NY HERIN’NY FANAHY NA NY HASINA
Ny hasina sy ny baiboly, herim-panahy ny hasina, miaro ny hasina, avy min’iza ny hasina ? Ny manan-kasina, manan-kozaraina, ny rà no ifandovana fa tsy ny hasina, ireo olona manan-kasina, ireo sata ara-kolontsaina tsy nisy teto imerina.
Hoy i Andriamanitra tamin’i Abrahama : « Raha misy olo-marina iray ao, dia tsy horavako ny tanàna ».
NY HASINA SY NY BAIBOLY
HOSANA, hoy ny jiosy raha miantso vonjy, hosana izay tsy hafa fa dikan’ny teny hoe hasina.
Hosana, azo alàna ny -na raha handika teny masina hebreo amin’ny teny malagasy.
Hosa no hitanao avy eo.
Ny renisoratra ihany nefa no tena mitondra ny dikanteny, azo soloina ny zanatsoratra, fa tsy miova ny heviny.
HS no renisoratra tavela eo, solointsika ny zanatsoratra
hitanao avy ny tena hoe hasy, hasina.
Moana koa nefa ny H- ka azo alana,
Lasa -S- sisa ilay HS teo, litera sin hebreo.
Sin, izay milaza hery, herim-panahy izany ny hasina
Raha arahinao ireo misy ifamatorany amin’ny mesia ny hasina, satria hasina, matoanteny niavian’ny masina na masy na mesia.
Miantso mpamonjy izy, Mesia moa ny mpamonjy na vosahosotr’Andriamanitra.
Dikanteny avy amin’ny hebreo sy ejipsiana io, avy amin’ny litera telo mhs, izay moana ny h ka azo atao koa hoe ms.
Ny renintsoratra moa no tena mitondra ny dikanteny fa tsy manova ny dikany ny zanatsoratra.
moss, mosse, anaran’i mosesy – Mesia, mahasiah, mpitondra hazavana, mpamonjy, mitovy amin’ny dikan’iretsy roa voalohany ihany.
Genie laharana faha-5 amin’ireo ataon’ny ésotériste hoe 72 génie. Masina ihany koa ny dikany amin’ny teny malagasy, masy, masih, hoy ny arabo.
Jereo fa misy fifandraisana ny hoe mesia sy ny hosana.
Ny iray mpamonjy, ny iray miantso ny mpamonjy.
Ny hasin’ny Mesia, na herin’ny fanahin’ny mesia izany no antsoina hamonjy raha miantso hoe hosana.
Eto no mipetraka ilay hoe « Ny hery tsy mahaleo ny fanahy».
NY HASINA
Teny fandre matetika ny teny hoe Hasina, matetika afangaron’ny besinimaro amin’ny teny hafa io.
INONA ARY NY HASINA ?
Ny hasina dia ny herin’ny fanahy.
Ny Fanahy no ilay hazavana, ary ny Hasina no hery entiny, tahaka ny hazavana, ka ilay hazavana ao anatin’ny takamoa no Fanahy, ary ny tanjak’io, izay samy manana ny azy no atao hoe Hasina.
Hery tsy hita ny hasina, fa tsapa ny heriny. Ny herin’ny fanahy na hasina : http://cyrius.unblog.fr/?p=1672Hery ateraky ny hazavan’ny fanahy.
Samy manana ny heriny io ho an’ny tsirairay fa tsy mitovy.
Arak’izany Andriamanitra no mazava indrindra, izy no manana ny hasina ambony indrindra.
Izy koa no mahery indrindra noho izany.
Aura, hazavana, na fanahy raha adika amin’ny fiteny Malagasy, ary ny herin’io hazavana io no atao hoe Hasina.
Hasina aloha, vao fahefana (hery miafina), fa tsy ny mifamadika amin’izany.
Ny hasina, tsy inona fa herim-panahy, raha adika tsotra, ny hasina no hery ampiasain’ny fanahy hahavitany an’ireo voalaza eo ambony ireo.
Tsy gaga isika raha saro-piaro amin’ny hasiny ny Razantsika teo aloha.
Io Hasina io ihany koa no ampiasain’ny mpitondra fahiny sy ny olom-boafidin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly toa an-dry Davida sy Mosesy hiarovana ny taniny sy ny vahoakany.
