhi amin’ny teny sanskrit, magie hoy ny hafa, avy amin’ny teny hoe mage na magy.
Fahendrena no nampisy an’izao tontolo izao.
- Kabbale na kabary, tsy ilay lahateny mahazatra io fa ilay tena kabary, teny masina natao hifandraisan’ny olombelona sy Andriamanitra, ny olombelona sy ny hery, ilay teny masina namoronana an’izao tontolo izao sy itantanana an’izao tontolo izao, ilay antsoina hoe mantra, teny masina na hira masina.
Fa ny teny ampiasaina andavanandro natao hifandraisan’ny samy olombelona ihany.
Hoy ny bokin’i Jaona 1 : 1 « Tamin’ny voalohany ny teny, ary ny teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny teny.
Ary izy no nahariana ny zava-drehetra »
« Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho… »
Mantra io teny fitenin’ny anjely voalaza eto io. Afaka mampiasa an’io ianao, manonona na mihaino mantra rehefa manao méditation na mivavaka, na mianatra, na mamaky baiboly na miasa.
Ato misy azonao angatahina amiko rehefa avy mandrotsaka fandraisana anjara kely ianao : Mantra numérologique audio
Ny mampiavaka an’ity mantra ity dia tononina mitovy isa amin’ny isa tandrify azy ao amin’ny Kabbale hebreo ny mantra tsirairay.
Mazava ho azy azy fa mampitombo ny heriny izany.
Efa voasedra io ary maharitra 1h40mn.
Homentsika alha ity porofo iray ity dia hitohy ny fanazavana ao aorian’io.
POROFO IRAY
Mampiasa mantra aho ka na misy olona manelingelina tsy miato aza, na andro na alina, tony hatrany ary vita hatrany ny asa tiako ho vita ary tao anatin’izany koa no nahavitan’ny sarimiaina Planetan’ny dinaozaoro (tsy mora izany hoe olona iray manatontosa sarimiaina maharitra ora iray izany, amina fitaovana tsy ampy, saingy tsy mena-mitaha ny vokatra, ao anatina fanelingelenana sy fiahantsiana sy ny fandrahonana tsy miato, na andro na alina, na ao an-trano na eny an-dalana na any amina toeram-piasana. Tsy mora ny mifehy tena ao anatin’izany, ary aiza ireo tompon’andraikitra misahana ny filaminana, fa efa nanomboka ny taona 2016 ireto olona ireto no nanakorontana ahy tsy andro tsy alina, ary azonao hamarinina izany, ety Tsimbazaza aho mandritry ny ora fiasana ary ho hita manodidina ny arabe manoloana ny parc na eo amin’ny toeran-kafa akaiky manodidina eo eo ireo olona ireo, izay tsy manana asa hatao afa-tsy izay ihany. Tsy misy afaka hilaza ho tsy mandre an’izany fa nomen’Andriamanitra fahefana ny tenanay ka afaka manaparitaka an’izay rehetra renay ho renao koa, na aiza ianao na aiza, ka tokony handray andraikitra sy hanao fanadihadiana miafina momba an’ireo olona ireo amin’izao heloka miharihary izao ny tomponandraikitra tandrify azy. Saika olona akaiky ny tena avokoa ireo ary fianakaviana iray, akaiky ny tena ihany koa no tena mpampirisika an’ireo, fa rehefa tsy rariny dia tsy rariny. Iangaviana ianao mahalala mba hitoroka.
Nohararaotiko holazaina eto izany fa fanabezana sy fanatsarana ny fifampitondrana no anisan’ny tanjon’ity pejy ity. Afaka hanohy ny famakiana ny pejy ihany ianao).
Hitanao moa fa tsy izay ihany no asa vita, misy boky pdf ary horonam-peo fanadihadiana maharitra ora 3.
Ampahana ohatra teo amin’ny fiainan’ny mpanoratra fotsiny iny ilazana fa manana ny heriny ny mantra
Azonao henoina amin’ny fitaovana rehetra io, na radio carte, na finday, na lecteur Mp3, na ordinateur, sns.
Fotoana tsy maintsy ilan’ny tsirairay azy indrindra izao, ka araraoty, takio amin’ny mpanoratra io mantra mp3 io fa ampahany ity entina eto ambany ity.
https://youtu.be/v66m6NyhLVg">https://youtu.be/v66m6NyhLVg/0.jpg" alt="Image de prévisualisation YouTube" />
Efa azonao jifaina koa ny Planetan’ny dinaozaoro voalaza ery ambony izay maharitra 62 mn ary amin’ny teny malagasy, fa bande annonce fotsiny ity (tsindrio dia hosokafan’i youtube.
Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny iny.
Hotohizantsika amin’ny momba ny voninahitra ary ny fanazavana
- Voninahitra, jereo ny sary ery amin’ny farany ambony,.
Fitenintsika matetika ny hoe manome voninahitra, tsia diso ireny fa fanehoana fanajana ireny fanaontsika ireny.
Ny voninahitra tsy omena, fa ananana. Izay manam-panahy no manana ny voninahitra.
An’iza ny voninahitra ? Hitantsika ao anatin’ny baiboly matetika ny hoe « nanarona ny….ny voninahiny », « manerana ny…ny voninahiny ».
Afaka ho hita maso ny voninahitra, tahaka an’izay hitantsika eo amin’ny sary, mety hiendrika hazavana mitambatra io na hiendrika rahona.
Ilay sosona faha-6 amin’ny fanahy, dia ity corps Bouddhique ity no mampiseho ny voninahitra.
Ny Hasina kosa herin’ny Fanahy, fa hiverina amin’ny fanazavana momba ny fanahin’ny fahendena na corps bouddhique isika.
