NY MASON’NY FAHITANA
Maso fahatelo
Mikolokolo ny tsindrimandry » intuition » sy ny fahitana na » vision « .
Mampitombo ny hakingan-tsaina na quotient intellectuel.
FAHEFAN’NY MASON’NY MPAHITA
Tsy vitsy ny olona manana tsindrimandry, mety ho anisany ianao.
Ireo olona manana vintana rano toy ny cancer, scorpion, ary ny poisson.
Matetika ny nofinao no milaza zavatra tena hitranga tokoa, tahaka ny an’i Josefa, zanak’i Jakoba ao amin’ny baiboly.
Misy amin’ny mpianatra koa manofy ny laza adina hitranga any amin’ny fanadinana, nofy izany, hoy ianao.
Manomboka amin’ny fotoana hampiasanao an’ity mason’ny mpahita ity kosa, tadidio tsara izay laza adina izay, ary aza avela ho tsy ho hainao.
Akaiky tokoa izao ny fanadinana, tombony ho anao ny manana an’ity mason’ny mpahita ity.
Nisy mihitsy moa andiana mpanao yoga tao amina foibe fampianarana yoga iray malaza ho mpahita laza adina rehefa akaiky ny fanadinana, tamin’ny fotoan’androny, mora noho ny teknika rehetra fampiasan’ny mpanao yoga moa ity mason’ny mpahita ity.
NAHOANA NO MANANA FAHEFANA NY MASON’NY MPAHITA ?
Manana fahefana izy, satria misy fiantraikany amin’ny saina izay rehetra jinerin’ny tena.
Ny mason’ny mpampiasa azy no tena tompon’ny fahefana, fa mpanampy tosika fotsiny ny mason’ny mpahita.
» voir c’est savoir » na mahita mira mahalala hoy ny fitenenana.
Mibahan-toerana eto ny loko izay manana ny fahefany tokoa, Tsy haka lavitra isika fa misy tokoa ny loko manambina sy tsy manambina, manana ny heriny izany ny loko, ary manaiky an’izany ny mpahay siansa, manaiky izany ny » astrologue « , manaiky izany koa ny biby, ny fiovan’ny lokony ohatra no isarihan’ny voromanidina lahy ny vavy hiaraka amin’ny vanim-potoana fampitomboan-taranaka.
NY MOMBA AN’ITY MASON’NY MPAHITA ITY
Sary nataona mpahay sary (Infographiste) sady mpanao yoga ny mason’ny mpahita.
Mba hahatsotra ny fampiasana azy no nanaovana azy an-tsary.
AHOANA NO HAHAZOANAO NY MASON’NY MPAHITA ?
Rehefa manindry ny rohy ianao dia tafiditra ao amin’ny tranonkalan’i Shutterstock.com, dia ao ianao no manjifa azy.
FAMPIASANA NY MASON’NY MPAHITA
Ny maso ihany no miasa eto ka :
1 – Sokafy ny sary
2 – Makà toerana eo amin’izay ahazoanao aina tsara.
3 – Afantohy eo amin’ny sary ny masonao.
4 – Ny famerimberenanao ny fanazarantena isan’andro no hahazoanao vokatra haingana sy maharitra kokoa.
mason’ny mpahita
Ho an’ny alchimiste moa, ao amin’ny hazavana no misy ny fahefana matanjaka indrindra.
Aoka ary ho fantatrao fa hazavana ny loko.
Natambatra ao amin’ny mason’ny mpahita ny hery hampatanjaka ny saina sy hampivelatra ny don maha-mpahita anao.
Tsy misy ifandarisany mivantana amin’ny lahatsoratra aloha ity dessin animé amin’ny fiteny malagasy ity fa atolotro hotsidihinao fotsiny :