CAUSE RACIALE, AOKA IZAY
Aoka izay ny fivoizana an’ity Cause Andriana sy tsy Andriana ity fa tsy misy Andriana izany eto. Ny andriana fantatray dia izay nitondra an’ity Firenena ity hatr@ izay ihany, dia RANAVALONA III sy ny teo alohany rehetra.
Ny ankoatr’izay, mahalaza zavatra betsaka i Molière raha ni1aza fa : « La vertu est le premier titre de noblesse »
Averiko eto koa ny tenin’i Kristy manao hoe « Afaka maorona taranak’i Abrahama avy @ ireto vato ireto ny Raiko » . Ny maha zanak’andrianamanitra ny olona, ny fahamarinany, ny herin’Andriamanitra ao aminy no ambony noho ny rà izay mena avokoa ho an’ny olona rehetra
NY FANAHY NO OLONA ARY NY FANAHY no fototry ny fahendrena fa tsy ny rà, ny Fanahy no hoenti-mitondra fa tsy ny rà na ny hambom-po diso toerana. Fanampin’izany; OLO-MARINA no ilaina fa tsy olona mitondra anaran-dray. Aoka tsy hanao ratsy tarehy mangata-bady ka anaran-dray no enti-mangataka.
VALIO FA HAMALY ANAO AHO
Evite les longs discours sur des choses que tu ne comprends pas!!!!!!
Misy antony matoa nisy ny andriana ary nisy ny tsy andriana….
Avy aiza no niandohany??? Satria nisy ady ary nisy ny mpandresy sy ny resy, ary ny fanjakana merina no nandresy satria andriana hendry sy mahay no nitarika azy
Mba hevero hoe maninona ny afrikanina mainty no mahantra foana!!!!!
Tsy maintsy misy ny mpifehy sy fehezina ary rafitra efa nipetraka hatramin izay izany!!! Raha manam-pahendrena dia hajao izany rafitra izany!!!
Je suis un andriana et je suis fier de l etre, et je protege mon sang!!!
Misaotra anao namaly ny hafatra, misy antony marina tokoa ny fisian’ny zavatra rehetra, misy antony koa ny naharava azy.
Mihevitra anao ho mahalala zavatra be kokoa noho ny hafa ianao, fantatrao ary fa rafitra efa tsy misy intsony izany?
Raha rava iny rafitra iny, iza no fototry ny faharavany?
Raha arahinao ny tantara dia ireo andriana nitondra t@ izany fotoana izany ihany no antony. Ho lava raha ho tohizako fa mba vakio ilay « hafatry ny ombiasy anankiray t@ zanany ».
Tsy nisy tsy nodikain’ireo nitondra t@ izany fotoana izany ny anatra napetrany.
Ombiasy avy any atsimo no namela an’iny hafatra iny ary na iza na iza namelany azy, zavatra farafahakeliny tokony ho fantatr’izay mitondra sy tokony hampihariny izany na tsy nomena azy mivantana aza.
Tsarovy fa matoa nisy mpanjanaka nandresy ny Malagasy teto dia satria safidin’ireo miaramila malagasy mihitsy ny hamela ny vahiny hiditra teto.
Tsy faly ny @ nanjanahana ny Firenentsika akory aho raha milaza izany, ireo voalaza etsy ambony koa.
Tsy azony niainana intsony ny zava-nisy, tsy afa-nanohitra nefa ry zareo ka satriny aza nisy an’ireo vazaha niditra mba handrava an’lay rafitra efa lo.
Fiainana tsaratsara kokoa no nantenain-dry zareo t@ izany fa tsy famelana ny vahiny hanjakazaka eto. Mbola diso fanantenana ihany nefa ny Malagasy t@ izany ka hatr@izao.
Tsy vahaolana ny fanovana rafitra raha zohina izany, raha tsy ny toe-tsaina mihitsy no miova ho an’izay mitondra.
Izany no ilazako fa olona manam-panahy no ilaina.
Raha mbola hisisika hanamarina ny hambom-ponao diso toerana ianao dia fanontaniana no apetrako aminao; moa tsy taranak’andriana ve Ralaitokana zanak’Andrianjafy? Tsy ilaina angamba ny mampahatsiahy ny hadalana nataony satria tokony ho fantatrao izany.
Avy aiza moa no niavian’ilay fitenenana hoe : »anadahin-dreny mpamarina an-kady…? » Andrianjafy, Andriana t@ izany fotoana izany saika hamarina an-kady an’Andrianampoinimerina.
« Saika tsy nanana omby am-pahitra isika… » hoy ny vahoaka satria zatra nividy be tsy nefaina Andrianjafy sy ireo zanak’Andriana t@ izany ankoatra an’Andrianampoinimerina izay efa niamboho 200 taona lasa teo ho eo izay.
Tsy ny tsy fahaizany mitondra v eno nanongan’Andriamampandry sy Andriamasinanvalona an-dRazakatsitakatra zokiny? tsy izany ihany koa ve no namonoana an-dRadama II? izay fototry ny fanjanahantany?.
Ny fanahy (Fahendrena) izao no maha Andriana ary na ny baiboly aza manamarina an’izany koa, mba vakio kely ireo toko maromaro noraisiko avy ao @ baiboly ireo.
Mila mitandrina ny FAT sy ireo mpitondra fivavahana mpamorika manohana azy, ary ireo antoko politika isan-karazany, ianareo koa antoko politika fa ny zava-doza atao eto @ firenena dia tsy hahafa-maina azy velively.
TSY HISY TSY HO TANTERAKA IREO VOASORATRA IREO, Sakano, ho an’izay mihevitra ny tenany ho mahery noho Andriamanitra
Fantaro fa i Madagasikara avokoa no voaresaka @ ireo ampahany notsoahako avy @ baiboly ireo.
Tsy teorisiana (théoricien) velively ny mpanoratra na mpanofy antoandro, avy amina fampiharana avokoa ny ampahany betsaka @ izay voalaza eto.
Voavaly eto sahady koa ny hafatra hafa napetrakao, mbola hovaliako izay ho avy fa mazotoa.