NY IVON’NY RIRININA AMIN’ITY TAONA 2023 ITY
Tafiditra ao anatin’ny ririnina isika nanomboka ny 21 may 2023, araka ny efa nambarako mialoha tany amin’ny pejy hafa.
Hita tamin’izany fa ny 21 may tokoa vao nidina be ny mari-pana.
Ny iray volana manaraka ny 17 jolay 2023 amin’ny 09 ora alina sy 33 minitra nefa no tena ivon’ny ririnina.
Ianao mahalala mialoha afaka miomana, fa aza mitovy amin’izay tsy mahalala.
Ho maina avokoa mantsy ny ravin-javamaniry tsy mahazaka hatsiaka fa hilatsaka ny fanala ao mandritr’ireo fotoana voalaza manokana ireo.
Mbola ho hitanao ny fiantraikan’izany ao aorian’ireo daty voasoaratra mialoha ato ireo.
Ny fanandroana moa no siansa nampiasaina hamantarana mialoha an’izany tranga ara-toetr’andro izany.
Voafehin’ny tena tsara mantsy ny momba ny famaritana ny daty tokony ho fantatra sy ny toetr’andro na ny fizaran-taona mitranga ao anatin’izay.
Afaka manoratra amiko raha misy ilaina.
Hitohy ity pejy ity.