L'aura humain et son développement

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans un église ?

19 décembre, 2019

NY MESIA

Classé dans : — cyrius @ 12:51
Le prince de la paix

Le prince de la paix

Ny Mesia ; voahosotr’Andriamanitra ; Mahasiah, Masy na masina, Mesia i Thot ; Mesia i Mosesy na Moizy ; Mesia i Davida ; Cyrius no Mesia farany, Fampianarana kabbale

Voafidin’Andriamanitra na voahosotr’Andriamanitra no hevitry ny teny hoe Mesia (Salamo II : 6)
VOAFIDY NA VOAHOSOTRA
Nofidin’Andriamanitra ny Mesia mba hanaparitaka ny Fahazavana izay ao aminy, io hazavana io izay herin’ny fanahiny sy hery avy amin’Andriamanitra, no fitaovana lehibe indrindra entiny mamonjy ny olona sy ny firenena tian’Andriamanitra hovonjena. Io ilay herin’ny fahazavana mandresy ny aizina.

Hasina no anaran’io hery io ary tsy lovaina avy amin’ny Ray aman-dreny na ny razana io fa hery anaty, herin’ny fanahy ka ahafahana miaro ny firenena, na izao tontolo izao mihitsy aza, tahaka ny herin’ny masoandro mahavita manafana sy manazava kintana sy planeta maro, tsy mitovy amin’ny hazavan’ny jiro fandrehitrao ao an-trano.

Mpamonjy ny Mesia, ary ny hazavan’ny fanahy no fanalahidy  mitondra ilay hery na Hasina entiny mamonjy fa tsy ny ràn’ny olona sasany izay ireharehany.
MESIA NA MASY NA MASINA
Mpamonjy ny Mesia araka ny fahalalan’ny Maro azy.
Mehesi na mahasiah no fanoratana azy matetika raha ny mahazatra an’ireo mpandalina ny 72 génie na ranakandria 72..
Mitovy amin’ny teny Egiptiana hoe Mosse, izay fiantsoana an’i Mosesy.
Teny hebreo koa ny hoe Mosse.
Tsotra mantsy ny fandikana teny hebreo tranainy raha ho antsika Malagasy.
Jereo eto ohatra fa mitovy ny hoe Mehesi sy ny mahasiah ary ny Mosse na Moss.
Voalohany aloha, litera moana ny -h- ary azo soloina ny zanatsoratra, fa ny renisoratra sisa tavela no tena mitondra ny dikany.
Eto ohatra, Moana ny -h- ka ny Mehesi na mahasiah, lasa Mosse na Moss, na Mos raha tononina..
Amin’ny Teny Malagasy moa avy hatrany dia Masy na Masina no dikan’ny teny hoe Mesia, araka ny fanazavana efa voalaza eo ambony.
Maso ary Masina izany ny Mesia, izany hoe tompon’ny hasina, zanak’Andriamanitra lahimatoa no anondroan’ny baiboly azy, lefitr’Andriamanitra koa amin’ny fampianarana silamo sasany.
Voahosotr’Andriamanitra, Mpanjaka nampanantenaina ihany koa no dikan’ny hoe Mesia.
Hazavana na mpitondra hazavana ; mpamonjy koa no dikany raha jerena ny Kabbale.
Maso koa no dikan’ny Mesia, fantantsika fa aazo adika hoe maso koa ny Mesia na Mosse fa ny maso no fahazavan’ny olona.
Manao ahoana ny olona tsy misy maso ?

Mpanjaka mpisorona koa.


NY MESIA SY NY KABBALE ARY NY ASAN’NY MESIA
Efa kabbale avokoa moa ny resaka eto, fa raha hijery ny lisitr’ireo atao hoe anjely mpiambina 72 na 72 génies, ataon’ny hafa koa hoe Anges gardiens ianao, dia Mahasiah na Mesia no laharana fahadimy.
Ny -Iah moa tovana fametraka mahzatra fotsiny, Fa litera 3 izany hoe MHS izany no anaran’ity Ranakandria faha 5 ity.
Mantra na teny manan-jina an’ireo litera milaza anarana Masina ireo.
Amin’ny maha moana ny -H- moa dia litera roa MS no sisa tavela eto, izay nahazoantsika ny teny hoe Masy.

