RADAMA I SY NY VINTANY
Radama voalohany dia mpanjakn’i Madagasikara (1810 – 1828).
Zaza natsangan’Andrianampoinimerina izy ary nandova azy nony avy eo.
Toy izao ny vokatry ny fikarohana momba ny tononandron’Ilaidama.
Ascendant : Adalo
Vintana : Alakarabo
Zanakandro : Adaoro
Planète : Jiopitera
NY MOMBA AZY
Teraka tamin’ny teraka tamin’ny 02 novambra 1791 tamin’ny 10 ora 15 mn alina izy.
Zaza natsangan’Andrianampoinimerina Radama, nanana zokilahy roa izy, dia Rabodolahy sy i Mavolahy, izay tsy nahandry ny ho farany, ka tsy maintsy novonoina.
Zaza natsangana, toa an-dRadama koa ireo, fa tsy mba niteraka moa Andrianampoinimerina.
Ny hafetseny sy fahendrena nananany no nampiavaka azy tamin’ireo zokiny ka nahatonga ny safidin’Andrianampoinimerina hanendry azy ho mpandova ny fanjakany.
Fantar’Andrianampoinimerina fa izy no hahatanteraka ilay fikasan’Andrianampoinimerina manao hoe : « Ny ranomasina no ho valamparihiko ».
Mbola velona moa Andrianampoinimerina dia efa nentin-dRadama nivahiny teto Imerina Rasalimo, ka nanomboka naharesy lahatra an’Andrianampoinimerina ny amin’ny hahavitany hampiray an’I Madagasikara.
Famerenana sy famintinana ny tantara fotsiny iny, fa toy izao kosa izany raha ampifandraisina amin’ny fanandroana, atombotsika amin’ny maha verseau an-dRadama izany.
Ascendant Adalo
Ny verseau aloha dia olona mpitondra zava-baovao sy diplaomaty. Io vintana io ihany koa no mifehy ny saina sy ny hafetsena ary ny fahaizana izay hita nisongadina teo aminy maha izy azy an-dRadama.
Tsiahivina ihany aloha fa olona nisokatra ary nitondra fanovana maro Radama teo amin’ny fiainam-pirenena.
Nifandray tamin’ny vahiny izy ka ireny no nanampy azy tamin’ny fampidirana zavatra vaovao toy ny sekoly, ka nisy tamin’ny mpianatra malagasy mihitsy no nalefa nianatra tany ivelany handalina ny fahaizana nananan’ny vahiny.
Amin’ny maha verseau azy dia tsy mpitahiry ny nentin-drazana loatra izy, nanomboka teo amin-dRadama no nanapa-bolo voalohany ny lehilahy, sahy naka ny soratra latina kosa izy raha ny sorabe no fampiasa tamin’ny andron’Andrianampoinimerina.
Olona fetsy ny verseau toa an-dRadama, ka nitakiany takalony ny fampidiran-dry zareo vahiny ny fivavahany teo, notakiany tamin’ireo ny fampianarana ny vahoaka hamaky teny sy hanoratra.
Diplomaty koa ny lehilahy ka hainy ny nitady ny tombontsoam-pireneny tamin’ny fifandraisana tamin’ny any ivelany, mora nifankahazo ohatra izy sy ny governoran’i Morosy (Maurice), ka nanampy azy tamin-javatra maro io, nanoro hevitra azy tsy hamarina andevo intsony, sao ho lany ritra ny vahoaka, nanampy azy ara-bola koa ho setrin’izany.
Anisan’ny toetra entin’i verseau moa ny hafainganana, haingam-piasa Radama fa 18 taona monja no nitondrany nefa
Tsy ireo ihany nefa no nampiavaka azy, izao entintsika manaraka izao kosa ny fivoarana nentin’ny maha-taureau azy.
Zanakandro Adaoro
Ny Adaoro aloha aloha dia vintana miaramila, ary ny sary malaza indrindra ahafantarana an-dRadama, dia mampiseho azy manao fanamiana ana miaramila anglisy.
Mbola kely mo aizy dia efa nalefa nitari-tafika, ary tsy avelany raha tsy tontosa izay iraka nadefasan’Andrianampoinimerina azy.
Misongadina ko aizy amin’ny toe-tsaina miaramila ao aminy, fa izy no namorona ny tafika voalohany teto Madagasikara, raha ny tantara no arahina, izy no namorona ny lalàna mifehy azy.
