Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

8 mars, 2022

IREO SAKAFO MANAMBINA ARAKARAKY NY VINTANA ISAN’ANDRO

Classé dans : — cyrius @ 12:09
Ny fanandroana sy ny sakafo

Ny tononandro sy ny sakafo

Efa voasoratra mialoha ao amin’ny boky voalaza ato ny momba ny rivo-doza sy ny tranga hisy mandritry ny taom-pahavaratra 2022-2023.
Tahaky ny mahazatra dia marina hatrany ny voasoratra.
Tena ilainao io boky misy tari-dalana mahasoa isan’andro mandritry ny taona io.

NY VINTANA SY NY SAKAFO ARY NY FITAHIANA

Voaresaka hatrany hatramin’izay ny amin’ny andro manambina ; ny loko manambina; ny vato manambina.
Tsy be mpahalala nefa ilaina fantarina mihitsy aza ny momba ny sakafo manambina mifanaraka amin’ny vintan’andro tsirairay.
Indro omena anao ny ampahany amin’ireo sakafo manambina anao miaraka amin’ny andro mifanaraka aminy, araho ny lisitra omena anao, ampifanaraho amin’ny tabilao ery ambany izany.
Ho anao hanao fanadinana ato ho ato indrindra no nanoratana an’ity pejy ity.
Ity ny rohy iray misy azy : La loi de nutrition Astrologique et Horoscope des saisons

Satria hiresaka vintana isika dia tsara ho fantatra ireto teny famaritana roa ireto

NY FANANDROANA : Ny fanandroana dia siansa iray mandalina ny hery entin’ny fotoana iray, ny andro sy ny ora araky ny arakaraky ny taratry ny planeta sy ny vintana, mba hitrandrahana sy hampiasana an’izany handrindrana ny fiainana.
NY VINTANA : Ny vintana dia sady ilazana ny hery entin’ireo kintana sy ny antokon-kintana tsirairay no ilazana koa ny tsirairay amin’ireo antokon-kintana 12. Raha ny marina moa hery iray avy amin’Andriamanitra ihany ireo, no sivanin’ny masoandro ary raisin’ireo kintana sy antokon-kintana tsirairay, sivanin’ireo tsirairay avy indray, ka lasa mitondra hery samihafa mifanaraka amin’ny toetran’izy ireo amin’ny fotoana voatokana ho azy tsirairay  avy.

NY HERIN’NY VINTANA AMIN’NY SAKAFO
Raha samy manana ny vintany ny olona tsirairay, manana ny vintana mitondra azy koa ny zavatra hafa, anisan’izany ny sakafo.
Mety hanamora ny asanao sy hitondra soa ho anao ny fahaizana mampifandrindra azy amin’ny fotoana ara-panandroana.
Anisan’ny azo atao hoe sorona ho anao ny fihinana ny sakafo iray amin’ny fotoana mety ho azy.
Fantaro ary ny fotoana efa voatondro mialoha hahatsara ny fihinana an’ireto sakafo entina atao ohatra ho anao ireto.
IREO HANINA TOKONY TOKONY HANINA AMIN’IRETO FOTOANA IRETO
BÉLIER : voanjobory ; voankena
TAUREAU : ny soucril ; ny vodiakoho sy ny vodim-borona ; ny vodihena rehetra.
GÉMEAUX : ny voamaina fanaovana menaka rehetra.
CANCER : ny sakafo mangidy rehetra toy ny salady ; ny laisoa ; ny anamamy ; ny angivy ; ny navet, sns ; ny gana ; ny dokotra ; ny henan-kisoa sy ny sokatra
LION : ny saonjo sy ny raviny ; ny anandrano
VIERGE : Ny trondro
BALANCE: tsaramaso mena ; voatabia, ondry, ny lohan-javatra rehetra,sns.
SCORPION: vomanga ; ny tendan-javatra rehetra
SAGITAIRE : ny mangahazo sy ny ravintoto ; ny henam-bitro.
CAPRICORNE : Ny crustacées rehetra toy ny patsa ; ny orana ; ny foza ; ny foza orana, sns
VERSEAU : ny sakay sy ny épice masiaka isankarazany
POISSONS : ronono ; ny atin-kena, sns

Azo antoka fa manampy anao amin’ny fifidianana ny sakafo anio ireo vokam-pikarohana ara-panandroana kely ireo, ny andro anio 08 marsa 2022 sy ny rahampitso moa mitondra ny zanak’andro adizaoza, izany hoe tsy mahatsara ny fihinanana ravintoto sy mangahazo, miampy an’izay efa voalaza momba azy, indrindra ho anao izay vintana gémeaux.
Mifanohitra amin’izany, mety kokoa, ho an’ny rehetra ny sakafo be menaka sy ny voamaina fanodina hahazoana menaka.