Ity vatana ity izay mifandray @ maso faha3 na 3eme oeil, dia ilay chakra faha 6 atao hoe Ajna. Arak’io anarany io, dia izy no loharanon’ilay atao hoe “clairvoyance “, azo adika tsotra hoe fahitana madio ara-panahy, fahitana zavatra ivelan’ny tontolo voafaritry ny olombelona, fahitana ny any ankoatra, ny lasa sy ny ho avy.
Ao aminy ny fahazavan-tsaina “intelligence spirituel”.
Fanahin’ny fahazavan-tsaina koa izany no azo iantsoana an’ity vatana faha-6 ity
Eto no ahatsapana ny firaisantsika @ tontolo tsisy fetra, ny lalàna mifehy ny fisiaina sy ny firaisana @ tontolo.
Avy aminy no niantsoana an’i Gautama Siddharta hoe Bouddha taty aoriana , bouddha izay avy @ teny Sanskrit hoe buddhi : Hendry, nahazoana ihany koa ny hoe bouddhique.
Fanahin’ny fahendrena ihany koa izany ity vatana ity ary ireo voalaza ireo no toetry ny fahendrena.
Tsy eo ambany fandaharan’ny anjara « Destin » izay manapaka an’izao tontolo izao intsony ny olona mahatsapa sy mahay mampivelatra an’ity vatana ity sy ny tontolony, afaka mibaiko ny anjarany sy mandahatra azy koa izy.
Eto mantsy no ahalalàna ny fitsipika na formule ifehezan’Andriamanitra ny tontolo, izany hoe, raha ordinateur ny tontolo sy ny lalàna mifehy azy, dia Andriamanitra no namorona ny vatabeny ; ny pitsopitsony ao natiny sy ivelany ary ny programa ao anatiny, ny tena kosa, ilay informaticien momba ny réseau, ny soft, ny hardware sy ny karazany.
Rehefa tonga eto amin’ity sehatra ity ianao, dia hitovy fijery amin’Andrimanitra,
Ho fantatrao ny lalàna mifehy ny tenin’Andriamanitra sy ny asany.
Ho fantatrao ihany koa ny tsiambaratelon’ny famoronana sy ny fiforonana ary ny tena tantaran’ity tontolo ity.
Ho afaka hamerina ny hanoratra ny tena genesisy sy hanitsy ny baiboly ianao, ary hahita ny tsy ampy ao.
Tenin’Andriamanitra no niandohan’ny baiboly, saingy tsy misy afaka mandà fa misy asan-tanan’olombelona ao.
Ny testamenta vaovao, efa mazava iny, noforonina tamin’ny andron’ingahy Constantin, amperora romanina.
Ny testamenta taloha, araka ny taratasy navelan’ingahy nehemia dia tsy io tonga aty amintsika io no tena izy, fa nasiany fanamboarana betsaka, na dia tsy voatery hitovy amin’ilay « original » aza.
Ary nanova koa ny fandikanteny sy ny mpandika teny taty aoriana.
Aiza ilay teny baiboly, teny masina sty mbola nisy fanovàna ? Amin’ny teny hebreo tranainy, na mety ho amin’ny teny malagasy mihitsy aza ?
Ingahy Nehemia no Nahita azy farany sy mahalala ny nasiany azy.
Nefa raha tsy hita ilay izy, misy ao anatinao.
Satria ao ilay fahendrena, ao ily fanahin’ny fahendrena mifandray amin’ilay maso fahatelo mahita ny miafina, mahita ny lasa sy ny hoavy, mahita ny any ivelan’ity tontolo hita sy tsapa misy antsika ity.
Anontanio azy, fa izy no fahendrena, hampianatra ny saintsika ny kabbale, izay niofo ho kabary taty aoriana, tsy kabbaliste nefa ny mpikabary, fa mpandahateny mirindra, araky ny voalaza amin’ny sasin-teniny sy ny fialan-tsininy tokoa.
An’Andriandranolava, hono, mantsy ny kabary, fa tsy azy.
Fa ny tena kabary na kabbale, tsy teny natao ifampiresahana amin’olombelona, fa teny, na litera na sary manan-jina, na isa ihany koa, ifampiresahana amin’Andriamanitra na amin’ny hery tsy hita maso.
Ny fahalalana an’ireto voalaza farany ireto no fototry ny kabbale, io no atao hoe fahendrena, izay hampahafantarin’ity vatana faha-6 na fanahy faha-6 ity antsika.
tsy izay mitonon-tena ho kabbaliste nefa no kabbaliste, ny lalàn’Andriamanitra sy ny teniny no fanilon’ny kabbaliste, fa tsy vola na zavatra hafa.
Tsy afaka mandainga, noho izany ny kabbaliste, na miray tsikombakomba handainga, na miray tsikombakomba amin’izay manohitra ny baikon’Andriamanitra.
Tsy maintsy ho ny marina no ambarany.
Kabbaliste ny tena, ary afaka manivana ny marina sy ny tsy manarina satria mahalala ny baiboly sy ny tena lalàn’Andriamanitra.
Aza gaga ianao raha eto amin’ity tranonkala ity, no anazavantsika an’izay tsy mazava ao anatin’ny baiboly sy ny tantara, fa mifaningotra ny tantarantsika sy ny tantaran’ny jiosy, ny teny malagasy sy ny teny hebreo tranainy ary ny teny sanskrity.
Ny fahendrena jiosy, fahendrena tatsinanana, fahendren-drazantsika koa.
Midadasika ny fahendrena, tsy ho lany ny azo soratana momba an’io fa ny amintinako azy ao amin’ny fahendrena no misy ny raiki-pohy, na « formule » momba ny fiforonana sy ny famoronana.
Maro koa ny lahateny milaza momba ny fahendrena ao amin’ny baiboly fa raisintsika aloha ity.
FAHENDRENA VIII :
Izany no antony nivavahako ka nanomezana ahy fahaiza-manavaka. Niantso aho, dia tonga tamiko ny fanahin’ny Fahendrena.