Ny hasina araka izany, tsy avy amin’ny ra fa avy amin’ny Fanahy,
Izany hoe, izay manam-panahy no manana ny Hasina.
Nihena ny herin’i Saoly ohatra, rehefa tsy nanaraka intsony ny baikon’Andriamanitra.
Nahazo hery mihoatra ny tanjany ara-batana kosa i Davida, ary afaka namonjy ny vahoakany tamin’ny Pesta sy niaro azy tamin’ny fahavalo manodidina, noho ny fananany Hasina, ka nahafahany nifandray nampiasa an’ilay herin’Andriamanitra ao aminy.
Voaaro kokoa ny vahoaka raha entin’ny olona manam-panahy, izany hoe olona manan-kasina, to an-dry Davida.
Ity Hasina ity ilay fahefana voalaza ao amin’ny Eklesiastika 17 : 3 manao hoe : « Nomeny FAHEFANA arak’izay heriny avy izy ».
Ny fahazavan’ny fanahy kosa no hery voalaza eto.
Raha ampitoviana amin’ny hazavana hita maso isan’andro, izany, raha ny hazavan’ny jiro, izay samy mazava daholo ny fanahy, dia ny tanjany na ny « puissance »- ny no mampiavaka an’ireo, dia toy izany koa ny Hasina ananany.
Izany hoe tsy mitovy ny asa vitany.
Izany hoe miankina amin’ny fahazavan’ny fanahiny, ny hery sy fahefan’ny tsirairay na hasina fa tsy miankina amin’ny ra, tsy miankina amin’ny rainao na ny reninao na ny tantaran-drazanao.
MIARO NY HASINA
Toy ny asan’ny atmosphere izay miaro ny tany sy ny mponina ao aminy amin’ny taratra manimba avy amin’ny masoandro, ny hasina, sady miaro amin’ny hery hafa ivelan’ny tenantsika (attaque extérieur).
Ahafahana miaro ny hafa izy, ahafahana miaro ny firenena ihany koa.
fa « Ny fahamarinana, manandratra ny firenena ».
AVY AMIN’IZA NY HASINA ?
Avy amin’Andriamanitra sy avy aminao ny hasinao
Misy mihevitra fa avy amin’olombelona ny hasina, fiteny ohatra ny hoe tsy manome hasina na manome hasina.
Tsy hasina nefa no tianao holazaina eto fa haja, hajainao, na tsy hajainao ilay olona.
Tsy mampihena na mampitombo ny hasin’ny olona iray ny fanajana sy ny tsy fanajanao azy.
Hery afaka miaro anao nefa ny hasin’ny olona manam-panahy.
Toy ny masoandro nefa io, tsy miangatra, mahazo ny hazavany avokoa ny rehetra.
Safidinao ny hialoka amin’ny zavatra maloka na hihiboka ao amin’ny maizina mba tsy hahazo an’ilay hazavana sy hafanana entiny,
Na hanararaotra an’ilay hazavana sy hafanana.
Fa tsy manana fahefana hampihena na hampitombo an’io ianao.
Raha tsy hainao na tsy tianao ny manaja, satria tsy ampy fahendrena ianao, tsy mazava saina ianao, tsy ampy ilay fahazavana ao anatinao sy ny heriny. Tsy dia manan-kasina loatra ianao izany.
Izany hoe tsy manana fahefana amin’ny hafa ianao fa miankina amin’ny hasina ny fahefana.
Tsy afaka hampitombo ny hasin’ny hafa koa ianao arak’izany, satria tsy manana hozaraina.
Ny manan-kasina kosa, mana-kozaraina
Izany no mahatonga ny olona mitady fanampiana amin’ny olona manan-kasina toy an’ireo mpisorona ao amin’ny baiboly na ireo ombiasy, hirary azy manao hoe : « Masìna ianao… », izany hoe mitomboa hasina ianao.
Hita ao amin’ny tantara koa ny firariana ataon’ny mpanjaka rehefa amin’ny andron’ny alahamady be, na fiandohan’ny volana alahamady (bélier), manao hoe : « Hitombo hasina anie aho, Andriamanitra, Andriananahary ».
