Ny sorona sy ala faditra ; ny fitokanana sy ny fotoana ho azy avy.
NY SORONA
Anisan’ny hita amin’ny fomban-drazana malagasy ny sorona.
Fanolorana zavatra ho ana hery tsy hita maso no fanao mahazatra.
Misy koa nefa ny sorona sy fangataham-pitahiana tsy manolotra zavatra hita maso.
fangataham-pitahiana na fisaorana na mariky ny fifaliana fotsiny koa no antony anaovana azy.
Misy faritra mihitsy mampiasa ny teny hoe saotra ilazana ny fangataham-pitahiana.
Mazava ho azy fa tsodrano no andrasana avy amin’ny sorona.
Lazaina ho sorona koa ny fialana loza sy ny fanadiovana matetika, tsy mitovy nefa ireo.
Ny sorona tsy maintsy atao amin’ny fotoana miaka-bolana, ny ala faditra tsy maintsy atao amin’ny midim-bolana.
Tsy mitovy koa ny fotoana fanatanterahana azy.
Anisan’ny ho hitanao ato ny momba an’izay voalazan’ny baiboly momba ny sorona sy ny fanazavana avy amin’ny siansa ara-panahy satria ireo no fototry ny siansa nampiasain’ny Malagasy.
Lova niraisan’ny firenena Tatsinanana maro mivantana mantsy izy ity.
NY ENDRIKA ISEHOAN’NY SORONA
Miseho amin’ny endrika maro ny fantanterahana sorona, fa ny itovizany aloha dia am-pifaliana no ankalazana azy ity.
fitokanana ; famonoana biby ; fanolorana santa-bokatra; ny tso-drano ; fankalazana ny fiandohan’ny taona ; ny fitokanana ; ny fisaorana.
Ny fanolorana santa-bokatra : fanao tamin’ny fotoana mbola nisian’ny mpisorona izy ity, ry zareo jiosy no tena mpanao azy ka ny voaloham-bokatra sy ny voalohan-teraka amin’ny biby, ary izay tsara indrindra no atolotra ho sorona, anjaran’ny mpisorona iny ary iaraha-mihinana aminy am-pifaliana.
Voasoratra ao amin’ny lalàn’I Moizy na I Mosesy moa izany.
Saotra koa moa moa no iantsoana azy ity, izany hoe mari-pisaorana.
Fangataha-tsodrano ihany koa nefa kai zany no anaovana fety sy fifaliana miaraka amin’ny fanatanterahana azy ary atao amin’ny fotoana miaka-bolana hatrany, mba hitombo tahaka ny volana ny soa efa azo, mba hitombo tahaka ny fiakatry ny volana izay hiafara amin’ny fahafenoany ny vokatra ho azo.
Fitsofan-drano ny tena, firarian-tsoa izany no antony anaovana sorona sy saotra ; ny santa-bokatra ; ny fitokanana sy ny fankalazana ny fiandohan’ny taona.
Efa miresaka momba ny fankalazana ny fiandohan’ny taona sy ny fitokanana ihany isika dia hofakafakaina manokana etsy ambany ireo fa anisan’ny zava-dehibe loatra eo amin’ny fiainam-pirenena.
Ny fankalazana ny fiandohan’ny taona sy ny fandroana.
Eto am-panombohana aloha, aleo hazava tsara, tsy mitovy ny fandroana sy ny fankalazana ny fiandohan’ny taona, ka aza afangaro.
Ny fankalazana ny fiandohan’ny taona moa nomena anarana maro samihafa toy ny hoe taom-baovao ; alahamadibe, sns.
Fifaliana no ankalazaina eo, fotoana anaovana firarian-tsoa momba ny fiainana rehetra mandritry ny andro rehetra ho avy amin’iny taona rehetra iny ka mandra-pifarany.
Fifaliana tanteraka io, ka tsy azo atao maloka ny fankalazana, hany ka tsy azo atao na ny filazana manjo aza, raha sanatria misy, fa karakaraina miafina sy mangina.
Mifanolotra fanomezana na jaka ny olona eo, manolotra ho an’Ray aman-dReny sy ny mpanjaka, ary ny mpanjaka koa manolotra ho an’ny vahoaka.
Fanaon’Andrianampoinimerina ny mamono omby eo, ary tsy maintsy mahazo avokoa ny vahoaka rehetra.
Misy koa manararaotra ny manao santa-bokatra ka manolotra amin’izany ho an’ny mpanjaka.
Satria moa tsy nisy mpisorona izany teto, na misy mihambo ho izany aza ankehitriny, ary fantar’Andrianampoinimerina fa tsy mpisorona izy, dia notakalozany vola fa tsy noraisiny fotsiny.
Minitra vitsy ao aorian’ny tsinam-bolana ka hatramin’ny fenomanana no azo anombohana ankalazana ny fiandohan’ny taona.
Ny anarany tsy maninona na hataonao hoe alahamadibe io na taom-baovao io na fety hafa, ary tsy azo ankalazaina amin’ny midim-bolana io mba hitombo ny fifaliana sy ny soa.
