Oviana no nanomboka ny fahavaratra 2019-2020 ?
Alohan’ny hamaliako an’io fanontaniana io, efa nilaza aho na tsy teto aza fa tokony hisy fanakona-masoandro hita maso amin’ity taona ity, nisy izany tamin’ny 02 jolay 2019, fa tsy nahita isika satria alina taty amintsika ny fotoana nitrangany.
Ireo firenena tany Amerika Atsimo no nahita azy.
Ny Fanakonam-masoandro moa manamora ny fanonganam-panjakana sy ny fionganam-panjakana hatrany ho an’ireo firenena itrangany.
Hitantsika tamin’ny 2001-2002 raha nisy io fanakona-masoandro io ny 21 juin 2001.
Tamin’ity taona ity kosa efa nisy mpitondra niongana sahady, raha tsy hilaza afa-tsy i Evo Morales izay voatery nametra-pialana.
Midika izany fa haintsika ity kajy ara-panandroana ity ka tsy milaza zavatra diso isika.
Efa nolazaiko teto ary fa ny 27 novambra no hanomboka ny fahavaratra.
Avy talohan’io daty io ny orana saingy tsy hoe isaky ny misy orana dia fahavaratra e.
Matetika avy ny orana teto afovoan-tany tamin’ny ririnina, fa ririnina ihany io, fa tsy hoe lasa fahavaratra satria misy orana.
Tsy mbola fahavaratra talohan’ny 27 novambra, porofo ny orana nahatondra-drano tany Frantsa andro 2 talohan’io.
Oviana no mbola nisy hoe sady fahavaratra tany Frantsa no sady fahavaratra taty Madagasikara ?
Kajy hafa no nahatonga an’ireny orana ireny, ary raha dinihina amin’ny trangam-panandroana isam-bolana dia tsy ho avy intsony ny orana alohan’ny 11 desambra. Tsy misy idirany amin’ny daty fiantombohan’ny fahavaratra izany moa.
HISY RIVO-DOZA VE?
Tsara ny miomana nefa tsy midika izany hoe hahery tokoa ny rivo-doza.
Mahafaly ahy ny milaza fa raha hisy ny rivo-doza tafiditra eto Madagasikara dia ho levona an-tanety.
Hiverin-dalana nefa ny rivo-doza raha tsy mbola tafiditra eto akory.
Izay no ilàna ny famaritana tsara ny daty sy ny ora hiantombohan’ny fahavaratra mba hahafahana manao ny kajy ara-toetr’andro, fa raha tsy fantatra aloha ny daty, tsy ho marina ny kajy.
Azontsika atao moa ny mamantatra ny daty rehetra hiantombohan’ny vanim-potoana rehetra mandritry ny arivo taona maro : ny fahavaratra ; ny fararano ; ny ririnina ary ny lohataona.
Azo atao koa ny milaza dieny izao hoe rahoviana no misy ny rivo-doza, rahoviana izy no hatanjaka, rahoviana izy no tsy hisy eto amintsika.
Saingy tsy asa andraisam-bola aloha izy ity, ka raha tianao ny hanohana ahy hahavitana an’izany, mndrotsaha kely e, mandrotsaha be, mety tsara.
Tsara hodinihanao koa ireto pejy ireto izay ahalalanao tsara ny atao hoe Malagasy sy ny tantarany , ny kolontsaina sy ny tena fomba ary hampianatra ano ny Kabbale hebreo sy ny baiboly :
Le messie : http://cyrius.unblog.fr/ , Ary maro mpitsidika ireto pejy momba ny fahendrena Malagasy ireto ireto : (Ny herin’ny fanahy na ny hasina)http://cyrius.unblog.fr/?p=1672 – (tantara miafin’i Madagasikara) http://cyrius.unblog.fr/?p=2281 – (Ny fanahy no olona) http://cyrius.unblog.fr/?p=35, ary ao anatin’io pejy io ihany (Ny fanahy faha-7, Zanahary na Aura Atmique) http://cyrius.unblog.fr/?p=1876 – (Iza no tompon’ny fanandroana Malagasy ?) http://cyrius.unblog.fr/?p=2022 – (Leviatana na rivo-doza) http://cyrius.unblog.fr/?p=1589 – (Andrianampoinimerina sy ny vintany) http://cyrius.unblog.fr/?p=1994 Ary tsy azo adino ity pejy iray ity : Le prince de la paix http://cyrius.unblog.fr/?p=1808 . Teny vahiny koa ity pejy ity nefa Fahendrentsika ka araho tsara http://cyrius.unblog.fr/?p=37
Mbola ho hitantsika any aoriana fa teto avokoa no niainga na ny baiboly na ny Qoran, Ary rahalahintsika ny israeliana sy ny egiptiana fa tsy avy any isika.
Nisy fahatsiarovana ratsy koa moa teto fa tany eto amintsika no nisy an’i Sodoma sy Gaomoro fahiny.
Ary teto no nanafenana ny zava-masina rehetra nafenin’ireo olo-manan-tantara ao amin’ny baiboly.
Marihiko fa diso izay rehetra efa nilaza ho efa nahita na mahalala ny toerana misy ny iray amin’ireo.
Mbola ho hitanao eto koa fa arabo no namorona ny anarana hoe Madagasikara fa tsy i Marco Polo.
……
Ny fanohananao ahy ara-materialy ihany no hanafaingana ny fanoratana an’ireo eto.
ASA HAFA
Olombelona koa ny Mesia, Manan-talenta amin’ny famoronana sarimiaina, efa azonao jifaina ny vokatra : Planetan’ny dinaozaoro, maharitra 61 mn, Vidiny ho an’ny olon-tsotra : Ar 3000 (Mvola : +231344485763)
Ho anao orinasa te hividy ny zo amin’io sarimiaina io koa, io ny laharana..
Pejy facebook Tanguy Production.
Misy version Audio amin’izay format tianao koa ny fanadihadiana momba ny tantaran’Andrianampoinimerina sy ny vintany, misy feon-kira manaingo ny fitantarana , maharitra 41 mn ary milanja 38 Mo e- : mail : shivatanguy@gmail.com ; tél : +261344485763
Tsy mandany fotoana ny mihaino azy, tahaka ny fihainoanao hira eny an-dalana sy amin’ny fotoana rehetra.
Mandraisa anjara ho fanohananao an’izao asa lehibe izao.
Ny teknika ampiasaiko moa no isan’ny hangana indrindra amin’ny famoronana sarimiaina, mila fanohizana kosa ity horonantsary fohy momba ny any ankoatra ity.
L’au Delà
https://youtu.be/5H5_UR1b-z8
Afaka manohana ny asa ianao raha liana ny amin’ny fiainana any ankoatra.
PEJY HAFA
Momba ny mpanoratra : Izaho mpanjaka mpisorona sy ny asako : http://cyrius.unblog.fr/?p=2624 ;
Ny Mesia : http://cyrius.unblog.fr/?p=2306
TETIKASA HAFA
Ary ny nosy hiandry ny Lalàny , ity ilay lalàna izay atolotro sahady ho lalàmpanorenan’i Madagasikara : http://cyrius.unblog.fr/?p=613
Asaina ianao hitondra ny hevitrao ao anatin’io.
Eo am-panomanana ny tantara fahinin’i Madagasikara (Vidéo) koa isika izao satria ilay rambon-tany tian’i Madagasikara angatahina dia anisan’i tapak’i Madagasikara ihany raha ny tantara fahiny no arahana araky ny baiboly sy ny kabbale hebreo sy Malagasy ho hitanao ao koa ny TAO-TRANO MALAGASY tranainy indrindra nisy. Ny Audio izao no efa vita :
ato anatin’ity rohy manaraka ity ny bande annonce, afaka manindry ianao dia mazotoa mijery.
cliquez sur ce lien pour visionner la vidéo
Tanteraka izay voasoratra teto.
Efa naparitaka tao amin’ny pejy facebook-n’ny ministeran’ny sersera sy ny kolontsaina moa ity pejy ity sy tao amin’ny pejin’ny ministeran’ny fitaterana sy ny fizahanatanay ary ny famantarana ny toetry ny andro talohan’ny hidiran’ny rivo-doza Belna an-tanety.
Levona an-tanety tokoa ary i Belna ny 11 déc 2019 ary andro ratsy sisa tafavoaka tany an-dranomasina. Efa voafafa moa izany hafatra izany nefa tadidin’ireo olona an-jatony efa nahita azy ihany.
Ity ohatra ny hafatra nilazana mialoha ny momba izany tao amin’ny serasera.org, pejin’ny kolontsaina ny 29 novambra 2019 : http://forum.serasera.org/forum/message/m5de0e1772e39c
Tsy tafiditra teto koa ny rivo-doza nanaraka an’io.
Zavatra hitan’ny kajy siantifika ara-panadroana mialoha no lazaina eto fa tsy hoe rivo-doza efa lasa tamin’ny 52 taona lasa vao amoronana lainga toy ny ataon’ny sasany hoe navily nankatsy na nankaroa, satria efa nihinana voamanadino ny rehetra ka tsy hilaza aminy hoe tsy marina izany.
tsy mbola tapitra ny vanim-potoanan’ny fahavaratra, ary ireo roa ireo ihany no hitoetra raha mbola misy rivo-doza : na tsy tafiditra eto na levona an-tanety.
Tsy atao tsatotsatoka izany fa mahalana no levona an-tanety toy izao ny rivo-doza.