Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

3 mai, 2017

NY MOZIKANY

Classé dans : — cyrius @ 13:56

Ny onjanao ry feo mozika
Sarotsarotra adika
Mamapanembona aoka izany
Ny ambiroany aza, lasana any

Ny feonao manao mozika
Izato maso E, mibaliaka
Ny rantsana, mitendry, mitsoriaka
Ny akony, re any am-pita

Izy mihirahira foana
Ny mpihainony aza, lasa moana
Tsy mahasoka-bava akory
Amin’ny alina ireo, tsy matory

 Manina azy angamba
Atao adala, tsy manary lamba
Moa babo va ny fony ?
Tsy mahatsiaro saina akory

Azon’ody sa marary ?
Mozika angaha moa mampijaly ?
Latsam-pitiavana io lehiretsy
Vao mahita azy io, metimety

Tsy marary io, tsy mijaly,
Mandre azy io ? Falifaly
tsy fanafody no ilainy
Ilay mpihira no lalainy

Commentaires désactivés.

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava