NY TENY SY IANAO
Ny feonao voalohany, ranomasobe
Ny sanganasanao ? Diky mitankosona be
Ny kabarinao, ranon’ivy mitete
Ny taratasy ve ? Tokontany lehibe
Ny soratrao ? Ny dian-drantsam-batanao
Ny teninao tamin’izany, badabada marobe.
………
Manaiky anao ny teny
Manaiky anao ny soratra
Koa na vizana aza ireny
Na maratra feno holatra
Antsoina atoandro, tonga
Irahina alina, mandeha
Nefa vitsy monja izao, no ampiasain’ise.
………
Ny peninao, tsy miteny
Ny taratasy tsy mandre
Nefa heno izy ireny
Makotroka be
Noho ny asan’ny teny
Noho ny asan’ny soratra