8Naleoko izany toy izay ny tehim-panjakana sy ny seza fiandrianana; zava-poana amiko ny harena, raha mitaha aminy.
9Tsy nampitoviko taminy ny vatosoa sarobidy indrindra, satria ny volamena manontolo eran-tany dia fasika kely ihany eo anatrehany ary ny volafotsy dia fotaka ihany raha manoloana azy.
10Fa tiako noho ny fahasalamana amam-bika ny Fahendrena; ka tapa-kevitra ny hanana azy ho fahazavana aho, satria tsy mba mety lefy ny famirapirany.
11Raha tonga tamiko ny Fahendrena, dia ny soa rehetra koa no niaraka taminy; harena tsy tambo isaina no teny an-tanany.
12Nifaly tamin’ireo soa rehetra ireo aho, satria ny Fahendrena no nitondra azy tamiko; kanefa tsy mbola nahalala aho fa hay izy no renin’izany.
13Izay nianarako tamim-pahatsorana taminy dia tsy mba tazoniko ho ahy irery, fa zaraiko amin’ny hafa; ary tsy mba afeniko ny hareny.
14Rakitra tsy mety ritra ho an’ny olona izy, ka izay mahazo azy dia tonga sakaizan’Andriamanitra fa mankasitraka izay mianatra aminy izy.
15Homen’Andriamanitra ahy anie ny hiteny araka ny hevitra mitombina ary koa ny hanana fisainana mendrika ny fanomezana noraisiko taminy. Fa Izy no mitarika ny Fahendrena sy manoro lalana ny hendry.
16Eo ambany fahefany isika, dia isika sy ny tenintsika ary ny fahatakaran-javatra sy ny haitao isan-karazany.
17Izy no nanome ahy fahalalana ny tena zava-misy marina, ka nampahafantatra ahy ny firafitry ny tontolo sy ny asan’ireo foto-javatra ;
18nampahafantariny ahy ny fizaram-potoana, dia ny fiandohany sy antenantenany ary fiafarany, ny fifandimbiasan’ny fisarahan-taona sy ny fiovan’ny tonontaona,
19ny fitsingerin’ny taona sy ny toeran’ny kintana,
20ny fomban’ny biby sy ny fihetsiky ny bibidia, ny herin’ny fanahy sy ny fisainan’ny olona, ny karazan-java-maniry samihafa sy ny herim-panasitranan’ny fakany.
21Ny zava-miafina sy miharihary dia fantatro avokoa, satria ny Fahendrena mpamorona ny zava-drehetra no nampianatra ahy izany.
22Fa ao amin’ny Fahendrena dia misy fanahy manan-tsaina sy masina, tokana saingy maro sahanina, kinga sy mihetsiketsika, maninteraka sady tsisy pentina, mazava, tsy miova, sakaizan’ny tsara, mailaka,
23mahaleo tena, manao soa, sakaizan’ny olona, hentitra, mahatoky, heni-pahatoniana, mahefa ny zavatra rehetra, miambina ny zavatra rehetra, ary maninteraka ny fanahy rehetra, na ny manan-tsaina, na ny madio na ny faran’izay kinga indrindra.
24Fa ny Fahendrena dia mailaka kokoa noho izay fihetsehana rehetra, ka mamonto ny zava-drehetra sy maninteraka azy noho ny hadiovany.
25Fofonain’ny herin’Andriamanitra izy, famirapiratana mangarangarana apariaky ny voninahitry ny Tompon’izao rehetra izao, ka tsy tafatsofoky ny zava-maloto.
26Taratry ny fahazavana mandrakizay izy, fitaratra tsisy pentina ahitana ny asan’Andriamanitra, ary koa endriky ny hatsaram-pony.
27Na dia irery aza ny Fahendrena, dia mahefa ny zavatra rehetra; na dia tsy miova koa aza izy, dia manavao ny zavatra rehetra. Mamangy ny fanahin’ny olona masina izy, isaky ny taranaka mifandimby, mba hahatonga ireny ho sakaizan’Andriamanitra sy ho mpaminany;
28satria Andriamanitra tsy mba tia afa-tsy izay mifankazatra amin’ny Fahendrena.
29Fa mamiratra noho ny masoandro izy ary manoatra noho ny kintana isan-karazany. Manan-tombo lavitra izy raha mitaha amin’ny fahazavan’ny andro;
30satria dimbiasan’ny alina izany, fa ny Fahendrena kosa tsy mba resin’ny ratsy.
Raha lava ny teny very nysoa, tsy asa fivelomana rahateo ity ka dia hatreo aloha ny amin’iny.
Etsy ambany indray ny mombany fanahy faha-7, izay hahatalanjona anao avokoa ny voalaza ao.
ZANAHARY NA AURAS ATMIQUE
Zanahary, Andriamanitra, Adonai, Adama, Jehovah, Yahweh na Iaveh, Eva, Hova, Rahova
Fa Za (izaho) -Nahary tokoa no dikan’ny hoe Zanahary ; Fantatrao koa ve, fa ny teny hoe Andriamanitra anie ka teny sanskrity roa natambatra : Adi sy Mantra ; Adi, na Adonaï, na Adama, Razamben’ny olombelona ; anaran’i Eva ity Jehovah na iaveh antsoina amin’ny fivavahana ity.
Sosona faha-7 amin,ny fanahy ity.
Izy no ilay antsoin’ny Malagasy hoe : « Atra an-tampon’ny loha », « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha », mifandray @ ilay Chakras faha7 antsoina hoe Sahasrara izay ao an-tampon’ny loha no misy azy.
Ity no vatana ambony indrindra, mamaritra ny fiambonian’ny olombelona, izy no ifandraisantsika akaiky kokoa @ Andriamanitra, ary iraisantsika @ Atra. Io ilay hazavana mampitambatra antsika amin’Andriamanitra sy maha zanak’Andriamanitra antsika,.