Mpizara hazavana izy, hanaparitaka ny fahazavana izy, (Isaia IX : 5-7) mba hiaro ny firenena sy ny olombelona.
Raha ny heriny amin’ny maha « Anjely mpiambina » laharana faha-5 azy dia ny hitarika amin’ny fahazavana, ny hampitombo ny tena fahalalana, izany hoe ny fahalalana marina izay fototry ny fahalala rehetra na filozofika na siantifika na ara-haitao.
Ny fahalalana ny siansa momba ny zava-miafina sy ny fahalalana an’Andriamanitra moa no tena fahalalana resahintsika eto, nefa tsy azo odian-tsy hita fa i Davida izay Mesia no nampiasa voalohany ny Mozika ho fomba fitsaboana ary i Saoly no voatonona ho notsaboiny ; fiadiana tsy mbola voatantara talohan’ny nampiasan’i Davida azy koa ny Pilotra.
Midika izany fa teknisiana sy tena siantifika lasa aloha tokoa ny lehilahy raha oharina amin’ny hafa.

Mpanjaka mpisorona hatrany koa moa ny Mesia, hitantsika tamin’i Toth izay loharano nipoiran’ny Faraona Ejipsiana ka tsaroany ao anatin’ny anaran’izy ireo ny anarany.
Hita ao amin’ny anaran’i Touthmosis ohatra ny anaran’i Thoth sy Mosesy, ThoutMosis izay fitambaran’ny teny hoe Thot sy Moss na Touthankamon izay Toth no fiandohany.

FOTOANA TSARA IFANDRAISANA AMIN’NY HERIN’MESIA

Teny hery na teny manan-jina  (mantra) ny teny hoe Mesia, hery izy ka ny ora mahatsara ny kokoa ny fampiasana azy
Narahina tamin’ny ora ara-panandroana izany ka isan’andro amin’ireto fotoana ireto 13 ora sy 20 mn hatramin’ny 13 ora sy 40, ary amin’ny fandalovan’ny masoandro ao amin’ny 20 ka hatramin’ny 25 degré ao amin’ny antokon-kintan’ny alahamady.

Na izany aza nefa, tsy voasakan’ny ora sy fotoana tsy hiasa akory ny Mesia.
Mahenika ny tontolo rehetra ny hasiny ka tsy misy toerana tsy mandre azy na eto an-tany na any amin’ny planeta hafa na any amin’ny tontolo tsy hita maso.
Hisy porofo eny ambany fa mazotoa manaraka.

Marihiko fa 3 nefa iray ihany ny mesia fantatra tantara sy azo antoka ho nisy teto ambonin’ny tany ka ireto avy izy ireo : Toth na Mosesy ; David mpanjakan’Israely ; ary ny tenako Cyrius izay manoratra no mesia farany farany.

