NY MAGY DISO LALANA
Misy tokoa ve ny fanajana ny zon’olombelona eto Madagasikara ?
Aiza moa no teraka ny fanarahan-dalàna ?
Fa nanofy ho nahita ny kintany izahay
Azafady ry » mpitondra fanjakana «
Aiza ilay toerana ? Mba lazao anay
Aiza moa izao ilay mpifehy ny firenena ?
Ny lalàna, fa io no hany harena
Sy fanantenan’ny firenentsika
Mba ho tanteraka amin’izay ilay hoe ho sambatra isika
Nivezivezy teny izahay fa tsy nahita
Ireto izao no vatsy anananay sisa
Niharan’ny tsy rariny tetsy sy teroa
Izay nanananay izao ritra avokoa
Izaho koa mba toa anareo
Nandre izany koa aho teo
Mandehana, tadiavinareo magy
Dia mba ilazao, f’izaho koa mba hitsaoka azy
Nahalala ny fitaka ny magy, ka nivily lalana
Raha izy no antenaina, i Paoly hono andrasana
Rahoviana koa izany no hoe ho tan-dalàna ?
Sao izao ary ny hoe tany tsy misy fanjakana ?
Lasa ihany ny aingam-panahy raha mahatsiaro fa haino aman-jery 80 no nakatona nanomboka tamin’ny 2009, noho ny tsy fanarahan-dalàna raha ny filazan’ny fitondrana.
Misy kosa olona tsy mitsahatra manelingelina sy manao fandrahonana; miezaka manala baraka ampahibemaso fiainana olona iray monja sy mandrahona amin’ny fotoana rehetra ary tsy mifidy toerana na ao an-trano ny tena any amina toeram-piasana, na eny an-dalana.
Tsy azo lazaina ho tsy fantatry ny fanjakana sy ny mpitandro ny filaminana izao toe-javatra izao, efa nanomboka tamin’ny taona 2016.
Saika fantatra avokoa ireo olona manao an’io asa ratsy io, ny iray aminy moa , izay tena tsy manan-katao mihitsy, ankoatr’izao, na andro na alina, mankalaza ny anarany mihitsy, ary fantatra tsara, tsy misy miafina ny momba azy, toy izany koa ny vitsivitsy amin’ireo namany.
Raha ny tena tsy natao hikaroka momba ny asa fandikan-dalàna toy izao moa mahalala, nahoana ny mpitandro ny filaminana no tsy hahalala ?
Ankoatr’izay, amin’ny maha zanak’Andriamanitra ny tena dia nomena fahefana manokana hanaparitaka an’izay hita sy re ho re sy ho hitan »izao tontolo izao aho.
Efa manamaivana ny asan’ireo natao hanenjika tsy fanarahan-dalana izany, nefa tsy hita hoe aiza izay fandraisan’andraikitra.
Hitaredretra toy izao ve izy ireo raha izy na ny iray amin’ny olona akaiky azy no iharan’izao ?
Misy marina ve ny fiarovana ny zon’olombelona eto amintsika ?
Ireto avy ny toerana nalehako ka nanelingelenana sy nandrahonana ny tena toy izao, izy ireo moa any ivelany, ary azo antoka fa misy mahita : American Corner Tanjombato : 2016 – 13 desambra 2018 ; Accès internet, Bibliothèque national Ampefiloha : 2016 sy 2017 ; 2019 hatramin’ny fiantombohan’ny fihibohana 2020 ; Fablab Habaka : oktobrea 2020 hatramin’izao 2022 izao.
Koa miangavy antsika rehetra mahita sy mahalala an’izao handray andraikitra, hitoroka, ary ianao mpitandro ny filaminana handray ny andraikitrao, fa mendrika hiaina am-pilaminana ny andrian’ny fiadanana.