Hitantsika ao amin’ny baiboly ohatra ny hoe
: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”,
“Ny ray ato amiko ary izaho ao @ Ray”.
Afaka miteny toy izany ny olona rehetra, ary tsy mety diso izany.
Fa Za (izaho) -Nahary tokoa no dikan’ny hoe Zanahary.
Eto no feno ilay atao hoe : « Ny fanahy no olona ».
Satria eto, ilay fanahy, ilay Andriamanitra ao an-tampon’ny loha no miteny hoe : « Izaho Nahary ».
Tsapa tsara ny fisiany sy ny asany eto.
Misy fiteny toy izany koa any amin’ny testamenta vaovao (mila pejy hafa iny)
Ity vatana na fanahy faha7 ity no ilay ampahan’Andriamanitra “Etincelle Divine” ao amintsika ka ilazan’ny Baiboly ny hoe “Ao amintsika Andriamanitra”.
Eto no ahatsapana ny firaisantsika @ tontolo tsisy fetra, ny maha-iray ny rehetra sy ny lalàna mifehy ny fisiana sy ny firaisana @ tontolo, @ olombelona sy @ Andriamanitra.
Tsarovy manomboka eto fa miara-mandrindra ny tontolo @ Andriamanitra isika @ alalan’io lalàna io.
Izay no maha mpanjakan’ny zavaboaary antsika.
Tsy hafa izany ny olombelona tsirairay fa silak’Andriamanitra avokoa.
Mampitolagaga ny fahalalan’ny Razambentsika an’izany raha nilaza izy fa Ny Razana maty lasan-ko Andriamanitra.
Rehefa tontosa sy tanteraka mantsy ny iraka ampaovina antsika ka madio isika ampy traikefa amin’ny @ fiainana sy ny tontolony dia miverina amin’ilay hazavana tsy manam-petra nipoirany ilay hazavany nindramin’ireo vatana nandritry ny fiainana rehetra maha-olona.
Fantantsika izay ny momba an’iny vatana fahafito tsy hita maso iny izay Zanahary ihany.
Ary ny teny hoe Andriamanitra ?
Fantatrao koa ve, fa ny teny hoe Andriamanitra anie ka teny sanskrity roa natambatra : Adi sy Mantra
Teny manan-jina na teny masina ny atao hoe mantra.
Izany hoe teny manana fahefana,
Miteny ilay namorona an’izao tontolo izao hoe : misia mazava, dia nisy ny mazava, jereo any amin’ny bokin’ny genesisy.
Nisy teny nampiasaina izany tao, notononina, izay hampisy ny mazava no antom-pisiany, izay ilay atao hoe mantra.
Teny manan-kery izany ny ampahany faharoa amin’ity teny hoe Andriamanitra ity.
Dieu primordial, na Énérgie primordial no andikan’ny vahiny ny hoe Adi.
Izy izany no Zanahary voalohany sy Zanahary niandohana, izy no Zanahary lehibe indrindra.
Ny Adi(jereo etsy ambany) kosa teny sanskrity izay tsy hafa fa mitovy dika amin’ny Adonaï amin’ny teny hebreo. miofo ho azy moa ny teny rehefa mandeha ny fotoana, arakaraky ny fanononana azy sy ny fampiasana azy, ka lasa hoe Andriamanitra izy aty aoriana.
Taitra angamba ianao, satria tsy izany no nampianarina antsika.
HEVI-DISO MOMBA AN’ANDRIAMANITRA
Nolazaina tamintsika fa hoe andriana + manitra ny teny hoe andriamanitra, diso avy hatrany izany fa ny teny hoe Andriamanitra no nisy talohan’ny nisian’ny andriana, fitondran’ny zokiolona moa no nisy talohan’ny fitondran’andriana, na fitondram-panjaka.
Ary tamin’izany sy talohan’izany no efa nisy ny teny hoe Andriamanitra.
Anisan’ny voizina ho niandohan’ny andriana ohatra ilay angano momba ny zanak’andriamanitra notan’ny olombelona fady ka io no lasa ndriana voalohany. Jereo eto nefa, fa tsy mbola misy akory ny andriana, dia efa miasa ny teny hoe Andriamanitra.
Noforonina taty aoriana rahateo io dikanteny nampianarina antsika io, vokatr’ilay atao hoe fivavahana politika, izany hoe ny ara-panahy lalaovina hifanaraka amin’ny tanjona tiana antokon’olona hotratrarina, ary tsy dia hita rahateo ireo izay manan-kambara hafa.
porofon’izany ihany koa, tsy nisy na iza na iza afaka nanimbolo an’Andriamanitra, ka afaka hilaza fa manitra andriamanitra.
Raha manitra Andriamanitra, dia ny alika no ho akaiky azy kokoa fa tsy ny olombelona, fa ireny no hahalala azy kokoa amin’ny alalan’ny fofona.
Élément chimique, izany hoe zavatra hita sy tsapa avokoa no mandrafitra ny fofona azafady, ny « corps physique » no misy an’izany, fa adriamanitra fanahy, hazavana faran’izay madio, sy maivana, lavitry ny physique, tsy tsapa ary tsy hay refesina.
Ajanony amin’izay ilay finiavana hanondro ny razantsika ho barbariana, ary aza heverina ho vendrana intsony ny malagasy, fa ny tenintsika izao no ahafahana mamantatra ny zava-miafina indrindra ao amin’ny baiboly.
Adi, na Adonaï, na Adama, Razamben’ny olombelona
Mbola ho gaga ihany nefa ianao raha ilazako hoe Andriamanitra ihany no razamben’ny olombelona ?
Jereo ny voalaza etsy ambony momba ny teny hoe Adi, teny sanskrity izay tsy iza fa ny Adonaï amin’ny teny hebreo ihany, anarana iantsoana an’Andriamanitra ao amin’ny baiboly koa izy io.