Rabiby (Habib) ohatra tsy taranak’andriana, fa hovalahy, vahiny, fa nanam-pahendrena, nanam-pahaizana tamin’ny fanandroana ny anao lahy.
Nampiaiky volana ny ambanilanitra ny fahaizany sy ny fahendreny.
Izy hatrany no mahita ny volana voalohany, fantatra avy amin’ny kajy mialoha io.
Fantantsika ohatra ity oha-pitenenana ity : « Mahita ny volana alohan’i Habib », izay niofo ka lasa hoe : « Mahita ny volana alohan’ny biby »,
Olona mpandainga no tondroina amin’io, izany hoe i Habib, na Rabiby ihany no tena mahay, mahita ny volana mialoha.
Ombiasy, na olona be hasy, be hasina no ilazana an’ireny olona ireny.
Azo ialokalofana moa ny hasina.
Mba hanamafy an’izany, nangatahin’ny vahoakan’Amohidrabiby ho mpanjaka Rabiby, ka izay no nahatonga azy ho mpanjakan’Ambohidrabiby.
NY RÀ NO IFANDOVANA FA TSY NY HASINA
Tsy avy amin’ny rà ny hasina noho izany ary tsy lova avy amin’ny razana, ny ra izay aty amin’ny lentam-pivoarana ambany indrindra amin’ny maha-olona, ny fanahy moa no maha-olona, ka ny double étherique na vatana aina, izay mbola itovizantsika amin’ny biby no mifandray amin’ny rà, ka tsy azo ireharehana velively.
Mena ny ran’ny biby, mena ny ran’olombelona, izay manana rà tsy mena no asa.
Tsy misy fiamboniana noho izany ao amin’ny rà.
Porofon’izany, tsy ny zanak’i Saoly no notendren’Andriamanitra hanjaka handimby azy fa i Davida.
Tsy taranak’andriana koa ingahy Rabiby mpanjakan’Ambohitrabiby, fa ny hasiny, izany hoe ny fahendreny ny herim-panahiny no nilain’ny vahoaka hiaro azy, ka nangatahiny ho mpanjakany izy.
Porofo fahatelo tsy ny rà no maha andriana, fa ny fanahy, hoy indrindra i hagamainty manondro an’ireo mpanjaka, nitondra teo aloha, tamin’Andrianampoinimerina : «Taloha, nanjaka hova ny tany».
Teny nataon’i hagamainty tamin’Andrianampoinimerina koa ny hoe : « Raha tsy amin’ny manjaka hova ka hakan’ialahy hetra avokoa, manomboka amin’ny mangahazo noho miakatra, ka hatramin’ny andevo noho midina …». Izany hoe mpanjaka mihinam-bahoaka, tsy manan-kasina, mitovy lanja amin’ny olona rehetra ihany, hova izany fa tsy andriana.
Ny fanahy izany no mitondra ny hasina, fa tsy ny fahefanao na ny fahefan’ny rainao aman-drazanao.
Izany hoe tsy nanam-panahy ireo andriana teo alohan’Andrianampoinimerina, nanjakazaka tokoa ireo tamin’ny vahoaka.
Tsy fanahin’andriana izany, olona tsy manam-panahy, tsy manan-kasina, tsy miaro fa manimba, ka nahavaky vava ny vahoaka nanao hoe : « Saika tsy nanana omby am-pahitra isika ».
Mpisoloky izany izay rehetra misora-tena ho andriana, ankoatry ny mesia voatendrin’Andriamanitra, sa hosedraintsika ?
Fomba fanaon’Iladama mihitsy io, ary manana sedra azo ampanaovina azy ireo tsara isika.
Mila fanitsiana, noho izany ny fitantarana sy ny régie ataon’ny mpanao gazety , izay tompon’ny fanadihadiana, alohan’ny fampitàna.
Anisany ireto manaraka ireto.
IREO OLONA MANAN-KASINA
Raha mbola manam-panahy aloha ianao, manan-kasina izany.
Tsy mitovy nefa ny hasin’ny tsirairay,
Ao ny manan-kery entina hitsabo,
Ao ny manan-kery hamantatra ny lasa sy ny ho avy?
Ao ny mpamantatra ny zava-miafina sy nafenina, sns.