Indro omena anao ireo daty tokony hihinanana an’ireo sakafo manambina ireo.
Mety ho gaga angamba ianao mahita ny vintana miova isaky ny indroa na telo andro, nefa izao tokoa no izy.
Ny Asorontany no vintana mitondra ny volana manomboka ny 29 jona 2022 ka tramin’ny 28 jolay amin’ny 8 ora alina sy 55 minitra.

Tsy ny vintana isam-bolana nefa ireto fa zanakandro no filaza azy na vintan’andro, izany hoe vintana entin’ny planeta volana ireo. Ny volana izay mikisaka isan’nadro ka mahatratra hatrany amin’ny 8 ka hatramin’ny 15° isan’andro ny fikisahany.
Mahavita mandalo ny antokon-kintana 1 izy isaky ny 2 na 3 andro.
3 andro no andalovany ao amin’ny renim-bintana tsirairay, dia ny vintana Alahamady ; Asorontany ; Adimizana, ary Adijady.
2 Andro ihany kosa ny faharetan’ny fandalovany ao amin’ny vintana hafa, izany hoe ny zana-bintana tsirairay.
Notazonina io fanisana ara-pomban-dRazana Malagasy io, na misy mahasamihafa azy kely amin’ny an-dry zareo vahiny aza, ny azy mantsy tsy misy fanavahana ny fotoana andalovan’ny volana ao amin’ny zana-bintana na renivintana tsirairay.
Toy izao ary ny fizaran’izany fihodinan’ny volana izany isan’andro , ka ampifanaraho amin’izany ny fihinanana ny sakafo manambina isan’andro mba hiantsoana ny soa fa tsy ny ratsy.

HO AN’NY VOLANA JOLAY

Ny vintana asorontany no mitondra an’ity volana ity, manomboka ny 29 jiona (2022).

1 juillet Asorontany
2 juillet Asorontany
3 juillet Alahasaty
4 juillet Alahasaty
5 juillet Asombola
6 juillet Asombola
7 juillet Adimizana
8 juillet Adimizana
9 juillet Alakarabo
10 juillet Alakarabo
11 juillet Alakaosy
12 juillet Alakaosy
13 juillet Adijady
14 juillet Adijady
15 juillet Adijady
16 juillet Adalo
17 juillet Adalo
18 juillet Alohotsy
19 juillet Alohotsy
20 juillet Alahamady
21 juillet Alahamady
22 juillet Alahamady
23 juillet Adaoro
24 juillet Adaoro
25 juillet Adizaoza
26 juillet Asorontany
27 juillet Asorontany
28 juillet, hatramin’ny amin’ny 9 ora alina latsaka 5 minitra Asorontany
29 juillet Alahasaty
30 juillet Alahasaty
31 jolay Asombola

NY TOMBONTSOA AZONAO AVY AMIN’ITY LAHATSORATRA ARA-PANANDROANA ITY

- Fantatrao manomboka izao fa tsy ny tsirony ihany no ilàna ny sakafo

- Ankoatry ny lafiny ara-pahasalamana, misy fiantraikany amin’ny vintana ihany koa ny hanina.
- Mety hanova ny tontolom-piainanao anio sy ny fizotry ny asanao mandritry ny andro iray izany, ary mety hisy vokany maharitra tokoa, ka tsara ny mahalala ny momba azy.
- Mety hanova ny vokatry ny fanadinana atrehinao izany, ho tsara sy hahasoa ny tena.
- Mitondra fitahiana ho an’ny mpihinana ireo sakafo ireo amin’ny fotoana voatondro ato ho fihinanana azy.
- Tsy kisendrasendra intsony no ahandroana na ividianana ny laoka anio fa misy tanjona isarihana fanambinana.
- Mihena koa ny fampiasana saina amin’ny fisafidianana an’izay hatao laoka anio.

Hahasoa anao ireo, indrindra raha atambatrao amin’ny fampiasana mantra, ity ambany ity ny video bande annonce dia araho ato ny momba azy.

