Ny fiovan’ny toetr’andro ara-panandroana sy ny fahasalamana
Nanomboka ny 20 aprily 2023 teo ny fararano, mbola misy ny orana, satria mbola ao anatin’ny fahavaratra isika.
Kely kokoa noho ny tamin’ireo andro 30 talohan’izao kosa ny orana ho latsaka, hatramin’ny 20 may 2023 ho avy izao.
Niova ny toetr’andro na tsy mbola tapitra aza ny fahavaratra.
Misy ny olona sy ny biby tsy mahazaka an’izany fiovan’ny toetr’andro izany ka aretina no vokany.
Samy manana ny faharetany ireny aretina ireny, ary miankina amin’ny fitsaboana arahina koa ny fahasitranana.
Mampiomana anao sahady nefa aho fa mbola hisy ny fiovan’ny toetr’andro manomboka ny 20 may ho avy izao, satria, ho tapitra eo ny fahavaratra, ary hanomboka amin’io daty io indray ny main-tany.
Aoka tsy ho taitra raha manjonotra ny akoho amam-borona.
Izay manana ny boky voalaza ao antin’ity rohy manaraka ity kosa, dia tsy ho tapohin’ny tranga fa efa afaka niomana hatry ny ela : «Ny sakafo manambina sy ny fizaran-taona ara-panandroana »