Tsy fandroana nefa no ilazana azy, satria ny fandroana dia mialoha ny fankalazana, alohan’ny tsinam-bolana no ankalazana an’io, izany hoe midio ianao eo, manala ny ratsy rehetra ; mamaha ny olana eo aminao sy ny hafa, na vady io,na mpiara-monina na olon-kafa.
madio tanteraka ny fo sy ny sainao avy eo, ka afaka manolotra ny soronao ianao ny ampitso, araky ny voalazan’ilay olona malaza indrindra ao amin’ny testamenta vaovao hoe : « apetraho aloha ny soronao, dia mandehana mihavana amin’ilay manana ady aminao, izay vao manolotra ny soronao ianao ».
Raha tsorina izany dia midim-bolana hatrany no fanaovana ny fandroana, manala ny loto ara-panahy rehetra ianao, ary firariana io mba hihena tahaka an’iny volana iny ny loza sy ny loto ara-panahy rehetra.
Anisan’ny ala faditra izany ny fandroana ka tsy azo ankalazaina amin’ny andro anamarihana ny fiandohan’ny taona, izay fotoam-pifaliana sy firarian-tsoa.
Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny iny fa misy fanamarihana fety izay tsy mbola nolazaintsika dia ny fitokanana.
Inona moa ny fitokanana ?
Fotoam-pifaliana ny fitokanana, faly ianao fa nahatsangan-javatra, ka miantso olona hiara-paly aminao.
Mazava ho azy fa matoa ianao mitokana, faly, mirary mba hitondra soa ho an’izay nanaovana azy ny foto-drafitr’asa iray tokananao.
Na tsy hilaza aza aho angamba hoe fotoana inona no tokony hanaovanao ny fitokanana dia efa fantatrao, raha voavakinao ny fanazavana eo ambony fa amin’ny fotoana miaka-bolana la «Lune croissante » ihany no fotoana fitokanan-javatra tiana hitondra soa, indrindra raha zavatra mahakasika ny fiainam-pirenena toy ny rova sy ny kianja Barea.
Entina eto manokana ny momba an’ireto toerana roa ireto satria samy notokanana tamin’ny fotoana midim-bolana (ny rova ny 06 novambra 2020, ny kianjan’i Mahamasina ny 02 septamra 2021), ny kianjan’Andohalo koa nanaovana fety tamin’ny fotoana midim-bolana.
Mazava ho azy moa fa tsy nitondra soa ireny, ankoatr’ireo zavatra hafa izay tsy voalaza eto.
Niantso loza aza, tsy hasian-teny intsony angamba ny toe-karena tsy mitsaha-mitotongana, manampy trotraka an’izany nefa andro ratsy sy rivo-doza 5 tamin’ny fito namely mafy an’I Madagasikara avokoa, ohatra iray iny.
Tsy hambarantsika eto avokoa ny olana rehetra misy fa manalava resaka, nefa tsy hay ny tsy hilaza fa hatramin’iny fitokanana nanaovana fampisehoana sy lanonana tamin’ny fotoana midim-bolana iny, dia nitondra faharesena hatrany ny Barea, ekipam-pirenena Malagasy.
Malagasy aho, manohana ny Barea, saingy amin’alahelo lehibe no ilazako mialoha fa tsy ho tafakatra CAN ny Barea.
Efa voala eo aloha ny anton’izany ka raha misy kandida manantena ny hamadika ny mety ho fandresen’ny Barea ho isan’ny serasera handresen-dahatra ny vahoaka azy dia ho diso fanantenana satria na hahita mety hisy fotoana handresen’ny Brea aza dia tsy ho ampy hahatafakatra azy any amin’ny CAN 2023, raha tsy Alana faditra io kianja mitondra ny anarany io, ary ny tenako izay mesia, manjaka mpisorona ihany no tsy maintsy manatanteraka an’izany.
Raha tsy hanao an’izany ny fitondrana, dia veloma ry CAN 2023.
« Efa nisaona hatry ny ela ny mpitsara », hoy ilay mpanao hatsikana malaza iray izay.
Reha manantena koa moa ny fanjakana fa hanao sarintsarina ala faditra, dia hanao sarimihetsika hiantso olon-kafa hanatanteraka an’izany, dia vao mainka hitondra ozona fanampiny izany.
Tsy « manipulation no ilaina », Andriamanitra, tsy azo ambakaina.
Ny tenanay no Mesia, mpanjaka mpisorona, tsy misy hafa.
Ampahatsiahiviko aloha fa 20 taona lasa teo ho eo izay no velom-bolo kely ny mpankafy baolina kitra, dia nihamaloka indray izany.
Velom-bolo kely indray 18 taona teo ho eo taty aoriana, dia efa mihalefy indray izao ny fanantenana.
Manova mpanazatra impolo, na injato aza, fa rehefa ny lalana ara-panahy tahaka itony no tsy hajaina, dia tsy afaka manantena fahombiazana isika.
Marihiko fa tsy misy afa-miala amin’ny fanandroana eto ambany masoandro.
Imbetsaka nefa teto no misy fankalazana tsy manaja an’ireo fepetra voalaza ireo na ho an’ireo mihambo ho mpandala ny fomban-dRazana sasany aza.
Misy tompon’andraikim-panjakana mihevitra raha notendrena amin’ny toerana iray dia anananany fahefana koa ny manondro daty ankalazana lalonana ara-pomban-drazana, misy tonga manatrika sy mandray anjara mihitsy.
Tsia, diso ianao, olombelona ihany no nanendry anao, ka tsy hakato anao ny zava-boahary sy ny kintana.
iray ihany no voatendry amin’izany fisoronana izany eto amin’ny firenena, ny tenako io, amin’ny maha mesia mpanjaka mpisorona ny tenanay.
Misy moa milaza hoe izahay koa manana lanonana ara-pomban-drazana ankalazainay isam-paritra, dia hoy aho, ataovy ny fankalazana, manaraka an’izay fitsipika rehetra voalazako eto, ny fifaliana sy ny fiandohan’ny taona, ankalazaina amin’ny fotoana miaka-bolana, ny fanadiovana sy ny fialana loza, izany hoe ny ala faditra isankarazany ataovy amin’ny midim-bolana.
Raha misy ny tsy hay, momba an’izany antsoy ny tenanay, tsy mahamenatra izany, fa asa nanirahan’Andriamanitra ny tena.
Nampidiriko ao anatina volavolan-dalampanorenana izay kendreko hihatra eto Madagasikara mihitsy moa ny momba ny fomban-dRazana sy ny fisoronana.
Dia halaviro ireo mpisoloky mandoto ny fomban-dRazana fa mitondra ozona ho an’ny firenena.
Antananarivo na Imerina manontolo tsy manana mpitondra ara-dRazana izany, ary tsy olon-kafa no hanendry an’izany ho anay, tsy misy ao anatin’ny lalampanorenana mihatra ankehitriny koa izany, tsy nifidy olona ho amin’izany izahay.
Fanoherana an’Andriamanitra ny mifanohitra amin’izay voalazako eto izao ary fanaovana tsinontsinona ny vahoaka Malagasy.
NY FOTOANA FANAOVANA SORONA
Famintinana fotsiny ihany ity, fa efa voalaza etsy ambony avokoa ny momba azy.
Hamafisina eto fa ny sorona dia atomboka amin’ny fotoana miaka-bolana.
Itovizana amin’ny fotoana tokony hankalazana ny fifaliana rehetra voasoratra ato io.
Mbola hanome kalandrie momba an’io ny tena, angamba hampiarahako amin’ny boky natokako hamakafakana lalina momba ny sorona sy ny fisoronana izany.
Marihiko fa itovizana amin’ny fanandroan-dry zareo jiosy sy ny lalana’ny fisoronana hebreo tokoa ny lalana arahina eo.
Misy mantsy milaza hoe iry no izy fa io dia manaraka fomba fanao ara-tantara.
Dia hoy aho milaza aminao hoe tantara oviana ?
Ny tantarantsika Malagasy mantsy tsy nanomboka teo amin’ireo taonjato voatondro matetika ireo.
Ny lalan’i Mosesy no lalana voasoratra voalohany momba ny fisoronana, fa efa tamin’ny andron-dRy Abrahama no nisy ny lalàna mifehy ny sorona, ary anisan’ny toerana nipetrahan’ireo olona roa voalaza anrana ireo i Madagasikara.
Lova iombonana avy amin-dry zareo Atlanta ny momba ny sorona sy ny fisoronana.
12000 taona izay no rendrika i Atlantida ary teo no nahatongavan-dry Mosesy teto.
Io izany fotoana voatondro voalohany indrindra ho nisian’ny olombelona teto Madagasikara na efa nisy mponina aza teto talohan’izany.
Teo no fotoana nisian’ny lalana ara-panahy voasoratra voalohany tonga teto Madagasikara.
Tsiahiviko ihany fa io rambn-tany voalazan’ny manampaizana ho isan’i Madagasikara io dia anisan’ny sisa tavela tamin’i Atlantida, mbola misy ampahany ihany koa ao ambanin’iny faritr’i Madagasikara atsimon’Ankaratra rehetra iny.
Voka-pikarohana azo tamin’ny fandikana ny kabbale sy ny baiboly moa izany fa tsy misy noforonina.
Sady lalana ara-tsiansa ary ity voasoratra eto ity no ara-baiboly sy ara-tantara ihany koa.
Ity no marimaritra iraisana raha ny momba ny fanandroana, sy ny sorona.
Ho avy ny fotoana iray hofaritantsika hankalazana fety iray ara-pomban-dRazana miaraka, ankoatr’izay an’ny faritra tsirairay manokana, manaraka ny lalana voasoratra ato sy ao amin’ny lalan’i Mosesy na Moizy, fa izao aloha, hajao ny fotoana (ara-dalana), dia samia mankalaza ny azy rehetra isam-paritra, fa harena ny fahasamihafana.