Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

  • Accueil
  • > NY FIOMPIANA GANA ETO MADAGASIKARA

4 août, 2022

NY FIOMPIANA GANA ETO MADAGASIKARA

Classé dans : — cyrius @ 9:50
Ny fiompiana gana eto Madagasikara, dia saika hakana atiny matavy

Misy gana manatody lava ve eto Madagasikara ?

Ny gana

Ny gana dia biby fiompy, fahita amin’ny maro eto Madagasikara.
Fihinana izy, azo avadika ho vola, azo ampitomboina koa

Tia milalao izy, ary ny milomano no tena ankafiziny.
Tsy tsara ho azy loatra ny toerana tsy misy rano.

Ny gana sy ny baiboly ary ny fomba malagasy

Vorona tsy misaraka ny rantsany, hany ka voararan’ny lalàn’I Mosesy ny fihinanana azy.
Tsy mbola nisy tantara aloha hatreto nahitana hoe nisy olona nanao sorona gana.
Misy ohabolana Malagasy kosa nefa milaza hoe : « Tsy matahotra ny ho faty vorona ».
Vorona inona ? Mety ho gana ve ity voalaza ho fanalana faditra eto ity ?
Ny vorontsiloza mantsy, vorombe no anarany, ny gisa, vorombazaha.
Fanotrehana ny atodin-gana

Ny vorontsiloza na ny akoho no tena mikotrika ny gana.
Misy lafiratsiny nefa io, satria tsy afaka hikotrika ny atodiny izany ny vorontsiloza sy ny akoho mandritr’izay fotoana izay.
Ny gana koa nefa tsy dia mahafohy loatra.
Vahaolana

Mila mampiasa « Couveuse » ianao rehefa hanakotrika ny atodiny.
Maro karazana ireny, misy mandeha amin’ny herin’aratra ary misy azo ampiasana arina hafa.
Misy koa aza tsy mampiasa an’ireo roa ireo mihitsy.

 Karazana gana

Maro karazana ny gana

Misy ny fakana nofo toy ny gisa ; ny dokotra ; ny sarin-dokotra, ary ny gana fotsy avy any Sina antsoina hoe « Pékin ».
Misy kosa ny gana maro atody na mpanatody lava toy ny « Khaki Campbell » na ny « coureur indien ».

Eto Madagasikara moa tsy misy ireto karazana gana roa ireto, kisendrasendra raha hahita ianao, fa gana safiotra avokoa no misy eto.
Misy karazana dokotra tsy fahita izay koa, misy eto amintsika, tsy misy sanga io ka heverin’ny olona fa gana matetika.
Saika miloko Khaki moa matetika ilay karazany misy hita eto.
Kely vatana io, tsy mihoatry ny 2 kilao.
Misy karazana ganagana dia koa eto saingy vitsy loatra, isan’ireo arovana.

Fiavian’ny gana

Tsy hita loatra eo amin’ny tantara ny fahatongavan’ny gana teto Madagasikara, afaka manome izay manana tahirin-kevitra.
Maro fiaviana nefa ny gana, misy ny gana mpanatody lava, avy any Inde, misy teraka tany Angletera, eraha tsy hilaza afa-tsy ny « Khaki Campbell ».
Misy karazana gana maro koa avyany Frantsa, ary mitondra ny anaran-toerana any, toy ny hoe «Rouen ».
Ny avy any Sina moa efa voalaza ato.
Ny dokotra moa saika avy any amin’ny faritr’I Amerika avokoa.
Tsy tokony ho gaga ianao raha miresaka an’ireo vorona ireo aho, fa voasokajy ho isan’ny gana koa ireto vorombe ireto.

Fomba fiompiana gana

Mora ompiana ny gana raha ataonao ao naty tranony maina sy voadio matetika, ary mafana.
Mila atao tratry ny masoandro tsar any ao anatiny.
Tsara raha akaiky rano ny toerana iompiana azy, raha tsy izany dia mila manamboatra dobokely ianao ataony filomanosana.
Tia misakafo koa ny gana ary ny katsaka sy ny ampombo no anisan’ny tiany indrindra.
Tsy mifidy sakafo nefa izy.
Tsara raha asiana « multivitamins » ny sakfo hanin’ny biby manatody.
Fadio kosa, na izany aza, ny manome zavatra misy lalivay (mofo dipaina na mofo hafa ; ny mangahazo novidiana masaka) ho an’ity biby fiompy iray ity.
Tsy tsara ho azy koa ny lomotra, toy ny fahita eny an-tanimbary sy eny ambody rindrina ireny.