Image de prévisualisation YouTube

NY SAKAFO FADIN’ANDRO

Misy koa ny sakafo tsy tokony hanina amin’ny fotoana iray.
Fadin’andro na mosavin’andro no ilazana an’izany.
Ny fihinanana azy dia mety hampidi-doza, na hanome vokatra mifanohitra amin’ny soa tokony ho azo.
Efa nivoaka ao anatina boky iray ny momba ny daty rehetra sy ny sakafo tokony ho hanina sy hofadiana mandr’ity taona ity sy ny manaraka ; ny sakafo fady azy.
Koa manasa anao izay liana.
Nisy ny efa nanjifa ary efa lasany ny bokiny.

NY HO HITA AO ANATIN’IO BOKY MOMBA NY FANANDROANA IO

Ny sakafo manambina sy ny fadin’andro amin’ny daty rehetra, mandritry ny taona 2022 sy 2023 no ho hitanao ao.
Tsy izay ihany nefa, fa ny antsipiriany momba ny toetr’andro isam-bolana, ho hitanao ao koa.
Efa mahazatra anao ny momba ny famoahako ny ho fizotran’ny fahavaratra sy ny ho herin’ny rivo-doza isan-taona.
Ao anatin’io boky io no hahitanao an’izany, raha ny momba ny fahavaratra 2022 – 2023.
Voalaza ao koa hoe hihanaka sa ho lefy ny valan’aretina mandritr’io fahavaratra io.
Misy torohevitra ara-panandroana ho anao tantsaha koa ao, fa efa voafaritra mialoha ny fotoana hampihintsana ny ravin-javamaniry tsy mahazaka fanala rehetra.

Boky fampianarana manandro ity,  ka raiso mba hampiharanao ny voasoratra ao anatiny.
Afaka miomana mialoha koa ianao ny amin’ny fotoana hanetsana sy ny amin’ny fandrindrana ny fitantanam-bolanao sy ny fotoanao, ny amin’izany.

Ilaina tokoa arak’izany ity boky ity, fa raha diso fotoana amafazana ianao na diso fotoana amin’ny fitangosana ny vokatra, dia mety hahita fatiantoka.

« FA IANAO DIA TARANAKA VOAFIDY, FANJAKAM-PISORONA »

Tombony ho an’ny firenena ny maha eto Madagasikara ny Mesia, ka aoka ianao hanararaotra.
Tokony hozaraina fotsiny itony boky momba ny kolontsaina malagasy, mahakasika ny fiainam-bahoaka rehetra sy ny fisoronana itony, fa tsy hamidy, mpanjaka mpisorona no nanendren’Andriamanitra ny tena, arak’izay voasoratra ao amin’ny salamo 110, 10 manao hoe : « Efa nianianako izao, ka tsy mba anenenako, mpisorona mandrakizay ianao, araka ny fomban’i Melkizedeka ».
Tsy afaka omena maimaim-poana nefa, raha tsy  vatsian’ny fanjakana vola izao asa izao, fa olona mitondra nofo sy ra ny Mesia, mila misakafo sy mitafy ary manana adidy, toa anao ihany.
Hatreto aloha, ny fanoherana an’Andriamanitra no misongadina amin’ny asan’ny fitondrana.
Ny vintana sy ny sakafo

Boky momba ny fanandroana
Ny vintana sy ny sakafo manambina

Ny vintana sy ny sakafo, misy hery afaka mifameno

Manana fanontaniana ve ianao ?

MP

Facebook : https://www.facebook.com/sediarifaratanguyparfait.rakotoson
LinkedIn : www.linkedin.com/in/tanguy-rakotoson-498b6613b

Afaka manohana an’izao asa fikarohana izao ianao

NY MAHAZAVA-DEHIBE AN’IZAO ASA FIKAROHANA IZAO
Ilain’ny vahoaka izao asa izao, fa tsy misy sehatra tsy mila an’izao fampianarana momba ny fanandroana izao.
Misakafo avokoa ny olona, fa tsy fantany ny lanjan’izay haniny ankoatr’ireo hery entiny.
Miaina ny tsirairay isan’andro, fa ny fahafantarany ny hery entin’ny andro tsirairay, hanova ny fiainany.
Fantatry ny rehetra fa misy ny fizaran-taona, fa tsy hainy ny mamaritra mazava hoe manomboka aiza dia miafara aiza (daty mazava) ny fizaran-taona iray na eo aza ny manampahaizana momba ny toet’andro.
Voalazan’io boky io koa ny zava-hitranga mandritry ny fizaran-taona tsirairay sy ny ho fiantraikan’ny rivo-doza eto Madagasikara.
Vahaolana ho an’ireo voalaza rehetra ireo ity boky ity.
Tsy misy olona tsy mila an’izao voka-pikarohana ara-kolontsaina sy fomban-drazana malagasy ary siantifika izao.
An’hetsiny no efa nandray fahendrena teto ary an-jatony no efa nahazo fahalalana avy amin’ity pejy ity nandritr’izay volana vitsivitsy izay.
Kendreko haparitaka kokoa ho azon’ny Malagasy izaitratra (ny rehetra raha azo atao) ary ity boky misy azy ity, amin’ny alalany tambazotra sosialy.
Efa mivoaka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izy izao.
Momba ny boky