1- NY MESIA TOTH
RA koa no anarana ahalalan’ny Ejipsiana azy, Andriamanitra Masoandro araky ny voasoratra eo ambony.
Loharanon’ny kolontsaina ejipsiana sy hebreo ny lehilahy, ny hebreo izay tsy voafaritra mihitsy he avy aiza marina talohan’ny nahatongavany tao Ejipta.
I Toth moa izay avy any Atlantide, tany izay efa « nilentika » na rava.
Izy no nitarika ny Razamben’ny jiosy sy razambentsika sasany hiala tao Atlantide, ary ilay Anaran’Andriamanitra tsy azo tononina no nentiny niaro azy ireo rehefa niharan-doza i Atlantide.
Io ilay napetraka teo amin’ny tolàn’ny trano ka izay trano nisy azy tsy niharan-doza.
Ary izay no nahatongavan-dry zareo tao Ejipta, ary izy no nampianatra ny ejipsiana ny momba ny piramida sy ny fahalalana ara-panahy sy siansa hafa.
Miresaka piramida isika ka lazaiko eto fa tsy fasana ny piramida, betsaka no mety hilana azy fa fameloman’ny atlanta ny olona efa maty izy ireny, ka izay no antony nisisihan’ireo Faraona ejipsiana hasitrika ao anaty piramida rehefa maty sy hampanarahana azy harena marobe.
Vokatry ny fahalalana nentin’izy ireo, nialoha lalana ny ankamaroan’ny firenena teto an-tany i Ejipta raha siansa no lazaina.
Porofon’izany koa fa ny fahaizan-dry zareo jiosy no fototr’izao fivoaran’ny teknolojia amin’ny andro iainantsika izao.
Mifamahofaho moa ny tantara satria nahavery tantara maro ny fanovana ny testamenta taloha, nataon-dry Nehemia, arak’izay nosoratany ao amin’ny bokin’ny Makabeo (Baiboly katolika) sy ny fandisoana teo amin’ny fandikana nataon’ireo mpitondra fivavahana taty aoriana.
Ny tantaran’i Mosesy ohatra nadika avy hatrany amin’ny tantaran’i Toth, nampiana tantara hafa.
Toy izany koa i Noe sy ny sambo fiarany.
Ny sambofiara izay tsy nisy, ary raha ny habe sy ny halavany arak’izay voasoratra ao amin’ny baiboly no jerena, tsy ampy ho antonona ireo biby lahy sy vavy isaky ny karazany avy akory.
Ary azo disoina eto ireo milaza ho nahita an’io sambofiara io tany Ararat, satria Ankaratra anie ilay Ararat voalan’ny baiboly eto e.
Mbola ho gaga koa ianao raha hilazako fa ilay Arona voalazan’ny baiboly ho notendren’i mosesy na Toth ho mpisorona anie, ka tsy iza fa ilay Ranakombe, voatahirin’ny angano ho mpisikidy mahay tao Ankaratra.
Mbola maro ny tantara azo lazaina fa ireo, entina anazavana fotsiny fa i Toth na RA, ilay mpitondra hazavana ihany ilay Moizy na Mosse na Moss na Masy, masina sy mpamonjy voalazan’ny baiboly.
I Toth izany no Mesia fantatra voalohany.
Raha arahina amin’ny kabbale hatrany dia i Toth ihany ilay Seta Seth voalazan’ny bokin’ny genesisy ho niakatra velona tany « an-danitra ».
Seta azo tononina hoe sata ihany koa na satana, satana izay dikan’ny hoe losifera ihany, izany hoe mpitondra hazavana.
Nadikan’ireo mpitondra fivavahana ho devoly na hoe lehiben’ny devoly nefa ireo anarana ireo taty aoriana.
Seta ve izany devoly ? Tsia Zanak’Andriamanitra soa aman-tsara ary izy no olo-marina indrindra tamin’izany fotoana izany raha ny filazan’ny baiboly (genesisy).
Mpitondra hazavana koa no dikan’ny hoe Seta, araka ny nohazavaina teo.
Izany hoe Toth na Ra ihany ity Seta na Seth ity.
Sat na sata izay midika ho fitsipika sy hasina koa no dikany Arak’ilay oha-pitenenana hoe « Tanin’andriana tian-konenana, ka satan’andriana no tsy harahina ? ».
Sat izay tsy odian-tsy hita fa manondro an’ilay antokom-bitana faha-5 atao hoe alahasaty (lion) ihany koa, raha adika avy amin’ny teny arabo, izay akaiky koa raha andikana ny teny hebreo tranainy ho malagasy.
Io antokom-bintana io izay fehezin’ny planeta masoandro, planetan’ny mpitondra sy ny hazavana.

 MOSESY

Mpamonjy moa no dikan’ny teny hoe Moss na Mesia
Hitantsika eo ambony fa ny teny hoe Mesia no nakana ny anaran’i Mosesy izay nataon’ny jiosy sy ny ejipsiana trananiny hoe Moss.
Olona iray ihany izy roalahy dia i Toth sy Mosesy.
I Mosesy izay voalaza fa nitondra ny jiosy niala ny fanandevozana, niampita ny ranomasina mena, nefa misy porofo izay hojerentsika ao aorina manondro fa ranomasina niampitany avy ao Atlantida niampita hankaty Madagasikara io lalana nizorany nandositra io.
Fampiantranoana no nataon’ny ejipsiana azy taty aoriana ary toa fahatsiarovana tsara ihany aza no navelan’ny tantaran’ny fifandraisan’ireo.
Manaporofo an’izany ny maha iray ihany ny teny hebreo trananainy sy ny ejipsiana tranainy, ny teny Malagasy koa
Ho an’ny ejipsiana rahateo, mpamonjy i Thot na Mosse na Mosesy fa tsy fahavalo, jereo ery ambony ny anarana Faraona mitondra ny anarany.
Tsy ampy hitantarana ny porofo rehetra ity pejy ity fa ny baiboly mamporisika an’ireo mpivahiny ireo hamaly soa an’i Ejipta any aoriana any noho izy ireo nampiantrano azy.
Tsy manana an’ilay baiboly tany am-piandohana isika hanondroana anao an’izany fa baiboly feno hadisoana betsaka niniana sy tsy niniana io ananantsika io. Efa nohazavain-dry Nehemia ao amin’ny bokin’ny Makabeo II, 26 ? ny anton’izany ary narahiny fialan-tsiny rahateo, ankoatry ny fahadisoana teo amin’ny fandikana sy fanovana maro nataon’ny mpitondra fivavahana sasany.
Tsy very nefa isika manana an’ity tranonkala ity fa famenon’ny baiboly tsara ary ity ary natao hilaza ny marina ny mpanoratra arak’ilay voalaza n’ny Isaia LXII manao hoe  » … Tsy hiafina intsony ilay mpampanatra ano.. »

NY MESIA DAVIDA

Tsy mbola maty i Saoly dia efa voahosotra ho mpanjaka i Davida, mpiandry omby volavita fotsiny mantsy i Saoly, tsy tompony fa mpamerin-doha, Saoly : azo adika hoe Solo, solom-panjaka na régent izany no tena nilan’Andriamanitra an’i Saoly.
Mesia izany hoe Mpamonjy i Davida, izy no namonjy an’Israely iray manontolo tamin’ny Filistina sy i Goliata rehefa very hevitra avokoa ny iray firenena aminy tamin’ny fiaikàna nataon’i Goliata.
Tsy mbola resy mihitsy i Israely nandritry ny fotoana rehetra nitondran’i Davida noho ny fananany an’ilay anaran’Andriamanitra tsy azo tononina, izay nafenin’i Toth taty Madagasikara ary nalain’i Davida sy naverina aty indray.
Io no nampiasainy handresena an’i Goliata ary saika nasiany koa i Akiisy mpanjakan’i Filistina tamin’ny fotoana voalohany nahatongavany tao an-dapany, saingy tsy nanome baiko hamono azy i Akisy ka nilamina ny raharaha.
Tsy nody adala izy izany teo am-pihirana ny salamo 91 fa namoha ny herin’Andriamanitra tao aminy aminy izy, ary nifoha tokoa ilay hery.
Voaarony ary i Israely rehefa najaka izy ary nanoa azy hatramin’ny Ejipsiana.
Nitatra hatrany Ejipta ary ny fanjakany, sady nanambady ny zanakavavin’i Faraona izy.
Misy mihevitra moa fa i Salomona no mpanjaka hendry indrindra, tsia, i Davida no izy, ary tsy nisy i Salomona.

