NY FANJAITRA MAJIKA
4 – Ny famerimberenanao ny fanazarantena isan’andro no hahazoanao vokatra haingana sy maharitra kokoa.
NY FANJAITRA MAJIKA METY AMINAO MANOKANA
Natao ho an’ny daholobe io fanjaitra majika hitantsika eto io, raha ny lokony.
Hanafaingana kokoa ny fahazoanao vokatra amin’ny fanatsarana ny fitadidianao nefa ny fanjaitra majika :
a – amin’ny lokony izay tianao
b – amin’ny loko manambina anao
c – amin’ny lokony mifanaraka amin’ny ora sy ny daty nahaterahanao.
Misy fandraisana anjara kely kosa nefa ity tolotra farany ity.
NAHOANA NO MANANA FAHEFANA NY FAHEFANA NY FANJAITRA MAJIKA ?
Manana fahefana izy, satria misy fiantraikany eo amin’ny atidoha izay rehetra jinerin’ny tena.
Raha mahita faty mahatsiravina matetika ianao, ohatra, tsy hitovy ny fiantraikan’izany amin’ny atidohanao, sy ny hoe ianao zatra mahita voninkazo matetika.
Mibahan-toerana eto ny loko izay manana ny fahefany tokoa, tsy haka lavitra isika fa misy tokoa ny loko manambina sy tsy manambina, manana ny heriny izany ny loko, ary manaiky an’izany ny mpahay siansa, manaiky izany ny » astrologue « , manaiky izany koa ny biby, ary ianao ?
Tsy azo tsinontsinoavina ihany koa ny fahefan’ny endrika, izay anisan’ny trandrahin’ny kabalista, manana hery azony omena anao koa izany ity fanjaitra majika ity.
Ho an’ny alchimiste moa, ao amin’ny hazavana no misy ny fahefana matanjaka indrindra.
Aoka ary ho fantatrao fa hazavana ny loko.
Natambatra ao amin’ny fanjaitra majika ny hery hampatanjaka ny fitadidiana sy hiaro anao amin’ny aretina alzheimer.