Fa ny Manan-kasina tiana holazaina manokana eto, araky ny voalaza etsy ambony, dia ireto.
Ny olom-boafidin’Andriamanitra no nataon’Andriamanitra ho lahimatoa, izy no manana ny hasina ambony indrindra.
Tsy voafetra ny hery azony entina hamonjena ny firenena, izay no maha-mpamonjy azy.
Manana fahefana koa izy hibaikoana ny herin’ny natiora, na rivo-doza io, na volkano, na horohoron-tany, na zavatra hafa.
Ny mesia no tiana ambara eto, ny mpanjaka mpisorona, izay tsy iza fa ilay mpanjaka mpisoron’Israely fahiny, i Davida mpanjaka ihany no niverina. Izy aho.
Raha ny baiboly mantsy no jerena, dia ireo mpisorona no anisan’ny olona manan-kasina voalohany tany.
Ny mpanjaka no faharoa, izay ahitsin’ireo mpisorona raha diso.
Ialohavan’ny teny hoe MasÌna ianao, ny resaka atao aminy.
Teto kosa, nanan-kasina na tsy mitovy amin’ny an’ny mesia aza ny ombiasy, toa an-dry Ranakombe, ao amin’ny angano. Misy ifandraisany amin’ny tantaran-dry zareo jiosy ity Ranakombe ity, satria i Arona ihany rehefa alalinina.
Teo koa ny mpanandro hafa toa an-dry Rabiby, Sy ireo mpanandro sy mpanao hatsarana fahiny ; ireo mpitana sampy izay tsy misy intsony moa satria novonoin-dRanavalona II ary nodorany ny sampiny, mpisoloky sisa, mpanjana-tsaina raha misy mipoitra.
teo ihany koa ireo andriana nanjaka sasany, toa an’Andrianampoinimerina.
Tsy ny mpanjaka rehetra nefa no nanan-kasina, satria nanjaka hova ny tany, andriana nihinam-bahoaka no maro teto, afa-tsy Andrianampoinimerina.
Teny foana sisa nefa ny hoe hasina fa fanajana vokatry ny tahotra no nomen’ny vahoaka azy ireny.
« Akoho miarahaba voay e, tsy fanajana fa tahotra ».
IREO SATA ARA-KOLONTSAINA TSY NISY TETO IMERINA
Tsy nisy mpitondra ara-drazana teto amin’ny faritanin’Antananarivo, hatramin’ny fanjanahantany no mankaty.
Tsy nisy teto anivon-tany sy teto madagasikara ny statut toy ny hoe : mpitana hasina, satria tsy zavatra tazonina ny hasina.
Tsynisy ary tsy misy eto Imerina koa ny atao hoe ampanjaka, taorian’ny nionganan’ny fitondrana mpanjaka, ary tsy nanangana isika satria kolontsaina tsy nisy teto koa izany.
Tsy nisy teto koa ny tangalamena.
Mpandalina fomban-drazana ihany no misy. Anisany ny tenako, ary olona manana ny hasiko manokana koa nefa, fa tsy lova moa izy ity.
Ireo ampanjaka tany amin’ny faritra ivelan’ny faritanin’Antananarivo ihany moa no naverina tamin’ny toerany, na tsy nokitihin’ny frantsay tamin’ny toerany.
Tsy toy izany ny teto, ary Andrianampoinimerina, izay tsy niteraka no fara-andriana, araka ny voalaza momba ny tantarany.
Tsy nisy teto amin’ny faritanin’Antananarivo koe ny hoe mpiandry tranobe, toy ny any amin’ny faritra hafa.
« Sécurités sy gardiens » no mpiandry tranobe sy tranokely aty, niandry ny tranon’olon-tsotra, miandry orinasa sy tranobe toy ny Carlton, niandry ny rovan’i Manjakamiadana koa, ary niditra am-ponja rehefa may ny rova.
Mazava ho azy, misy ny ratsy tarehy mangata-bady ka anaran-dRay no entina, anaran-dRain’olona aza ny an’ny sasany.
RIRININ-DASA TSAROANA ; FAHAVARATRA LASA, TADIDY
Fahavaratra sy ririnin-dasa tsaroana
Samy mahatsiaro isika, fa efa nolazaiko mialoha fa ny 07 novambra 2018 no hiantomboka ity fahavaratra ity( fahavaratra 2018-2019), ary izay koa no hitan’ny météo nony avy eo.
Efa nilaza mialoha koa ny tenako, na tsy teto aza, fa tsy hisy rivo-doza handalo eto amin’ity fahavaratra madiva ho tapitra ity fa ny tondra-drano no hisy.
Miara-mahita isika fa tsy nisy niditra teto ny rivo-doza, ary maro koa ny faritra tondra-drano na tsy maro aza ny isan’ny orana latsaka.
Ny rivo-doza tamin’ny taon-dasa moa, efa nolazaiko mialoha, na tsy nosoratako aza, fa hanara-tsisiny ary hivoaka avy eo.
Nanaraka ny sisin-tany tokoa ilay rivo-doza niditra avy any amin’ny ranomasimbe indiana ary nivoaka tany amin’ny ranomasimbe indiana ihany.
Tsy maintsy avoaka ny marina, raha tsy izany, mpisoloky hatrany no hamitaka vahoaka,
Tsaroantsika koa ny Cyclone Enawo tamin’ny 2017, nampoizina tokoa ny fandalovany teto Antananarivo ny andron’ny 08 marsa.
Rehefa nasain’i Cyrius, ny tenako, nitony izy, tampoka tokoa ny fivoahany, ary nahita lalam-poza handehanana any Antsirabe, ary nandeha haingana namonjy ny morondranomasina nony avy eo, ary lasa, tsy nimpody.
Teo koa ny rivo-doza Batsiray (febroary 2022 ; Freddy, février 2023 ) izay navilin’ny tena tsy handalo teto Antananarivo sy ny faritra Atsinanana, azo avily tsy handalo ny nosintsika ireny ary arakaraky ny halavitany amin’ny sisin-tany no manamora ny fandisoana ny lalany efa voatondro.
Afaka mandray risika manatona ny sisin-tany sy miandriaka ny tena hamily an’ireny rivo-doza ireny.
Ilàna finiavana avy amin’ny fanjakana kosa izany, kely noho izay lany amin’ny famonjena tra-boina avy eo ny ho lany amin’izany, ary ho voaaro ny aim-bahoaka sy ny fananany.
Tsy mila famonoana omby izany fa herim-panahy dia ampy, mila fitaovam-pitaterana haingam-pandeha sy afaka anaraha-maso ny rahona manodidina ny faritra misy ny rivo-doza ihany koa.
Ny rahona fotsiny mantsy no aparitaka amin’ity fahefana ananan’ny tena ity, dia mihamalefaka na mivily lalana ny rivo-doza.
Efa fanaoko io rehefa ilaiko, na tsy rivo-doza aza no noroahiko tamin’izany.
Hamaly an’ity fahavononana ity ny fitondrana mijoro raha tena mitsinjo ny tombontsoam-bahoaka sy ny ho avin’ny firenena.
Vonona hamaly ny antsonao koa nefa aho, na firenena vahiny aza ianao, ka mila ny fanampiako.
Efa rivo-doza ihany moa ny resaka ka aleo hitohy,
Tsaroantsika tsara ilay horohorontany tamin’ny 2017.
Nihorohoro tokoa ny tany, ary nivonona ny handrava zavatra betsaka tokoa, saika hitatra hatrany amin’ny fipoahana volkano aza angamba izy iny, fa rehefa nasain’ny tenanay nijanona izy, nijanona.
Tsy misy afaka milaza ho tsy mahalala an’izany izay nifoha tamin’iny alina iny, na ny marenina aza, raha tsy efa vonona hanohitra fotsiny befahatany.
Matetika , rehefa avy ny orana, angatahiko izy hitsahatra rehefa maika aho, ary lazaiko aminy tokoa fa Zanak’Andriamanitra aho, mitsahatra izy avy eo, na avy fa tsy eny amin’ny lalana alehako. Fanaoko izany teo anelanelan’ny 2010 sy 2012.
