NY ZANA-DRAMILY HANAO MARIAZY
Tantara noforonina
Mpanakarena manontany ny ory tokoa Ramily, mibontsina toy ireny kitapo feno vola ireny mihitsy ny kibony.
Tsy misy be vola toa azy, hono, ao amin’ny firenena misy azy.
Manan-janaka vavitokana izy, ary tiany dia tiany io.
…………………………….
Mpifamofo i Zana zana-dRamily sy i Leninona, ela nifampitaritarihana ka hiroso amin’ny raharaha, toy izao ary ny dinik’izy roa momba ny lanonana mandritry ny fanambadiany :
LENINONA
Hasaina daholo ny fianakaviantsika izay tratra antso rehetra na avy aiza na avy aiza.
Hasaina hatramin’ireo monina any ampitan-dranomasina, hatrany Atsinanan’i Japana ka hatrany Andrefan’i Eoropa, hasaina daholo.
Ekenao sa tsia.
ZANA
Izany mihitsy, hasaintsika hatramin’ny any ankoatra aza raha aza atao.
LENINONA
Hay , hataoko hoe hevitrao izany iny, ekena ny hevitrao, manaraka an’izany.
Ny sakafo amin’io atao tsy lany laniana voky daholo ny nasaina, mbola misy ambiny.
Vonoina daholo, na omby na kisoa na gisa na vorontsiloza, tsy te hahalala isika raharaha tsy misy toa an’io.
ZANA
Tena tsara izany
LENINONA
Hay, hataoko hoe hevitrao indray izany iny, ekena ny hevitrao, fa ny zava-pisotro asiako resaka kely,
mila mamo daholo ny mpanatrika rehetra, toaka à gogo sigara à gogo revy be tsy lany laniana amin’io, misotro daholo izay te hisotro.
ZANA
Ka hanafatra toaka amin’ny barila isika izany sa amin’ny siterna ?
LENINONA
Tsy raharahantsika izany na amin’ny barila na amin’ny siterna, mila mamo ny nasaina, mila toaka be tsy lany laniana isika, atao misy fameriny.
Mety aminao sa tsy mety ?
ZANA
Mety kah.
LENINONA
Hay, tsara be, hataoko hoe hevitrao indray koa iny izany ah, ekena ny hevitrao, dia ny amin’ny alim-pandihizana, hiantsoantsika an’ireo mpihira mafana kalazalahy sy kalazavavy eto an-tanàna sy any ivelany mihitsy, halaintsika avokoa na mpampandihy kaoitry na mpandihy salegy, na batrelaka.
hantsointsika daholo izao mpikosoka kapila malaza rehetra izao, hasaintsika kosehiny daholo koa izao kapila rehetra izao, na ireo kapilan’ny tafon-tranontsika, na ilay havanareo kapila iny, asaintsika kosehiny ao amin’ny trano fidiovana ao.
ZANA
Kapila mangirana anie no kosehin’ireny e.
LENINONA
Tsy maninona izany e, ny an’ireny rehefa kapila kosehiny daholo, amin’izay koa ireo mangirana tsara daholo, ilay havanareo iny koa anie mangirana be ny handriny e, asaina kosehiny iny.
ZANA
Tsy maninona rehefa izay no hitanao fa mety e.
LENINONA
Hay, rehefa hoe tsara dia hataoko ho hevitrao indray iny izany ah, ekena ny hevitrao, fa ny amin’ireo vahiny hasaina ireo ah, isika daholo no miantoka ny fitafiana hanaovan’ireo amin’ny raharahantsika, tsy mila mitondra kanjo ireo miala any.
ZANA
Raha azoko izany dia miboridana be daholo ireo miala avy any amin’ny misy azy tsirairay avy any ?
LENINONA
Ie, miboridana be daholo ireo fa aty vao miakanjo, isika no miantoka ny akanjony, akanjo tonga dia amin’ilay hiaka farany daholo ary ilay malaza indrindra any ivelany ireny mihitsy.
Asehontsika mihitsy hoe mahavita isika e.
ZANA
Izay mihitsy.
LENINONA
Hay, ekenao koa iny izany a, tsy maninona fa ataoko hoe hevitrao daholo izany, ekeko ny hevitrao, fa ny ahy ity ihany no mba hevitro, ianao daholo no miantoka ny lany rehetra amin’io fety manan-daza indrindra io.
Tantara noforonina ity ka raha misy mpandray anjara mitovy aminao na amin’ny havanao na ny vadinao, na amin’ny deuxième bureau-nao, na amin’ireo olom-pantatrao, fantaro fa kisendrasendra fotsiny no anton’izany fitoviana izany.
Tantara mitohy poritra te hivoaka ho boky ity.
Mety hivoaka an-tsokosoko eny ihany fa araho tsy tapaka.
Raha tianao hivoaka ho sary miaina, dia « mandrotsaha kely aloha hanamboarana ny rova ».
Mila fankan-tsary manana résolution HD matanjaka tsara isika, dia holazaiko anao eo ny tohiny manaraka.
Izany tsy midika hoe tsy homena anao ity raha ilainao mpanatontosa sarimihetsika.
Ity ny mailaka : shivatanguy@gmail.com