Ny rivo-doza sy ny fahavaratra 2021-2022

Miantomboka ny fahavaratra ny 05 novmbra 2021 amin’ny 00 ora sy 14mn alina.
Ity ny sarin-danitra ahafahana mamantatra ny tranga hisy mandritr’izany.
Hanao ahoana ny rivo -doza ? Hiparitaka ve ny valan’aretina ? Ilaina ity ka tokony aparitaka
Tapitra ny 06 oktobra ho avy izao ny riririna ary hanomboka eo ny lohataona,izay haharitra iray volana, tsinana eo mantsy ny scorpion
Mety hanorana manomboka ny 20 oktobra, saingy orana manasara-taona izany.
Manomboka ny 05 novambra 2021 amin’ny misasakalina sy 14 mn alina kosa, izay tsinam-bolan’ny sagitaire, ny fahavatra 2021-2022.
Ho hitantsika eto koa ny tsinam-bolana sy fivoaran’ny volana manomboka ny volana oktobra kamandrapahatapitry ny taona 2022.
Lazaiko dieny izao koa fa hiampy iray volana ny fahavaratra 2026-2027, handroa ny verseau ka hatanjaka kokoa ny rivo-doza.
Mila miomana ny amin’izany ny fanjakana sy ny mpiara-miasa rehetra hiatrehana an’izany sy hisorohana ny fanararaotana mety hitranga ao anatin’izany.
Zava-dehibe ity pejy ity fa miankina amin’ny toetr’andro ny fiainan’ny besinimaro, ny famokaran’ny tantsaha, ny fisidinan’ny fiaramanidina sy ny fitaterana an-tanety sns.
Raha tsy mazava ny daty iantombohana sy iafaran’ny fizaran-taona tsirairay dia tsy ho voafaritra mazava koa ny fotoana tokony hamafazana sy hiotazana ary hijinjàna.
Sarotra ny haminavinana ny amin’ny fizotry ny rivo-doza sy ny ho vokany raha tsy fantatra mazava ny daty sy ny ora hiantombohan’ny fahavaratra, ho fahazarana fotsiny ny fiomanana.
Nampitambim-bava ny maro ohatra ny filazan’ny tena mialoha ny zava-dehibe hitranga isaky ny fahavaratra nandritr’izay taona vitsivitsy izay ary tsy ho latsa-danja noho izany ity pejy ity.
HANAO AHOANA NY RIVO-DOZA ?
Ny rivo-doza no isan’ny mitana ny sain’ny besinimaro raha vao milaza hoe fahavaratra, ilaina ny mitandrina, nefa vao mainka tsy hahafa-piry ny rivo-doza.
Na mety hisy rivo-doza ho tafiditra eto aza, dia ho maivana indrindra ny hafainganam-pandehany raha vao tafiditra an-tanety.
Planète lente na miadam-pikisaka indrindra mantsy i « jupiter » sy i « saturne » izay manotrona ny vintana « verseau » ao amin’ny efitranom-bintana faha-8.
I cancer no ascendant, fa tsy ilay tondroin’ny « flèche » eo amin’ny sary.
Erikerika izany no tena ho entin’ny rivo-doza, erikerika mahatondra-drano. Mila arahi-maso akaiky ny « dalle » isankarazany.
Midina ny volana mandritry ny fety, ary maty volana ny taom-baovao, tsy dia fanaovana fety loatra, tsy fivorivoriana.
Fanadiovana na ala faditra no tokony hitodihana mandritr’ireo andro malaza ireo.
Raha azo atao ny tsy mamonjy ny fampisehoana isankarazany dia ny tsy manatrika no mety.
Raha azo atao aza ny manakana an’izany dia atao, mba tsy hanao « Rafotsibe mihinan-kitoza, ny nantenain-kahamandina ny tenda no nampitsovaka ny ankanjonify »
HANAO AHOANA NY VALAN’ARETINA ?
Tsy mandrara anao tsy hitandrina ity pejy ity, vao mainka mampirisika aza, tsy hita ao amin’ny efitranom-bitana misy ny « scorpion » intsony i mercure amin’ity fahavaratra ity, raha hita tao izy nandritry ny fahavaratra 2 teo aloha.
