MANAM-PANAHY SY TSY MANAM-PANAHY
Ny hoe manana sy tsy manam-panahy : teny fampisan’ny Malagasy ilazana hoe manana be, lasa lavitra, sy ny hoe manana ihany fa kely, na tsy lasa lavitra, toy ny hoe manna-pahaizana izay ilazana olona nandia fianarana lavitra, manam-bola na mpanam-bola, ilazana ny hoe be vola., ary tsy manana no ilazany ny mifanohitra @ izany.
Ny hoe manam-panahy araka izany no ilazany ny olona lasa lavitra @ ara-panahy, miankina @ fivoaran’ny tsirairay ara-panahy mantsy ny habe (“dimension”) n’ny soson’ny aura (“couches auriques) na fanahy tsirairay. Lehibe kokoa izy manomboka @ vatana ambony indrindra « aura divin», na «aura Christique »izay vatana faha7, kely kokoa ny vatana faha6 “aura boddhique”…….ary ny “auras du corps physique”e izay antsoina hoe “double étherique na vatana aina no manify indrindra ho an’ny olona mivoatra ara-panahy (“évolué spirituellement”). MIfanohitra @ izany kosa raha variana @ fankafizana ny fiainana ara-nofo sy voagejan’ireo fahalemena maro toy ny (filana ara-batana tafahoatra, hasiahana, fialonana, fitsiriritana, saina maloto isan-karazany…….) ilay olona.
Mihena eto ny haben’ireo Vatana Fanahy ireo ka mitombo ny hakitrony (densité). Ny ambony indrindra no mihanify indrindra ary ny ambany indrindra izay itovizantsika @ biby no mihamatevina indrindra.
Arak’izany, mety tsy ho hita intsony ireo fanahy 6 hafa izay mampiavaka antsika @ biby ka mahatonga ny filazana isan-karazany manao hoe “mifanahim-biby, tsy manam-panahy”.
Rehefa mihamatevina vokatr’ireo voalaza farany ireo ireo Fanahy, dia voaelingelina ny fikorianan’ny hery, ary voasakantsakana ny fandraisantsika ny hery avy @tra, ka mahatonga antsika hahatsapa fahoriana sy fijaliana, ny olana maro, mahatonga ny aretina isan-karazany…ny fahafatesana.

Alika ity, tsy manam-panahy io, tsy afaka ny hanaja anao. Mitovy amin’ny fifandraisany amin’izy samy alika ihany no andraisany anao. Na tsy afaka hanaja anao aza nefa izy, tsy ho ambony noho ianao izy akory. Ny fanahy no tsy itovizany amin’ny olona manam-panahy.