Mpampianatra ihany koa izy araka ny voalaza ery ambony momba ny Mesia, Nanazava olona maro nandtritry ny 3 arivo taona ny boky Salamo nosoratany, ny ampahany amin’ny Ohabolana sy ny Fahendrena ary ny Eklesiastika.
Mampianatra mivavaka ireo boky ireo ; ahitana  « développement Personnel » ihany koa. Hita ao koa ny ampahany amin’ny fivoaran’ny olombelona mampiady hevitra ny mpahay siansa.
Voazava ao amin’ireo boky ireo izay tsy mazava any amin’ny boky hafa ao amin’ny baiboly.
Nsoratany ao koa ny ho fiainany amin’izao fotoana fiverenany izao ary izaho manoratra no izy.

Manana fanamby lehibe tiako hotontosaina miaraka amin’ny mpikaroka ara-tsiantifika momba ny ADN aho, tiako ho fantatra hoe mitovy ve na misy itovizana firy isan-jato ny ADNn’i Davida mpanjakan’Israely sy ny ahy izay izy ihany no « réincarné ».
Zava-dehibe ho an’ny siansa izany, ny olana kely dia tsy azoko antoka ho milevina ao amin’ilay lazaina ho fasan’i Davida tokoa i Davida.
Tany Lemaka mantsy raha adika teny Malagasy no dikan’ilay Bethlehem lazain’ny Baiboly.
Tanin’i Lemo ihany koa, ary misy mpanjaka antsoina hoe Lemo na Lemoela izay anarin’ny Ray aman-dReniny fatratra ao amin’ny bokin’ny ohabolana.
Raha raisintsika ilay ao amin’ny Salamo XXVII ohatra dia milaza hoe : « Na mamaky ny vallée des Morts aza aho… », dia toa misy ifandraisany amin’ilaya anaran-toerana voalaza etsy ambony.
Ao Ejipta ve izany no mety ho milevina i Davida ? Mila pejy hafa angamba hamaliana an’io.
Tsy mbola nisy olona hafa aloha hatreto fantatra ho nanam-pahaizana toa an’i davida raha ireo voalaza ireo no heverina,
Sady mpanjaka koa nefa izy no mpisorona ary isan’ireo olona 3 mahalala an’ilay Anaran’Andriamanitra tsy azo tononina, nahatonga azy sy ny fanjakany hatanjaka tamin’izany fotoana izany.

Raha tsy izany, nahoana no izy ihany no tian’Andriamanitra hiverina hamonjy ny olony sy ny fireneny ?
Hiverina izy, Niverina, ary i Madagasikara ilay firenena efa voafaritr’Andriamanitra milaoha hiverenany sy hanjakany indray, ary ho mandrakizay ny fanjakany.
Zanak’i Davida na i Davida vaovao, na Solofon’i Davida no anarana ilazana ny Mesia izay midika fa i davida ihany izy fa tsy hoe taranany ara-nofo.