Midika izany fa tsy hahazo laka ny valan’aretina ao anatin’ity fahavaratra ity.
Izay aloha no voalazan’ny filahatry ny kintana, raha tsy hisy indray ny fandikàna ny lalàna mifehy ny « Univers ».
Hatreo aloha ny amin’ny valan’aretina sy ny rivo-doza fa anisan’ny hita misongadina ato koa ny momba ny fitondrana ao anatin’izay fotoana izay, tsy anjarako kosa nefa ny hilaza ny momba an’izany, raha tsy angatahiny amiko, fa ny azo antoka, handroa ny bélier (mahalala ny dikan’io izay mahay fanandroana), hiampy iray volana ny fahavaratra izay tsy hifarana raha tsy ny faran’ny volana aprily 2022, fiandohan’ny fararano.
NY FANANDROANA SY NY ASA ARY NY VAVAKA
Mahaliana anao ve ny hahalala ny fotoana hahatsinana ny volana sy ny feonomanana isam-bolana ? Tsarovy, fa miankina amin’izany ny hahazoana antoka ny amin’ny fotoana tokony hanombohana asa iray na tsia, miankina amin’izany koa ny vavaka tokony hataonao.
Raha mahaliana anao izany, dia zarao aloha ity pejy ity, fa hataontsika vidéo ny ho tohiny.
Tsy fahitantsika koa nefa tena ilainao amin’izao vanim-potoana izao ity Mantra mozika mitondra hery ity.
Ny mantra moa azo ampiasaina amin’ny fotoana rehetra ary manadio ny fanahy koa izy.
ILAINA ITY KA TOKONY HAPARITAKA
Mbola hitohy ity, izay rehetra misehatra amin’ny fifamoivoizana sy mampiasa ny tany eo amin’ny asany, mila an’ity avokoa.
Raha izaho no eo amin’ny toeran’ireo tompon’andraikitra any amin’ny misistera isankarazany, ny primatiora sy ny fiadidiana ny repoblika na sampan’asa mifandray amin’ireo, sy ny fikambanana tsy miafina hafa dia « booste »-ko ity pejy ity mba ho hitan’ny besinimaro ka hanamora ny fandaminany ny asany.
Tsaroan’ireo izay efa nitsidika tsara angamba ity pejy iray nosoratako taona vitsivitsy lasa ity hoe iza no tompon’ny fanandroana malagasy ? Ity koa : oviana no nanomboka ny fahavaratra 2019-2020 ?
Azonao iverenana izay vosasoratra ao dia ivereno ny tantara niseho marina, fa manaraka lalàna voafaritra tsara isika fa tsy miteniteny foana.
Efa voalaza ato koa izay hitranga aorian’ny fiparitahan’ny coronavirus, tsidiho ny pejy : Izaho mpanjaka mpisorona sy ny asako
IREO MPIKAROKA IVELAN’ITY TRANONKALA ITY
Ho fanajàna ny zon’ny mpamorona, tsy hay ny tsy hilaza fa anjarako ny fikarohana sy ny intérprétation, fa ny éphéméride Astrodienst no fitaovana nanampy tamin’ny fijerena ny fipetraky ny kintana tsirairay, ny tranonkala Astroo.com moa no isan’ny manaparitaka azy io, ka tolorana fisaorana.
FITADIAVANA FIARAHA-MIASA
TENA ILANAO AVOKOA NY PEJY ATO, tsy dia hitan’ireo vonona hanohana loatra nefa ity tranonkala ity, ka raha te hanolotra kafe, tahaka an’izay fanao any amin’ny tranonkala hafa ianao, alefaso Mvola : 0344485763 (Alefaso ihany na tsy ny anarako aza no identifiant ao).
Mitady fiarahamiasa amin’ny fitondrana sy ny herivelona rehetra misy koa ny tenanay. Tiako ny hizarana an’ity pejy ity sy ity tranonkala ity ho an’ny valalabemandry rehetra.
Tiako ihany koa ny hanampiana ny tenanay amin’ny fikarohana mbola hatao.
Ilaina izany raha tena fampandrosoana marina no tadiavina.
Indro atolotro koa ny Curriculum Vitae-ko ho an’ireo sehatra mila an’izany.