Adonaï, izay manome ihany koa ny anaran’i Adama , voalaza fa razamben’ny olombelona, Adam, na Adan, hoy ny fanononan’ny vahiny.
Azonao alàna ny n satria facultatif mihitsy ny n, raha farateny, ada no sisa hitanao, soloy i ny a farany, lasa adi, nefa tsy miova ny dikany.
Mbola azo atao koa ny mandika an’io ho teny malagasy hafa indray, nefa tsy hiova ny dikany.
Voleo ka, adika no ho hitanao, tsy hafa fa Adonaï, Adi, Adama na Adan ihany io, razamben’ny olombelona ihany io.
Misy teny toy izao ao anatin’ny baiboly : « créons des hommes à notre image », « andeha hamorona olombelona mitovy endrika amintsika ».
Image, mitovy endrika, inona izany ? Dika, misy fandikana ao, misy zavatra adika, mba hisian’ny fitoviana.
Ilay adi + ka : adika.
Misy toetran’Andriamanitra izany adika mba haha-olona ny olombelona, tahaka ny fisian’ny dikan’ny ADN na fototarazon’ny ray aman-dreninao sy ny razanao tany aloha ao aminao.
Nisy singa maro ao amintsika izany nadika avy amin’Adriamanitra, ary ilay fanahy no olona sy ny heriny, no voalaza amin’izany.
Hazavana Andriamanitra ary hazavana, hasina, no nadika ao amintsika.
Ireo ilay itovizantsika sy anakaikezantsika an’Andriamanitra.
Tian’ny mpanjaka taloha moa ny hitovy amin’Andriamanitra, na farafahakeliny, hatao hoe zanak’Andriamanitra.
Hany ka namboarina ho toy izany koa ny anarany,
Ny anadahin-dRangita ohatra, Zanahary mihitsy no anarany, ary Ambohijanahary no vohitra nonenany.
Ny Anadahin-dRenin’Andrianampoinimerina, Andrianjafinandriamanitra no anarany.
Ny teny hoe Adi no hazavaintsika eo, fa io no noraisin’ireo voalaza etsy ambony taty aoriana hiantsoana azy sy ny taranany, noho izy io anaran’ny Zanahary.
Tsy atoro an’An’Andrianampoinimerina moa io, ka nataony hoe Ilaidama ny anaran-dRadama I, rehefa natsangany ho zanany.
El Adonaï io no nogasina, jereo ny anaran’i Adama etsy ambony, izay AdonaÏ ihany koa no niofo.
Radama ihany koa anie ny no nandikana ny anaran’i Adama ao amin’ny baiboly malagasy voalohany, izay tarehintsoratra arabo no nanoratana azy.
Ny Ilay izay hita eo aloha, fanagasina ny El, lasa Lay, na Ilay.
Anaran’i Adama mihitsy izany ity Adonaï ity.
Manaiky ianao izao fa Za(izaho)-Nahary mihitsy ny hoe Zanahary, Atma hoy ny teny sanskrity, izay hita amin’ity sosona faha-7 amin’ny fanahy ity.
Na izany aza, hanohy ny fanazavako ihany aho
Anaran’i Eva anie ity Jehovah na iaveh antsoina amin’ny fivavahana ity e
Jehovah hoy ny tsy katolika, tsy misy aloha ny litera j amin’ny hebreo, fa Iaveh ihany koa io rehefa ovana ho i ny j.
Fantatrao ve fa ny ankamaroan’ny anarana hebreo ao amin’ny baiboly, manomboka amin’ny zana-tsoratra avokoa ? Na manomboka amin’ny J, iray nefa ireo rehefa jerena amin’ny anarana hebreo yahou no niofo tamin’ny fanononana.
Toy ny anarana Ra, mpialoha ny anarana malagasy maro, ihany koa ka azo alàna.
Raha alana ary ny Yahou, izay jeho izy eto na Ia(h), dia vah na veh no hita farany.
Araky ny voalaza etsy ambony, azo ovana ny zanatsoratra, fa tsy miova ny hevi-teny.
soloy e, dia hahita isika hoe Eva, soloy O, dia hahita isika hoe ova na hova.
Rahova mihitsy moa no nandikana ny anaran’i Eva tamin’ny baiboly voalohany nisy teto Madagasikara, ary sorabe no nanoratana azy.
Jereo any amin’ny matematika ny hoe ny mahasamihafa ny hoe ova sy ny image, na dika izay hitantsika ery ambony ?
Fanampin’izany, renisoratra iray ihany no eto, v, na w, io izany no litera tokana mandrafitra ny anaran’i Eva’ izay nahazoana ny hoe Jehovah.
Amin’ny litera hebreo nefa, iray ihany koa ny v, w, sy ny f, raha ampiana zanatsoratra -o ny f, dia manome ny fo, na foha izay iray ihany raha tononina.
Fampiasan’ny mpanao hatsaràna izy ity rehefa mamoha hery, na mamoha sikidy, miteny izy aloha hoe foha, foha, foha…, hamohazana ny hery, miampy fitokoana hafa vao mampiasa ny fahaizany amin’izay.
Litera iray F,v, w ihany io, fa ny fanononana sy ny fampiasana azy no nampiofo azy rehefa nandeha ny fotoana.
Iza ary izany no antsoin’ny mpanao hatsaràna rehefa hanao ny raharahany ? Jehovah na IAhweh ve ? Na i Eva ?
Eny no valiny.
Marihina fa tsy voaporofo mihitsy hoe vehivavy i Eva na hoe olona iray avy i Eva sy i Adama.
Ny voaporofo izao dia fiantsoana ranakandria na fiantsoana an’Andriamanitra ny Adama sy Eva.