Lohateny : « LA LOI DE NUTRITION ASTROLOGIQUE ET HOROSCOPES DES SAISONS »
Rohy ahitana azy : https://www.morebooks.shop/bookprice_offer_6e3cd0f4307712e6a96c8d756c9829d9fc1736d7?locale=fr&currency=EUR

Teny nanoratana ny boky : malagasy sy frantsay
Ny manaparitaka azy : ny Édition Universitaire Européenne

Ny mpanoratra : ny tenako Rakotoson Sediarifara Tanguy Parfait
Amidy any ivelany io boky io, fa amiko kosa no ividiananao azy raha eto an-toerana, io boky hitanao io ihany no omena anao.
Efa voalaza mialoha ao ny momba ny rivo-doza sy ny tranga hisy mandritry ny taom-pahavaratra 2022-2023.
Tahaky ny mahazatra dia marina hatrany ny voasoratra.
Tena ilainao io boky misy tari-dalana mahasoa isan’andro mandritry ny taona io.
Efa voadika amin’ny tenim-pirenena maromaro ity boky ity izao fa ny fanampin’anarako fotsiny no ataonao fikarohana dia ny momba an’ireo boky ireo no ho hitanao voalohany.

NY ANDRAIKITRA ANDRASAKO AMINAO
Afaka omena anao amin’ny teny malagasy io boky io, mitovy tsy misy valaka amin’io amidy any ivelany io, fa misy fandraisana anjara kely
Azonao atao koa ny mandray anjara mamatsy vola an’izao tetikasa fanandratana sy fizarana ny kolontsaina malagasy ianao.
Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609
Tsy ferana izay harotsakao na be na kely, ny erikerika, hono, ahatondra-drano.
Mila fatsarana ihany koa ity tranonkala ity.
Mitondra fahasoavana ho anao ny fandraisana anjara amin’izany.
Ny fandraisana anjara amin’ny fividianana an’itony vokatra « numérique » itony koa azonao andraisana anjara.
Image de prévisualisation YouTube
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 5000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io mozika manome hery sy mitondra fitoniana io, 80 mn ny faharetany.
Image de prévisualisation YouTube
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 3000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io sarimiaina amin’ny teny malagasy io, 60 mn ny faharetany.

IREO BOKY HAFA EFA NIVOAKA

Nahazo ny  « Prix coup de coeur du jury » ny bokiko iray, NY FANAHY NO OLONA  no lohateniny, tamin’ny fifaninanana REL 2021, nokarakarain’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, fiaraha-miasany tamin’ny UNESCO.
Nivoaka teo amin’ny tsena iraisam-pirenena koa ny boky nosoratako momba ny volavolan-dalampanorenana ilaina hahasoa an’i Madagasikara.
« La constitution Démocratique Messianique, digne de Madagascar » no lohateniny, ary ny Édition Universitaire Européenne no manaparitaka azy.
Ity rohy ahitanao an’io boky io :

http://www.morebooks.shop/bookprice_offer_e8bd40eb42eab2dd74fedf8cba051a1ad2d3981f?locale=fr&currency=EUR

Fanampiana lehibe avy aminao koa ny fizaranao an’ity pejy ity.

« Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko izaho sy ianareo », hoy Andrianampoinimerina

Rohy hafa : Ny fanahy no olona : http://cyrius.unblog.fr/?p=35
Paix au prince lien : http://cyrius.unblog.fr/?p=4182
Ny herin’ny fanahy na hasina : http://cyrius.unblog.fr/?p=1672
Résumé de la future constitution de Madagascar : http://cyrius.unblog.fr/?p=4319
Le Messie ou roi promis : http://cyrius.unblog.fr/?p=500

 

Commentaires désactivés.

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava