NY MESIA, MPANJAKA MPISORONA
Tsy maintsy fadiana koa ny manohintohina ny Mesia mpanjaka mpisorona fa manohintohina any firenena sy izao tontolo izao izany.
Raha fampihavanam-pirenena ary no vahaolana hampandroso antsika, dia efa vitan’Andriamanitra mialoha ny drafitra, ary voasoratra ao amin’ny baiboly izany, fa fanatanterahana no sisa hatao, amin’ny alalan’ilay mpanjaka voatendriny, na ny Mesia : Andrian’ny fiadanana, Isaia 9 : 5-7, izay ny tenan’ny mpanoratra.
Ny fanolorana azy ny fahefana no tokony hataon’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena ; sy ny manampahefana isan-tsokajiny ; ny tafika sy ny vahoaka tsotra.
Ilaina ny manova ny lalampanorenana hanatanterahana an’izany, entanina ianao hitsidika ny pejy : la future constitution de Madagascar (pejy amin’ny fiteny malagasy sy teny frantsay).
Fampihavanana izany, ary tena demokratika tokoa.
HAKA FAHEFANA AN-KERINY VE ?
Ny hery, tsy mahaleo ny fanahy.
An’Andriamanitra ny fahefana, ary nomeny an’izay mahazaka azy, dia ilay notendreny hiandry ny ondriny.
Manaiky no anjarantsika.
Nomeny fahefana koa ny tena hahamora ny asa,
holazaintsika etsy ambany ny amin’io.
Mialohan’izany nefa, ilainao angamba ny mahalala fa ny tenako no RUZ9
ao amin’ny www.serasera.org/dinika-forum/politika nanomboka tamin’ny jona 2010.
» Mihainoa ahy ry Nosy, … » Isaia 49, 1
ATOLORY NY FAHEFANA
Omeo ny fahefana, hampanahy ho toy ny teo aloha raha tsy izay ihany no ho anton’ny fampihavanam-pirenena sy ny fikaonan-doha politika isankarazany
« …Efa manana ny mpanjakako aho » Sal : 2, 6
Tsotra ary no hatao,
Mbola velona i
Saoly, dia efa voahosotra handimby azy sahady i Davida (mbola miverina indray izy ankehitriny), izay tsy hafa fa ny mpanoratra ihany, izay voahosotr’Andriamanitra indray hitondra ny firenena.
Azo atao ny mandray ny fahefana raha vao tapitra ny fotoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika, na misy antony hafa hahabanga ny toerana, ho setrin’izay kosa, hotazonina ny demokrasia, ka praiministra no ho filoham-panjakana manaraka ary hofidin’ny vahoaka mivantana.
Tsy misy fiovana ny momba ny rafitra mpanao lalàna, manohy ny asany izy mandrapahatapitry ny fotoam-piasany, havaozina amin’ny alalan’ny fifidianana indray avy eo.
Mialohan’izany kosa nefa,
Ekeo ofisialy fa » Prince de Madagascar » ny tenako, manomboka hatreto, ary tokony hisitraka ny zo sy ny tombontsoa mifandraika amin’izany.
Ary ho Amperoran’i madagasikara avy rehefa tapitra ny mandat-n’ny filoha ankehitriny
Izay no sitrapon’Andriamanitra, ary fantany fa mety.
hitohy,…
Azonao tsindriana ny rohy miloko volondavenona fa pejy manazava an’ireo teny voaloko izany.
ASA HAFA
Olombelona koa ny Mesia, Manan-talenta amin’ny famoronana sarimiaina, efa azonao jifaina ny vokatra : Planetan’ny dinaozaoro, maharitra 61 mn, Vidiny ho an’ny olon-tsotra : Ar 3000 (Mvola : +231344485763)
Ho anao orinasa te hividy ny zo amin’io sarimiaina io koa, io ny laharana..
Pejy facebook Tanguy Production.
Misy version Audio amin’izay format tianao koa ny fanadihadiana momba ny tantaran’Andrianampoinimerina sy ny vintany, misy feon-kira manaingo ny fitantarana , maharitra 41 mn ary milanja 38 Mo e- : mail : shivatanguy@gmail.com ; tél : +261344485763
Tsy mandany fotoana ny mihaino azy, tahaka ny fihainoanao hira eny an-dalana sy amin’ny fotoana rehetra.
Mandraisa anjara ho fanohananao an’izao asa lehibe izao.
Ny teknika ampiasaiko moa no isan’ny hangana indrindra amin’ny famoronana sarimiaina, mila fanohizana kosa ity horonantsary fohy momba ny any ankoatra ity.
L’au Delà
https://youtu.be/5H5_UR1b-z8
Afaka manohana ny asa ianao raha liana ny amin’ny fiainana any ankoatra.
PEJY HAFA
Momba ny mpanoratra : Izaho mpanjaka mpisorona sy ny asako : http://cyrius.unblog.fr/?p=2624 ;
Ny Mesia : http://cyrius.unblog.fr/?p=2306
TETIKASA HAFA
Ary ny nosy hiandry ny Lalàny , ity ilay lalàna izay atolotro sahady ho lalàmpanorenan’i Madagasikara : http://cyrius.unblog.fr/?p=613
Asaina ianao hitondra ny hevitrao ao anatin’io.