Izany hoe anaran’i Eva ity Jehovah na Iaveh ampiasaina amin’ny fivavahana ity raha anaran’i Adama ny Adonaï
Amin’ny teny hebreo, ny renisoratra no tena mitondra ny hevi-teny, azo soloina ny zana-tsoratra, nefa tsy miova mihitsy ny hevi-teny,
Azo apetraka na alana koa ny h fa tsy dia manova ny heviny loatra. Ny mahasiah ohatra messie rehefa adika na mehesi.
Ary ireo voalaza ireo no fitsipika hita ao raha tsoahina avy amin’ny kabbale.
Tsy hiresaka grammaire sy ny karazany isika, fa tsy anjarantsika izany.
Raha jerena maika, dia toa anaran’olombelona na Razan’olombelona hatrany no hitantsika eto, anononana ny anaran’Andriamanitra, fa nahoana ?
Valiny tsotra, satria tsy azo notononina ilay tena anaran’Andriamanitra.
Olona 3 ihany teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona no afaka manonona sy mpampiasa an’io anarana io, dia ny Mesia, iza tsy iza fa Toth, « Dieu Ra », na « Dieu soleil » izay i Mosse na mosesy (Moizy), ny faharoa i Davida, mpanjakan’Israely izay i Mosesy ihany no niverina (réincarné), ny fahatelo, ny mpanoratra izay tsy iza fa i Davida ihany koa no niverina (réincarné).
« Fantaro ny tenanao, dia hahalala an’ireo Andriamanitra sy ny Tontolo ianao ». Socrate
Ity vokam-pikarohana ity izay navoaka avy amin’ny hyéroglyphe na kabbale hebreo, tsy hafa fa angamba famenon’nyfandikana Hyéroglyphe ejipsiana nataon’ingahy Jean-François Champollion ihany.
Mitovy amin’ity pejy ity ny lalàna narahina tamin’ny fandikan-teny teto.
FANAMPIM-PANAZAVANA VITSIVITSY
Ny fifandraisana sy ny fifaneraserana indrindra ara-batana dia mampifandray ny fanahin’ny roa tonta ( miaraka @ vatana ihany mantsy io fa tsy hita maso, manodidina ny vatana ka ny ambony indrindra izany hoe ny vatana faha7 no mamono ny faha6 ary vatana faha6 fonosin’ny vatana faha6, ka ny vatana ara-nofo no fonosin’izy rehetra. Mety hahatratra metatra maromaro miala ny vatana ny habeny. Manonja (vibre) io Fanahy io ka miankina @ fivoarana ara-panahy (« évolution spirituel ») ny vaikan’ny onjany (Fréquence)) ka misy ny fifampitan-kery.
Mety hisy araka izany ny hery maloto na madio hifindra aminao avy @ izay mifanerasera aminao ho voarainao, toy izany koa ny avy aminao mankany aminy; miankina @ fivoaranao ra-panhy nefa izany, mora voarainao ny hery madio, raha madio ny fanahinao, mora andarain’ny hery maloto kosa ianao raha mifanohitra @ izany.
Misy oha-pitenenana somary hain-teny manao hoe : “raha ny mpangalatra no mandray Tanana anao, atsipazo toa fatim-biby” io voalaza etsy ambony io ny antony.
Tsarovy fa hery maloto ny aretina, ary mora mandray hery maloto izay mifampikasoka @ marary matetika, indrindra ireo mitsabo @ alan’ny fifampikasohana sy @ alalan’ny herin’ny tenany toy ny mpanotra sy ny mitovy aminy. Misy fiantraikany betsaka @ fiainan’ilay olona izany noho izy mandray ireny hery maloto maro avy marary tsaboiny ireny ka ilana fitandremana sy fanadiovana.
Raha haolotra kafe araky ny fanao ho an’ny tranonkala maro hafa, alefaso Mvola : 0344485763. Voaraiko foana io na anaran’iza na anaran’iza no identifiant voasoratra ao.Tena ilaiko tokoa izao ny fanampianao.
FEHINY
Vatana tsy hita maso ny Fanahy, hazavana misy sosona 7 izy, izy no tena tompon’andraikitra amin’ny fahavelomana sy amin’nizay rehetra ataon’ny tsirairay. Mety maloto ny fanahy ary azo diovina koa.
Misy ny famaritana hafa momba ny fanahy izay ampianarina antsika any amin’ny kilasy famaranana izay milaza fa ny fanahy dia ilay fitaovana entina miahy sns…tsy mifanipaka amin’izany ny voalaza eto fa feno kokoa.
Eo amin’ilay toetra mahaizy azy ny fanahy kosa tsy mitovy, tsy ny hanohitra izay fikarohana vitan’ny hafa teo aloha nefa no antom-pisian’ity voka-pikarohana ity, fa ny tsy fitovian’ny lalana naleha sy ny fomba fiasa ary ny traik’efa.
Anisan’ny nitondra tamin’izany lalana hafa izany ny fandalinan’ny tena ny siansa ara-panahy na siansa momba ny zava-miafina ( » science occulte » ) nanomboka ny taona 2000, ao anatin’izany ny Yoga… sns. Mampitolagaga ny vokatry ny fikarohana rehetra natao, izay tsy ho voalaza eto avokoa. Tsapa tamin’izany fa Anisan’ny lasa lavitra indrindra teo @ fivoarana ara-panahy (évolués spirituellement) ny Razantsika ary tsy lasan-ko vavany ireny fa nampihariny t@ fiainany. Tsy finoana ireny fa fahalalana.
Mandany taona maromaro ny mpikaroka na Malagasy na vahiny ankehitriny hahalalana an’ireny, fiainana iainana andavanandro kosa ireny t@ Razantsika.
Iray amin’ireny ny tenako izay manoratra. Voka-pikarohan’ny tena manokana moa izy ity.
Tsy hafa noho ny hafa nefa fa ny FANAHY izay midika hoe Aura @ teny sanskrity, dia misy @ olona rehetra « ny fanahy no olona »
Samy mahalala azy io izay rehetra mikaroka na gasy na vahiny, izany no mahatonga ny fandikana ny teny sasany nataoko @ teny vahiny.