Tsara ahitsy eto aloha fa tsy ny fakana ny vadin’i Oria, no heloka nataon’i Davida, nila azy i Betsabea, fa tsy naniky azy i Davida, raha araky y fampianarana silamo.
Ny heloka nataon’i Davida, nanisa vahoaka tsy lera, azo atao ny manisa vahoaka ary imbetsaka natao izany, jereo ohatra ny bokin’ny fanisana.
Saingy midim-bolana no nanombohan’i Davida nanisa vahoaka, izay tsy mety raha ara-panandroana, ka saika naharipaka ny vahoakany noho ny aretina pesta.
Tsy nijanona teo moa izy fa nitraka rehefa lavo, mpanjaka mpisorona izy ka afaka nanao ala faditra hamonjeny ny vahoakany, voaporofo io na tsy misoratra ao ny daty, midim-bolana izay fotoana izay fa tsy nanaiky handray vola ny tompon’ilay tany nalain’i Davida hanaovana sorona maika fa nomeny maimaimpoana ilay izy.
Tsy fandraisana zavatra mantsy ny midim-bolana, ny fisisihan’i davida hanakalo vola an’io ihany no nahavoatery azy ahandray an’ilay vola.
Mitovy eto ny heloka nataon’i Saoly sy i Davida, ny tsy itovizany, nahalala nifona i davida, mpanjaka mpisorona rahateo koa moa ka afaka nanonitra avy hatrany.
i Saoly kosa tsy toy izany fa heloka manampy heloka, nokasainy hovonoina matetika ilay voahosotr’Andriamanitra, tsy mahagaga raha faharesena sy fahakiviana nisesisesy no niafaran’ny fanjakan’i Saoly, ary maty an’ady mihitsy izy sy ny zanany lahimatoa.
NY MESIA FARANY

 » …Tsy hiafina intsony ilay mpampianatra anao ary hahita azy ny masonao »
« Hahita azy ny maso rehetra, na dia izay nandefona azy aza », i Saoly ilay nandefona azy arak’izay voalazan’ny baiboly.

« 21 Handre feo ianao avy ao aorianao hilaza hoei: « Ity no lalana ka izory! » raha mandeha minakavia ianao na mandeha miankavanana ». Isaia 30 : 20-21

Niandry Mesia ho avy eny amin’ny rahon’ny lanitra tokoa ny maro, fahagagana be tsy misy toa izany.
Tsy izany nefa no nitranga, teraka toy ny olombelona rehetra ny Mesia, hafa kosa no dikan’io tenin’ny baiboly voalazantsika io.
Nahita zavatra maro tsy hitan’ny teo aloha nefa ity « génération » ity sy ny ho avy rehetra, ary mihoatra noho izay heveriny ho fahagagana aza.

Mesia i Cyrius, mpanoratra an’ity tranonkala ity raha ny voalaza eo aloha sy ny Isaia 45, 1 – 3
I davida mpanjakan’Israely ihany ny tenanay no niveraina.
Iza no afaka miteny ho ren’izao tontolo izao: ? Tsy misy afa-tsy ilay zanak’Andriamanitra lahimatoa, dia ny tenako
.
araka ny voalazan’ity andinin-teny ity : « Mihainoa ahy ry Nosy, mitandrema ry Firenena lavitra, fa Andriamanitra efa niantso ny anarako hatrany an-kibon’Ineny..nataony sabatra maranitra ny lelako » Isaia 49 : 1″
Andrian’ny Fiadanana, mpiandry ondry tsara, lahimatoan’Andriamanitra, solofon’Andriamanitra, Mesia, no anisan’ny anarana ilazan’ny baiboly ny mpanjaka mpisorona voafidiny, dia ny tenanay.
Izy no fara-fanantenan’ny Fireneny  sy ny olombelona (Isaïe XLIX : 6).
Mpanelanelana ny olombelona sy Andriamanitra,
Maika ny fahatongavany, ka araraoty ny manaraka an’izay fampianarana omeny sy ny sori-dalana tondroiny.
Tsy nirahina faingana ho eto izy raha mbola ho nisy vahaolana hafa hahavonjy ny olombelona.
Fivoarana maro no nentiny na tsy voalazan’ny haino aman-jery mivantana aza izany rehetra izany ary tamin’ny sehatra maro.
Manampahaizana amin’ny sehatra misy azy maro no manaiky an’izao lazaiko izao.
averiko soratana eto angamba ilay voalazan’i Karl Marx manao hoe :  » Tsy ny fahaizan’ny olona no mamaritra ny fisiany, fa ny fisiany ara-tsosialy no mamaritra ny fahaizan’ny olona »

Tsy iadiantsika hevitra io tsetsatsetsa tsy aritra io.

