ERITRA “CORPS CAUSAL” na Fanahy fahamarinana SY NY LALAN’NY TODY
Ny fanahy faha-5, ny Lalan’ny tody (loi du karma), Eritra, fahaterahana indray (réincarnation), tsifahafatesana mandrakizay (immortalité), fahatanterahana indray, fahafahana, fahatanterahana, fandavan-tena.
Eritra, teny tsy fandre firy raha tsy atao teny verin-droa hoe eritreritra, fisainana izy eto izany, fa raha eritra fotsiny dia midika fa ambony noho ny saina.
Corps Causal hoy ny vahiny.
Hitantsika eto ny fototeny hoe cause izay midika hoe antony. Araka izany mahalala ny antom-pisiantsika sy ny anton’ny olana sy ny sedra rehetra atrehintsika @ fiainana izy.
Vatana madio, “purs” avokoa manomboka eo @ eritra izay afaka mitsara avy hatrany ny zavatra ataontsika na sainintsika . Avy aminy ilay atao hoe feon’ny fieritreretana (conscience morale) izay mitsara ny atao sy sainina.
“Aleo enjehin’ny omby masiaka toy izay enjehin’ny eritreritra”
Tsy misy intsony eto ny kajikajy izay mety ho tombontsoa (interêt), na valiny (contrepartie) avy amin’izay atao. Fitiavana tsisy fetra, tsisy fefy no mibaiko araka ny tenin’ny baiboly manao hoe “izay rehetra ataonareo dia ataovy @ fitiavana”, “aza miandry valiny,araka izay voasoratra ihany koa ao @ Bhagavad Gita (Boky Masina Indiana izay misy dikany @ teny Malagasy nadikan’Atoa Rakotonirainy Joseph:
” Le Seigneur Bienheureux dit: Abandonner les fruits de toute actes”
Miasa fa tsy miandry valiny.
Tsy mipetraka intsony ny tahotra @ endriny rehetra, fa ny rariny sy ny hitsiny no mitsara.
Mitaky ary mitondra fandavan-tena tanteraka ny fivelaran’io vatana io. @maha-FANAHIN’NY FAHAMARINANA AZY dia izydia izy no manampy antsika hahalala ny marina sy handala ny fahamarina izay mitondra fahafahana tanteraka ho antsika, arak’izay voalazan’i Kristy manao hoe “….Ary ny marina no manafaka anareo”
Tsy ho voafatopatotry ny fahalemena rehetra,
Tsy ho voafatotry ny lalan’ny tody,
Tsy mety maty ity eritra ity , izy no mitahiry ny fiainana rehetra nodiavin’ny olona iray nandritra ny fisiany rehetra (fiainana mifandimby) “incarnation et reincarnation”.
Izy ihany koa no ahalalana izay miandry antsika, ny andrasana amintsika (ny andraikitra ankinin’Atra aminao @ ity fiainana ity.
Neken’ny Mesia arak’izany ny fiatrehana sy ny fiainana an’ireo fijaliana rehetra izay efa fantany mialoha fa tsy maintsy hiaretany ary izy mihitsy aza no efa nanoratra an’izany mialoha ao amin’ny bokin’ny salamo.
Manan-tsafidy hatrany nefa isika eo @ fiainana ary azony nialana ireny zava-tsarotra ireny. Fitiavana kosa no nanekeny azy mba hanomezana modely ho antsika, hanaraka ny lalan’ny fahamarinana na inona na inona mety hofahasarotany sy ho vokany. Nekeny ny handeha amin’ny lalan-tsarotra sy be fahavalo fa izay no ahafahany manavotra ny olombelona.
Tsarovy fa vary mangatsiaka miandry anao hatrany ny andraikitra tsy tanterahinao, izay tsy vita @ ity fiainana ity, hitambesatra aminao @ fiainana manaraka “reincarnation” ary mampitombo ny olana hatrehinao.
Tokony ho kivy ary ve isika raha miatrika olana?
Tsia , manamaivana anao ny fiatrehana an’ireny olana mihatra @ntsika ireny.
Tsy misy manery antsika hiatrika an’ireny nefa, safidy ireny, vokatry ny nataontsika tany aloha, tamin’ny fiainana talohan’izao fiainana izao “vie antérieure” sy t@ ity fiainana ity. Safidy ny ho faty sy ho teraka indray, vokatry ny fahalotoan’ny Fanahy, ny adidy sy andraikitra tsy vita sy tsy natao, izay mitambatra ho trosa tsy maintsy haloantsika mandra-pahaloantsika ny variraiventsy farany ka hampadio antsika tanteraka.Io ilay “LALAN’NY TODY “LOI DU KARMA”.
“Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina”.
Mety ho fisedrana fotsiny koa nefa ireny, tsy maintsy sedraina ny volamena, mba iavahany amin’ny hosoka.
Mety ho ireny lalana sarotra, feno sakantsakana ; fidinana sy fiakarana ireny ihany koa no lala-manitsy akaiky indrindra mitondra ny tena any tanjona tian’Andriamanitra hahatongavana. Tody any amin’ny tanjona isika avy eo, mbola lalan’ny tody izany, lalan’ny tody koa ity manaraka ity.
Misy @ntsika ny mihevitra fa mitovy ihany hono ny mangalatra omby iray sy ny mangalatra fanjaitra iray. Marina @ ampahany kely ihany satria samy mandoto ny fanahinao, tsy maintsy manefa kosa nefa ianao, ka ny mangalatra omby iray, manefa omby iray, ny mangalatra fanjaitra iray manefa fanjaitra iray, trosa tsy maintsy haloa izany, mba hampadio antsika avy eo.
Fianarana ny fiainana ka ny fimonomononana sy fanomezana tsiny ny mpahary antsika noho ny zava-mitranga eo @ fiainana dia midika fa tsy mbola ampy traik’efa sy fahalalana ny atao hoe fiainana sy ny tontolony isika, ka tsy maintsy maka traik’efa eto mandrapaha ampy fahalalana antsika, rehefa tsy ampy hahatongavana @ izany ny fiainana rehetra nodiavintsika dia tsy maintsy mbola hateraka indray, haka nofo vaovao hatrany aorian’ny fahatesana (Réincarnation).
Raha fintinina dia ny fahalalana ny anto-pisiantsika, ny fanatanterahana ny adidy aman’andraikitra ary ny fahadiovan’ny Fanahy no mitondra antsika @ FAHATANTERAHANA na “REALISATION”.
Izany ihany koa no manafaka antsika @ LALAN’ NY TODY (“LOI DU KARMA” ) sy mitondra ho @ TSIFAHAFATESANA (“immortalité”) na FIAINANA MANDRAKIZAY (vie eternelle).
Mety hanampy anao ity andinin-teny iray ity izay nalaina tao @ Bhagavad Gita :
Le Seigneur Bienheureux dit: Absence de crainte, purification de l’existence, développement du savoir spirituel, charité, maîtrise de soi, accomplissement des sacrifices, étude des Vedas, austérité et simplicité, non-violence, véracité, absence de colère, renoncement, sérénité, aversion pour la critique, compassion, absence de convoitise, douceur, modestie et ferme détermination, vigueur, pardon, force moral, pureté, absence d’envie et de pureté des honneurs, – telles sont, ô descendant de Bharata, les qualités spirituelles des hommes de vertu, des hommes nés de la nature divine.
Lavinao ve ny fisian’ny lalàn’ny tody sy ny reincarnation?
Moa tsy nandrasan’ny jiosy ve ny fiverenan’I Elia?
Moa tsy voalaza ve fa mbola hiverina ilay olona malaza indrindra ao @ testamenta vaovao ?
Voalazan’ny Baiboly ihany koa fa hahita azy avokoa ny maso rehetra @ fiverenan’ny mesia, eny fa na ireo nandefona azy aza, fantantsika nefa fa efa tsy misy tavela intsony @ izy ireo fa tantara sisa.
Koa @ fomba ahoana no hahitany azy hiverina indray an’arivony taona aty aoriana? Mazava ho azy fa @ alalan’ny fahaterahana indray.
Ny fanahy no maka nofo vaovao fa tsy ilay nofo lasa vovoka akory no mitsangana.
Ny fiverenana eto @ ity tontolo ara-nofo ity dia mitaky fitafiana nofo, fakana nofo vaovao, izany hoe “tsy maintsy hateraka indray”
MANASAZY ARY VE ATRA?
Tsia avy hatrany, ny ny ataontsika ihany no miverina amintsika, ny vesatra entin’ny fanahintsika no mametraka olana amintsika. Tari-dalana hanoroana antsika ny lalana tokony hizorantsika ny ankoatr’izay.
Andriamanitra dia fitiavana ; tsy mety tezitra, any @ fivoarana ara-panahy anisan’ny ambany kokoa kokoa no misy ny hatezerana sy ny valifaty, ka tsy mety ho toetran’Atra velively izany.
TOKONY HIFONA VE REHEFA MAHATSAPA FA MELOKA
Hifona @ iza?
Raha diso t@ namanao ianao, mifona aminy hahafaka ny alahelony aminao fa “loza ho an’izay niavian’ny fanafintohinana”ary “ny heloka ibabohana mody rariny”
Dia aza mamerina intsony “mandehana ka aza manota intsony”
Tsarovy fa ny fanahinao no maloto isaky ny misy tsy mety ataonao, andraikitrao tanteraka izany, ka anjaranao ny manadio azy.
Ho an’ireo mihevitra fa mifona @ Andriamanitra fotsiny dia afaka, tsy marina izany, tsy Andriamanitra no mitana anao @ izay nataonao, raha tsy izany dia nadio tsy nisy pentina avokoa ny olona rehetra satria mifona isan’andro na mety ho isan’alahady, tsy ho nisy intsony izany ny aretina sy ny fahafatesana.
MIHEVITRA VE IANAO FA VOAFAFAN’NY RAN’I KRISTY TOKOA NY HADISOANAO?
Ezaka avy aminao no manadio ny fanahinao, tsy nisy olona nofantsihana tamin’ny hazofijaliana hamafa ny fahotan’ny tsirairay izany, raha nisy izany , ho nadio avokoa ny olombelona, tsy nisy intsony ny narary, tsy nisy koa ny maty, ary olo-masina avokoa isika niaina taoriany. Izany ve nefa ny zava-misy ?
Tsarovy ireto teny ireto
“diovy ny fonao, dia hadio ho anao ny zavatra rehetra”, “mandehana ka aza manota intsony”…
Tsy ho lany izay azo ambara @ io fa ho tohizantsika ny fanazavana.
I suggest adding a « google+ » button for the blog!