Tsy mifanipaka @ izay ampianarin’ny baiboly koa nefa, na boky masina hafa.
AVY AIZA ARY NO NAHALALANY AN’IZANY?
nefa vao an-jato taonany vitsy izay no nisian’ny baiboly?
Maro ny valiny izay samy misy mahamarina azy avokoa
Anisan’izany ny fisian’ny mpiavy maro avy @ tany samihafa tonga nonina teto, teo ny jiosy, ny Indiana, indonesiana…….sy ny hafa izay samy nametraka dian-tanana teo @ kolontsaina sy ny tantara avy.
Tsy azo heverina nefa fa mpiavy avy amina foko sy firenena samihafa, nonina t@ toerana samihafa sy nifalavitra mihitsy aza, samy nanana ny teniny sy ny kolontsainy avy no afaka hametraka kolontsaina tokana sy fiteny tokana, fivavahana tokana teto @ ity firenena ity.
Tsarovy fa samy manana ny teniny ny isam-poko any @ firenena Indiana, indonesiana ary misy tsy mifankahazo fiteny mihitsy aza; na dia ny teny iray ihany aza no niandohana tany am-boalohany.
Ny tenintsika nefa iray, hatrany avaratra ka hatrany atsimo, andrefana miatsinanana, tsy mila mpandika teny raha hifampiresaka @ mpiray tanindrazana avy any @ faritra hafa, ny finoana koa tahak’izay ihany.
Ny fivavahana jiosy moa nolovaina avy @ ejipsiana izay nandray avy @ kolontsaina atlant tahaka ny grika ihany koa.
Tsy lavina aloha fa nametraka ny azy izay tonga, fa tsy nanova zavatra betsaka izany, ny azo antoka indrindra, raha ny baiboly sy ny kabbale no arahina dia fahendrena nolovàna tamin’ny Atlanta, mponina tao Atlantida ny kolontsaina sy ny fahendrena malagasy, niparitaka ny mponina teto taty aoriana, ka samy nitondra an’izay voatahiriny avy teto ihany : ny kabbale ; ny bhagavad gîta, sns… Niverina teto ny taranak’ireo avy eo eo fa tsy nanadino ny tany niaviany, ka izay voatahiriny tamin’izay noraisiny avy teto no mba nentiny niverina koa.
Marihina fa efa nilentika I Atlantide ary misy ampahany tafiditra ao amin’ny faritr’Ankaratra hatrany atsimon’i madagasikara, misy fanadihadiana momba an’izany ato fa ity moa no tonga amin’ilay hoe : « Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko, izaho sy ianareo »
Raha miresaka momba an’i Atlantida moa isika dia tsy azo adinoina fa ao ambanin’i vakinankaratra ao koa ny lavenon’i Sodoma sy Gaomora ary ireo tany nipoahan’ny vôlkano niaraka taminy.
Misy porofo hita ao amin’ny baiboly, voaporofon’ny kabbale manamarina an’izany.
Ity pejy ity, rehefa navadika ho boky PDF moa, nahazo ny « prix coup de cœur » avy amin’ny « jury » tamin’ny fifaninanana REL 2021, izay nokarakarain’ny Ministeran’ny fanabeazana, niarahany niasa tamin’ny UNESCO. Ny tanjon’ity fifaninana ity moa ny famoronana tahirin-kevitra azo jerena amin’ny aterineto, ho an’ny mpianatry ny lisea.
Azoko lazaina ho efa dingana izay saingy tsy ampy, tiako ho lasa fandaharam-pianarana ianarana eny amin’ny ambaratonga faharoa na ny anjerimanontolo mihitsy ity, ary tsy misy maharatsy an’izany.
Tsy very mihitsy ianao eo amin’ny fandalinana ny kolontsaina, na ny baiboly, na ny siansa momba ny zava-miafina, raha ity no fototra iaingàna.
Ilaina izany ity.
Hatreo ny masaka azo natolotra, tsidiho matetika ihany fa fary lava vavny tsy lany hamamiana itony.
AFAKA MANDRAY ANAJARA AMIN’IZAO ASA FIKAROHANA MANADRATRA NY KOLONTSAINA MALAGASY IZAO IANAO
NY MAHAZAVA-DEHIBE AN’IZAO ASA FIKAROHANA IZAO
Ity no fototry ny fikarohana rehetra ara-panahy.
Raha handalina ny momba ny siansa ara-panahy ianao, na yoga io na réiki io, na théosophie na sehatra ao anatin’ilay antsoina amin’ny teny mahazatra hoe majika, dia ity fototra ity no tsy hanary anao mihitsy ao anatin’izany, eny na ianao mianatra baiboly koa aza, raha ao aminao ilay atao hoe fahalalahan-tsaina.
Misongadina ao anatin’ity pejy ity ny fototry ny kolontsaina malagasy.
Iombonana amin’ny hafa koa ny kolontsaina malagasy, fa tsy zavatra noforonina fotsiny.
Misy fototra ara-baiboly ihany koa fa tsy fanompoan-tsampy.
Ny andraikitry ny tena ihany koa no asongadin’ny vontoatin’ity pejy ity.
Tompon’andraikitra amin’izay ataonao ianao ary hijinja ny vokatr’izany.
Fanabeazana ho olom-pirenena no tena antom-pisiany
Ity no anisan’ny lalana hahatanteraka an’ilay vosoratra ao amin’ny testamenta vaovao manao hoe : « Ho iray ihany anie izy rehetra »
Voaporofo ato fa iray ihany ny fototra niavian’ny fivavahana rehetra, na kristiana, na silamo, na bodista sy hindoa, na mpifikitra amin’ny nentin-drazana, na finoana hafa.
Iray ihany izany ny razamben’ny olombelona rehetra, arak’ilay ohabolana malagasy manao hoe : « Ny olombelona toy ny ladim-boatavo, ka raha fotorana iray ihany ».
