BATRELAKY MPIJANGAJANGA
FITSARANA AN’I BATRELAKY
Nandroso teny ny andro sy ny volana, niaina tao anaty fitaintainana hatrany ny vahoaka fa nalemy noho ny Filistina ny Sarahelita, asa na misy ifandraisany amin’izany na antony hafa fa tsy tonga ny mpanatitra vatsin-dRadavodo, efa ho roa andro izao, efa lany koa ny vatsiny ka nentin’ny fanahiny nivezivezy tany anaty ala tany ny lehilahy nihaza sakafo.
Ny haza azo tsy mahaleo ny sampona, tsy hanam-potoana hikarakarana an’ireo voromanidina efa azony akory izy fa ity Rasamo nanaitra azy tampoka teny an-dalana.
RASAMO
Tonga hilaza loza amin’ialahy aho, tratra nijangajanga i Batrelaky, nentin’ny fokonolona hotsaraina any an-dapa any.
RADAVODO
Izaho moa no inona amin’izany, angaha izaho vadiny ?
RASAMO
Tsy afa-miala ialahy fa efa nijangajanga taminy, nivadika ny akanjon’ialahy tamin’izay, nivoaka maimaika avy ao an-tranon’i Batrelaky
RADAVODO
Izaho tsy nijangajanaga a, izaho aza voafitany.
RASAMO
Ho voatonona ao daholo ny anarantsika fa raha izaho ialahy manatona an’i Samoela mpahita haingana hahitana an’izay tokony hatao.
RADAVODO
Mbola noana aho izao Rasamo a, hikarakara sakafo aho aloha eo am-pieritreretana an’izany.
RASAMO
Hanenenan’ialahy ny dimy minitra lany iadian-kevitra eto fa mandehana aloha.
Avy any ise mieritreritra.
Natsipin-dRadavodo ny haza dia lasa izy, Rasamo koa lasa nanara-maso ny fandehan-draharaha tany an-dapa.
Efa nanomboka kelikely ny fitsarana vao tonga ny lehilahy.
Nomena fitenenana avokoa izay manan-kambara rehetra, ary nony farany, nandray fanapahan-kevitra samirery i Solo mpanjaka fa hovonoina hotorahana vato karanana i Batrelaky.
Nihoraka avokoa ny mpanatrika teo nandre izany ka tsy nifandrenesana ny feo hoe : « Vonoy, vonoy, vonoy, izao dia izao, izao dia izao, izao dia izao… »
Asa na fotoam-pifaliana izao na ahoana fa velona ny zavamaneno ary arahin’ny dihy batrelaky ao anaty olona ao.
Avy hatrany dia nanatona an’i Jaomatatana zanak’i Solo mpanjaka Rasamo ka izao no nolazainy :
RASAMO
Izao vao ho faty tokoa ialahy ry Jaomatatana, ho faty ialahy.
Ho vitan’ialahy ve ny hijery an’i Batrelaky hotorahana amin’ireo vato karanana ireo ?
Raha maty eo i Batrelaky, maty koa ialahy.
JAOMATATANA
Efa nanapaka Ikaky fa hotorahana vato karanana i Batrelaky, ka inona indray no azo atao eo ?
RASAMO
Fa aiza rangahy ity ny fanajàna ny zon’lombelona ah, i Batrelaky anie tsy azo alatsa-drà e, olona voan’ny angamamy io.
RASAMO
Izao vao ho faty tokoa ialahy ry Jaomatatana, ho faty ialahy, Fa ialahy efa niaraka tamin’io vehivavy io.
Tsy manaiky Rabikaina, fa raha hovonoina i Batrelaky, vonoina koa ny lehilahy rehetra nijangajanga niaraka taminy. Ho faty isika.
JAOMATATANA
Iza moa Rabikaina, mpijangajnga naman’i Batrelaky va ?
RASAMO
Rabikaina ve ? Vehivavy Fototr’olona, Filohan’ny vondron’olona ifotony mpiaro ny zon’ny vehivavy mpijangajanga. Monina eo am-pototr’iroa tendrombohitra taza-maso iroa.
Tsy mandray fanapahan-kevitra raha tsy efa avy namotopototra, maka ambony, maka ambany.
Vadin-dRabala, lehilahy tsy misy fotony, mangalatr’omby sy ondry gaigilahy eto an-dRenivohitra.
Ka hifotitra aty amintsika izao raharaha izao raha tsy mahay isika, ho rava hatramin’ny fotony miaraka amin’izay koa ny fanjakan-dRain’ialahy.
Ho faty koa Radavodo naman’ialahy akaiky sady zaodahin’ialahy vonjimaika, raha tsy izany dia izy no ho mpanjaka handimby an-dRain’ialahy, fa efa nohosoran’i Samoela mpahita ho mpanjaka.
Ny masoko roa no nanatrika an’izany fotoan-dehibe izany.
Manaraka an’izany, raha tsy mena-maso anay ise, mba mena-maso an-dRaoraora vadiny, manambohitry ny tafika, variana manary dia ny Filistina any an’efitra izy amin’izao fotoana izao, mba tsy hahatongavan’ireny aty, ary tena very dia tokoa ireo fa tsy nahita azy ny iraka nalefa hikaroka an-dry zalahy, tsy nisy nahita na ny dian-tongony aza.
Izaho, mpijangajanga, tsy maninona na ho faty aza, Radavodo naka ny anabavin’ise, avelao ho faty any, tsy misy ilàna an’iny, ise nandika ny lalàm-panjakana, efa be no vitan’ise ka mendrika ho faty, mandria am-piadanana lehiroa, fa na izany aza, ny ram-badiny latsaka kosa ve no valisoa homen’ise an-dRaoraora ?
JAOMATATANA
Ka hatao ahoana no fisetra an’ireto vahoaka efa vonona ny hitoraka vato karanana ireto ?
RASAMO
Hisy iraka halefan’i Samoela mpahita eo, aleo andrasana aloha izay holazainy.
JAOMATATANA
Aleo izay no hatao, inoako fa ho faly Ikaky, efa ela no tsy nety nifandray taminy i Samoela Mpahita.
Tamin’izay indrindra no tonga Radavodo, sempotra dia sempotra ka natolotr’i Jaomatatana an-dRainy.
Natolony an’i Solo mpanjaka ny hodi-biby misy ny hafatr’i Samoela, nefa avy dia nosintonin’i Jaomatatana hizahany an’izay voalaza tao, ka izao no novakiany tao.
: « Izay tsy nanota taminareo no hitoraka vato karanana azy voalohany »
Rehefa novakina tamin’ny vahoaka izany dia nihoraka indray izy ireo, horakora-pifaliana, ary samy nanao fialan’ny jiosy ka nony farany tsy nisy olona intsony teo.
I Batrelaky sisa no nilazan–dRadavodo hoe « Mandehana, ka aza manota intsony ».
Dia voavonjy hono i Batrelaky, mpijangajanga malaza tao an-tanàna.
Ampahany amin’ilay tantara angano Radavodo sy Ragôlita, mihoatry ny 14 pejy izy ity raha pdf ary 46 pejy raha EPUB.
Anaran’olona ao amin’ny baiboly avokoa ireo no nogasina
Nosintonina avy ao amin’ny baiboly koa ny tantara no nitarina.
TOY IZAO NY FANAGASIANA SY FANASIANA SIRA AN’IREO ANARAN’OLONA
Davida no Radavodo
Saoly no Solo mpanjaka
Betsabea no navadika ho Batrelaky
Jaonatana no Jaomatatana
Samoela mpaminany no Samoea mpahita
Samsona no Rasamo rehefa nasiana Ra- araky ny fomba malagasy eo alohan’ny anarany.
Oria no Raoraora
I Abigaila no Rabikaina ary i Nabala no Rabala
Script ilàna fiaraha-miasa amina mpamokatra sarimihetsika ity sy amin’ny mpamokatra sy manonta tantara tantara amina haino aman-jery.
Raha hanjifa an’ity tantara ity ianao mpamaky dia manorata aty amiko : shivatanguy@gmail.com.
ASA HAFA
Olombelona koa ny Mesia, Manan-talenta amin’ny famoronana sarimiaina, efa azonao jifaina ny vokatra : Planetan’ny dinaozaoro, maharitra 61 mn, Vidiny ho an’ny olon-tsotra : Ar 3000 (Mvola : +231344485763)
Ho anao orinasa te hividy ny zo amin’io sarimiaina io koa, io ny laharana..
Pejy facebook Tanguy Production.
Misy version Audio amin’izay format tianao koa ny fanadihadiana momba ny tantaran’Andrianampoinimerina sy ny vintany, misy feon-kira manaingo ny fitantarana , maharitra 41 mn ary milanja 38 Mo e- : mail : shivatanguy@gmail.com ; tél : +261344485763
Tsy mandany fotoana ny mihaino azy, tahaka ny fihainoanao hira eny an-dalana sy amin’ny fotoana rehetra.
Mandraisa anjara ho fanohananao an’izao asa lehibe izao.
Ny teknika ampiasaiko moa no isan’ny hangana indrindra amin’ny famoronana sarimiaina, mila fanohizana kosa ity horonantsary fohy momba ny any ankoatra ity.
L’au Delà

Afaka manohana ny asa ianao raha liana ny amin’ny fiainana any ankoatra.
TETIKASA HAFA
Ary ny nosy hiandry ny Lalàny , ity ilay lalàna izay atolotro sahady ho lalàmpanorenan’i Madagasikara : http://cyrius.unblog.fr/?p=613
Asaina ianao hitondra ny hevitrao ao anatin’io.