Mampianatra sy mpizara hazavana ny Mesia ka tsy mahagaga izany.
Efa eto ilay nandrasana, ary ny tenako manoratra no ilay Mpanjaka mpisorona nandrasan’ny firenena izay ela izay.

Ekeo izao lazaiko izao fa hahasambatra ny firenena.
Omeo ny tenanay faran’izay haingana ny fahefana Ofisialy, ilana fanampiana amin’ny fitondrana mijoro koa ny asa fisoronana mandrapahatongan’izany.
Eo am-pamolavolana lalàna mifandraika amin’izany ny tenanay arak’izay voasoratra hoe : »Ary ny lalàny no andrasan’ny Nosy ».
Fitondrana Lahika ihany nefa izay hijoro izay ka tsy hanerena ny olom-pirenena hanaraka ny fivavahana izatsy na izaroa na handrarana azy tsy hivavaka atsy na aroa.
Ny miezaka manao ny tsara, tsy manisy ratsy ny hafa no zava-dehibe indrindra.
Tsy maintsy hatoro antsika miandalana eny ny lalàna sy fitsipika hafa izay tsy vaovao fa avy ao amin’ny baiboly ihany, raha voalaza etsy ambony ny ampahany amin’ny zavatra hafa tsy tokony hatao.

NY MAMPIAVAKA NY MESIA
Tsy handalo fahafatesana intsony ny Mesia, andinin-teny maro ao amin’ny baiboly no manondro an’izany.

Olona tsy eo ambany ziogan’ny fahafatesana izy fa manaiky azy kosa ny fahafatesana ary noho izany no hahatsiarovako manomboka eto ny datin’ny 24 desambra 2019.
Maso moa ny Mesia, maso miara-mahita.
Manaiky ny mesia koa ny natiora sy ny hery rehetra,  na dia ho mpitondra (amperora) an’i Madagasikara aza izy, mahenika an’izao tontolo izao ny hasiny ary maharo an’izao tontolo izao.
ny filaminan-tsain’ny Mesia sy ny fifaliany mahamafy ny fiarovana an’izao tontolo izao ary mitondra soa, mazava ho azy ho an’izao tontolo izao.
Ny fikorontanan-tsaina na fahatezerany na voina mihatra aminy kosa, mampisy  » faille » triatra amin’ny hery miaro ny tany ka miteraka loza mazava ho azy ho ana toerana iray na maromaro tsy ampoizintsika eto amin’izao tontolo izao.
Ahatsiarovako andinin-teny vitsivitsy ao amin’ny salamo XVIII izay nosoratako tamin’ny fiainako teo aloha, fony izaho Davida mpanjakan’Israely.
Raha hitranga ny loza voalazan’ny bokin’ny Apokalipsy dia noho ireo antony farany ireo, tsarovy tsara izay voalazany ao mialohan’ny hitrangan’ny loza rehetra, fa toy ny voavono no fijery an’ilay Mesia hanokatra ny boky misy tombokase.