Misongadina eto, ary voaporofo tanteraka fa tena siantifika, nikaroka tokoa ny Ntaolo malagasy, fa tsy olon-dia na mpinoino foana.
…………………….
Manaparitaka ny vokatry ny fikarohako aho, ary mila fanampiana avy any aminao izao fanandratana ny kolontsaina sy ny fomba malagasy izany.
Mpanoratara ko aho ary ny roa amin’ireto aloha ny boky efa naparitaka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Lohateny : « LA LOI DE NUTRITION ASTROLOGIQUE ET HOROSCOPES DES SAISONS »
Rohy ahitana azy : https://www.morebooks.shop/bookprice_offer_6e3cd0f4307712e6a96c8d756c9829d9fc1736d7?locale=fr¤cy=EUR
- Nahazo ny « Prix coup de coeur du jury » ny bokiko iray, NY FANAHY NO OLONA no lohateniny, tamin’ny fifaninanana REL 2021, nokarakarain’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, fiaraha-miasany tamin’ny UNESCO.
- Nivoaka teo amin’ny tsena iraisam-pirenena koa ny boky roa nosoratako, ny iray momba ny volavolan-dalampanorenana ilaina hahasoa an’i Madagasikara.
« La constitution Démocratique Messianique, digne de Madagascar » no lohateniny, ary ny Édition Universitaire Européenne no manaparitaka azy.
Ity rohy ahitanao an’io boky io :
Teny nanoratana ny boky : malagasy sy frantsay
Ny manaparitaka azy : ny Édition Universitaire Européenne
Ny mpanoratra : ny tenako Rakotoson Sediarifara Tanguy Parfait
NY ANDRAIKITRA ANDRASAKO AMINAO
Azonao atao ny mandray anjara mamatsy vola an’izao tetikasa fanandratana sy fizarana ny kolontsaina malagasy ianao.
Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609
Tsy ferana izay harotsakao na be na kely, ny erikerika, hono, ahatondra-drano.
Mila fatsarana ihany koa ity tranonkala ity.
Mitondra fahasoavana ho anao ny fandraisana anjara amin’izany.
Ny fandraisana anjara amin’ny fividianana an’itony vokatra « numérique » itony koa azonao andraisana anjara.
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 5000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io mozika manome hery sy mitondra fitoniana io, 80 mn ny faharetany.
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 3000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io sarimiaina amin’ny teny malagasy io, 60 mn ny faharetany.
Fanampiana lehibe avy aminao koa ny fizaranao an’ity pejy ity.
« Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko izaho sy ianareo », hoy Andrianampoinimerina
L’au Delà
[https://youtu.be/5H5_UR1b-z8]
PEJY HAFA
Momba ny mpanoratra : Izaho mpanjaka mpisorona sy ny asako : http://cyrius.unblog.fr/?p=2624 ;
Ny Mesia : http://cyrius.unblog.fr/?p=2306
TETIKASA HAFA
Ary ny nosy hiandry ny Lalàny , ity ilay lalàna izay atolotro sahady ho lalàmpanorenan’i Madagasikara : http://cyrius.unblog.fr/?p=613
Asaina ianao hitondra ny hevitrao ao anatin’io.
Avy amin’ny référenceur ireto rohy eto ambany ireto.
Référencement gratuit ity ka na inona na inona ao dia isaorana azy ny fanapariahany ny tranonkala.
référencement site web - camera wifi - rencontres hard - Beurette Messenger
rencontres edenflirt - rencontre xflirt - rencontre gratuite - yes messenger
ILAY ANARAN’ANDRIAMANITRA TSY AZO TONONINA

PROFESSION ACTUELLE : Créateur de bandes dessinées
COMPÉTENCES : Créateur de dessins animés ; blogueur
EXPÉRIENCES PROFESSIONNELS : Détoureur sur Photoshop ; Opérateur de saisie ; Correcteur
MES PROJETS : Animer d’autres sites web ; créer des images pour d’autres sites, décrypter la bible en texte et en image. Lier le yoga à la kabbale
MA VIE ANTÉRIEURE : J’étais David, roi d’Israël
La majore partie de votre exposé est constitué (toujours) d’une métissage, non….le mot exacte est qui lui rend vide de sens.
—– Le double étherique (Vatana Aina ou Vie) —–
Le double éthérique est donc le Vatana (physique) ou Aina (vie)?
—– le corps émotionnel —–
—– le corps astral —–
Ce sont deux corps différents? Car si ce n’est pas le cas, vous n’avez cité que 6corps au lieu de 7 dans votre exposé…et je recompte:
-Le double étherique (Vatana Aina ou Vie)
-le corps émotionnel
-le corps astral
-le corps mental
-le corps causal
- le corps bouddhique
-l’Aura christique ou Aura atmique
Oui il y en a bien 7! Ce qui confirme que le corps émotionnel est belle est bien différent du corps astral …
Je vous pris de nous donner, …. un peu plus d’éclaircissement sur ce sujet.
Bien à vous
Merci pour votre commentaire, cette discussion est très important pour les visiteurs.
Pourquoi, parce que beaucoup de gens confondent le corps astral au corps émotionnel, certains confondent aussi le mental et le causal …
Je ne dis pas qui a raison ou qui a eu tord, presque chaque entité spirituelle trouve de différences entre ce qu’il enseignent à ceux qu’enseignement d’autres.
S’agit-il vraiment de différence ? Laissons le temps éclaircir ces zones d’ombres.
Mais sachez bien que le corps émotionnel est sous l’influence solaire, lié au manipur chakra et l’astral sous l’influence de vénus, lié à l’Anahata chakra.
Le premier est exploité dans les arts…martiaux ou autres.
Maintenant à vous d’expliquer, pourquoi le sentiment (de l’astral) est-il interdit pour les moines ?