Ny antony hilazako an’ireo, satria voafehiko tsara ny fahalalana ara-panahy, ary Zanak’Andriamanitra aho, lahimatoa ary ato amiko ny hasina, eny ny tena, Cyrius ilay mpanjaka mpisorona voalazan’ny baiboly, izay tsy iza fa i Davida mpanjakan’Israely ihany no niverina.
Tsy azo afenina ny marina, ary tsy azo lalovam-potsiny ny tena, raha raharaham-pirenena no resahina.
Ataoko, fa voahitsin’ireo, izay mieritreritra zavatra tsy mifanaraka amin’izay voatendrin’Andriamanitra, ho an’izay hikiribiby, moa, ..
Hitantsika tokoa ary fa mbola fahavaratra isika izao, ireny fa nilatsaka indray ny orana ny 20 sy 21 mey 2019 teo.
Cyrius moa tsy afaka mandainga, tsy maintsy voamarina amin’ny lafiny rehetra, na ara-baiboly na ara-tsiansa, indrindra ara-kajy vao avoaka eto.
Ny olona manan-kasina tsy mamitaka, fa ny fahamarinana no heriny.
Résumé de la future constitution de Madagascar : http://cyrius.unblog.fr/?p=4319
Hoy i Molière hoe : « La Vertu est le premier titre de Noblesse ». Le Messie ou roi promis : http://cyrius.unblog.fr/?p=500
Tsy azo afenina ny marina, ary tsy azo lalovam-potsiny ny tena, raha raharaham-pirenena no resahina.
Ataoko, fa voahitsin’ireo, izay mieritreritre zavatra tsy mifanaraka amin’izay voatendrin’Andriamanitra, ho an’izay hikiribiby, moa, …(Salamo 2, 4 – 7)
Ny antony hilazako an’ireo, satria voafehiko tsara ny fahalalana ara-panahy, ary Zanak’Andriamanitra aho, lahimatoa ary ato amiko ny hasina, eny ny tena, Cyrius ilay mpanjaka mpisorona voalazan’ny baiboly, izay tsy iza fa i Davida mpanjakan’Israely ihany no niverina.
Tsy azo afenina ny marina, ary tsy azo lalovam-potsiny ny tena, raha raharaham-pirenena no resahina.
Ataoko, fa voahitsin’ireo, izay mieritreritre zavatra tsy mifanaraka amin’izay voatendrin’Andriamanitra, ho an’izay hikiribiby, moa, ..
Hitantsika tokoa ary fa mbola fahavaratra isika izao, ireny fa nilatsaka indray ny orana ny 20 sy 21 mey 2019 teo.
Cyrius moa tsy afaka mandainga, tsy maintsy voamarina amin’ny lafiny rehetra, na ara-baiboly na ara-tsiansa, indrindra ara-kajy vao avoaka eto.
Ny olona manan-kasina tsy mamitaka, fa ny fahamarinana no heriny.
Hoy i Molière hoe : « La Vertu est le premier titre de Noblesse ».
Afaka manohana an’izao asa fikarohana izao ianao
NY MAHAZAVA-DEHIBE AN’IZAO ASA FIKAROHANA IZAO
Manazava ny lalan-kalehan’ny firenena ny fahalalan’ny vahoaka ny kolontsainy.
Manitsy ny diso rehetra amin’ny fomba sy kolontsaina nampianarina tany an-tsekoly ity voka-pikarohana ity, ary azo porofina izay voalaza eto.
Manazava koa ity pejy ity fa manana ny hasiny manokana ny olombelona tsirairay.
Mahay mandray anatra ny vahoaka sy ny mpitondra mahalala ny tantara sy ny kolontsainy, fa ny fitondrana feno fahalovana tamin’ny andron’ny fahampanjaka, rava, na tsy ampy hery nanaovana an’izany aza ny vahoaka malagasy, satria tsy ampy tao amin’ireo mpitondra ny atao hoe HASINA.
Mora ialana amin’ny fisolokiana sy ny fitaka ihany koa ny fahalalana ny marina ara-tantara sy ny kolontsain’ny tena.
Mpikaroka momba ny siansa ara-panahy ny tena, ny yoga sy ny fanandroana, ary ny baiboly no isan’ny fototra voalohany nentiko niainga.
Manaparitaka ny vokatry ny fikarohako aho, ary mila fanampiana avy any aminao izao fanandratana ny kolontsaina sy ny fomba malagasy izany.
