NY FANAHY FAHA-4 NA NY SAIN’OLOMBELONA
Fanahy faha-4 ny saina, izy no leviatana, ilay bibilava namitaka an’i Eva, ny kundalini no mandrafitra ny saina.
Sosona fahaefatra ao antin’ny fanahy ny saina
Ny saina no mandray ny hery avy @ ireo vatana atao hoe auras spirituels izay ambony kokoa noho izy ary mampita izany @ ireo vatana hafa ambaniny dia ireo hitantsika eo ambony ireo.Ny saina ihany koa ihany koa no ipoiran’ny hevitra sy tetika, ny hafetsena @ endriny rehetra, ny fandalinana sy ny fikarohana sy ny asa famoronana.
Ny saina no manosika antsika hikaroka sy hanadihady.
Mandeha avokoa ny kajikajy rehetra @ tombontsoa sy fantiantoka @ izay kasaina hatao.
Ny saina izay mifandray amin’ny kundalini, ahitana an’ireo fantson-kery 3 (nadis) : Ida ; pingala ary shushuma, izay matetika asehon’ny mpandalina ny siansa ara-panahy amina kisarina bibilava.
Tsy mahagaga izany, fa izy ihany ilay bibilava namitaka an’i Eva.
Ny saina izay mampiasa hakingan-tsaina lalina ihany ilay bibilava miolikolika atao hoe leviatana.
Rivo-doza ihany koa i Leviatana, arak’izay voalaza’ny baiboly sy hita ao amin’ny Kabbale hebreo.
Ny mpahay fanandroana (astrologue) moa mahalala tsara ny vintana adalo izay vintan’ny rivo-doza.
Ny adalo izay vintan’ny fahaizana sy ny hakingan-taina rahateo ihany koa. Raha aravina, ny saina no nahitan’ny Razambentsika ny hevitra mahomby sy tay mahomby maro, tahaka an’ireo vahaolana 10 000 tsy mahomby ( » 10.000 solutions qui ne marchent pas » ) an’ingahy Thomas Edison sy ilay iray farany nahomby.
Anisan’ireo vatana efatra izay mbola vatana manana ny fahalemeny ny saina ka mety maty, saingy tsy miara-maty @ vatana ara-nofo, samy manohy ny fiainany any @ tontolo sahaza azy avy mandra-pahatonga ny anjarany avy.Ny vatana aina “double éthérique” ohatra mbola mitahiry ny fahazaran’ilay olona maty ka manohy izany hatrany. Matetika isika no mandre olona mitantara ny fisehoan’ny havan’ny efa maty mitady ny zavatra sasany tsy foiny ka tsy nampanarahina azy t@ fandevenana, na mahita azy manao asa tahaka ny fanaony andavanandro. Tsy ilay maty akory iny nitsangana iny ary tsy demony araka ny fiheveran’ny sasany azy koa iny fa ilay vatana aina “double éthérique”.Izany no mahatonga ny fomba fanao handefasana ny zavatra mahazatra azy na tsy foiny manaraka an’ilay maty any am-pandevenana (toaka, vola, fitafiana…)