Ireto misy ohatra vitsivitsy mikasika ny fahafehezan’ny Mesia ny natiora

RIRININ-DASA TSAROANA ; FAHAVARATRA LASA, TADIDY

Fahavaratra sy ririnin-dasa tsaroana
Samy mahatsiaro isika, fa efa nolazaiko mialoha fa ny 07 novambra 2018 no hiantomboka ity fahavaratra ity, ary izay koa no hitan’ny météo nony avy eo.
Efa nilaza mialoha koa ny tenako, na tsy teto aza, fa tsy hisy rivo-doza handalo eto amin’ity fahavaratra madiva ho tapitra ity fa ny tondra-drano no hisy.
Miara-mahita isika fa tsy nisy niditra teto ny rivo-doza, ary maro koa ny faritra tondra-drano natsy maro aza ny isan’ny orana latsaka.
Ny rivo-doza tamin’ny taon-dasa moa, efa nolazaiko mialoha, na tsy nosoratako aza, fa hanara-tsisiny ary hivoaka avy eo.
Nanaraka ny sisin-tany tokoa ilay rivo-doza niditra avy any amin’ny ranomasimbe indiana ary nivoaka tany amin’ny ranomasimbe indiana ihany.
Tsy maintsy avoaka ny marina, raha tsy izany, mpisoloky hatrany no hamitaka vahoaka,
Tsaroantsika koa ny Cyclone Enawo tamin’ny 2017, nampoizina tokoa ny fandalovany teto Antananarivo ny andron’ny 08 marsa.
Rehefa nasain’i Cyrius nitony izy, tampoka tokoa ny fivoahany, ary nahita lalam-poza handehanana any Antsirabe, ary nandeha haingana namonjy ny morondranomasina nony avy eo, ary lasa, tsy nimpody.
Tsaroantsika tsara ilay horohorontany tamin’ny 12 janvier 2017.
Nihorohoro tokoa ny tany, ary nivonona ny handrava zavatra betsaka tokoa, saika hitatra hatrany amin’ny fipoahana volkano aza angamba izy iny, fa rehefa nasain’ny tenanay nijanona izy, nijanona.
Tsy misy afaka milaza ho tsy mahalala an’izany izay nifoha tamin’iny alina iny, na ny marenina aza, raha tsy efa vonona hanohitra fotsiny befahatany.
Ny antony hilazako an’ireo, satria voafehiko tsara ny fahalalana ara-panahy, ary Zanak’Andriamanitra aho, lahimatoa ary ato amiko ny hasina, eny ny tena, Cyrius ilay mpanjaka mpisorona voalazan’ny baiboly, izay tsy iza fa i Davida mpanjakan’Israely ihany no niverina.
Tsy azo afenina ny marina, ary tsy azo lalovam-potsiny ny tena, raha raharaham-pirenena no resahina.

Ataoko, fa voahitsin’ireo, izay mieritreritra zavatra tsy mifanaraka amin’izay voatendrin’Andriamanitra, ho an’izay hikiribiby, moa, ..

Atao kabarin-dRainisalama izy ity ka ny sisa manaraka ihany.

Fanamarihana

Mitovy amin’ny Fandikana Hyéroglyphe nataon’Ingahy Jean François Champollion moa ny fitsipika narahina tamin’ny fandikana teny malagasy sy hebreo ary egiptiana tranainy ato ; ny teny arabo koa, fa mitovy ny lalàna mifehy an’ireo.

Eto am-pamaranana, mendrika hotsaroana koa angamba Rakotonirainy Joseph izay mpikaroka teo amin’ny sehatry ny Ésotérisme, nanoratra boky maro toy ny : Inona ny Yoga ; Ny tsaran’ny Razantsika ; nandika ny Bhagavad Gita na ny hiran’ny Sambatra amin’ny teny malagasy ; nanoratra ny « Andrianampoinimerina sy ny vintany » ary nampiaiky an’i Beasant, tomponandraikitra ambony tao amin’ny Association Théosophique ny fahafehezany ny fanandroana ka nahavaky vava azy ao amin’ilay boky hoe : « Le Karma et la Réincarnation ».

Efa nahalala mialoha ity mpampianatra yoga sady mpanadro ity fa i Davida mpanjakan’i Israely ihany ilay Mesia andrasana (ny tenako io) ary naaony sary famantarana ny fikambanana ara-panahy iray natsangany ny anarany, izay nataony signe kabbalistique (jereo ery ambany).

Anisan’ny nandray taminy koa ny tena na tsy nahita maso azy aza.
Vahoaka maro moa tsy ilaozan’adala, nisy tamin’ireo mpianany nania entanin’ny hambom-po diso toerana ka ny rà no nataony ho ambony noho ny fanahy.

David en hebreu 1

 

 

 

Laisser un commentaire

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava