NY ZOKIOLONA SY NY FANJARIAN-TSAKAFO
Tosika ara-tsosialy no vahaolana ho an’ny fanjarian-tsakafo ho an’ny zokiolona tsy mba nisitraka fisotroan-dronono
NY OLANA IAINAN’NY ZOKIOLONA MARO
Maro amin’ireo zokiolona no manana olana amin’ny tsifahampian-sakafo.
Eo nefa no fotoana tena ilàny fanohanana ara-tsakafo indrindra.
Ny tena nefa tsy avelan’ny aretina ho afaka mitady intsony.
Tsy ampy koa nefa ny eo an-tanana ho entina miatrika ny fandaniana ao anatin’izany fotoana izany, eo ny fandaniana noho ny antony ara-pahasalamana, eo koa ny filàna ara-tsakafo, raha tsy hilaza afa-tsy izay.
Misedra olana mafy izy ireo, indrindra ho an’ireo tsy mba nisitraka fisotroan-dronono.
Manana Ray aman-dReny zokiolona angamba ianao, mbola ho zokiolona koa na ianao na ireo taranakao ka hiara-manaiky amiko an’ity vahaolana ity.
VAHAOLANA
Ilaina ny manome fanampiana ara-tsosialy mitohy an’ireny zokiolona tsy mba nisitraka fisoroan-dronono ireny.
Azo atao izany sady vitsy dia vitsy ireo olona ireo.
Misy amin’izy ireny nandoa latsak’emboka amin’ny Cnaps ihany fa tsy afaka nisitraka ny vokatr’izany noho ny hafetsifetsen’ny mpampiasa azy tamin’izany fotoana izany sy ny olana hafa.
Ampio izy fa tsy afaka hilaza isika hoe tsy mba nametraka dian-tanana tamin’ny fanasoavana an’ity firenena ity ireny olona ireny.
Mazava ho azy aloha fa tsy isan’ireo nanodinkodina volam-panjakana sy nanondrana harena sarobidy an-sokosoko izy ireo.
Ato anatin’ity rohy ity moa ny Curriculum Vitae-ko raha mahaliana anao
Raha hanolotra kafe koa ianao di alefaso Mvola : 0344485763 (Tsy anarako ny Identifiant ao fa alefaso ihany)