Anisan’ny nampatanjaka ny fanjakany izany ka nanamora ny famoriany an’i Madagasikara.
Anisan’ny Mampiavaka ny taureau ihany koa nefa ny fahaizana « mikabary », teny fohy monja dia ampy nandreseny lahatra an’Andrianampoinimerina ka nahatonga azy ho mpandova fanjakana, hisolo an’ireo zokiny.
Hoy indrindra mantsy Ilaidama : « Raha tsara tsodranonao,tompoko, dia mahay dia mahay aho, ary mahery dia mahery aho »
Nanontany azy mantsy Andriananmpoinimerina nanao hoe : « Hanao ahoana ialahy ry Ilaidama any am-parany ihany, mba hahazaka fanjakana ihany ve ?
Valintenin’olona baikoin’ny sainy sady havanana amin’ny diplaomasia io.
NY ANTONY NAHAFATY AN-DRADAMA I
Ratra teo amin’ny atiny no nahafaty an-dRadama, avy aty aoriana no nanindronana azy, raha ny fanandroana no jerene, izay no asehon’ny sarin-danitra tamin’ny daty sy ny ora nahaterahany.
Hita ao amin’ny efitranom-bitana fahavalo, efitranon’ny fiafarana sy ny fahafatesana ny vintana asombola izay otronin’ny planeta marsa. Mifandratra ireo, fa I marsa, planeta mifehy ny ratra sy ny herisetra no tompon-trano.
Scorpion rahateo moa ny lehilahy ka voan’ny tonon’andro tsy maha lehilahy izy teto.
Iza no nanindrona ? Mety ho teto ve no teraka ilay fitenenana hoe « Ny zanak’anabavy mpandefona ivoho ? »
Hisy fikarohana hafa hahitana an’izany angamba any aoriana any, fa ny antony ho namonoana azy aloha no fantatra.
Tsiahivina eto aloha fa famadihana tsotra izao no nahafaty an-dRadama.
Mbola teo Andrianampoinimerina dia efa nahalala sy nahazo tsindrimandry ho vonoin’ireo manodidina azy Radama amin’ny fotoana tsy ampoiziny.
Hita ao amin’ny hafatra farany nataon’Andrianampoinimerina tamin’izy 12 lahy mantsy ny teny hoe : «… Tandremo, sao mbola tsy tokony ho faty ka matinareo… »
Inona ary no antony niketrehan’ireo tandapa ireo ny hahafaty an-dRadama ?
Ankoatry ny maha tsy zaza naterak’Andrianampoinimerina an-dRadama moa dia tsy nahafaly an’ireo ny fikasany hanambady an-dRasalimo zana-dRamitraho, mpanjakan’ny sakalava.
Radama rahateo koa zanak’olona sakalava, raha any tantara no arahina.
Natahotra ho very toerana sy fihinana ve izy ireo, satria tsy fitondrana merina intsony izao no hisy fa fitondrana sakalava, ary sakalava ihany koa no ho mpandova ny fitondran-dRadama, izany hoe izay ho zanak’izy sy I Rasalimo ?
Nisy mpandalina tantara iray moa nilaza fa na ny olona to teny indrindra tamin-dRadama aza, dia sakalava ihany, Ralala (hita anaty tahirin-kevitra io) no anarany.
Fa nahoana no tsy ireo tandapa nahazatra an’Andrianampoinimerina ?
Eto no manazava ny antony ho nahafaty an-dRadama sy ireo ao ambadiky ny famonoana azy.
Manampy an’izany, maty novonoina talohany ireo katibo nitaiza azy.
Tsy niteraka koa moa Radama, fa raha any fikasany izay itovizany amin’izay nandrasan’Andrianampoinimerina, dia izay ho zanak’izy sy Rasalimo no handimby azy, tsy tanteraka nefa izany, ary nanahirana an’ireo tandapa tao an-drova ny nitady an’izay ho afaka ny hisolo azy.
Misy tantara mifanohitra amin’izai voasoratra, saingy nisy tamin’ireny niniana hodisoina, nisy koa nadika avy amina tantara diso.
Ny antsika eto kosa dia izay lazain’ny kintana, kintana tsy mahita tombontsoa amin’ny fandisoana tantara.