Fomba fitomboan-taranaky ny gana
Biby haingam-pitombo izy satria misy manatody hatramin’ny 20, na mihoatra aza isaky ny manatody.
1 isan’andro no alatsany, fa misy tranga ahitana gana mandatsaka atody 2 ao antin’ny indray andro.

Ny ilana ny gana

Fanao sakafo izy, matsiro dia matsiro ny henany sy ny atodiny.
Afaka mampidi-bola izany ny fiompiana gana.
Biby azo atao namana, toy ny biby fiompy hafa koa izy.

Mikotrika ve ny gana ?

Mikotrika ny gana, saingy izay atody voasaron’ny kibony ihany no mafana.
Tsy haharitra eo am-pikotrehana ihany koa nefa izy.
Tsy atakalony ny fiarahana milalao amin’ireo namany izany.
Couveuse no tsara anotrehana ny atodiny.
Misy couveuse éléctrique namboariko ho anao mahazaka atody 30 eo ho eo.

Afaka mamorona hafa koa.
Tél : 0341491738 na 0332324609
M. Tanguy, eo akaikin’ny sekoly Ahitantsoa Anosibe Ambohibarikely Antananarivo
Ny fivoaran’ny gana

Biby anisan’ny maranin-tsaina ny gana.
Hoy ny mpahay filôzôfia iray hoe : « Ny olombelona dia biby misaina ».
Tsy mitombina intsony nefa izany, satria ny gana dia misaina, afaka miteny koa.
Ny tenako mpiompy gana, ary miteny amin’ny fitenin’ny olombelona ireo.
Tsy misy tsy hain’ireo lazaina izay teny lazain’ny olombelona.
Mahatakatra ny zavatra resahina eo imasony izy.
Hoy ny iray tamin’ireo gana nompiako tamin’ny namany, raha niresaka momba azy ireo aho : « Ary isika izany lazain’i Tanguy izany ah ».

Ny fiaraha-monin’ny gana

Biby tia fiaraha-monina ny gana, mahalana no ahitana gana iray misaraka amin’ny namany.
Miara-mirona rehefa mandeha.
Misy mpitarika koa ireny ary mifampiaro.
Mifananatra sy mifampiteny koa.

Ny gana sy ny vintana

Mitondra ny vintana adijady ny gana, fadio ny mihinana azy amin’ny andro mifanandrify amin’izany.
Ny andro mitondra vintana asorontany kosa no mahasoa ny fihinanana azy indrindra.
Nisy boky efa navoakako mikasika ny daty mazava momba an’izany (Alefaso amin’ny iray amin’ireo laharana etsy ambany ny fandraisana anjara Ar 7000, dia omeko anao ny rohy ahazoana azy).

Ny fomba mahomby indrindra iarovana ny gana sy ny biby hafa

Mila fiarovana ny biby, toy ny gana, indrindra ireo efa mihalany tamingana.
Manampy anao hahafantatra an’izay maharary azy sy tsy ampy aminy ny « feed-back » avy aminy.
Afaka mandray fepetra ianao haingana iana, raha miteny izy hoe mangatsiaka ny ao an-tranony.
Mety hiteny aminao koa izy hoe reraka dia ho fantatrao izay fikarakarana tokony hataonao.
Afaka manome tanana ny amin’izany ny tenanay.

Afaka manohana an’izao asa fikarohana izao ianao

Mety hahasoa olona maro ity pejy ity, mila aparitaka arak’izay tratra.

Mila fatsarana ihany koa ity tranonkala ity.

Tsodrano ho anao ny fandraisana anjara amin’izany.

Itony koa azonao andraisana anjara

Image de prévisualisation YouTube
Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 5000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’nio mozika manome hery sy mitondra fitoniana io, 80 mn ny faharetany.

Image de prévisualisation YouTube

Aloavy amin’ny Mvola 0341491738 na Airtel Money 0332324609 ny Ar 3000, fandraisanao anjara, dia omeko anao ny rohin’io sarimiaina amin’ny teny malagasy io, 60 mn ny faharetany.

Commentaires désactivés.

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava