Dieu ; l'Homme et la lumière

Dieu est à l'intérieur de soi, pourquoi doit-on aller le rechercher dans une église

  • Accueil
  • > NY TODY SY NY KOLONTSAINA MALAGASY

22 juillet, 2022

NY TODY SY NY KOLONTSAINA MALAGASY

Classé dans : — cyrius @ 13:05

FAMARITANA NY TODY
Hery iray tsy hita maso nentin’Andriamanitra nandrindrana an’izao tontolo izao sy ny fiainan’ny olombelona ny tody.
Tody, tafita no teny iray andikana an’io teny io.
Tafita ianao rehefa migoka ny vokatry ny ezaka nataonao.
Tafita koa ianao ara-panahy, rehefa nahaloa ny trosanao ; nahatontosa ny adidinao ary nahatanteraka ny fampianarana ara-panahy azonao.
Ny lalàn’ny tody ary no mitantana anao, ho any amin’izany fahatafitana izany.
Koa satria efa miresaka valin’asa ihany isika, dia ataontsika « Donak’afon’Analakely, ka tonga dia eny am-bovonana ».
Karama ny tody, vokatry ny asanao, na ratsy na tsara.
Izany hoe valin’asa, araky ny voasoratra eo ambony.
Karama, izay Karma (teny sanskrity) no teny niandohany
NY TODY SY NY FANANDROANA
Raha ara-panandroana, dia efitranom-bintana faharoa, misy ny adaoro no ahafahana mijery ahitana ny valin’asa na tody.
Ny adaoro izay ny tenda sy ny feo no isehoan’ny heriny.
Eo moa no ifandraisan’ilay vatana fahadimy na fanahy fahadimy atao hoe eritra (corps causal) amin’ny vatana nofo, amin’ny alalan’ilay taratra na kodiaran-kery (chakra) antsoina hoe vishuda.
Asa na adidy ihany koa moa no tondroin’io efitranom-bintana faharoa misy ny tody io.
Ny tody izany no mifehy ny asa sy ny adidy ary ny sandany ho valin’izany.
Tsara hono atao, manody, ratsy atao manody.
Azonao arahina ato ny tohiny

Commentaires désactivés.

 

vrai ou pas vrai |
Jeunes Cathos de l'Avallonnais |
Cloud |
Unblog.fr | Annuaire | Signaler un abus | Islam Qour'an Hadith Fikr
| VIENS A JESUS
| fanilomanazava