Mpanoratara ko aho ary ny roa amin’ireto aloha ny boky efa naparitaka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Lohateny : « LA LOI DE NUTRITION ASTROLOGIQUE ET HOROSCOPES DES SAISONS »
Rohy ahitana azy : https://www.morebooks.shop/bookprice_offer_6e3cd0f4307712e6a96c8d756c9829d9fc1736d7?locale=fr¤cy=EUR
- Nahazo ny « Prix coup de coeur du jury » ny bokiko iray, NY FANAHY NO OLONA no lohateniny, tamin’ny fifaninanana REL 2021, nokarakarain’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, fiaraha-miasany tamin’ny UNESCO.
- Nivoaka teo amin’ny tsena iraisam-pirenena koa ny boky roa nosoratako, ny iray momba ny volavolan-dalampanorenana ilaina hahasoa an’i Madagasikara.
« La constitution Démocratique Messianique, digne de Madagascar » no lohateniny, ary ny Édition Universitaire Européenne no manaparitaka azy.
Ity rohy ahitanao an’io boky io :
Teny nanoratana ny boky : malagasy sy frantsay
Ny manaparitaka azy : ny Édition Universitaire Européenne
Ny mpanoratra : ny tenako Rakotoson Sediarifara Tanguy Parfait
NY ANDRAIKITRA ANDRASAKO AMINAO
Azonao atao ny mandray anjara mamatsy vola an’izao tetikasa fanandratana sy fizarana ny kolontsaina malagasy ianao.
Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609
Tsy ferana izay harotsakao na be na kely, ny erikerika, hono, ahatondra-drano.
Mila fatsarana ihany koa ity tranonkala ity.
Mitondra fahasoavana ho anao ny fandraisana anjara amin’izany.
Ny fandraisana anjara amin’ny fividianana an’itony vokatra « numérique » itony koa azonao andraisana anjara.

Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 5000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io mozika manome hery sy mitondra fitoniana io, 80 mn ny faharetany.

Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 3000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io sarimiaina amin’ny teny malagasy io, 60 mn ny faharetany.
Ny fanohizana sy fizarana momba ny tantaran’ni Madagsikara tamin’ny fahagola koa, mila fanamiana avy aminao, fa zon’ny Malagasy ny hahalala ny lasa sy ny tantarany.
Ampahany ihany ny ao anatin’ity bande annonce ity :

Ny hanohizana an’itony fikarohana itony sy ny fizarana azy koa mila fanampiana avy aminao fa zon’ny Malagasy ny hahalala ny tantarany sy ny kolontsainy.
Ny avelo sy ny ambiroa
Nahazo « prix coup de coeur du jury, niaraka tamin’ny boky « Ny fanahy no Olona » tamin’ny fifaninanana REL 2021, nokarakarain’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, niarahany niasa tamin’ny UNESCO sy orinasa iray ity sarimiaina ity :

Eo am-panomanana ny tantara fahinin’i Madagasikara (boky) koa isika izao satria ilay rambon-tany tian’i Madagasikara angatahina dia anisan’i tapak’i Madagasikara ihany raha ny tantara fahiny no arahana araky ny baiboly sy ny kabbale hebreo sy Malagasy ho hitanao ao koa ny TAO-TRANO MALAGASY tranainy indrindra nisy. Ny Audio izao no efa vita.
ato anatin’ity rohy manaraka ity ny bande annonce, afaka manindry ianao dia mazotoa mijery.

Fanampiana lehibe avy aminao koa ny fizaranao an’ity pejy ity.
« Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko izaho sy ianareo », hoy Andrianampoinimerina
- Ny herin’ny fanahy na hasina
Rohy hafa : Ny fanahy no olona : http://cyrius.unblog.fr/?p=35
Paix au prince lien : http://cyrius.unblog.fr/?p=4182
Ny herin’ny fanahy na hasina : http://cyrius.unblog.fr/?p=1672
Résumé de la future constitution de Madagascar : http://cyrius.unblog.fr/?p=4319
Le Messie ou roi promis : http://cyrius.unblog.fr/?p=500
Azo avily ny rivo-doza : http://cyrius.unblog.fr/?p=4344