NY MASON’NY MPAHITA
Maso fahatelo
Mikolokolo ny tsindrimandry » intuition » sy ny fahitana na » vision « .
Mampitombo ny hakingan-tsaina na quotient intellectuel.
NY MOMBA AN’ITY MASON’NY MPAHITA ITY
Sary miovaova loko : » gif animé » .
Nataona mpahay sary (Infographiste) sady mpanao yoga ny mason’ny mpahita.
Mba hahatsotra ny fampiasana azy no nanaovana azy an-tsary.
Ny fiovaovan’ny lokony moa natao hanamora ny fifantohana ho an’ny rehetra.
AHOANA NO HAHAZOANAO NY MASON’NY MPAHITA ?
Alefaso amin’ny AIRTEL MONEY na ao amin’ny pejy faire un don, alefaso SMS ny adiresy mailaka-nao, dia homena anao ny mason’ny mpahita.
afindra ity :
a – amin’ny lokony izay tianao
b – amin’ny loko manambina anao
c – amin’ny lokony mifanaraka amin’ny ora sy ny daty nahaterahanao.
Misy fandraisana anjara kely ity tolotra ity.
FAMPIASANA NY MASON’NY MPAHITA
Ny maso ihany no miasa eto ka :
1 – Sokafy ny sary
2 – Makà toerana eo amin’izay ahazoanao aina tsara ka ahafahanao mahita azy tanteraka miaraka amin’ny fiovaovan’ny lokony.
3 – Afantohy eo amin’ny sary ny masonao, jereo tsara ny fiovaovan’ny lokony mandritry ny minitra vitsy.
4 – Ny famerimberenanao ny fanazarantena isan’andro no hahazoanao vokatra haingana sy maharitra kokoa.
NAHOANA NO MANANA FAHEFANA NY MASON’NY MPAHITA ?
Manana fahefana izy, satria misy fiantraikany amin’ny saina izay rehetra jinerin’ny tena.
Ny mason’ny mpampiasa azy no tena tompon’ny fahefana, fa mpanampy tosika fotsiny ny mason’ny mpahita.
» voir c’est savoir » na mahita mira mahalala hoy ny fitenenana.
Mibahan-toerana eto ny loko izay manana ny fahefany tokoa, Tsy haka lavitra isika fa misy tokoa ny loko manambina sy tsy manambina, manana ny heriny izany ny loko, ary manaiky an’izany ny mpahay siansa, manaiky izany ny » astrologue « , manaiky izany koa ny biby, ny fiovan’ny lokony ohatra no isarihan’ny voromanidina lahy ny vavy hiaraka amin’ny vanim-potoana fampitomboan-taranaka.